Ireo Toetra Ilaina mba Hitsarana
“Henoy ny adin’ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.” — Deoteronomia 1:16.
1. Araka ny tenin’i Mosesy voasoratra ao amin’ny Deoteronomia 1:16, 17, inona moa no takina amin’ny mpitsara iray?
TSY andraikitra kely akory ny fanononana didim-pitsarana ny amin’ny raharaha mikasika ny ain’ny olona sy ny fifandraisany. Eo anivon’ny kongregasiona kristiana, ireo loholona dia tokony hieritreritra indrindra ny fomba iantsorohany an’io andraikitra io. Rehefa hoe hanome torohevitra na hanao fanapahan-kevitra, dia zavatra iray ny filazana hevitra, ary zavatra hafa ny fitsarana araka ny rariny. Mba hitsarana araka ny fitsipik’Andriamanitra, dia tokony hotadidian’ireo loholona ao an-tsaina izay nandidian’i Mosesy an’ireo mpitsara tamin’ny androny, manao hoe: “Henoy ny adin’ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy. Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’Andriamanitra ny fitsarana.” (Deoteronomia 1:16, 17). Na olona toa lehibe noho ny hareny, ny fahaizany na ny zava-dehibe nety ho vitany no voampanga, na “kely” amin’ireo lafiny isan-karazany ireo no voakasika, dia tokony hiseho ho tsy miangatra ireo loholona. Ny zava-kendren’izy ireo dia tokony ho ny hanao izay marina, tsy eo imasony, fa araka ny fiheveran’Andriamanitra (Ohabolana 21:2, 3). Amin’izany dia ho an’i Jehovah tokoa ny fitsarana, amin’ny heviny hoe hatao araka ny Teniny sy amin’ny alalan’ny fiasany eto an-tany izany.
2. Nahoana moa no ilaina ny fahendrena mba hitsarana, ary mahatonga ho afaka hanao inona izany?
2 Tsy afaka manao fanapahan-kevitra tsara avy amin’ny fahalalana tsy feno ny zava-misy ireo loholona. Tokony hananany ny zavatra rehetra mahaforona an’ilay raharaha. Hametraka fanontaniana mety sy mampiseho fahendrena izy ireo mba hampisongadina ireo hevitra tena lehibe sy hahafantarana ny fomba nety ho nahaterahan’ilay zava-manahirana na hoe nahoana no nety ho vita ny zavatra toy izao na izao. Ireo olona tafiditra ao amin’ny raharaha iray dia tokony hiara-miasa amin’ireo loholana amin’ny fampisehoana amin’izy ireo ny zava-nisy rehetra fa tsy ny tapany ihany amin’izay fantany no haharihariny amin’izy ireo. Amin’izany fomba izany, dia ho azon’ireo loholona atao ny hampihatra ny lalàna araka ny Baiboly amin’ilay raharaha naseho azy na ireo fiampangana natao tamin’olona iray. Nangataka ny fahendrena nilaina tamin’Andriamanitra Solomona mba hiantsorohana ny andraikitra nankinina taminy (I Mpanjaka 3:9, 12). Ireo loholona koa dia mila ny fahendrena avy any an-danitra mba hanaovana fampiharana tsara ny Tenin’Andriamanitra rehefa voantso handamina zava-manahirana sasany izy ireo. Ny fomba fiasa toy izany dia hiteraka vokatry ny rariny eo anivon’ny kongregasiona. — Jakoba 3:17, 18.
3, 4. a) Ahoana moa tokony hanahafan’ireo loholona an’i Jehovah raha ny amin’ny fanehoana famindrampo? b) Amin’iza moa, ankoatr’ireo mpanota, no tokony hanehoan’ireo loholona famindrampo?
3 Rehefa hoe hanonona fanamelohana, ireo loholona dia tokony haneho toetra hafa iray koa, dia: ny famindrampo (Jakoba 2:13). Amin’izany izy ireo dia hanahaka an’i Jehovah izay ny aminy no nanambaran’ny mpanao salamo hoe: “Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy.” (Salamo 103:13). Rehefa avy naniasia ny Isiraelita ka nampiseho fa nanana fo marina izy ary nitady ny fankasitrahany, ahoana no nandraisan’i Jehovah izany? Naneho fangorahana izy, tsy tamin’ny fomba mandrava fotsiny tamin’ny fanalefahana ny fanamelohany, fa tamin’ny fanaovan-javatra manorina koa, tamin’ny fanaronana ny fahadisoan’izy ireo. Vetivety foana ny fahatezerany raha oharina amin’ny halehiben’ny famindram-pony (Isaia 54:7, 8). Mikasika an’ireo izay tsy mba nanana tombontsoa, dia midera an’i Jehovah ny mpanoratra nahazo tsindrimandry noho izy “miaro ny vahiny ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena”. — Salamo 146:9.
4 Toy izany koa, ireo loholona dia tokony hitondra fanamaivanana, tsy ho an’ny mpanota mibebaka ihany, fa ho an’izay rehetra tsy manana tombontsoa koa, ho an’ireo marary, kilemaina, be taona, saro-kenatra na ao anatin’ny fahantrana eo amintsika (Jakoba 1:27). Tokony haneho famindrampo àry izy ireny, tsy amin’ny fampiharana ny rariny amin’ny antonony fotsiny rehefa misy mpanota miseho an-karihary ho mibebaka, fa amin’ny ataony koa dia hisy hatsaram-po, fiheverana sy fangorahana an’ireo mila izany, noho izy ireny resin’ny fahotana, na osa ara-panahy na noho ny kilemany ara-batana koa.
Fitsarana ahitana taratr’ireo toetran’Andriamanitra
5. a) Inona moa no vokatra tsaran’ny teny fiderana mendrika? b) Ahoana moa no hataon’ireo loholona amin’ireo izay maneho fironan-dratsy, ary nahoana isika no tokony hitandrina mba hahalala ny antonony amin’ny zavatra rehetra?
5 Eo amin’ny fifampikasohany isan’andro amin’ireo rahalahiny, dia tokony hotadiavin’ireo loholona izay tsara eo amin’izy ireny, homarihiny ny fandrosoany ary ho mailaka ny hidera azy ireny izy. Izany dia hanosika azy ireny haniry hanao zavatra tsaratsara kokoa ihany. Amin’ireo lafiny tsy ahitana afa-tsy raharaha mikasika ny fitiavan-javatra manokana, dia tsy hitady izay hanerena ny hafa hanaraka ny hevitry ny tenany izy. Fantany fa rehefa tsy misy fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly voadika mihitsy dia manana fahalalahana hiseho ny fitiavan-javatra isan-karazany indrindra. Marina izany eo amin’ny lafiny mikasika ny fialam-boly, ny fihinanana, ny fisotroana, ny fitafiana sy ny fisehoana ivelany amin’ny ankapobeny. Rehefa misy fironan-dratsy miseho, dia tsy hanohitra izany amin’ny famoahana fitsipika henjana ny loholona maneho fahaiza-manavaka, fa hanao zavatra amin’ny fomba manorina amin’ny famporisihana ireo rahalahiny hanao izay tsara. Mazava ho azy fa raha misy sasany tsy mahalala ny mety hatao fa miseho ho tsy mahalala ny antonony na mandika ny Tenin’Andriamanitra, amin’izay ireo loholona dia tokony hilaza na hanao zavatra mba hanampiana azy ireny. — Romana 14:19-23; Titosy 2:2-5.
6. a) Inona avy moa ireo fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly tokony hoheverina raha ny amin’ny fitafiana sy ny fisehoana ivelany amin’ny ankapobeny? b) Araka ny voalazan’ny bokin’ny Ohabolana, tokony hitady ny fankasitrahan’iza moa isika, ary ahoana no azo anaovana izany?
6 Aoka hojerentsika, ohatra, ny fomba fitafy. Na dia efa imbetsaka aza Ny Tilikambo Fiambenana no nivaofy an’io hevitra io, dia sarotra amin’ny olona sasany ny manavaka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly tafiditra. Na koa, tadiaviny izay fomba hanodinana izany amin’ny fampiharana amin’ny toe-javatra manokana iray, ny fanambarana tsy misy ifandraisana amin’izany mihitsy. Azon’izy ireny atao anefa ny manarina ny fomba fisainany amin’ny fiheverana ireo fanontaniana tena lehibe sy amin’ny famakafakana izany. Madio sy tsy misy loto ve ny fitafiany? Milamina tsara sy maotina ve izany ary mety amin’ny olona milaza ho manaja fatratra an’Andriamanitra? Inona no tandreman’ilay olona: ny fitafian’ny saina tony sy malefaka sa ny fisehoany ara-batana alohan’ny zavatra rehetra (I Timoty 2:9, 10; I Petera 3:3-5, MN)? Ho sakodiavatra ve ireo kristiana hafa noho ny fomba fitafiny? Tsy mendrika ve izany, indrindra fa ao amin’ny toerana iray fanaovana fanompoam-pivavahana (II Korintiana 6:3, 4)? Inona no andraikitry ny ray na ny vady izay loham-pianakaviana (Kolosiana 3:18-21)? Inona no fihetsika atoron’ny Baiboly rehefa miteraka fanontaniana na vavan’olona manaratsy ny kongregasiona ny fitafian’ny olona iray (I Korintiana 10:31-33)? Ampy fanetren-tena ve ny tena hialana amin’ny fitiavan-javatra manokana mba tsy handonana ireo fieritreretana mora taitra (Romana 14:21)? Amin’ny fieritreretana an’ireo fanontaniana ireo sy ireo fotopoto-pitsipika tafiditra, dia ho azon’ireo loholona atao ny manipika ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ho maika ny hanorina fitsipika. Hamporisika an’ireo rahalahiny izy mba hanao izay tsara eo imason’Andriamanitra ka hanampy azy ireny hampiorina ireo fanapahan-keviny amin’ny Baiboly fa tsy hitoky amin’ny fahaizan’ny tenany na ny fihetseham-pony manokana. — Ohabolana 3:5-7; 12:15; 16:2.
7. a) Afaka manao inona moa izay manao fahadisoana madinika? b) Araka ny filazan’ny Soratra masina, inona moa no hany fomba hahazoana famelana ny fahadisoantsika?
7 Indraindray dia misy kristiana maniasia na manao fahadisoana madinika. Tsy tena ilaina, isaky ny manao fahadisoana kely ny tena, ny manatona an’ireo loholona noho ny fikendrena ny “hihavana” amin’Andriamanitra. Inona no tokony hatao, ohatra, raha nanao teny nahasosotra olona ny tena indray andro, na resin’ny fahatezerana? Nety ho nifanditra tamin’ny rahalahy iray koa ny tena ka izany dia niteraka tsy fifanarahana nanenenana rehefa afaka kelikely. Azo atao ny miresaka ny amin’izany amin’ny loholona iray raha tiana. Aza hadinoina anefa fa ny loholona akory tsy “mompera mampanao konfesy” tokony hohatonintsika isaky ny mandika kely ny fotopoto-pitsipika toy izao na izao isika. Nefa raha tapa-kevitra ianao fa hanatona loholona iray amin’ny zavatra toy izany, dia tokony hiezaka hanampy anao izy. Nefa, tsy tokony hihevitra ianao fa voalamina ilay zavatra na dia izany aza. Mba hahazoana ny famelan’Andriamanitra tokoa, dia tokony hiteny aminy mivantana amin’ny alalan’ny vavaka ianao mba hiaikena aminy ny fahadisoana nataonao, avy eo dia hibebaka sy hiala amin’ny fitondrantena ratsinao. — I Jaona 1:9; Hebreo 4:14-16.
8. Rehefa mahatsiaro ho meloka ny olona iray satria nanao fahadisoana lehibe, ahoana moa no azon’ireo loholona anampiana azy, raha manatona azy ireo izy?
8 Nefa kosa, ireo kristiana mikorontan-tsaina noho ny zava-manahirana iray dia tsy tokony hisalasala ny handeha hanatona an’ireo loholona. Raha nanao fahotana lehibe izy ireny, izany dia mampiseho fahalemena ao aminy tokony hahitsy. Misy mety ho tonga amin’ny toe-javatra mahavoasakantsakana sy tsy misy valiny ny vavaka ataony; mety hihevi-tena ho nomelohin’Andriamanitra aza izy ka amin’izany dia nanary ny fitokisany azy sy ny fahatsorany eo anatrehany (I Jaona 5:14; 4:17, 18). Amin’ny toe-javatra toy izany, ny kristiana dia amporisihina hiteny amin’ireo loholona, hiaiky ny fahotany sy handray soa amin’ny toroheviny mbamin’ny vavaka ataon’izy ireo. — Jakoba 5:14-16.
9. Araka ny filazan’ny Soratra masina, ahoana moa no tokony hatao amin’ireo izay manjary manahirana?
9 Amin’ny toe-javatra sasany, ireo loholona dia tokony haneho fahari-po sy hanindry fo. Ny tsy fahatanterahana dia latsa-paka lalina ao amin’ny taranak’olombelona, nefa izany dia voamarika indrindra eo amin’ny kristiana sasany izay mety hampanahirana tokoa ny teniny na ny ataony. Ny sasany, tsy mahatsapa izany akory, dia mety hanjary hanahirana amin’ny fanelingelenana matetika an’ireo loholona noho ny zavatra mampalahelo tsy dia manao ahoana na ny fahadisoana an’eritreritra fotsiny. Ny hafa koa mety hanao fanakianana foana an’ireo loholona sy izay rehetra ataony. Amin’ny toe-javatra toy izany, ahoana no tokony hataon’ny loholona iray? Harahiny ny torohevitra omen’i Paoly ao amin’ny II Timoty 2:24, 25. Hanarina ny zavatra izy ary hiseho ho “malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy”.
10. Rehefa manota noho ny tsy fahalalana na ny fahalemena ny olona iray, ahoana moa no hisehoan’ireo loholona ho hendry sy mamindra fo?
10 Tsy fanehoana fahendrena ny hiheverana avy hatrany ny olona iray ho manana antony ratsy manosika. Noho ny tsy fahalalana tokoa no anotan’ny olona sasany. Izay naniasia tamin’izany fomba izany dia hankasitraka ny hamindrana fo aminy. Paoly, izay nanota noho ny tsy fahalalana talohan’ny niovany, dia velom-pankasitrahana tokoa noho ny nandraisany soa tamin’ny famindrampon’Andriamanitra (I Timoty 1:12-15). Ahoana no tokony hataon’ireo loholona raha toa, rehefa avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba ho tonga mpanompony ny olona sasany ka tafintohina tsy nahy? Ny andraikitr’izy ireny amin’izany dia ny manoro hevitra an’ireny naniasia ireny sy ny manao ny zavatra rehetra mba hanarenana azy amin’ny fampiasana famindrampo. — Galatiana 6:1.
Rehefa misy fahotana lehibe kokoa
11. Inona moa no sasantsasany amin’ireo fahotana lehibe izay mitaky ny hihainoan’ny komity mpitsara an’ilay nanao fahadisoana? Ahoana moa amin’ny ankapobeny no andrenesan’ireo loholona an’izany?
11 Ny fahadisoana lehibe kokoa dia mitaky ny fiheveran’ireo loholona izay tokony hamantatra ny ilaina amin’izany mba hiarovana ny fahasalamana ara-panahin’ny rehetra. Tafiditra amin’izany fahadisoana izany ireo fahotana tanisain’ny apostoly Paoly ao amin’ny I Korintiana 6:9, 10 sy Galatiana 5:19-21, dia fahotana mety hataon’ny kristiana aorian’ny batisany. Mety ho ilay kristiana meloka ho nanao fandikana lehibe ny lalàn’Andriamanitra mihitsy ny hiaiky ny fahadisoany amin’ireo loholona, nefa mety hisy fiampangana lehibe koa hatao amin’ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo loholona manao raharahan’ny mpitsara dia tokony handinika amim-pitandremana ny zava-misy, satria ny antsipiriany sasany indrindra no mahatonga ny raharaha iray ho hafa noho ny hafa. Tsy tokony hanaiky hotarihin’ny fitsipika henjana izy ireo, fa hieritreritra kosa an’ireo fotopoto-pitsipika tafiditra, ka hihevitra fa tokony hotsaraina mitokana ny toe-javatra tsirairay avy.
12. Inona moa no tokony hataon’ny komity mba hitsarana ny raharaha araka ny rariny?
12 Noho ny fahafantarana izay takin’ireo fitsipi-pahamarinan’Andriamanitra, ny komity mpitsara dia tsy maintsy manangona ny toe-javatra rehetra alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra iray (Ohabolana 18:13). Raha toa ny mpanota iray, na ny olona iray ampangaina ho nanao fahotana, ka tsy miaiky amim-pahatsorana ny fahadisoany, dia ilaina ny handrenesana ny fiampangan’ny vavolombelona maromaro mba hanaporofoana raha nisy na tsia, fandikana ny lalàn’Andriamanitra (Deoteronomia 19:15; I Timoty 5:19). Hoheverin’ireo loholona koa ny toe-javatra nanaovana ny fahotana. Moa ve ilay mpanota nanao tsirambina ny fanarahana torohevitra nomena azy teo aloha? Moa ve ny zava-nisy mampiseho fa izany dia zavatra natao an-tsitrapo na nisy fahazarana manota? Hisy heriny eo amin’ny fanapahan-kevitr’ireo loholona izany toe-javatra izany. Raha jereny ao amin’ny vavaka ny zava-misy sy ny toe-javatra rehetra ary raha manao fiaraha-midinika mifototra amin’ny lalàn’Andriamanitra izy ireny, dia azon’ireo loholona atao amin’ny ankapobeny ny manao fanapahan-kevitra mafy orina.
13. a) Inona moa no zava-kendren’ny komity mpitsara, ary ahoana no ampisehoan’ny Matio 18:17 fa misy heriny eo amin’ny fanapahan-kevitra farany ny fihetsik’ilay nanota? b) Nahoana moa indraindray ny fandroahana no fandaharana ilaina?
13 Na dia nanao fahadisoana lehibe tokoa aza ny kristiana iray, dia fantatr’ireo loholona fa ny zava-kendreny dia ny hanao izay rehetra azony atao mba hanampiana an’ilay nania toy izany. Raha “mihaino” azy ireo izy, izany hoe raha mibebaka marina tokoa, dia mety ho ‘azo’ amin’ny maha-rahalahy ka amin’izany dia tsy ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona (Matio 18:15-17). Raha tsy izany, dia tsy ho afaka ny mbola hitondra azy amim-pamindrampo ihany ireo loholona, satria amin’ny fanaovana toy izany, izy ireo dia hanao zavatra mifanohitra amin’ireo fitsipik’Andriamanitra mikasika ny rariny sy ny fahamasinana. Raha avela hitoetra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanota tsy mibebaka toy izany, dia hanan-kery ratsy eo amin’ny toe-tsain’ny kongregasiona izy (I Korintiana 5:3-6). Amin’ny toe-javatra toy izany, ny fandroahana dia manafoana ny fanalam-baraka noho ny nataon’ilay mpanota ary miaro ny fahadiovan’ny kongregasiona kristiana.
14. Araka ny asehon’ny Ohabolana 13:10, nahoana moa no fahendrena indraindray ny hakana hevitra amin’ny loholona hafa?
14 Indraindray anefa ny lafiny sasany amin’ny raharaha iray dia mitaky fanazavana. Tsy tokony hanao zavatra amim-pahamaikana ireo loholona fa inona no azony atao mba hahazoana antoka ho nanao fanapahan-kevitra ara-drariny? Azon’izy ireo atao ny manatona loholona hafa ao amin’ny kongregasiona izay hanampy azy ireny hanao fanatsoahan-kevitra tsara, indrindra fa raha toa ireo loholona voatendry handamina an’ilay raharaha ka tsy za-draharaha kokoa noho ny hafa (Ohabolana 13:10). Raha toa, na dia ao aza izany, ka tsy afaka mandamina ny zava-manahirana izy ireo, dia afaka mangataka ny fanampian’ireo loholona hafa ao amin’ny faritany izay manana fahazarana manao zavatra be dia be na ny fanampian’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany izy raha mitsidika ny kongregasionany io. Angamba ireny rahalahy ireny efa nandamina raharaha sahala amin’izany, ka izany dia hanome azy fahafahana hanome torohevitra sarobidy.
15. Araka ny asehon’ireo andinin-teny voatonona ao amin’ny fehintsoratra, nahoana moa no nisy olona voaroaka nahita indray ny toerany teo anivon’ny olon’Andriamanitra?
15 Marobe tamin’ireo izay voaroaka tao anatin’ireo taona lasa no nahita indray ny toerany teo anivon’ny olon’Andriamanitra. Rehefa avy nibebaka ireny kristiana nania ireny dia nahazo famindrampo, nanitsy ny fiainany ary niverina tamin’i Jehovah (Isaia 55:7). Niharihary ny fitahian’Andriamanitra teo amin’ireo izay nanaiky tamim-panetren-tena ny lalàm-pifehezan’Andriamanitra. Ny hafa koa, izay voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona tamin’ny asa ara-pitsaran’io, dia mety hody indray ny sainy ka haniry hahita ny fankasitrahan’i Jehovah. — Lioka 15:17, 18.
16. Rehefa misy voaroaka mangataka ny hiverina indray, inona moa no tokony hofantarin’ireo loholona? Inona avy moa no fanontaniana azon’izy ireo apetraka amin’ny tenany?
16 Nefa, tokony haneho fahaiza-mitsara zavatra ireo loholona rehefa mandinika ny fangatahana hiverina ataon’ny voaroaka iray. Tsy tokony horaisina indray ny olona iray noho izy nangataka izany fotsiny. Ilaina koa ny hahazoan-dalana avy amin’ny Soratra masina mba hamerenana indray ny olona iray nanao ratsy sy nanala baraka ny anaran’i Jehovah mbamin’ny kongregasiona. Alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra amin’io lafiny io, dia tokony hofantarin’ireo loholona aloha raha tena nibebaka tokoa ilay mpanota. Moa ve izy nanao asa miendrika ny fibebahana (Asan’ny apostoly 26:20)? Miharihary fa zavatra hafa izany fa tsy teny fotsiny. Tokony hiharihary ny asa toy izany. Manao ahoana ny fitondrantenan’ilay olona? Hatramin’ny hafiriana? Inona no ahariharin’ny toe-pony? Moa ve izy nianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ka niezaka hampihatra izany mba hanitsiana ny fitondrantenany (Jeremia 10:23, 24)? Miaiky marina tokoa ve izy fa rehefa nanao ny fahadisoany izy dia nanota tamin’i Jehovah? Moa ve izy nanao fiovana lehibe ho amin’ny tsara, ary moa ve izany fiovana izany avy amin’ny alahelo mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy noho ny nenina satria nahazo henatra fotsiny? Izany dia samy raharaha hotadidian’ireo loholona ao an-tsaina amin’ny dinika ifanaovany amin’ilay olona. Amin’izany izy ireo dia ho afaka hanapa-kevitra kokoa raha mety na tsia ny hampiverenana azy indray ao amin’ny kongregasiona.
17. a) Ahoana moa no azon’ireo loholona atao mba hitsarana amim-pahendrena sy famindrampo? b) Inona avy moa no soa horaisin’ny tenan’izy ireo avy amin’izany?
17 Indraindray amin’ny fihainoana olona iray voampanga ho nanao fahotana sasany, dia andrenesana fanaovana fanambarana mifanipaka. Nefa, raha mangataka ny hiverina indray izy, dia tsy hiseho ho mila voatsiary ireo loholona amin’ny fitadiavana tanteraka ny hampanaiky azy tsirairay ireo fahotana tsy nahafahana nanaporofo mazava ny fahamelohany. Tsarao amin’ny fitambarany kosa ilay raharaha. Jereo na nibebaka na tsia tamin’ny fahotana tena nahatonga azy ho meloka sy nahazoana porofo miharihary ilay olona voaroaka. Amin’ireo raharaha nahatafiditra fifanarahana ara-barotra na trosa mbola tsy voaloa foana, dia angamba tsy ilaina ny hanantitranterana isaky ny toe-javatra, ohatra raha nisy fitaka, mba hanaovana ny famerenana na ny fandoavana aloha, vao ekena ny fampiverenana. Nefa, raha mifanaraka ny rehetra, dia afaka mitondra ny fanampiany ireo loholona mba hamantarana izay mety hatao amin’izany lafiny izany. Fahendrena ny hampifandanjana ny fitsarana araka ny rariny sy ny fitiavana ny marina, amin’ny famindrampo (Jakoba 2:13). Amin’ny fanaovana toy izany, dia ho azon’ireo loholona atao ny hanantena ny hoentina amim-pamindrampo raha mba tsaraina koa ny tenany any aoriana.
Soa dieny izao sy any aoriana
18. Inona moa no azontsika rehetra atao mba hitandremana ireo fitsipi-pahamarinan’Andriamanitra, ary inona no soa horaisintsika avy amin’izany amin’izao fotoana izao sy any aoriana?
18 Manana antony tsara tokony hisaorana an’i Jehovah àry isika noho ny nanorenany indray amin’izao andro farany izao, izany fandaharam-pitsarana izany eo anivon’ny olony. Amin’ny maha-mpitsara sy mpanolo-tsaina, ireo loholona dia manana andraikitra hanampy antsika hanaraka ireo fitsipi-pahamarinan’Andriamanitra. Nefa ny tenantsika koa dia manana adidy haneho fanajana an’ireo izay mitsara amin’ny fanarahana an’ireo toetr’Andriamanitra. Inona no fomba tsara indrindra fanehoana izany fanajana izany? Amin’ny fahavononana hanaraka an’ireo torohevitry ny Baiboly sy amin’ny fanekena ny fandaharana teokratika (Hebreo 13:17). Izany dia hitondra fiarovana sy fahasambarana ara-panahy ho antsika eo anivon’izao tontolo izao tsy miraharaha lalàna. Izany koa dia ho porofo fa irintsika amim-pahatsorana ny hanaraka an’ireo fepetra takin’Andriamanitra sady mitady ny fankasitrahany sy miomana ho amin’ny fiainana ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ampanantenainy antsika.