FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/2 p. 10-11
  • Tantara kely vitsivitsy momba ny fanorenana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tantara kely vitsivitsy momba ny fanorenana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/2 p. 10-11

Tantara kely vitsivitsy momba ny fanorenana

TSY ho afaka niara-niasa tsaratsara kokoa noho izany ny tanànan’i Atlanta. Atoa Gardner, tonian’ny fisafoana, dia nandre firesahana ny amin’ny fandaharany, nefa tsy miasa asabotsy sy alahady ireo mpisafo teo ambany fifehezany. Koa navelany ny Vavolombelona nanam-pahaizana manokana tamin’ny asany ho tompon’andraikitra tamin’ny fisafoana. Ambonin’izany, ny mpisafo nanana diplaoma iray dia nitsidika tsy tapaka an’ireo toerana tamin’ny faran’ny herinandro mba hanara-maso ny fanorenana ny efitrano tamin’ny fomba hentitra kokoa noho izay notakin’ny fitsipika momba ny fanorenana tao amin’ny “comté”.

Nisy antokony amin’ny fandefasana televiziona telo tonga teo amin’ny toerana fanorenana. Ny anankiray tamin’ireo mpanao gazety nanolotra ny filazam-baovao dia taitra tamin’izay hitany. Nijanona teo amin’ny toerana izy, ela be taorian’ny niaingan’ny antokony naka sary ary namarana ny gazetiny tamin’ny telo amby roapolo tamin’ny filazana hoe: “Ho eo indray ireo rahalahy sy anabavy rahampitso maraina. Hiverina koa izahay.”

Ny efatra amby roapolo tamin’ny maraina, tokony ho roanjato kilaometatra avy eo Dunwoody, dia nitory isan-trano ny Vavolombelona iray. Tao amin’ny varavarana enina samy hafa, dia nisy nilaza taminy hoe: “A! Ianareo ireny olona hita tao amin’ny televiziona sy eo am-panorenana ny Efitrano Fanjakanany ao anatin’ny roa andro monja!”

Ny lehilahy mpanao raharaha iray tany Atlanta dia nandray vahoaka tao an-tranony tamin’io faran’ny herinandro io. Vao maraina ny asabotsy, dia nandalo teo amin’ny toerana nanaovana ny fanorenana izy sy ireo olona nasainy ka nahita an’ireo rindrina nivoaka avy amin’ny tany. Talanjona izy ireo nahita ny faharisihana nanjaka tao. Tamin’io andro io ihany sy tamin’ny andro nanaraka, dia niverina isaky ny adiny roa izy ireo mba hanaraka an’ireo fandrosoana vita. Taty aoriana io lehilahy mpanao raharaha io dia niresaka ny amin’ny zava-niseho tamin’olona hitany tany Philippines, tany Meksika sy tany amin’ny fanjakana maromaro any andrefan’i Etazonia.

Ny dimy amby roapolo, tao amin’ny sampan-draharaha amin’ny polisy tany amin’ny “comté-n’i Dekalb, ny vehivavy polisy iray dia notendrena handamina ny fifamoivoizana teo akaikin’ny Efitrano Fanjakana. Nanazava taminy ny lehibeny fa misy fanorenana fiangonana eo akaiky eo, nefa namaly izy fa tsy nisy fiangonana naorina mihitsy teo. Mbola nanizingizina ihany izy fa diso hevitra ilay lehibeny, nefa nandeha ihany. Rehefa nadiva ho tonga izy, dia nijanona teo afovoan’ny arabe, nisakana ny fifamoivoizana, ary nihiaka hoe: “Sarotra inoana! Tsy teo akory io trano io omaly!”

Ny Vavolombelona iray dia miasa amin’ny maha-mpandroso sakafo ao amin’ny hotely Marriot any Atlanta. Ny talen’ilay trano dia nandray hisakafo ny ray aman-dreniny nandalo ary nanontany an’ilay Vavolombelona mba hiresaka ny amin’ilay fiangonana naorina tao anatin’ny roa andro. Nanohitra toy izao anefa ny rainy: “Tsy mety hisy na oviana na oviana izany! Nandritra ny taona maro no niasako tao amin’ny fanorenana ary fantatro fa tsy mety hisy na oviana na oviana izany!” Avy eo dia nanontany izy hoe: “Fa inona no finoanao? Rehefa noresahina ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia niaiky izy hoe: “Raha ireny, dia mety ho marina izany!” Taloha izy dia nampanofa efitrano fanaovana fivoriambe ny Vavolombelon’i Jehovah ary nahita azy ireo niara-niasa. “Tsy misy mihitsy fivavahana hafa ho afaka hanao toy izany, hoy ny nambarany, fa ny Vavolombelon’i Jehovah kosa afaka manao izany.”

Fiarakodia maro be no nilahatra teo akaikin’ny tany nanaovana fanorenana, nitondra olona tonga mba hijery izay nitranga. Betsaka no nijanona mba hitsidika. Nisy fotoana nanisana mpandalo sy olona teny amin’ny manodidina ta-hahafanta-javatra hatramin’ny valonjato teo amin’ny toerana. Ny sasany tamin’izy ireny niara-nihinana tamin’ireo mpiasa. Ny sampan-draharaha momba ny sakafo dia nanome maimaim-poana sakafo dimanjato sy telo arivo tao anatin’ireo andro roa.

Andro vitsivitsy taorian’ny fanorenana ny efitrano, ny masoivohon’ny varotra iray dia nitsidika Vavolombelona iray. Nandre firesahana ny amin’ilay Efitrano izy tao amin’ny filazam-baovaon’ny televiziona ka nanaitra ny sainy tokoa izany. Izany dia nahatonga azy hahatsiahy ny “vitsika ao anatin’ny lavany”. Raha mpino ny fianakaviany, izy kosa dia diso fanantenana noho ny fivavahana. Izao no nambarany: “Raha afaka miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina amin’ny fomba mandaitra toy izany ny antokom-pivavahana iray ka manorina trano ao anatin’ny faran’ny herinandro iray monja, dia tokony hanan-javatra tsy ananan’ireo fivavahana hafa izy.” Taty aoriana, niaraka tamin’ny namana iray, dia nanatrika fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy.

Sosotra aoka izany ny ray iray rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah ny zanany vavy ary tsy naniry mihitsy handre ny fanazavana nomeny. Izao anefa dia ankamaminy aoka izany ny firesahana ny amin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana tany Dunwoody ka izao no nambarany tamin’ny zanany vavy: “Mirehareha aho satria nandray anjara tamin’io asa io ianao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara