FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/2 p. 3-4
  • Izay mety ho vitan’ny olona be taona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Izay mety ho vitan’ny olona be taona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitomboana sy fianaran-javatra
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ampitomboy ny Fitiavana Mianatra
    Mifohaza!—2004
  • Tsia, tsy antitra loatra ianao ka tsy ho afaka hianatra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Nahoana no mianatra any an-tsekoly?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/2 p. 3-4

Izay mety ho vitan’ny olona be taona

NANDREFY tamin’ny fijery ny hahavon’izay tokony hitsambikinany ilay atileta, avy eo dia naka bahana. Nihazakazaka teo amin’ny roapolo metatra izay, nanatsatoka ny tehiny vita tamin’ny tsiratsiraka fitaratra tamin’ny tany ary nisavoana nahafinaritra tambonin’ny tsipika napetraka teny amin’ny amin’ny 2,80 metatra. Moa ve izany niseho nandritra ny fihaonana amin’ny atiletisma ho an’ny “juniors” (mpifaninana tanora)? Tsy izany velively. Fitopolo taona ity atileta, ary raha ny amin’ny fihaonana ara—panatanjahan-tena, araka ny notantarain’ny Wall Street Journal. Izany dia nahavory mpanao fanatanjahan-tena 600 mitovy taona. Nandritra io fihaonana io ihany, ny lehilahy iray fito amby fitopolo taona dia nihazakazaka 100 metatra teo amin’ny 15 segondra sy 7 ampahafolony, ary ny iray hafa iraika amby fitopolo taona dia nanipy ny disika (disika manokana) teny amin’ny telopolo metatra.

Gaga ve ianao mandre fa misy olona fitopolo taona mandray anjara foana amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena? Marina fa tsy mahefa ny zava-bitany tamin’ny faharoapolo taonany izy. Nefa ny fisian’ny sasany mbola manipy ny “disika”, mihazakazaka 100 metatra na mahavita mitsambikina amin’ny tehiny dia milaza hevi-dehibe ho antsika. Izany dia manaporofo fa tsy tokony hailika ny olona antitra, toy ny hoe tonga tsy ilaina satria fotsiny nandia fiainana nandritra ny taona maro sasany. Raha tsy hoe marary angaha izy ireny dia manana fahafahana ara-batana ambony kokoa noho izay mety hoheverina ny aminy mazàna.

Moa ve toy izany koa ny amin’ny fahaizany ara-tsaina. Ohatra, ny olona antitra ve mbola afaka mianatra sy manaraka fomba fiaina vaovao? Indraindray dia hamaivanin’ny tenan’izy ireny ny fahaizany amin’izany lafiny izany. Mety holaviny ny fisetran-java-tsarotra hizatra amin’ny zava-baovao. Misy aminy angamba hilaza hoe: “Antitra loatra aho ka tsy afaka hianatra.” Nefa tsy maintsy marina ve izany? Eo amin’ny faha-firy taona no very ny fahaizana miana-javatra?

Fitomboana sy fianaran-javatra

Tsara hotadidiana fa ilay mandà amin’ny filazana hoe: “Antitral loatra aho ka tsy afaka hianatra” dia efa mba ankizy nana-maso liana ny hahafanta-javatra tamin’ny fotoana iray. Ny voambolan’ny ankamaroan’ny ankizy kely, lahy na vavy, dia voaforon’ny teny tahaka izao indrindra: ‘Nahoana?’, ‘Aiza?’, ‘Oviana?’, ‘Ahoana?’, ‘Iza?’. Ny faniriany hianatra dia miharihary.

Ho tian’ny ray aman-dreny indraindray mba tsy hiharihary loatra ny fanirian’ny zanany hianatra ka hijanonany tsy hametra-panontaniana mandritra ny fotoana sasany. Na dia izany aza, ny Baiboly dia mampiseho fa zava-dehibe hotandremana ny hianaran’ny ankizy eo amin’izany fotoana amin’ny fiainany izany, rehefa milaza izy hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”

— Ohabolana 22:6.

Tsy ho ela dia handeha any an-tsekoly ilay ankizy ary, mandritra ny taona vitsivitsy, ny zava-dehibe kendreny indrindra dia ny hahazo fahalalana vaovao isan’andro isan’andro amin’ny lafiny samy hafa. Amin’ny lafiny sasany, ny faniriany voajanahary hianatra dia hokarakarain’ny mpampianatra azy. Mahazo hevi-baovao izy, manitatra ny fahaizany ary misokatra tsikelikely eo aminy ny tontolo.

Mifarana haingana loatra ireny taona lany tany an-tsekoly ireny ary, vao tonga olon-dehibe izy dia mifanehatra amin’ny manodidina azy. Mila mianatra mifampiraharaha amin’ny olon-dehibe hafa izy izao sady afaka mamelon-tena. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra dia hahazo asa maharitra izy, ary hatreo, ny fandehan’ny fianaran-javatra dia hanomboka hiadana. Ny ankabeazan’ny olon-dehibe tanora dia manambady, miteraka, mizaka ny havesatry ny fanerena sy ny andraikitra ary dia mijanona tsy manatsara ny fiainany miandalana amin’ny fahazoana fahalalana vaovao.

Rehefa lehibe ny ankizy, izay vao hitan’ny ray aman-dreny fa manam-potoana indray izy mba hikarakarana ny tenany. Nefa, amin’ny tarehin-javatra maro, dia veriny ny fahazarana mianatra. Izy ireny dia tsy mirona intsony tahaka ny fony tanora hizaha saham-pahalalana vaovao na hametra-panontaniana. Any Japana dia milaza ny olona sasany fa teraka tamin’ny fotoana hafa. Ohatra, hiteny ny lehilahy iray hoe: “Teraka tamin’ny taona Meiji izy”. Izany dia fe-potoana ara-politika nifarana tamin’ny 1912. Araka izany, satria fitopolo taona aho fara fahakeliny, dia heveriny fa tapitra ny fotoana nianarany ary, na ahoana na ahoana, dia tsy hahatakatra zavatra firy amin’izao tontolo izao ankehitriny mahavàka ny tokoa ny tenany.

Nefa tsy maintsy toy izany ve no izy? Marina fa arakaraka ny fitomboan’ny olona iray dia mitranga eo aminy ny fiovana ara-batana. Ny tonony sy ny nofo aman-kozany angamba dia hamery ny fahalefahany, ny fandrenesany sy ny fahitany dia hihena. Nefa raha tsy hoe marary angaha izy, izany dia tsy hitarika afa-tsy fihenan’ny asa fanaony, fa tsy fitsaharan’izany akory. Ny antokon’olona maherin’ny fitopolo taona nandray anjara tamin’ny fihaonana amin’ny atiletisma iray dia nanaporofo izany. Nefa toy izany ve no izy ny amin’ny fahaizana ara-tsaina? Antitra loatra tokoa ve ny olona iray ka tsy afaka hianatra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara