Asa mahafinaritra ny mijery azy
EO amin’ny toeram-panorenana any Dunwoody, any ambanivohitr’i Atlanta (any Etazonia), ny tabilao kely iray dia nanambara fanorenana Efitrano Fanjakana ho amin’ny “23 sy 24”. Nisy nifanontany hoe: “Tsy hain’izy ireo ve ny manapa-kevitra na ny 23 na ny 24 no hanomboka izany?” Tsy fantatry ny olona fa ny dikan’io dia hoe: Hanomboka ny 23 ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana ary hifarana ny 24. Nefa, izay nanjary nantsoina hoe fahagagana ao anatin’ny 2 andro dia mitranga saika isam-bolana mila ho hatraiza hatraiza an Etazonia.
Aloha be tamin’io asabotsy maraina io tany Dunwoody, dia napetraka ho antontany maromaro ireo fitaovana fanorenana, teo amin’ny toerana voafaritra tsara, teo amin’ny dalina vita amin’ny “béton” eo amin’ny 400 metatra toradroa izay efa nararaka mialoha. Nanara-maso ny fandrarahana an’io dalina io i Ben Kelley; nasainy nomarihina fa ny fitaovana rehetra dia natao indrindra teo amin’ny toerana mety mba hahafahana mampiasa azy haingana rehefa ilaina izany. “Jereo ny takelaka Placoplâtre, hoy izy. Nalahatra nifanosona teo afovoan’ny ho efitrano indrindra izany. Hanorina manodidina sy eo amboniny izahay, nefa, amin’ny fotoana mety, dia ho eo amin’ny toerana tsara izany mba hahatonga an’ireo izay tokony hametaka azy ho afaka handray azy avy hatrany.”
Raha mbola niresaka izy, ny lakozia mikorisa dia nandroso ny sakafo maraina ho an’ireo mpiasa an-tsitrapo telonjato. Tamin’ny enina ora maraina tamin’izay.
Rindrina nitsangana tao anatin’ny minitra vitsivitsy
Nanomboka ny asa tamin’ny fito latsaka dimy. Toy ny olona iray monja, ny mpiasa rehetra dia nilahatra nanodidina an’ireo fototra “béton” mba hanangana ny rindrina. Nanomboka nanakoako ny vely tantanana. Niorina ny rindrina rehefa napetaka ireo tsanganany voadidy mialoha. Tsy hitahita akory dia tafatsangana ny rindrina voalohany, ary nanaraka ny telo hafa. Minitra vitsivitsy monja dia ampy nampipoitra ny fefin’ny efitrano, ary efa nosaronana “contre-plaqué” sy hazo fisaka mainty sahady ny tsanganana fisaka mba hitanana ny hafanana. Tsy ankisesy intsony ny vely tantanana rehefa nahavita ny fananganana ny rindrina ny mpiasa isan’antokony ka nivondrona ho antokony kely kokoa indray, dia ny an’ny mpanamboatra momba ny herim-baratra, ny mpandrafitra, ny mpanamboatra momba ny metaly, ny tambato, ny mpanatsara endrika ny toerana taza-maso sy ny hafa. Ny tsirairay avy taminy dia nanana tompon’andraikitra nitana “talkie-walkie” mba hahafahana manome toromarika.
Ny antokony notendrena hanao ny fitanana hafanana, voaforon’ny vehivavy amin’ny ankamaroany, dia nanentsina ny rindrina lempona tamin’ny volonondry fitaratra. Nisy lehilahy matanjaka somary nananosarotra nitatitra rantsana fanaovana tohana mora milefitra ho amin’ny tafo. Natsangana ireo efitra anatiny. Ny efitrano lehibe, ny trano fivoahana, ny fitehirizam-boky, ny toerana fampisehoana ireo boky, ny lampihazo sy ny efitrano lehibe sy ny efitrano lehibe mitarehin’antsasak’atody, izany rehetra izany dia niseho. Indraindray ireo antokony isan-karazany dia nifangaro be na kely raha mbola nanao ny raharahany ny tsirairay taminy, tsy nifanembantsembana mafy teo amin’ny asany.
“Aoka horesahintsika izay mahatonga ny raharaha lehibe toy izao handeha tsara”, hoy Stanley Peck, nanomboka ny teniny. Ny rahalahy Peck, izay mpianton-draharaha amin’ny fanorenan-trano sady mpitory Vavolombelon’i Jehovah koa, dia nahatomombana an’io fomba fanorenana io niaraka tamin’ny mpianto-draharaha maromaro hafa Vavolombelon’i Jehovah avy any Midwest. “Voalohany indrindra, hoy ny fanazavany, ny fandaharana dia miankina amin’ny fahafahanay mampiasa mpilatsaka an-tsitrapo maro dia maro ary mpiasa mahay sy filohan’ny antokony ampy isa no manara-maso izany mpanao raharaha maro izany.” Fa ahoana no andaharana ny asan’olona telonjato tafavory ao amin’ny toerana fanorenana iray ihany? “Izany foana no anontanian’ny olona anay, hoy ny navalin’ny rahalahy Peck. Mazava ho azy fa afaka manao izany ny andian-tantely na ny andiam-bitsika. Nefa moa ve afaka manao izany ny olona? Tsia, raha tsy mpiasa vita fanoloran-tena ho an’i Jehovah izy ireo. Mpiasa mahay no ao amin’ny antokony tsirairay avy ary misy filohan’ny antokony mitondra azy. Izany dia mitranga tsy misy hafa amin’ny ao amin’ny kongregasiona kristiana izay anomezan’Andriamanitra ho an’ny sasany ‘fahaizana mitondra’ fa ny hafa kosa miantsoroka ‘asa fanampiana’.” — I Korintiana 12:28.
Aoka holazaintsika mazava fa tsy azo atao ny manorina efitrano fivoriana toy izany ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, na aiza na aiza. Mazava ho azy fa tsy ampy ny sandry sy ny finiavana amin’ny karazana asa toy izany. Ilaina ny fiaraha-miasan’olona mahay raharaha efa nahita fanandramana tamin’ny fandaminana, ny fanomanana sy ny fandaharana takin’ny fanorenana toy izany. Ambonin’izany, dia ilaina ny fiaraha-miasa tsara amin’ireo manam-pahefana ao amin’ny tanàna sy ny mpisafo amin’ny fanorenana.
“Tena andiam-bitsika”
Niseho haingana aoka izany ny rafitry ny efitrano, hany ka tao anatin’ny maraina ireo mpandalo talanjona dia nanomboka nahatakatra hoe nahoana no andro roa no notondroina ho datin’ny fanorenana. Nisy tambato nanangana ny kombarika; ny antokony hafa nanomana ho azy ireo ny biriky sy ny rihitra. Niasa nanodidina teo ny mpandrafitra sy ny mpanafo trano. Ireo tambato tsy maintsy niasa teo anilan’izy ireny na teo ambaniny dia nanaza-tena tamin’izany tarehin-javatra izany ary indraindray aza izy dia tao anelanelan-dranjon’ireo izay namita ny fanakatonana ny lohatrano. Mandritra izany fotoana izany, ireo mpiasa izay nikarakara ny fametahana ny fanaovana izay hahantonony ny hafanan’ny efitrano dia nisintona tady elektrika teo afovoan’ireo antokony hafa. Mpiasa eo amin’ny zato no teny amin’ny tafontrano, nametaka ny lohatrano sy ny varivary, namelatra bonetra misy “bitume”, nitatitra sy nametaka kapika hazo mitambatra mavesatra.
Mbola bebe kokoa ihany ny isan’ny olona niasa teo amin’ny tany. Ny sasany nitondra ny fitaovana fanorenana teo amin’izay nilaza izany. Nikenonkenona ireo antokony voatendry hametaka ny fefy. Ny mpanatsara endrika ny toerana taza-maso dia nanova ny tokotany ho tany tsara ahitra, misy hazo madinika mitangorona sy saha kelim-boninkazo. Andian’olona tanora sy efa lehibe kokoa no tsy nitsahatra nihetsiketsika mba hanangona izay rehetra niparitaka: ny fantsika bingo, ny vatakely hadino, ny sila-kazo avy amin’ny rafitra. Tsy nisy na inona na inona navela hanakorontana na hanakantsakana ny asan’ny olona na iza na iza. Ary hatramin’ny voalohany dia niasa ny karazam-pisakafoana mifindrafindra. Nisy zazalahy sy zazavavy nitety tsiroaroa ny toerana fanorenana nitondra tsakitsaky sy fisotro mangatsiatsiaka. Nanao izao fanamarihana izao ny mpandinika iray: “Tena andiam-bitsika tokoa!”
Heverina fa tsara ny asa vita tamin’ny andro voalohany rehefa afaka manomboka aloha be ao amin’ny andro ireo mpametaka ny takelaka “Placoplâtre”. Tokony hiandry ireo mpiasa ireo mba ho voakambana sy voafantsika ireo takelata amin’ny rindrina, vita ny fitanana hafanana ary voapetaka ny valindrihana. Avy eo, ny hariva, dia apetany amin’ny fantsika ny takelaka plastera (plâtre) mavesatra. Izany velarana izany dia tokony holalorina amin’ny fifangaroan-javatra mora maina, holamahina sy holokoina na hotemerina alohan’ny andro faharoa amin’ny mitataovovonana. Amin’io fotoana io, dia mitsahatra daholo ny asa rehetra ary manao ny fivoriana voalohany ao amin’ny Efitrano Fanjakanany vaovao ny kongregasiona. Tany Dunwoody, dia mbola tsy voapetraka akory ny karipetra; koa olona telonjato no nipetraka teo amin’ny tany vita “béton” fa roanjato hafa kosa no nipetraka tany ivelan’ny fanorenana mba hanatrika ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana fanao isan-kerinandro.
“Misy mpitsidika avy any Virginie sy Floride eto amintsika” , hoy ny fanamarihana nataon’i Charles Leibnsperger, mpitantsoratra tao amin’ny komitin’ny fanorenana. “Mikasa ny hanorina efitrano ny sasany aminy. Iriny ny hahita hoe ahoana no fanaovana izany. Rehefa tonga mba hanampy antsika handamin-javatra i Stan Peck, dia afaka mieritreritra ny hanampy azy ireo isika.” Nanazava toy izao ny rahalahy Peck: “Nifanaraka izahay mba hahatonga an’ireo anisantsika efa nahita fanandramana tamin’ny fanorenana handinika ny planina sy ny mahaforona ny antokony. Avy eo, dia atao ny fandaharana mba hisian’ny olona mahay asa maromaro hiara-miasa amin’ny komitin’ny fanorenana mba handaminana ny zavatra rehetra sy hanamarinana ny lisitry ny fitaovana fanorenana; ary mandamina ny fotoanany ny anankiray na maromaro aminay mba ho eo mandritra ireo roa andro fanorenana.” Tsy misy mandray karama mihitsy noho izy mandray anjara amin’io asa io.
Teo am-pifaranan’ny andro faharoa, mbola nisy antokon’olona iray nijanona tao ivelany sy nandinika an’ilay efitrano izay nitsangana teo amin’ny toerana tsy nisy na inona na inona ny omalin’iny, dia nanao izao fanazavana izao ny anankiray tamin’ireo Vavolombelona: “Toy izany no fiasan’ny fanahin’i Jehovah mba hahavitan’ny asa sahala amin’izao. Tsotra dia tsotra: Mandray ny asan’ny fanahiny ny olon’Andriamanitra. Miara-miasa noho ny antony iombonana ny rehetra. Raha manao izany izy dia tsy hoe satria mandray tombony manokana avy amin’izany izy, fa satria tia an’Andriamanitra sy ireo rahalahiny izy. Moa ve ny didy lehibe roa resahina ao amin’ny Marka 12:28-31 tsy ny ‘hitiavany an’i Jehovah Andriamaniny amin’ny fony rehetra, ny fanahiny rehetra, ny sainy rehetra, sy ny heriny rehetra’ sy ny ‘hitiavana ny namany tahaka ny tenany?’”
[Sary, pejy 9]
Ny antokony sahala amin’io dia afaka manorina Efitrano Fanjakana ao anatin’ny roa andro.