Miasa ny fifankatiavan’ny mpirahalahy
Hevi-dehibe ao amin’ny Filemona
NANOME ilay “didy vaovao” ny mpianany i Jesosy Kristy mba hifankatiavan’izy ireo tahaka ny nitiavany azy ireo. (Jaona 13:34, 35). Noho izany fitiavana izany, dia vonona ny ho faty ho an’ny namany mihitsy aza izy ireo. Eny, mahery sy miasa toy izany ny fifankatiavan’ny mpirahalahy.
Nino mafy ny apostoly Paoly fa hanosika an’i Filemona, kristiana iray tao amin’ny kongregasionan’i Kolosia, tanàna iray tany Azia Minora, hanao zavatra ny fifankatiavan’ny mpirahalahy. Efa nanetsika an’i Filemona hanokatra ny tranony mba hampiasaina ho toy ny toeram-pivoriana kristiana ny fitiavana. Nandositra i Onesimosy, andevon’i Filemona, angamba rehefa avy nangalatra vola mba hanaovana dia ho any Roma, izay nahitany an’i Paoly tatỳ aoriana ary nanekeny ny kristianisma.
Fony izy tao an-tranomaizina tany Roma tany amin’ny 60-61 am.fan.ir. tany ho any, dia nanoratra taratasy iray nataony voalohany indrindra ho an’i Filemona i Paoly. Niangavy an’i Filemona izy mba handray an’i Onesimosy niverina tany aminy tamin’ny toe-tsaina nampiseho fifankatiavan’ny mpirahalahy. Vakio io taratasy io, dia ho hitanao fa ohatra tsara dia tsara izy io raha ny amin’ny firaiketam-po sy ny fahaiza-mandanjalanja — dia ohatra izay azon’ny vahoakan’i Jehovah tahafina tsara.
Teny fiderana noho ny fitiavana sy ny finoana
Niresaka tamin’i Filemona sy ny hafa i Paoly ary nanao teny fiderana aloha. (Andininy 1-7, MN). Tsy nitsahatra nahare ny amin’ny fitiavan’i Filemona an’i Kristy sy ny olona masina rehetra ary ny amin’ny finoany ilay apostoly. Izany dia nanosika an’i Paoly hisaotra an’i Jehovah sady nitondra fifaliana sy fampiononana lehibe ho azy. Moa ve ny tenantsika manokana manao teny fiderana ireo mpiray finoana amintsika izay ohatra fakan-tahaka raha ny amin’ny fitiavana sy ny finoana? Tokony hanao izany isika.
Ny fananarana mifototra amin’ny fitiavana dia faniry foana eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo kristiana namantsika, araka ny asehon’ireo tenin’i Paoly. (Andininy 8-14). Taorian’ireo teny fanombohana feno fahaiza-mandanjalanja nataony, dia nilaza ilay apostoly fa, na dia azony natao aza ny nandidy an’i Filemona “hanao izay mendrika”, dia nifidy ny hananatra azy kosa izy. Mba hanao inona? Mba handray indray an’i Onesimosy andevo amin-katsaram-po! Ho tian’i Paoly ny hihazona ny fanompoana feno fanampian’i Onesimosy, nefa tsy hanao izany tsy nisy ny faneken’i Filemona izy.
Ireo fisehoan-javatra toa heverina fa tsy mahasoa matetika dia miseho ho mitera-bokatsoa, araka ny nomarihin’i Paoly nanaraka. (Andininy 15-21). Raha ny tena izy, dia niteraka zavatra tsara ny nandosiran’i Onesimosy. Nahoana? Satria azon’i Filemona natao izao ny nandray azy indray ho toy ny rahalahy kristiana nanaiky an-tsitrapo sy marina azy, fa tsy ho toy ny andevo tsy hanaiky an-tsitrapo sy tsy marina angamba. Nangataka an’i Filemona mba handray indray an’i Onesimosy i Paoly, dia toy ny mety handraisana an’i Paoly mihitsy. Raha nisy nanaovan’i Onesimosy izay tsy marina tamin’i Filemona, dia handoa izany ilay apostoly. Mba hanaovana izay hanoavan’i Filemona an-tsitrapo kokoa ihany, dia nampahatsiahy azy i Paoly fa izy io koa aza dia nanan-javatra haloa tamin’ilay apostoly noho ny nahatongavany ho kristiana. Noho izany, dia nino mafy i Paoly fa hanao mihoatra noho izay nangatahina taminy aza i Filemona. Fiangaviana feno fahaiza-mandanjalanja sy fitiavana re izany! Azo antoka tokoa fa izany no fomba tokony hifandraisantsika amin’ireo kristiana namantsika.
Namarana ny taratasiny tamin’ny filazana fanantenana iray sy fiarahabana ary faniriana i Paoly. (Andininy 22-25, MN). Nanantena izy fa, noho ny vavaka ataon’ny hafa ho azy, dia hafahana tsy ho ela avy tao an-tranomaizina izy. (Araka ny asehon’ny taratasin’i Paoly faharoa ho an’i Timoty, dia nahazo valiny ireny vavaka ireny.) Namarana ny taratasiny i Paoly ary nandefa fiarahabana sy naneho ny faniriany mba ho amin’ny toe-tsaina asehon’i Filemona sy ireo mpiara-manompo an’i Jehovah aminy ny hatsaram-pon’i Jesosy Kristy ho an’ny tsy mendrika akory.
[Efajoro/Sary, pejy 23]
Mihoatra noho ny andevo: Momba ny fiverenan’i Onesimosy, andevon’i Filemona nandositra, dia hoy i Paoly: “Izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ny nofo, na amin’ny Tompo.” (Filemona 15, 16). Teo amin’ny Empira romana, dia nampihatra fanandevozana ny fitondram-panjakan’ny emperora, ary i Paoly dia nanaiky “ireo manam-pahefana ambony”. (Romana 13:1-7, MN). Tsy nitory ny tokony hanohanana ny fikomian’ny andevo iray izy, fa nanampy ireny olona ireny kosa mba hahazo fahalalahana ara-panahy tamin’ny naha-kristiana. Nifanaraka tamin’ny torohevitra nomen’ny tenany ihany mba haneken’ireo andevo ny tompony, dia nandefa an’i Onesimosy hiverina tany amin’i Filemona i Paoly. (Kolosiana 3:22-24; Titosy 2:9, 10). Mihoatra noho ny andevo teo amin’izao tontolo izao i Onesimosy ankehitriny. Mpiray finoana malala izy, izay haneho fanekena voafetra an’i Filemona tamin’ny naha-andevo tsaratsara kokoa azy, tapahin’ny fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra ary maneho fifankatiavan’ny mpirahalahy.