FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/2 p. 12-16
  • Ny asa: fanomezan’Andriamanitra ho an’ireo mpanompony

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny asa: fanomezan’Andriamanitra ho an’ireo mpanompony
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mila ny manao asa mahasoa ny olombelona
  • Tokony hifaly amin’ny vokatry ny asany ny mpiasa
  • Mpiasa Jesosy sy ireo mpianany
  • Miandry antsika ny asa mahafaly
  • Te ho Faly ve Ianao Rehefa Miasa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mifalia Amin’ny Asa Mafy Ataonao
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Ahoana no Hahaizana Mandanjalanja Amin’ny Asa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Ny Asa dia Fitahiana
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/2 p. 12-16

Ny asa: fanomezan’Andriamanitra ho an’ireo mpanompony

Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.—Jaona 6:4.

1. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’ny sa manahirana azy teto an-tany?

NY MPAMORONA ny lanitra sy ny tany dia tsy manana mpanompo lehibe kokoa noho Jesosy Kristy, Zanany lahitokana. Rehefa nirahina ho ety an-tany izy io mba hanamarina ny fiandrianan’ny Rainy eo amin’izao rehetra izao sy mba hanavotra ny taranak’olombelona, dia nanjary nigagana, indrindra fa ho an’ny taranak’olombelona. Tamin’izany no nahatanterahany ny faminaniana ao amin’ny Isaia 52:13, 14, izay nilaza toy izao: “Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. Fa toy ny nigagan’ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona).” Nanatontosa tamim-pahatokiana an’io asa mahatalanjona io Jesosy ka nanambara toy izao tamin’ny vavaka iray nataony tamin’i Jehovah Andriamanitra: “Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” (Jaona 17:4). Manana azy ho ohatra tsara dia tsara tokony harahina ny mpanompon’Andriamanitra hafa rehetra.

2. Amin’ny heviny ahoana moa isika no natao tahaka ny endrik’Andriamanitra?

2 Mila ny miasa daholo na lehilahy na vehivavy. Izany dia avy amin’ny fomba nanaovan’Andriamanitra azy ireny. Rehefa namorona ny olombelona tokoa Andriamanitra mba hanaovana azy ho mpanompony teto an-tany, dia izao no nambarany: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika.” (Genesisy 1:26). Izany dia tsy nety ho fitoviana ara-batana, satria Andriamanitra fanahy (esprit) tsy hita maso. Milaza kosa izany fa Andriamanitra dia nanome ho an’ny olona tanteraka, sasany tamin’ny toetran’ny tenany: ny fahamarinana, ny fahendrena, ny fitiavana mbamin’ny toetra hafa koa izay nanandratra ny olombelona ho ambony noho ny biby. Manamafy izany filazana hevi-javatra izany ny Kolosiana 3:9, 10. Ao amin’io andinin-teny io i Paoly dia milaza amin’ireo izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanompo azy, toy ny nataon’i Jesosy Kristy, hanova ny toetrany. Izao no nosoratany: “Efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafianareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.”

3, 4. a) Ahoana moa no ampisehoan’ireo teny voalohandohany ao amin’ny Baiboly an’Andriamanitra amintsika? b) Tamin’ny heviny ahoana moa Andriamanitra no hoe nitsahatra rehefa nahavita ny asa famoronany?

3 Ny ‘endrika’ ananantsika ny amin’Andriamanitra dia ny an’ny mpiasa indrindra. Manana fahafahana tanteraka hanao izay sitrany Jehovah; mahita fahafinaretana amin’ny asa anefa izy. Ny Baiboly dia mampiseho azy amintsika raha vao eo am-boalohany ho toy ny mpiasa tsy mety sasatra, rehefa milaza hoe: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1). Tsy nanasatra azy velively anefa io asa io, satria izao no vakintsika: “Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany (...) tsy mba mety ho reraka na sasatra izy”.—Isaia 40:28.

4 Raha nitsahatra àry Jehovah tamin’ny faran’ny andro famoronana fahenina dia tsy noho izy nila ny haka hery indray akory. Izao no lazain’ny Baiboly: “Tamin’ny henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.”—Eksodosy 31:17). Tsy nitsahatra tamin’izay rehetra nety ho asa Andriamanitra tamin’izay, fa tamin’ny asa famoronana manokana iray monja. Rehefa vitany izany, dia nodinihiny ka hitany fa tsara dia tsara, mifanaraka amin’ny fitsipiny ny amin’ny fahatanterahana, ka tamin’izay izy dia afaka nitsahatra sy nifaly satria nahatontosa asa tsara dia tsara. Loharanom-pifaliana-sy fahafahampo ary fialan-tsasatra ho an’i Jehovah Mpamorona ny fahitana zava-bita toy izany (Genesisy 1:31; Jaona 5:17). Izany rehetra izany àry dia mampiseho fa ny olombelona natao araka ny endrik’Andriamanitra dia manana filana raikitra, tsy ny hiasa ihany, fa ny hahatsiaro fahafahampo noho ny asa vita tsara koa.

Mila ny manao asa mahasoa ny olombelona

5. a) Karazana Andriamanitra manao ahoana koa moa Jehovah? Inona no azo tsoahina avy amin’izany? b) Inona moa no anankiray amin’ireo anton’ny fanjavonan’ny hasarobidin’ny asa?

5 Jehovah koa dia Andriamanitra manao ny zavatra rehetra araka ny fikasana. Izao no vakintsika: “Ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah dia samy misy antony avokoa”, anisan’izany ny olombelona (Ohabolana 16:4). Noho izany dia mila ny miasa noho ny antony iray koa ny olombelona. Izao no nosoratan’ilay mpitsabo aretin-tsaina atao hoe Viktor Frankl: “Ny hery manosika lehibe indrindra eo amin’ny olombelona dia ny fitadiavana izay heviny ho azony omena ny fiainany. (...) Holazaiko koa aza fa mba hitohizan’ny fahavelomana ao anatin’ireo toe-piainana ratsy indrindra, dia tsy misy sahala amin’ny fahazoana antoka fa manana fiainana misy heviny ny tena.” Be dia be anefa no mahita fa manorisory ny famerimberenana fihetsehana tsy miova eo amin’ny fitohitohizam-panamboaran-javatra izay amin’ny farany dia hivoahan’ny zavatra iray tsy mahaliana azy ary tsy ireharehany mihitsy. Anankiray amin’ny antony mahatonga fanjavonan’ny fiheverana ny asa ho sarobidy izany: Matetika ny asa no tsy mifanaraka intsony amin’izay ilain’ny sain’ny olona maniry hanao zavatra mahasoa sy hahita fahatsapana fivelarana.

6. Inona moa no asa mahasoa nankinin’Andriamanitra tamin’ny lehilahy voalohany?

6 Ny olombelona sahala amin’ny zavatra noforonina hafa rehetra, dia natao noho ny fikasana iray. Namorona sy nametraka azy teto an-tany Jehovah mba hiasany. Nahasoa ny asa nankininy taminy ary nanery azy hampiasa ny atidohany sy ny tanany ho amin’ny asa mitondra vokatra. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.” Ny olombelona tanteraka dia tokony ‘hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany’. “Ary ny tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanonon-dralehilahy ny zava-manan-aina rehetra, dia izany no anarany.” — Genesisy 2:15; 1:26; 2:19.

7, 8. a) Nahoana moa ny fiasana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra no azo heverina ara-drariny ho fanomezan’Andriamanitra? b) Nahoana moa ny fanalana andro no tsy tena mahasoa ny asa?

7 Nanankina tamin’ny olombelona asa nety Jehovah mba handraisany fifaliana sy fahafahampo avy amin’izany. Hameno ny fiainany io asa io, hisakana azy tsy ho latsaka ao anatin’ny fahasorisorenana na ny tsy fiovaovana, ary hanome azy fahafahampo satria ilaina. Tsy ho very maina foana ny asany, satria ny nanome azy izany dia ny Mpamorona ny tany sy izao rehetra izao, ilay Andriamanitra Tsitoha izay manao ny zavatra rehetra noho ny fikasana iray. Tsy nanindry velively an’ireo toetra araka an’Andriamanitra na namela izany tsy hampiasaina toy ny hita matetika eo amin’ny asa tsy ara-pivavahana ny asa nankinin’i Jehovah tamin’i Adama sy Eva fa namela azy ireo hanana fahafahana lehibe eo amin’ny filazana hevitra. Na dia rehefa tsy maintsy niasa ‘tamin’ny fahatsembohan’ny tavany’ aza ny olombelona taorian’ny nandroahana azy tsy ho ao amin’ny sahan’i Edena, dia mbola fahasoavana ihany ny asa.—Genesisy 3:19.

8 Ny fikarohana ara-tsiansa natao vao haingana manamafy ny fahamarinana araka ny Baiboly hoe natao hiasa ny olombelona. Izany fikarohana izany dia nampiseho fa ny ankamaroan’ny olona be taona salama dia tsy maniry hisotro ronono, ary matetika izany tsy fiasana intsony izany no mitondra fahasorisorenana ho azy fa tsy fahasambarana. Mino ireo mpanao fikarohana fa ireo efa tsy miasa intsony izay sorisorena dia tsy maniry ny ho velona intsony ary mety hanafohy ny androny aza izany. Ho an’ny olona iray efa misotro ronono, dia tsy mahasolo ny asa amin’ny fomba mahafapo ny fanalana andro. Mahafinaritra ny manana fanalana andro ora vitsivitsy isan-kerinandro mba hiovana hevitra sy hialana sasatra amin’ny asa mahazatra, nefa rehefa maka andro maromaro manontolo izany, amin’ny farany dia mamizana. Ny fanalana andro dia tsy manome antsika fahatsapana fa misy antony mahasoa ny fiainantsika. Nanoratra toy izao i Solomona mpanjaka hendry: “Nahazo hafaliana avy tamin’ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ny fisasarako rehetra. Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ny tànan’Andriamanitra.” Fanomezan’Andriamanitra àry ny fiasana ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.— Mpitoriteny 2:10, 24.

Tokony hifaly amin’ny vokatry ny asany ny mpiasa

9, 10. a) Inona moa no fanoharana mampiseho fa tokony hifaly amin’ny vokatry ny asany ny olona? b) Ny fitarainan’iza moa no ren’i Jehovah?

9 Tsy tian’i Jehovah tsy hanana ny vokatry ny asany ny olombelona. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.” Tao amin’ny anankiray hafa tamin’ny teny nosoratany, dia nanitatra ny fampiharana an’io fotopoto-pitsipik’Andriamanitra io izy tamin’ny filazana hoe: “Iza no manao tanimboaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’osy ka tsy mihinana ny rononony? Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa? Fa voasoratra eo amin’ny lalàn’i Mosesy hoe: ‘Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary’. Ny omby va no ahin’Andriamanitra? Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin’ny fanantenana hahazo.”— II Timoty 2:6; I Korintiana 9:7-10.

10 Na dia ny biby fiompy aza dia tokony hanana anjara amin’ny vokatry ny asany. Raha miahy ny amin’ny tombontsoan’ny biby àry Jehovah, dia vao mainka hiaro ny mpiasa olombelona izy! Nasehony mazava fa izany tokoa no fikasany rehefa nampanoratra izao teny izao izy: “Indro, ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ny sofin’ny Tompon’ny maro.” — Jakoba 5:4.

Mpiasa Jesosy sy ireo mpianany

11. Nanao ahoana moa ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’ny asa? Nahoana moa no tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana ny fihetsika nasehony?

11 Sahala amin’i Jehovah Rainy any an-danitra, Jesosy dia tia asa. Izao no nambarany: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” (Jaona 5:17) Ataony izay rehetra nasain’i Jehovah nataony. An-tsitrapo no anatontosany izany asa izany ary lazainy ny fifaliana raisiny avy amin’izany. Aminy, io asa io dia mahavelona sy mahafinaritra ary mampahatanjaka toy ny sakafo. Ny mbola tsaratsara kokoa ihany, dia ny namaliany toy izao indray andro ny mpianany izay nandodona azy mba hihinana kely: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Rehefa ho nanatanteraka ny asa nanirahana azy izy, ny fifaliana noho ny asa vita dia hanala sasatra azy, hampisava ao aminy izay rehetra mety ho havizanana ka hamela azy ho afapo sy falifaly. Koa satria lazain’ny Baiboly fa ‘Kristy dia namela fianarana ho antsika mba hanarahantsika ny diany’, ireo izay milaza tena fa kristiana dia tsy tokony hanadino na oviana na oviana ny toe-tsaina sy ny fomba fiasan’i Jesosy Kristy. — I Petera 2:21.

12, 13. a) Fanoharana inona no mampiseho fa tsara ny midera ny mpiasa tsara? Valisoa inona no azon’ireo mpanompo voalazan’ny fanoharana? b) Inona moa no nitranga tamin’ilay mpanompo tsy nahavokatra? d) Inona moa no ilàna ny fialan-tsasatra?

12 Nasehon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana fa valian-tsoa amin’ny fifaliana foana ny asa. Ny lehilahy iray niomana ny handeha lavitra dia namory an’ireo mpanompony ary nizara taminy ny fananany tamin’ny fiheverana ny fahafahan’ny tsirairay avy taminy. Tsy nangataka tamin’izy ireo izy mba hanao mihoatra noho izay azony natao, fa nampoiziny kosa ny hampitomboan’izy ireo ny anjarany arakaraka ny fahaizany. Rehefa tsy teo ela be ilay mpifehy dia niverina ka nampamoaka an’ireo mpanompony. Ilay nomena talenta dimy dia nampitombo avy roa heny ny nananany, ilay nahazo roa dia nanao toy izany koa, fa ilay tsy naharay afa-tsy talenta iray kosa dia tsy nampitombo izany. Ahoana no namalian’ilay mpifehy an’ireo mpanompony roa? Tamin’ny fanomezana azy fialan-tsasatra ve? Tsia; raha ny marina, dia mbola nomeny asa betsaka kokoa izy ireo. Noderainy toy izao ny tsirairay taminy: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.” Nahita fifaliana tamin’ny asa ilay tompo ary, rehefa nanankina andraikitra bebe kokoa tamin’ireo mpanompo tia asa roa izy dia nampizara ny fifaliany tamin’ny fomba feno kokoa tamin’izy ireo. Fa raha ny amin’ilay mpanompo kamo, dia nandidy toy izao ny aminy ilay tompo: “Alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.” — Matio 25:14-30.

13 Afaka nisonanina izao ilay mpanompo kamo. Nefa moa ve sambatra izy? Tsia, satria niafara tamin’ny ‘fitomaniana sy ny fikitroha-nify’ izy. Mba hahasambatra antsika, dia mila ny manao asa mahasoa isika. Mila fe-potoana fialan-tsasatra koa anefa isika. Tsy mba sahala amin’i Jehovah isika fa mety vizana. Nefa rehefa avy namela antsika hahita indray ny herintsika ara-batana sy ara-kozatra ary ara-tsaina ny vanim-potoana nialana sasatra, dia vonona ny hiasa indray isika, aoka holazaintsika aza fa tsy andrintsika izay hiasana indray. Raha tsy izany no izy, dia tsy isalasalana fa mahasorena ny asantsika, dridralava, na tsy dia mahasoa loatra eo imasontsika, toy ny hita matetika amin’ny asa tsy ara-pivavahana.

14. Mety hitondra soa maharitra ve ny fikatsahana fananana ara-nofo?

14 Nefa ankoatra ny fitomboan’ny asa tsy mahaliana miteraka fihenan’ny hasarobidin’ny asa, dia olona be dia be no manaiky ny ho azon’ny fandriky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Inona anefa no soa maharitra mety hoentin’ny fananana ara-nofo rehefa angonina mihoatra noho izay ilaina ara-dalàna izy ireny? Hoy ny sasany: “Tsy hoentinao ho aiza izany.” Nilaza hevitra sahala amin’izany, saingy mafimafy kokoa i Solomona rehefa nanambara hoe: “Toy ny nivoahany mitanjaka avy tay an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin’ny tànany ho valin’ny fisasarany. Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an’ny rivotra?” — Mpitoriteny 5:14, 15.

15. Manaiky ho voatariky ny fihetsika tsinontsinona hafa inona koa moa ny sasany?

15 Misy hafa koa manatratra zava-kendrena tsy misy antony amin’ny fiasana “mba hahafahana manao tahaka ny hafa manodidina” ary matetika dia tsaratsara kokoa aza. Izao no nambaran’i Solomona: “Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona izany.” (Mpitoriteny 4:4, Baibolin’i Segond, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao). Raha nampiseho ny maha-tsinontsinona sy zava-poana ny fiainana sy ny asan’ny ratsy fanahy Isaia dia nanoratra toy izao: “Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina hianareo, sy ho tahaka ny saha tsy misy rano. Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’afo, dia hiaraka hodorana izy roa tonta, ka tsy hisy hamono ny afo.” — Isaia 1:30, 31.

Miandry antsika ny asa mahafaly

16. Asa mahafinaritra inona moa no miandry ny olombelona mankato?

16 Tsy ho fisamboran-drivotra foana anefa ny asa eto an-tany. Ho hitany indray, indray andro any, ny heviny rehetra sy ny ilàna rehetra ny asa nankinin’Andriamanitra tamin’ny mpivady olombelona voalohany tany Edena. Hotanterahin’i Jehovah tokoa ny fikasany hanao ny tany manontolo ho paradisa honenan’ny olo-marina (Isaia 55:11). Izany mponina olombelona tanteraka izany dia hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy. Tsy hanjary hanorisory na ho dridralava na oviana na oviana ny fiainana ao anatin’io fandehan-javatra vaovao io, satria hisy asa be dia be hatao foana. Izany anefa tsy ho ny asa zava-poana sy tsy mahasoa hita eo amin’izao tontolo izao tonta, izay manova ny herinandro fiasana ho asa an-terivozona ka mahatonga hiresaka ny amin’ny alatsinainy mahamonamonaina. Tsia, izany dia ho ny asa mahavariana hatao hanatsarana ny endriky ny tany, hampiharana fanapahana feno fitiavana eo amin’ny biby hitaizana zanaka sy hampianarana an’ireo hatsangana amin’ny maty, izany rehetra izany dia mandra-pahafenon’ny tany amin’ny taranak’olombelona marina ka hitondrany ho antsika fifaliana mahatalanjona be dia be. Amin’izany fotoana izany, dia hisy olombelona hiasa “hanaram-po amin’ny asan’ny tànany”. — Isaia 65:22.

17. Inona moa no mampiseho fa hisy zavatra hianarana sy hatao foana, ka noho izany dia tsy hanjary hanorisory mihitsy ny fiainana?

17 Ankoatra ny asa hataony amin’ny tanany, ny olona dia ho tojo zava-manahirana izay hahatonga azy ireny ho afaka hampiasa amin’ny fomba feno ny sainy sy ny fahaizany mieritreritra tonga lafatra. Tsy hahalala ny na oviana na oviana ny zavatra rehetra ny olombelona, satria “tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany”. Nihiaka toy izao ny apostoly Paoly: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” (Mpitoriteny 3:11; Romana 11:33). Hisy fanaingana vaovao tsy maintsy hatrehina foana sy zava-miafina vaovao hofantarina. Hiaina mandrakizay ireo mpanompon’i Jehovah nefa tsy ho ampy azy ireo na dia ny mandrakizay aza mba hianarana izay rehetra mahakasika ny tany sy izao rehetra izao noforonin’i Jehovah.

18. Inona moa no tokony hataontsika alohan’ny hahafahana hiasa ao amin’ny paradisa an-tany.

18 Nefa, alohan’ny hanolorana antsika izany asa mahafaly izany, dia tokony hanaraka karazana asa hafa iray isika mba hahazoana antoka fa hiaina ao amin’ny paradisa an-tany. Zava-dehibe ny hahafantarantsika hoe inona izany asa tokony hotontosaina ankehitriny izany.

□ Nahoana ny olona no mahatsapa fa mila ny miasa?

□ Amin’ny heviny ahoana moa Jehovah no hoe nitsahatra rehefa avy namorona ny lanitra sy ny tany?

□ Asa mahasoa inona moa no nankinin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny lehilahy voalohany?

□ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa mbola fahasoavana ihany ny asa na dia rehefa nanjary tsy tanteraka intsony aza ny olombelona?

□ Inona no mampiseho fa tian’Andriamanitra ny hahita ny olona mifaly amin’ny vokatry ny asany?

□ Inona moa no fihetsika nasehon’i Jesosy teo anoloan’ny asa?

□ Inona no asa mahafinaritra miandry an’ireo mpanompon’Andriamanitra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara