Fisaonana sy fandevenana—Ho an’iza?
MARINA tanteraka izao fanamarihana manaraka izao: “Tsy misy mihitsy antokon’olona (...) manaisotra ireo maty eo aminy tsy misy fombafomba. Izany fihetsika izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny an’ny biby, izay tsy manao fandevenana mihitsy ny fatin’ny iray karazana aminy.” “Ny olombelona no hany manana aina nampitombo fahatsiarovan-tena sy fahatsiarovana ny fahafatesanaa.” — Jereo Genesisy 23:3, 4.
Tamin’ireo teny ireo, Theodosius Dobzhansky, manam-pahaizana amin’ny andro ankehitriny izay rosiana ny fiaviany, dia manazava ny antony lalina amin’ny torohevitra nomen’i Solomona mpanjaka, efa ho telo arivo taona talohan’izay, manao hoe: “Tsara ny mankamin’ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ny trano misy fanasana; fa ho amin’iny no hiafaran’ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.” Eny, ny fahatsapana ny fisian’ny tenany sy ny fahafatesana no mandrakariva manosika ny olombelona handamina fombam-pandevenana rehefa maty ny sakaizany iray, ny mpiray finoana aminy iray na ny havana iray. — Mpitoriteny 7:2.
Koa satria nilaza i Solomona fa tsara kokoa mankamin’ny trano misy fisaonana, moa ve tokony hotsoahintsika avy amin’izany fa rariny sy mety amin’ny kristiana ny mitsidika ny tokantrano rehetra misy fisaonana, mba iombon’alahelo amin’ny sisa velona? Ilaina ve ny hisaonana ny karazan’olona rehetra? Inona no lazain’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra?
Ny Baiboly dia mitantara amintsika ohatra maro ny amin’ny olona taloha nanaovana fombafombam-pandevenana. Ara-drariny ny nitomanian’i Jakoba sy Esao an’Isaka rainy rehefa maty io. Nisaona i Jakoba noho ny fieritreretany fa novonoin’ny bibi-dia Josefa, zanaka tiany indrindra. Ary rehefa maty ny tenan’io patriarka io, dia nisy fisaonana lehibe, tsy teo amin’ny ankohonany ihany, fa teo amin’ny Egyptiana koa. Nitomany mafy ny Isiraelita tamin’ny nahafatesan’i Mosesy filohany. Na dia maty tany amin’ny ady iray tsy tokony ho nilatsahany aza Josia mpanjaka, dia nasehon’i Jeremia sy ny Joda manontolo izaitsizy ny alahelony nateraky ny fahafatesan’io mpanjaka tsara io. Tamin’ny fotoana vao haingana kokoa, dia nisy fisaonana sy fitomaniana tamin’ny fahafatesan’i Lazarosy, Jesosy Kristy, Stefana mbamin’ny vitsivitsy hafa koa. — Genesisy 27:41; 37:34, 35; 50:1-14; Deoteronomia 34:8; II Tantara 35:24, 25; Lioka 24:15-24; Jaona 11:17-44; Asan’ny apostoly 8:2; 9:36-42.
Homarihina ihany anefa fa nanan-javatra iray niombonana izany fisehoan’ny fisaonana rehetra voatantara ao amin’ny Soratra masina izany. Izay rehetra nitomaniana toy izany dia naneho fahatahorana an’i Jehovah Andriamanitra, ary ireo izay nisaona azy dia, na havana, na olona tia azy tokoa. Ny sasany anefa tsy nalahelovana toy izany. Ohatra, tsy misy filazana na dia kely akory aza fa hoe nitomany ny fahafatesan’ny taranaka ratsy fanahy sy nahery setra izay ringana tamin’ny safodrano i Noa sy ny ankohonany. Tsy misy na inona na inona koa mety hahatonga hieritreritra fa hoe nitomany Lota tamin’ny fandringanana ny olona tany Sodoma sy Gomora izay nanaram-po tamin’ny faharatsiana lehibe aoka izany. Rehefa rendrika tao amin’ny ranomasina Mena Farao sy ny tafiny, dia tsy nisaona velively Mosesy sy ny vahoakany, fa nientan-kafaliana tamin’ny fihiranam-pandresena iray. — Eksodosy 15:1-21; jereo koa Jeremia 22:18, 19.
Nahoana moa, tamin’izany ohatra rehetra izany, no tsy nitomany an’ireo ringana toy izany ny mpanompon’Andriamanitra, na nahoana no tsy tokony hitomany azy ireny izy ireo? Satria Jehovah Andriamanitra no nandringana azy ireny. Ny fitomaniana azy dia ho toy ny fanakianana ny fampiharana ny fitsaran’i Jehovah ara-drariny. Tamin’izany no nahazoan’i Jeremia baiko mba tsy hitsetra ny nanjo ny firenen’Isiraely nivadika, na dia tao aza ny loza aman’antambo tsy maintsy hamely azy. Vakintsika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy koa fa raha nitomanian’ireo sakaizany ara-politika sy ara-barotra sasany Babylona Lehibe, ny mponin’ny lanitra kosa dia nifaly noho ny fandringanana azy. — Jeremia 15:4-7; Apokalypsy 18:9-20.
Nety sy ara-drariny àry ny nitenenan’i Joaba mpitari-tafika an’i Davida mpanjaka izay resin’ny alahelo lalina loatra taorian’ny nahafatesan’i Absaloma zanany lahy fatra-paniry laza, mpamadika sy ratsy fitondrantena (II Samoela 19:1-8). Nefa tetsy andaniny koa, rehefa nisaona an’i Saoly, mpanjaka nivadika, i Davida, dia tsy nahazo fanakianana mihitsy (II Samoela 1:17-27). Nahoana? Voahosotr’i Jehovah Saoly mpanjaka. Noho ny hitsim-pony teo anoloan’ny raharahan’i Saoly tamin’ny naha-mpanjaka voahosotra azy àry no nitomanian’i Davida azy (jereo La Tour de Garde tamin’ny 1 desambra 1938, pejy faha-360). Ankoatr’izany, dia tsy tian’i Davida hisy hihevitra mihitsy fa nifaly noho ny fahafatesan’ny fahavalony izy. — Ohabolana 24:17.
Izany fitantarana rehetra izany dia nosoratana ho fampianarana antsika, ho fanoroana antsika sy ho fampaherezana antsika, amin’ny fotoana madiva hahatapitra ny fandehan-javatra ratsy (Romana 15:4; I Korintiana 10:11). Amin’ny ho avy tsy ho ela, ny taranaka ankehitriny dia hahita ny “fahoriana lehibe” nambara, hamarana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny (Matio 24:21). Amin’izay fotoana izay dia tsy hisy na dia iray aza amin’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah ho hany ho tafita velona, hitomany noho ny fandringanana ny ratsy fanahy. Hifaly kosa aza izy ireny, toy ny nifalian’i Mosesy sy ny vahoakany tamin’ny fandringanana an’i Farao sy ny tafiny.
NY FISAONANA AMIN’IZAO ANDRONTSIKA IZAO
Fa ahoana ny amin’izao androntsika izao? Manao ahoana ny fihetsika asehontsika rehefa mandre firesahana ny amin’ny fahoriana, ny voina mahatsiravina niteraka famoizana ain’olona marobe, ny horohorontany, ny rivo-doza sy ny fisamboaravoaran’ny ranomasina mafy? Tsy ilaina ny milaza fa mitodika any amin’ireo niharam-pahavoazana ny fangorahantsika, indrindra fa any amin’ireo mitomany azy ireny, na dia tsy tia ny rariny aza izy ireny. Rehefa dinihina, dia tsy Jehovah Andriamanitra akory no namono azy ireny noho izy hoe manao ratsy. Koa ara-dalàna raha maneho hatsaram-po ny kristiana amin’ny fahafatesan’ny havany, ny olom-pantany na ny mpiara-miasa aminy, amin’ny fanehoana fiombonana alahelo amim-pahatsorana amin’ny mpianakavy.
Rehefa maty ny kristiana voahosotra mahatoky iray, dia misaona isika na dia mino mafy aza fa nahazo ny valisoany any an-danitra izy. Rehefa dinihina tokoa, dia ho banga ny toerany eo amintsika? Nefa tsy mba tsy azo ampiononina sahala amin’ireo tsy manana fanantenana isika (I Tesaloniana 4:13-15). Mahatsiaro alahelo toy izany isika eo amin’ny fahafatesan’ireo izay manana fanantenana ny ho eto an-tany, na dia mety aza ny hanantenana ny hahita azy indray tsy ho ela, amin’ny alalan’ny fitsanganan’ny maty. Araka ny nasehon’i Jesosy mazava, dia hiverina indray amin’ny alalan’ny fananganana ny maty “izay rehetra ao amin’ny fasana fahatsiarovana”. — Jaona 5:28, 29, MN; jereo koa Asan’ny apostoly 24:15; Apokalypsy 20:13.
NAHOANA NO MANAO FOMBA FANDEVENANA NA FOMBAM-PIVAVAHANA FAHATSIAROVANA?
Misy mihevitra fa ny fomba fandevenana dia nokendrena hanaovana teny fiderana an’ilay maty sy hilazana zavatra tsara ny aminy, mba hanomezana azy izay antsoina hoe “fahafatesana tsara”. Nefa moa ve tena marina izany? Tadidio fa nomen’i Jehovah Andriamanitra lalana ny firenen’Isiraely hitomany an’i Nadaba sy Abiho, zanakalahin’i Arona roa izay ringana satria nanolotra afo tsy izy, na dia nandrara an’ireo havany akaiky aza izy mba tsy hisaona. — Levitikosy 10:1-7.
Tsy azo atao koa ny mahita ao amin’ny fombam-pivavahana amin’ny fandevenana iray, karazana fankamasinana kendrena hilazana fa misy heriny ilay olona maty. Marina fa, amin’ny ankamaroany, dia ho tsiravina ireo mpiangona ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana rehefa mieritreritra ny hoe hanao fandevenana tsy misy fombam-pivavahana. Tamin’izany no nanomanan’ny Eglizy katolika lamesa isan-karazany ho amin’io fotoana manokana io. Ireny fombafomba ireny dia heverina ho mampiditra fitahiana ho an’ny maty sy ilain’ireo fanahy any amin’ny afo fanadiovana. Tsy misy fototra avy amin’ny Soratra masina mihitsy anefa ny fanao toy izany, satria milaza mazava ny Tenin’Andriamanitra fa tsy mahatsiaro tena ny maty ary ho toy izany hatrany izy mandra-pahatongan’ny fitsanganan’ny maty. — Mpitoriteny 9:5, 10.
Nahoana raha izany no mety ny mandamina fombam-pivavahana amin’ny fandevenana na ho fahatsiarovana olona maty iray? Noho ny antony maro azo ekena tokoa. Voalohany indrindra, izany dia ho fampaherezana ny mpianakavy. Nahazo baiko ny kristiana hampionona ny ory rehetra, anisan’izany ireo ho ao anatin’ny fisaonana aminy (Isaia 61:1, 2; II Korintiana 1:3-5). Hita avy hatrany fa miteraka alahelo ny fahafatesana. Hampahery indrindra ny hihainoana famakafakana mikasika ny toetra mahatalanjona ananan’i Jehovah, indrindra fa mikasika ny fitiavana lehibe nasehony antsika tamin’ny nanomezana ny Zanany ho avotra, mba hananan’ny olombelona fanantenana fiainana mandrakizay. Ambonin’ny fanehoana fiombonana alahelo manokana mety hasehon’izy ireo amin’ny mpianakavy, dia hampahery azy ireo ny mpanatrika amin’ny fahatongavany fotsiny.
Mety koa ny hanaovana fanambarana ny amin’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mandrakariva ny fandevenana dia mahavory mpiray monina, olom-pantatra, olona ifandraisana amin’ny asa sy havana izay tsy mpino angamba. Tsy hitondra afa-tsy soa ho an’ny olona toy izany ny fombam-pivavahana misy lahateny izay andraisana indray ireo fampianaran’ny Baiboly mikasika ny toetry ny maty, ny antony mahatonga ny olona ho faty sy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Noho izany antony tsara dia tsara rehetra izany, ny mpitory kristiana iray dia tokony hahatsiaro ho manana fahafahana hitarika fombam-pivavahana amin’ny fandevenana amin’ny fahafatesan’ny havan’ny anankiray amin’ireo rahalahiny tsy mpino, ary izany dia na dia namono tena aza io olona io tao anatin’ny fahakiviana tafahoatra na ny fivilian-tsaina. Ho azon’ny kristiana hafa atao ny manohana an’ilay Vavolombelona misaona, amin’ny fahatongavany.
Mety ho tena hahasoa koa ny fombam-pivavahana amin’ny fandevenana, amin’ny lafiny hafa iray anintonan’i Solomona mpanjaka ny saintsika. Aoka hotadidiantsika ny teniny manao hoe: “Tsara ny mankamin’ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ny trano misy fanasana; fa ho amin’iny no hiafaran’ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.” (Mpitoriteny 7:2). Ny fisian’ny fahafatesana dia mety ho loharanom-pieritreretana ho antsika ny amin’ny hoe mihelina ny fahavelomana ankehitriny. Izany dia mety hanampy antsika hankamamy ny fiainana izay fitahiana, satria ao amin’ny fahafatesana tsy misy fahatsiarovan-tena, na fihetseham-po, na fifampiresahana, na fifaliana, na asa.
Teo amin’ny firenena sasany fahizay dia nifono toetra misy alahelo tafahoatra ny fandevenana, ho mariky ny faharesena. Izany no antony nankalazana azy ny alina. Na dia tsy manaiky ho resin’ny alahelo toy ny olona tsy manana fanantenana aza ny kristiana, dia tsy mety ihany ny hihomehezana na hanaovana vazivazy amin’ny fombam-pandevenana na eo anoloan’ny maty, ao an-tranony na any amin’ny efitra fametraham-paty, toy ny hoe mankany amin’ny fitsangatsanganana na any amin’ny fety ny tena. Misy fotoanany ny zavatra rehetra, ary tsy fotoana fihomehezana akory ny fotoana fahafatesana. — Mpitoriteny 3:1, 4.
Ambonin’izany, amin’ny fombam-pivavahana tarihina rehefa misy fahafatesan’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah Andriamanitra iray, dia ho azo atao ny mampahatsiahy ny tsy fivadihana nasehony nandritra ny androm-piainany, na dia tao aza izao karazam-bato misakana rehetra izao (II Samoela 1:26). Nefa, sahala amin’i Marc-Antoine, izay nanambara toy izao tamin’ny lahateny amin’ny fandevenana nalaza iray: “Tonga mba handevina an’i César aho fa tsy hoe mba hankalaza azy”, dia tsy ho tiantsika ny hanindrahindra zavaboary na hanao teny fiderena azy, fa hijery fotsiny hoe amin’ny ahoana ny ohatra omeny no tokony hotahafina. Mikasika izany, dia izao no nolazain’ny apostoly Paoly: ‘Aza ketraka, fa manahafa an’ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.’ — Hebreo 6:12.
NY FOMBAM-PIVAVAHANA AMIN’NY FANDEVENANA SY IREO VOAROAKA
Aoka izao hatao hoe voaroaka tsy ho ao anatin’ny kongregasiona kristiana ilay maty, noho ny antony iray na ny hafa. Tao amin’ny lohateny hoe “Fanontanian’ny mpamaky” (La Tour de Garde tamin’ny 15 febroary 1962, p. 64; BI 6/62, p. 64), dia nolazaina mazava fa tsy hety ny hitarihana fombam-pivavahana amin’ny fandevenana ho an’ny olona voaroaka iray; toy izao no nolazain’ilay famoaboasan-kevitra: “Tsy tokony hataontsika na oviana na oviana izay hahatonga ny olona any ivelany hihevitra fa noraisina tao amin’ny fiangonana ny olona voaroaka iray, nefa raha ny marina sy tena izy dia tsy toy izany izy fa voaroaka.” Tsy misy zavatra maningana mihitsy ve amin’ny fitsipika mikasika ny fandevenana olona voaroaka iray?
Alohan’ny hamaliana an’io fanontaniana io, dia ho tsara ny hijerena fohy indray izay mikasika ny fandroahana. Ny niorenany avy amin’ny Soratra masina dia voamarin’ny toko faha-5 amin’ny taratasy voalohany ho an’ny Korintiana, izay nandidian’ny apostoly Paoly mba handroahana lehilahy iray nanao fitondrantena ratsy. Nefa nanomboka tamin’ny 1952 ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny vao nampihatra an’io fandaharana io, satria tena zava-dehibe sy nilaina maika dia maika ny hanaovana izany. Noho ny fanetsehan’ny zotom-po nahery ho an’ny rariny sy ny fankahalana ny ratsy, dia naorina ny fitsipika ho an’ireo izay nanana andraikitra hitandro ny fahadiovan’ny kongregasiona teo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-pampianarana sy ara-pitondrantena.
Tao anatin’ireo taona maro, dia nanjary nihanazava kokoa hatrany ny raharaha ny amin’ny fandroahana, ho an’ny olon’i Jehovah. Tsy nianina tamin’ny fanomezana antsipiriany mikasika an’io raharaha io fotsiny no natao, fa hita kokoa hatrany ny hoe nanana ny anjara tokony horaisiny toy ny fahamarinana koa ny fahendrena sy ny fitiavana. Takatra ny ilàna hanehoana famindrampo amin’ireo naniasia izay naneho fibebahana tamim-pahatsorana sy ny hiheverana ny toe-javatra mampihena heloka ary ny fisehoan’ny nenina miharihary. Tao anatin’izao taona faramparany izao, dia nohazavaina koa ny tsy tokony hitovian’ny ataon’ny kristiana, arakaraka ny ifampiraharahany amin’ny mpanota be mpahalala, ny mpivadi-pinoana tia ady, na ny olona iray izay mety ny hiheverana azy ho tahaka “ny jentilisa”, azo arahabaina amim-pahalalam-pomba. — Matio 18:17; II Jaona 9, 10.
Toa mety ho azo arahina koa izany fanavahana izany amin’izay mikasika ny fandevenana olona voaroaka iray. Tsy ho tian’ny kongregasiona kristiana iray ny hanamatroka ny laza tsarany amin’ny fampiarahana azy amin’ny anaran’ny olona iray azon’ny famelezan’ny II Jaona 9, 10, na dia aorian’ny fahafatesany aza. Nefa aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny olona voaroaka iray izay nanome porofon’ny fibebahana sasany, tonga ao amin’ireo fivoriana ary naneho faniriana ny horaisina indray ao anatin’ny kongregasiona. Raha heverin’ireo loholona fa tsy hampaninona ny fiadanana sy ny fifandrindrana ao amin’ny kongregasiona izany ary tsy hoe mety hanala baraka ny olon’Andriamanitra, dia tsy ho hitan’izy ireo izay tokony hanoherana ny fanaovan’ny anankiray aminy lahateny amin’ny fandevenana ny olona toy izany. Koa satria nisy fisehoan’ny fibebahana niharihary sasany, ahoana no mety hahafantarana na namela azy Jehovah na tsia? Ara-drariny, dia tian’ireo loholona angamba ny niandry mba hamantarana tsara ny fahatsoran’izany fibebahana ivelany izany. Koa satria tsy mitovy ny tarehin-javatra tsirairay avy, dia miharihary fa tokony hodinihina miavaka izany. Mazava ho azy fa raha misy lahateny atao, dia hohalavirina izay rehetra mety ho fitsofohana amin’ny fiainana manokana sy ny fanambarana tsy misy fisalasalana ny mety hitsanganana amin’ny maty. Nefa azo antoka fa hanoroana ny hanaovana foto-dresaka araka ny Baiboly tsara ny hanomezana fanambarana tsara.
Ambonin’izany, dia tsy tokony hohadinointsika ny anankiroa amin’ny antony tena lehibe mahatonga handroaka ny mpanota iray: ny anankiray dia ny hamerenana azy ho amin’ny fahendrena raha azo atao, ny anankiray hafa dia ny hiarovana ny kongregasiona amin’ny fitaoman-dratsy rehetra. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo antony roa ireo azo ampahatsiahivina, satria maty ilay olona voaroaka. Na dia mbola nitondra tena toy ny “jentilisa” ihany aza io olona io, ny lahateny araka ny Baiboly atao amin’ny fandevenana azy, dia hiharihary fa hahasoa amin’ny lafiny maro efa voatonona eo ambony, indrindra fa amin’ny fitondrana fampaherezana ho an’ny mpianakavy sy amin’ny fanaovana fanambarana amin’ny olona any ivelany. Ny fanaovana fanambarana tsara fotsiny dia mety ho loharanom-pampaherezana sy fampiononana ho an’ny olona misaona, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra.
Isika no hany zavaboary eto an-tany natao tahaka ny endrik’Andriamanitra. Noho izany antony izany no mahatonga antsika ho afaka hanavaka ny tena atao hoe fahafatesana. Noho izany antony izany koa no ananantsika fahafahana hahatsiaro alahelo amin’ny fahafatesan’ny olona iray sy hanana faniriana hampionona an’ireo havantsika. Moa ve ny Raintsika any an-danitra tsy tena “Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra”? Izany dia izany tokoa. Koa havelantsika ireo fotopoto-pitsipiny feno fahendrena sy rariny ary fitiavana hitarika ny fihetseham-pontsika sy ny ataontsika amin’ireo raharaha mikasika ny fisaonana sy ny fandevenana, toy ny amin’ny raharaha hafa rehetra eo amin’ny fiainana. — II Korintiana 1:3, 4; I Korintiana 16:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a The Uniqueness of Man, natontan’i J. D. Roslansky