Fampandrenesana
FIVORIAMBEN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ETO MADAGASIKARA — TAONA 1965
Hatao eto Antananarivo manomboka ny alakamisy 23 ka hatramin’ny alahady 26 Desambra ho avy izao, ny fivoriamben’ny vavolombelon’i Jehovah. Ao amin’ny efitranon’ny “MANJAKA HOTELY”, Làlana Dussol eo Behoririka, no hanaovana izany. Hanomboka ny alakamisy amin’ny tolak’andro ny fandaharam-potoana.
Ho tonga hanatrika izany vavolombelon’i Jehovah eran’ny nosy. Koa dia manasa anao sy ny fianakavianao amim-pitiavana izahay, ho tonga hanatrika izany. Tsy misy rakitra na vidim-pidirana, ka noho izany dia azon’ny be sy ny maro hatrehana ny fandaharam-potoana rehetra.
Momba ny fanazavana fanampiny tianao ho fantatra, dia aza misalasala manoratra amin’ny:
FIKAMBANAN’I VAVOLOMBELON’I JEHOVAH
21, Avenue Dalmond Andrahavoahangy
Tananarive
FIANARANA “NY TILIKAMBO FIAMBENANA”
2 Janoary: Ireo mahazo manantena hitsangana amin’ny maty. Pejy 309.
16 Janoary: Fizarana faharoa. Pejy 317.