FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Ranonafero”
  • Ranonafero

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ranonafero
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Zavamaniry Misy Poizina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-18 — Joba
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joba
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ny tsy fivadihan’i Joba: tamin’ny ahoana izany no niavaka tokoa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Ranonafero”

RANONAFERO

Ranoka avoakan’ny aty, ary voatahiry ao anatin’ny afero, izay kitapo kely miendrika poara. Eo ambanimbany, eo amin’ny ilany havanana amin’ny aty, no misy ny afero. Mahazaka ranonafero intelon’ny sotro lehibe eo ho eo ny afero. Mavo na somary maitso ny ranonafero, ary faran’izay mangidy. Ilaina amin’ny fandevonan-kanina izy io. Nanjary nilazana zavatra mangidy na misy poizina ny hoe ranonafero, ary toy izany no ampiasan’ny Baiboly an’io teny io.​—As 8:23.

Mafy sy mangidy tamin’i Joba ny nanjo azy, ka nilaza izy fa toy ny hoe nararaka tamin’ny tany ny aferony. (Jb 16:1, 13) Nampiasa teny an’ohatra i Zofara tatỳ aoriana, rehefa nanendrikendrika an’i Joba ho nanao ratsy, ary nilaza fa ho toy ny “aferon’ny” (Prot.) na “poizin’ny kôbrà” (TV) ny ‘sakafo’ tao an-kibon’i Joba. Nampitandrina azy i Zofara fa hisy fitaovam-piadiana hiboroaka “avy eo amin’ny aferony.” (Jb 20:1, 14, 25) Iray tarika ny teny hebreo nadika hoe “afero” sy ilay nadika hoe “mangidy.”​—De 32:32; Jb 13:26.

Kôle no teny grika nadika hoe ranonafero.​—Jereo ZAVAMANIRY MISY POIZINA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara