FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/12 p. 331-336
  • Ny fanompoam-pivavahana mitondra ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fanompoam-pivavahana mitondra ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY BOKIN’NY FIVAVAHANA MARINA
  • NY FIVAVAHANA AMIN’ILAY ANDRIAMANITRA MARINA
  • IZAY ILAINA AMIN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA MARINA.
  • Iza no Tena Mpivavaka?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Tokony Hampiasa Sary Masina ve Isika?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/12 p. 331-336

Ny fanompoam-pivavahana mitondra ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra

NA AIZA na aiza halehanao, na miatsinanana, na miakandrefana na mianavatra na mianatsimo, dia hahita hianao fa misy maneho ny finoany hery ambony iray, amin’ny fanompoam-pivavahana atao ny ho azy. Olona an-tapitrisany maro, monina any amin’ny toerana samihafa eto ambonin’ny tany, no mino amim-pahatsorana fa tsara ny fombam-pivavahana arahiny. Matoky tanteraka izy fa amin’ny fanarahana izany fombam-pivavahana izany dia hahazo sitraka amin’ireo andriamaniny ary hahazo valisoa mandrakizay, amin’ny farany.

Mpivavaka maro any Atsinanana no tena tia vavaka aoka izany ka mampiato mihitsy ny fivoriana fiheveran-draharaha ataony, rehetra ho tonga ny ora voatondro ivavahana. Isan’andro, amin’ny fotoana voafetra, dia mamelatra ny karipetrany izy mba hiankohoka sy hivavaka mitodika manandrify an’i La Mecque, tanàna masiny. Nefa maro amin’ny mponina amin’ireny tany ireny no miseho ho mafana fo toy izany koa amin’ny fombam-pivavahana hafa, na dia milaza fa Allah ihany no hany Andriamanitra marina. Ohatra, tsy handeha hatory na oviana na oviana izy ireny, raha tsy efa avy nivavaka teo anoloan’ ny tsangabaton’i Buddha ajoro eo amin’ny toerana mora hita ao an-trano.

Somary hafa noho izany ny fivavahana hita eo amin’ny foko afrikana maro, nefa mitovy ihany ny zava-kendreny: “Ny hahazoana sitraka amin’ny hery ambony iray”. Mpisikidy mpanasitrana iray no mitarika ny fombafombam-pivavahana, satria heverina fa izy dia afaka mampitony ny fanahy tsy hita maso na ny maty lasa any an-koatra, araka ny finoan’ireo mpivavaka ireo.

Any amin’ny tanin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, any andrefana dia misy fitoviana amin’izany hita miharihary eo amin’ny fombam-pivavahana. Na miditra any amin’ny katedraly lehibe any amin’ny tanàna malaza any Frantsa, Italia na Etazonia hianao, na mitsidika toeram-pivavahana tsotsotra misy saiky hatraiza hatraiza ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, dia mahita olona mandohalika mivavaka eo anoloan’ny tsangambato izay marina fa tsy mampiseho an’i Bouddha, fa mampiseho an’i Jesosy, na Maria, na “olo-masina’’ maro hafa. Manao izay hahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa ireny mpivavaka ireny, mba ho mendrika ny fankasitrahany sy ny valisoa ho avy.

Inona anefa no antenain’ireny olona ireny fa ho azony, amin’ny fomban-pivavahana samihafa arahiny? Maro karazana ny valin’izany; miankina amin’ilay fivavahana arahina, sy ny toerana ary ny fianarana azon’ireny olona ireny izany. Ny hindous sy ny bouddistes, dia manantena hahazo izay ataony hoe “nirvana”, na dia samihafa aza ny fiheviny izany. Amin’ny sasany ny hevitry ny hoe nirvana dia fiainana misy fifaliana sy fahasambarana any an-koatra, fa amin’ny hafa kosa, dia toe-javatra sarotra lazaina, any ivelan’izao fiainana tsaroana izao.

Afrikana maro no manontany ny “any an-koatra” na ny “any ambony” izay alehan’ny fanahin’ny maty, araka ny fiheviny. Heverin’izy ireo fa tsy lavitra io “any an-koatra io”, satria inoany fa miverina ny maty ary manana hery lehibe eo amin’ny velona. Ny mahometana kosa mihevitra “ny lanitra” ho toy ny vondron-java-maniry eo afovoan’ny efitra, na saha kanto misy hazo manome alokaloka sy rano mikoriana ary izay rehetra mahatsara ary izay rehetra mahamora, mampahafinaritra ary mampahatony ny fiainana. Maro koa ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, no manana fanantenana saiky mitovy amin’izany ny amin’ny ataony hoe “lanitra”.

NY BOKIN’NY FIVAVAHANA MARINA

Nefa na inona na inona fombam-pivavahana arahinao amin’izao fotoana izao dia tokony hitady fanazavana momba ny fanantenana ny Fanjakana omen’ilay Mpahary ny olombelona izay manaraka ny fombam-pivavahana ankasitrahany, hianao. Mifandray amin’ny olona marina tokoa io Fanahy lehibe io amin’izao androntsika izao; tsy amin’ny alalan’ny mpisikidy mpanasitrana, na ny pretra no anaovany izany, fa amin’ny alalan’ilay boky tranainy indrindra izay manome fanazavana ho antsika momba ny olona voalohany sy ny namoronan’Andriamanitra azy. Boky tatsinanana io boky io, nosoratana tanteraka tany amin’ny tany any Atsinanana, nataon’ny Tatsinanana. Io boky manan-daza io, izay misy fitantarana ara-tsindrimandry nataon’ny olona efa-polo eo ho eo, dia omen’ny rehetra anarana hoe ny Baiboly masina, na ny Soratra Masina fotsiny, amin’izao fotoana izao.

Tsy hoe boky tena tranainy fotsiny ny Baiboly, fa tena niely fatratra tsy nisy toa azy koa, ary izany dia hatramin’ny elabe. Baiboly an’arivo tapitrisany maro no natonta, nandritr’izao taon-jato dimy farany izao. Tsy mbola nisy mihitsy boky hafa nahatratra fanontana mahatalanjona toy izany. Ity koa misy zavatra mahagaga: ny fandikana ny Baiboly amin’ny fiteny 1202 samihafa, dia mahatonga ny 90 isan-jato mahery amin’ny mponin’ny tany, ho afaka manana azy amin’ny fiteniny. Tsy fampielezana mahagaga toy izany va no nandrasanao tamin’ny boky nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra Tsitoha ?

Nefa ny tena ahazoana milaza fa Andriamanitra no Tompon’ny Baiboly, dia ny faminaniana hita ao aminy, satria hita mandrakariva fa mendrika inoana ireny faminaniana ireny. Matetika ny olona dia tsy afaka milaza marina, efatra amby roam-polo ora mialoha, izay ho toetry ny andro. Nefa ny Baiboly masina kosa nilaza mialoha zava-niseho maro, an-jato taonany, na an’arivo taonany maro talohan’ny tena fahatanterahany. Tsy misy boky hafa lazaina fa nataon’Andriamanitra, afaka nanao toy izany; porofo izany fa ny Baiboly no Boky ampiasain’Andriamanitra ankehitriny mba hifandraisany amin’ny olombelona.

Eritrereto kely ny fomba nitantaran’ny Baiboly masina mialoha ny amin’ny fianjeran’ireo fanjakana mahery maneran-tany nitondra ny raharaha tetỳ an-tany. Tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, tamin’ ny taon-jato fahavalo talohan’izao fanisantsika taona izao, no nilazan’Isaia, mpaminany hebreo, mialoha, fa ho mpanafaka ny Isiraelita babo tany Babylona, Kyrosy persiana. Nanome ny an-tsipiriany momba ny hanafihana io tanàna io mihitsy aza Andriamanitra. Roan-jato taona eo ho eo, tatỳ aoriana, dia niditra tao Babylona Kyrosy, tena araky ny nanambaran’ny faminaniana azy. (Isaia 44:26 ka hatramin’ny 45:3). Raha nanoratra tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny mpaminany Daniela, dia nitantara mialoha koa ny amin’ny hisandratan’ny fanjakana maherin’i Media sy Persia haneran-tany. Ary dia nambarany mazava koa ny fomba hisondrotan’i Gresy eo amin’ny toerana voalohany, amin’ny fanapahana maneran-tany sy ny handreseny an’i Media sy Persia ary hahavoazara azy ho fanjakana kely efatra, amin’ny fotoana hahafatesan’i Aleksandria Lehibe mpanjakany mpanafika. — Daniela 8:1-8, 20-22.

Mbola mahatalanjona kokoa noho izany, angamba, ny fahatanterahan’ny faminaniana marobe momba ny Mesia nampanantenaina, dia ilay notendren’Andriamanitra ho mpanafaka ny olombelona. Tokony ho teraka avy amin’ny firenena isiraelita, avy amin’i Joda, any Betlehema izy (Genesisy 49:10; Mika 5:1; Matio 1:2-16; 2:1, 5, 6), ary ho esoina sy hatao anisan’ny mpanao ratsy (53: 3, 12; Lioka 22:63; 23:32, 33). Amin’ny fahafatesany, dia tsy hisy hotapahina ny taolany ary hataon’ny mpamono azy loka no ho fizara ny fitafiany (Salamo 34:21; 22:19; Jaona 19:33, 36; Matio 27:35). Ny tsirairay avy amin’ireo faminaniana ireo, ary telon-jato hafa koa fara fahakeliny nisy olona nanisa izany — dia tanteraka niharihary tamin’i Jesosy Kristy. Afa-tsy izany dia efa nilaza mialoha izay miseho amin’izao androntsika izao koa ny Baiboly (II Timoty 3:1-5). Mahazo matoky tanteraka ny Baiboly masina ary hianao!

NY FIVAVAHANA AMIN’ILAY ANDRIAMANITRA MARINA

Ny Boky masina, ny Baiboly, dia milazalaza mazava ny amin’ny fivavahana an- kasitrahan’Andriamanitra Tsitoha. Raha manaraka izany fombam-pivavahana izany hianao dia ho tonga anisan’ireo izay homen’Andriamanitra fitahiana mandrakizay amin’ny alalan’ny Fanjakany. Mpivavaka voafetra ho 144 000 amin’ireo no handray izany fitahiana izany, any an-danitra, ary ho mpanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy, fa ny ankamaroan’ny olombelona mpankatò kosa dia handray izany fitahiana izany amin’ny maha-vahoakan’io Fanjakan’ny lanitra io azy, etỳ an-tany tonga paradisa indray. — Fanambarana 14:1-3, MN; Salamo 37:29, 34.

Nefa mba hahazoanao mandray fitahiana avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tokony ho fantatrao aloha ny amin’ilay Andriamanitra marina. Izao no ampahafantarin’ny Bokiny, ny Baiboly antsika: “Aoka ho fantany fa ny anaranao, Hianao ihany Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” “Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” — Salamo 83:19, AC; Jaona 4:24, MN; Isaia 42:8, AC.

Eny, JEHOVAH no anaran’ilay Andriamanitra marina, ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra. Tsy sary tsy afa-mihetsika io Jehovah Andriamanitra lehibe io, fa Olona, Fanahy tsy hita maso sy mahery ka tsy ekeny ny fivavahana amin’ny alalan’ny sary, na dia heverina aza fa ireny sary ireny dia mpanampy antsika hita maso fotsiny amin’ny fivavahana. Noho izany mba hivavahana amin’i Jehovah arak’izay sitrany, dia tsy tokony hiankohoka eo anoloan’ny sary tsy manan-tsaina hianao, na vita amin’ny hazo izany, na amin’ny vato, na amin’ny vy, fa tokony hiaina mifanaraka amin’ny fahamarinana voambara ao amin’ny Teniny, ny Baiboly kosa. — Eksodosy 20:4, 5; Levitikosy 26:1; Isaia 44:14-20; 46:5-7.

Raha mandinika kely ny amin’io hianao, dia hahatsapa ny maha-tsinontsinona ny sary. Mariho fa tsy afa-mandeha izy na manome toro-hevitra. Raiso ny sary iray lazaina fa masina ka atsipazo ao anaty ony, na ao anaty afo. Moa afaka mamonjy tena amin’ny filomanosana, toy ny olona ve izy, na mitsambikina avy ao anaty afo mba tsy ho may? Raha tsy manan-kery iarovany tena izy, ahoana ny hiarovany anao rehefa tratry ny loza hianao?

Jereo ireny sary nataon’ny tanan’olombelona ireny: Tsy manan’aina izy! Mariho izay lazain’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona, momba azy ireny: “Manam-bava izy fa tsy miteny, mana-maso izy, fa tsy mahita, manana orona izy fa tsy mandre. Manan-tanana izy fa tsy mandray; manan-tongotra izy fa tsy mandeha, ary tsy mahaloa-peo ny tendany.” Noho izany, ahoana ary no haha-Andriamanitra marina azy? Tsy azo ekena izany; izany no antony nanambaran’Andriamanitra hoe: “Ho tahaka azy izay manao azy, sy izay rehetra matoky azy.” — Salamo 115:4-8.

IZAY ILAINA AMIN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA MARINA.

Tsy mba mivavaka mihitsy amin’ny sary, izay manaraka ny fivavahana mitondra ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa manaiky an’i Jesosy ilay Mesia kosa, dia ilay nirahin’Andriamanitra tetỳ ambonin’ny tany hitarika antsika ho amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay sady notendreny ho Mpanjaka ao amin’ny Fanjakany. Ny Baiboly, izay nanome fitsipika dia manambara toy izao: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena.” — Asan’ny Apostoly 4:12, MN) Matio 20:28.

Ny fanompoam-pivavahana mitondra ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia ilàna, tsy ny fanekena an’i Jehovah Andriamanitra marina sy Jesosy Kristy Zanany ihany, fa ny fanaovana asa tsara koa. Tsy ampy ny manana ny Tenin’Andriamanitra, fa tokony hampifanaraka ny fiainanao amin’izay lazainy koa hianao. Manome ohatra ho antsika ny firenen’Isiraely ny amin’izany. Nanana ny Soratra Masina araka ny tsindrimandry izy, nefa rehefa tonga Jesosy, Mesia, dia nenjehiny ary farany dia novonoiny. Noho izy ireo tsy naha- vokatra ny voan’ny fahamarinana, dia izao no nambaran’i Jesosy taminy: “Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: ‘Ho esorina aminareo ny fanjakan’ny lanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany’ — Matio 21:42, 43, MN.

Mariho ny antony nahatonga ny fivavahan’ireo Jiosy ireo tsy hitondra ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra: Tsy naha-vokatra ny voan’ny fahamarinana izy ireo, ary izany no nisakana azy tsy ho mendrika ny fiainana ao amin’io Fanjakana io. Tokony hanao asa tsara tokoa mantsy, raha te-handray fitahiana avy amin’io fanapahana any an-danitra io.

Raha mbola tetỳ an-tany Jesosy, dia nasehony fa mba hanaovana asa tsara, dia tokony hahavokatra ny voan’ny fitiavana. Fotoana fohy talohan’ny namadihana azy sy ny nahafatesany, dia nampahafantariny tsara ny mpianany izany — ka hoy izy taminy: “Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona fa mpianatro hianareo raha mifankatia.” Mahalana dia mahalana tokoa no ahitana fitiavana toy izany, hany ka ahazoana manavaka ny mpivavaka amin’Andriamanitra marina sy ny mpivavaka amin’ny andriamani-tsi-izy izany. — Jaona 13:34, 35, MN; I Jaona 4:20; 3:15.

Ny fivavahana mitondra ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra koa dia ilàna an-draikitra amin’ny famoazana voa hafa voa-tonotonona ao amin’ny epistilin’i Paoly ho an’ny Galatiana, dia ireto izany: “fifaliana, filaminana, fahari-po, finoana, fahalemem-panahy, fahononam-po”. Mba hananana ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra ireo, dia tokony hariana ny asan’ny nofo “dia ny fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ady ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany.’’ Mpamiomana antsika ny Baiboly fa “izay manao izany zavatra izany, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.’’ — Galatiana 5:19-23, MN.

Ny zavatra hafa mampiavaka ny fanompoam-pivavahana mitondra ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra koa dia izy mampitodika tanteraka ny saina ho amin’io Fanjakana io fa, tsy mamporisika ny mpivavaka hanohana izao fandehan-javatra ankehitriny izao sy ny zavatra ara-politika ary ara-tafika ao aminy. Nefa hitantsika any amin’ny tany rehetra, fa misy fandaminana ara-pivavahana miray petsapetsa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao ka mitsodrano ny fikelezan’aina mba hampitombo ny heriny ara-tafika. Hita izany eo amin’ireo fivavahanan’ny tatsinanana, ary koa eo amin’ny fivavahan’ny tandrefana lazaina fa kristiana, fantatra amin’ny anarana hoe fitambaramben’ny kristiana anarana. — Jaona 15:19; Isaia 2:2-4.

Na dia nampianatra ny mpianany hanaja lalàna aza Jesosy Kristy, dia izao no nolazainy momba ny fanapahana any an-danitra nanosoran’Andriamanitra azy ho mpanjaka: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.” Izany no antony nilazany tamin’ny mpianany fa izy ireo dia “tsy naman’izao tontolo izao, tahaka ahy tsy naman’izao tontolo izao”. — Jaona 18:36, MN; 17:16; Matio 22:21.

Azon’ny mpianatr’i Jesosy izany zavatra izany. Namafisin’i Jakoba mpianatra izany raha nilaza izy fa ny fombam-pivavahana madio, ankoatry ny zavatra hafa, dia ny “miaro ny tena tsy hisy pentipentina avy amin’izao tontolo izao”. — Jakoba 1:27, MN.

Noho izany aleon’ireo mpivavaka amin’i Jehovah, manaiky ny fomba fijerin’Andriamanitra ny zavatra, sy manantena an’i Jesosy Kristy, ilay Andrianan’ny fiadanana, ary ny Fanjakan’Andriamanitra, ny hany fanantenan’ny olombelona, mba hahazoana fiadanana maharitra, toy izay hanaiky ny fihevitry ny olombelona izay milaza fa ny “fanantenana tsara indrindra hitondra fiadanana” dia fanapahan’olombelona, indrindra fa ny Firenena mikambana, fandaminana natao mba hitondra fiadanana eto amin’izao tontolo izao. Manohana amin-kafanampo io Fanjakana io izy, ka mitory ampahibemaso sy isan-trano toy ny nataon’i Jesosy fony izy tetỳ an-tany. Izany fitoriana izany dia anisan’ny fanompoam-pivavahana mitondra ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Isaia 9:6; Matio 4:17.

Tsy maninona izay fanompoam-pivavahana narahinao hatramin’izao, fa mba hahazona ny famonjena mandrakizay, dia tokony hihaino izay lazain’ilay Mpahary ny olombelona, momba ny fivavahana hianao. Ampifanaraho amin’ny fepetra omeny ny fanompoam-pivavahanao. Ampifandrindrao amin’ny Teniny nomena tamin’ny tsindrimandry ny fiainanao. Ankino amin’ny Fanjakany ny fanantenanao rehetra ary am-pahafantaro, ny vaovao tsara momba izany. Izany ihany no hahatonga ny fanompoam-pivavahanao hitondra ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara