Ny taratasy ho an’i Filemona, fanambarana ny amin’ny fampiharana ny kristianisma
AMPIHARO re izay torinareo e! Izany dia hevitra izay nosoritan’i Jesosy fatratra rehefa nanala sarona ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny izy (Matio toko faha-23). Nefa inona no holazaina, amin’io lafiny io, ny amin’ireo mpampianatra ao amin’ny kongregasiona kristiana teo am-boalohany? Nampihatra izay notoriny ve izy ireny? Marina tokoa fa nanome ohatra izy ireny, araka izay asehon’ny taratasy ho an’i Filemona miharihary tokoa, izay mahaforona ankehitriny iray amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly.
Ilay taratasy resahina dia natao, tsy ho an’ny kongregasiona anankiray, fa ho an’olona manokana, ary miresaka raharaha manokana. Ankoatr’izany, dia tsy nila ny fanampian’ny mpitantsoratra iray Paoly fa nanoratra izany manokana, izay fanampiny ihany koa ny amin’ny marika manokana.
Nahoana i Paoly no nanoratra io taratasy io ho an’i Filemona? Izao no antony: namerina taminy an’i Onesimosy mpanompony ilay apostoly. Izy io tokoa mantsy dia nandositra avy tao amin’i Filemona. Angamba aza izy tonga hatramin’ny fangalaram-bola taminy mba handoavana ny saran-dalana ho any Roma. Tao amin’io tanàna io, na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana, dia nifandray tamin’i Paoly i Onesimosy. Rehefa avy nihaino azy nitory izy dia lasa kristiana. Amin’ny maha-izany azy, dia nanao asa tena nahasoa ho an’i Paoly izy ary dia niraiki-po fatratra taminy ilay apostoly. Nefa tsy naniry ny hitana azy teo anilany tsy nisy faneken’i Filemona izy. Noho izany dia naverin’i Paoly tany amin’i Filemona i Onesimosy. Nandeha niverina an-tsitrapo ho any amin’ny tompony i Onesimosy, tsy tamin’ny naha-mpanompo tsotra intsony, fa toy ny rahalahy malala ao amin’ny Tompo.
Marina tokoa fa lasa rahalahy nankamamina fatratra i Onesimosy, ary azo nitokisana tanteraka. Ho porofon’izany dia aoka homarihintsika fa nampitondrain’i Paoly azy sy Tykiko namany ireo taratasy nosoratany ho an’ny kongregasionan’i Efesosy sy Kolosia (Efesiana 6:21, 22; Kolosiana 4:7-9). Kanefa ao amin’ireo taratasiny roa ireo dia nanoro hevitra an’ireo mpanompo i Paoly mba hankato ireo tompony (Efesiana 6:5-7; Kolosiana 3:22, 23). Rehefa nandefa an’i Onesimosy àry Paoly dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny toroheviny. Nanaja ny fananan’ny hafa izy ary nanaraka ny fananarana nataony ihany tamin’ny fanekena ireo fitondram-panjakana voaorina tamin’ny androny.—Romana 13:1-7; I Korintiana 7:20-24.
Nanome ohatra koa Paoly tamin’ny fanehoana fanetren-tena sy fampisehoana fitiavana ary fiheverana ny namany tamin’ny, fampiharana ny torohevitra nomen’ny tenany (Efesiana 4:13; Filipiana 2:3, 4; Kolosiana 3:12-14). Tsy nampiasa ny fahefana apostolika nananany i Paoly mba hanerena an’i Filemona hamela ny helok’i Onesimosy sy handray azy ho toy ny rahalahy fa naneho kosa ny fitiavany kristiana sy ny fifankatiavana manokana namatotra azy taminy (Filemona 8, 9, 17). Endrey izany ohatra tsara dia tsara, raha ny marina, ho an’ireo kristiana amin’izao androntsika izao miantsoroka ny asan’ny mpiandraikitra!
Nanisy soa an’i Filemona i Paoly satria tamin’ny alalany no nahafantarany ny vaovao tsara sy nahafahany tamin’ny fanompoan-tsampy. Kanefa ny lalàna dia nanome fahefana azy ho ratsy fitondra an’i Onesimosy. Ankoatr’izany dia nanana antony tokoa hanaovana an-dolompo aminy izy. Noho izany, i Paoly dia tsy nianina tamin’ny famporisihana an’i Filemona haneho hatsaram-po, indrafo sy famelan-keloka. Ny tenany aza dia nampiseho fa vonona ny haneho ireo toetra ireo izy. “Raha nanao izay tsy marina taminao izy [Onesimosy], na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany; izaho Paoly no manoratra izany amin’ny tànako, izaho no handoa izany”.—Filemona 18, 19.
Marina tokoa àry fa araka ny ahariharin’ny taratasin’i Filemona, ireo mpanoratra voalohany sy mpampianatra kristiana dia niaina ireo fotopoto-pitsipiky ny kristianisma. Raha lazaina amin’ny teny fohy, dia nampihatra tsara izay notoriny izy ireo.