FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Filemona, Taratasy ho An’i”
  • Filemona, Taratasy ho An’i

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Filemona, Taratasy ho An’i
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-57 — Filemona
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Miasa ny fifankatiavan’ny mpirahalahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny taratasy ho an’i Filemona, fanambarana ny amin’ny fampiharana ny kristianisma
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Filemona sy Onesimosy — Tafaray tao Amin’ny Firahalahiana Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Filemona, Taratasy ho An’i”

FILEMONA, TARATASY HO AN’I

Taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Filemona. (Flm 1, 2, 19) Nigadra voalohany tany Roma (t. 60-61 angamba) i Paoly tamin’izy nanoratra azy io, matoa izy nanantena ny “hafahana.”​—And. 22; jereo FILEMONA; ONESIMOSY.

Nampirisihin’ilay apostoly i Filemona mba handray tsara an’i Onesimosy, ilay mpanompony nandositra nefa niova ho Kristianina tatỳ aoriana. Nanana fahefana hanery an’i Filemona hanao izany i Paoly satria apostoly izy. Naleony anefa niangavy azy noho ny fitiavana sy noho izy ireo mpinamana. (Flm 8, 9, 17) Lehilahy nanam-pinoana sy be fitiavana i Filemona. Natoky àry i Paoly hoe horaisiny tsara ilay mpanompo tsy nahasoa azy teo aloha, toy ny handraisany tsara an’ilay apostoly ihany (and. 10, 11, 21), na dia zon’i Filemona aza ny hanasazy mafy an’i Onesimosy.

Asongadin’ilay taratasy fa toetra kristianina mahafinaritra ny hatsaram-panahy sy famelan-keloka ary famindram-po. Ampahafantariny antsika koa fa nivory tao an-tranon’ny mpiara-manompo ny Kristianina voalohany, nifampiantso hoe ‘rahalahy’ sy ‘anabavy’ (Flm 1, 2, 20), ary nifampivavaka (and. 4, 22). Nampahery azy ireo koa ny fitiavana sy finoana nasehon’ny mpiray finoana taminy.​—And. 4-7.

[Efajoro, pejy 877]

HEVITRA MISONGADINA: FILEMONA

Taratasy mampirisika ny hitiavana mpanompo iray nandositra nefa niova ho Kristianina, sy ny hamindrana fo aminy

Nosoratan’i Paoly tamin’ny taona 60-61 tany ho any, tamin’izy nigadra tany Roma

Noderaina ny fitiavan’i Filemona sy ny finoany (and. 1-7)

Nantsoin’i Paoly hoe malala sy mpiara-miasa i Filemona

Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly rehefa nahare ny fitiavany sy ny finoany, nahafaly sy nankahery be azy izany

Nalefan’i Paoly nody i Onesimosy izay ‘mihoatra noho ny mpanompo’ (and. 8-25)

Niangavy ho an’i Onesimosy i Paoly noho ny fitiavana; lasa Kristianina io mpanompo nandositra io rehefa nifanerasera taminy tany am-ponja

Te hihazona an’i Onesimosy i Paoly satria nikarakara azy izy; nalefany nody anefa izy satria tsy te hanao na inona na inona i Paoly raha tsy efa nanaiky i Filemona

Nampirisihiny i Filemona handray an’i Onesimosy toy ny handraisany an’i Paoly; natoky izy fa hanao mihoatra noho izay nangatahina taminy i Filemona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara