Ny tsy fivadihan’i Joba: tamin’ny ahoana izany no niavaka tokoa?
“Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hiala amin’ny tsy fivadihako aho!” — JOBA 27:5.
1. Iza moa Joba, ary ahoana no ahafantarantsika fa olona tena nisy izy io?
OLONA tsy nanam-paharoa teo amin’ny Tantara i Joba. Tsy vitan’ny hoe nanana harena ara-nofo be dia be izy, fa nohajaina satria mpitsara sy filoha nanana fangoraham-po. Lazain’ny Baiboly fa “nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra” izy. (Joba 1:3; 29: 12-25). Niaraka tamin’i Noa sy Daniela, dia noheverina ho lehilahy nanana fahamarinana lehibe izy (Ezekiela 14:14, 20). Manome azy ho ohatra ho an’ny kristiana koa ny Soratra Masina, ka izany dia manaporofo fa tena olona nisy teo amin’ny tantara tokoa izy io. — Jakoba 5:11.
2. Ahoana no azontsika amerana ny fotoana nisedran’i Satana an’i Joba?
2 Nonina tany amin’ny tany Oza i Joba, tany amin’ny faritra iray mifanitsy amin’izao andro izao amin’i Arabia. Raha tsy isiraelita aza izy, Joba dia mpivavaka tamin’i Jehovah, ka izany dia nomarihin’Andriamanitra tamin’i Satana. Ny fanambaran’Andriamanitra fa “tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy” dia mampiharihary amintsika fa tsy nisy mihitsy mpanompon’Andriamanitra hafa niavaka tamin’izany fotoana izany tamin’ny toetra tsy nanam-paharoa (Joba 1:8). Noho izany antony izany, Joba dia tsy maintsy ho nosedrain’ny Devoly nandritra ny vanim-potoana naha-tany amin’ny fanandevozana tany Egypta ireo zanak’olo-mpiraitampo taminy, dia ny Isiraelita, raha lazaina amin’ny teny hafa dia teo anelanelan’ny 1657 alohan’ny fanisan-taona iraisana, datin’ny nahafatesan’i Josefa, olona nitana tsy fivadihana niavaka, sy ny fotoana nisehoan’i Mosesy tamin’ny naha-lehilahy tsy nivadika.
3. Iza no nanoratra ny bokin’i Joba, ary ahoana no nety ho nahazoany ireo fanazavana nilaina?
3 Azo inoana fa i Mosesy no nanoratra ny bokin’i Joba. Ahoana anefa no nahafahany nahalala ireo fitsapana nahazo ilay patriarika? Rehefa voatery nandao an’i Egypta tamin’ny 1553 i Mosesy dia nanorim-ponenana tany Midiana, tsy dia lavitra loatra ny tany Oza (Eksodosy 2:15-25; Asan’ny apostoly 7:23-30). Tamin’izany fotoana izany i Joba dia niaina ireo 140 taona faramparany tamin’ny fahavelomany noho ny fitahian’i Jehovah (Joba 42:16). Taty aoriana, rehefa nandalo teo akaikin’i Oza ny Isiraelita, tany amin’ny faramparan’ny fandehanany tany an’efitra, dia afaka nahazo fanazavana ny amin’ireo taona farany niainan’i Joba sy ny amin’ny nahafatesany i Mosesy.
Ny fahalalana voafetra nananan’i Joba
4. a) Araka ny azo heverina, ahoana no nahafahan’i Joba nahalala an’i Jehovah, ary inona no mahatonga antsika ho afaka hilaza fa tsy maintsy ho nanana fifandraisana tamin’ireo taranak’i Abrahama sy Isaka izy? b) Ahoana no nahatonga an’i Joba ho lehilahy nanana tsy fivadihana niavaka?
4 Rehefa nosedraina Joba, dia voafetra ihany ny fahalalany an’Andriamanitra sy ny fikasany. Mbola tsy nisy tapany amin’ny Baiboly vita an-tsoratra mihitsy tokoa tamin’izay. Tsy maintsy ho nahazo fanazavana sasany anefa Joba ny amin’ny fifandraisana notanan’i Jehovah tamin’i Abrahama, Isaka, Jakoba sy Josefa, satria toa taranak’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, tamin’ny alalan’i Oza lahimatoany izy. Ambonin’izany, Oza dia nanana an’i Betoela, rain’i Rebeka vadin’Isaka ho rahalahy, ary rain’ny raiben’i Josefa (Genesisy 22:20-23). Tsy isalasalana mihitsy fa Joba dia nihevitra ho sarobidy tokoa izay rehetra nety ho fantany ny amin’ireo zavatra nampitain’i Jehovah tamin’i Abrahama sy ireo taranany, ary nanana faniriana mafy ny hahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy. Araka izany, Joba dia tonga lehilahy nitana tsy fivadihana niavaka, lehilahy tsy nanana antony tokony hiampangana azy ary nanana fifikirana tsy azo noravana tamin’i Jehovah.
5. Anton-javatra manokana inona no mahatonga ny tsy fivadihan’i Joba hiavaka aoka izany?
5 Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Josefa tany Egypta, ny tsy fivadihan’i Joba dia nahatonga fiadian-kevitra teo amin’i Jehovah Andriamanitra sy Satana tany amin’ny lanitra tsy hita maso. Tsy nisy na inona na inona fantatr’i Joba anefa ny amin’io fiadian-kevitra io izay nihodinkodina nanodidina ny tsy fivadihany. Ary ny tsy fahalalan’i Joba raha ny amin’ny anton’ny fijaliany no mahatonga hiavaka aoka izany ny tsy fivadihany tsy azo nohozongozonina. Kanefa, mba hahafahan’ny olo-mahatoky rehetra ho avy hanaraka, handray soa amin’ny oha-pahatokian’i Joba, dia nasain’i Jehovah nosoratan’i Mosesy ny tantaran’io fiadian-kevitra io.
Ny raharaha mifamatotra amin’ny tsy fivadihan’i Joba
6. a) Ahoana no ampisehoan’ny fivoriana iray tany an-danitra ny fisian’ny fiadian-kevitra teo amin’Andriamanitra sy Satana? b) Oviana no nipoitra ny fiadian-kevitra, ary ahoana indrindra moa izany?
6 Manala ny saron’ny tsy fahitana maso ny bokin’i Joba ka mahatonga antsika ho afaka hanatrika fivorian’ireo anjely teo anoloan’ny tenan’Andriamanitra, tany an-danitra. Koa satria mba tonga teo koa Satana, dia nampahatsiahy azy Jehovah fa “tsy misy tahaka azy [Joba] eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy”. (Joba 1:8.) Mazava fa nisy fiadian-kevitra nampifanohitra an’Andriamanitra sy Satana, ary izany fiadian-kevitra izany dia mahakasika ny tsy fivadihan’i Joba. Tsy zava-baovao anefa izany. Nipetraka tokoa ilay zava-manahirana rehefa nampiala an’i Adama sy Eva tamin’Andriamanitra Satana ka azo lazaina hoe nanambara taminy toy izao: ‘Raha avelanao hanao izany fotsiny aho, dia hampiala aminao izay rehetra manompo anao aho.’ — Genesisy 3:1-6.
7. Fanazavana inona moa no tsy maintsy ho nomen’i Satana ny amin’ny tsy fivadihan’i Joba, ary fihaikana inona no nalefany ho an’Andriamanitra?
7 Tao anatin’io fivoriana ofisialy natao tany an-danitra io, Satana dia tokony hanome fanazavana ny amin’ny tsy fivadihan’i Joba. “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? hoy ny fanontaniany. Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra?” Avy eo dia nandefa izao fihantsiana an’Andriamanitra izao i Satana: “Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e.” — Joba 1:9-11.
8. a) Ahoana no namalian’i Jehovah ny fihaikan’i Satana? b) Famelezana mahatsiravina inona no nataon’i Satana tamin’i Joba?
8 Namaly ny fihaikan’ny Devoly i Jehovah. Natoky tanteraka ny tsy fivadihan’i Joba izy ka namaly an’i Satana hoe: “Indro, eo an-tànanao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tànanao.” (Joba 1:12). Tsy niandry intsony Satana fa namely an’i Joba. Nisy Sabeana nanafika ka nitondra niaraka tamin’izy ireo ny omby 1 000 sy ny borikivavy 500 an’i Joba, rehefa avy namono ny mpanompo rehetra afa-tsy iray monja. Avy eo Satana dia nandatsaka afo avy any an-danitra izay nandevona ny ondrin’i Joba 7 000 sy ireo mpanompony, ka iray monja no voatsimbina. Taorian’izany dia natosik’i Satana ny andiana Kaldeana telo hangalatra ny ramevan’i Joba 3 000 sady namely ny mpanompo rehetra afa-tsy iray monja. Farany, dia nataon’i Satana nisy rivotra mafy namely ilay trano nanaovan’ireo zanak’i Joba folo fanasana, ka ringana daholo izy rehetra. Avy eo, kely dia kely ny elanelany, ireo sisa velona tamin’ny tsirairay avy tamin’ny loza aman’antambo dia nitondra tany amin’i Joba ireo vaovao nahatsiravina. — Joba 1:13-19.
9. Nahoana moa ireo fitsapana an’i Joba no sarotra niaretana indrindra? Na dia izany aza, inona no fihetsika narahin’i Joba?
9 Loza re izany! Na dia fantatr’i Joba aza izay nampitambesatra izany taminy, dia ho sarotra taminy ny hanaiky izany. Tsy fantany anefa izany. Tsy fantany fa teo afovoan’ny fiadian-kevitra iray teraka tany an-danitra izy ary tian’i Jehovah ny hanaporofo tamin’ny alalany fa hisy olombelona tsy hivadika aminy hatrany na dia ao aza ny fahoriana tsy ara-drariny rehetra mety haterak’i Satana ho azy ireo. Na dia nitambesaram-pahoriana aza anefa i Joba ka nino mihitsy aza fa tompon’andraikitra tamin’ny fomba sasany tamin’ny famoizana nihatra taminy Andriamanitra, dia nihiaka toy izao izy: “Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’i Jehovah.” Eny, “tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’Andriamanitra”. — Joba 1:20-22.
10. a) Famelana hanao inona indray no notakin’i Satana momba an’i Joba, ary nahoana no nomen’i Jehovah azy izany? b) Inona avy no vokatry ny toe-piainana nampahory nahazo an’i Joba teo amin’ny tenany?
10 Tsy maintsy ho naetry Satana tao amin’ny fivorian’ny anjely hafa iray, rehefa nampahatsiahy azy toy izao ny amin’i Joba i Jehovah: “Mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy.” Tsy niaiky fa resy anefa Satana. Nilaza izy izao fa raha avela hikasika ny fahasalaman’i Joba izy, dia handa an’Andriamanitra eo imasony io. Noho ny fananana toky fa tsy hivadika hatrany i Joba na dia tao anatin’ny fitsapana toy izany aza, dia navelan’i Jehovah hanao izay hataony Satana, fa tsy hanaisotra kosa ny ain’ilay mpanompony. Koa “namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany” Satana. (Joba 2:1-8.) Tonga tao anatin’ny toe-piainana ratsy dia ratsy sy naharikoriko aoka izany i Joba, hany ka nandositra azy ireo havana aman-tsakaizany ary nanao azy ho fihomehezana ireo olom-pantany taloha. — Joba 12:4; 17:6; 19:13-19; 30:1, 10-12.
11. Famelezana vaovao inona no nahazo azy, ary tamin’ny ahoana ny tsy fivadihany tamin’izany fitsapana rehetra izany no niavaka tokoa?
11 Niharam-pamelezana vaovao anefa i Joba! Ny vadiny izay nihozongozona ny finoany dia nilaza taminy hoe: “Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Izao anefa no navalin’i Joba azy: “Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?” Araka ny asehon’ny fitantarana, “tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba”. (Joba 2:9, 10.) Raha tsaroanao anefa fa niafina taminy ny antony nijalian’i Joba, dia hanaiky ianao fa tena niavaka ny tsy fivadihany.
Famelezana karazany hafa
12. a) Olona iza avy no tonga mba hampahery an’i Joba? b) Ahoana no nampiasain’i Satana ireo lehilahy ireo mba hisedrana bebe kokoa ihany ny tsy fivadihan’i Joba?
12 Tsy nitsahatra teo anefa ny tenin’i Satana. Naniraka lehilahy telo noheverina fa hendry izy. Nety ho nahalala an’i Joba manokana ireo na nandre firesahana ny aminy ho lehibe “noho ny zanaky ny atsinanana rehetra” izy ireo. Toa be taona kokoa noho izy ireo (Joba 1:3; 15:10; 32:6). Ny roa tamin’izy ireo dia havan’i Joba lavitra. Elifaza Temanita dia taranak’i Abrahama tamin’ny alalan’i Temana, zafikelin’i Esao, ary Bildada Sohita dia taranak’i Soaha zanak’i Abrahama (Joba 2:11; Genesisy 36:15; 25:2). Tsy azo antoka ny fiavian’i Zofara. Tonga mba hoe hampahery an’i Joba ireo lehilahy telo ireo, kanefa raha ny marina dia nampiasa azy ireo Satana mba hanandramana manimba ny tsy fivadihany. Sahala amin’ireo mpanadina ara-politika izay mody mampifamatotra fisakaizana amin’ireo mpigadra mba hanimbana ny hitsim-pon’izy ireny sy hamporisihana azy hanohitra ny fitondram-panjakany, ireo “mpampionona” an’i Joba, araka ny hevitr’i Satana, dia hamporisika azy hanohitra ny Andriamaniny. — Joba 16:2, 3.
13. a) Inona no nataon’ireo mpitsidika an’i Joba rehefa tonga izy ireo? b) Rehefa velona ny fiadian-kevitra, nanao ahoana ny fihodinany?
13 Rehefa tonga teo anilan’i Joba ireo mpitsidika telo, dia nandany fito andro sy fito alina nandinihana mangina ny fanaintainany nahatsiravina sy ny fietreny nihoapampana (Joba 2:12, 13). Nitari-dresaka tamin’ny farany i Elifaza, izay toa ny be taona indrindra; noferany ny hevitra sy ny foto-kevitra ankapoben’izay niova ho fiadian-kevitra nisy fizarana telo. Ny lahatenin’i Elifaza, sy izay hotononin’ireo namany manaraka izany, dia mirakitra fiampangana be dia be. Taorian’ny tsirairay avy tamin’ny fandraisan’ireo mpiampanga azy anjara, dia namaly azy ireo i Joba ary nanohitra ny fanaporofoan-keviny. Tsy handray anjara amin’ny fizarana fahatelo amin’ny fiadian-kevitra i Zofara, azo inoana fa noho ny fiheverany fa tsy misy na inona na inona azony anampy. Araka izany, dia indroa monja no nanaovan’i Zofara lahateny, fa samy hiteny intelo avy kosa i Elifaza sy Bildada.
14. Karazam-panaporofoan-kevitra inona no nampiasain’ireo “mpampionona” an’i Joba telo? Asehoy fa nampiasa tetika toy izany koa Satana ho fanoherana an’i Jesosy.
14 Elifaza no nilaza hevitra lava indrindra ary somary antonony kokoa ny teniny tsy tahaka ny an’ireo hafa. Namelively kokoa i Bildada, ary mbola nihoatra koa aza i Zofara. Naseho tamim-pahakingana ny fanaporofoan-kevitr’izy ireo mba hanatrarana ny zava-kendren’i Satana, dia ny hanapaka ny tsy fivadihan’i Joba. Matetika izy ireo no manonona fahamarinana, kanefa ao anatin’ny teny manodidina tsy mety no ametrahany izany, na manao fampiharana ratsy ny amin’izany izy ireo. Nampiasa tetika toy izany koa Satana hamelezana an’i Jesosy. Rehefa avy nanonona teny ao amin’ny Soratra masina ny Devoly, nampiseho fa hiaro izay manompo an’Andriamanitra ny anjely, dia nangataka tamin’i Jesosy izy mba hanaporofo fa zanak’Andriamanitra izy amin’ny fianjerana avy eny an-tampon’ny tempoly (Matio 4:5-7; Salamo 91:11, 12). Tao anatin’ny vanim-potoana lava, Joba dia tsy maintsy nanatrika fanaporofoan-kevitra araka an’i Satana karazan’izany.
15. Araka ny filazan’i Elifaza, inona no fototry ny fahorian’i Joba?
15 Tamin’ny lahateniny fanombohan-dresaka, dia nilaza i Elifaza fa ny fahasahiranan’i Joba dia sazin’ny fahotany. “Taiza no nisy olo-mahitsy naringana? hoy ny fanontaniany. Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.” (Joba 4:7, 8). Nanohy ny teniny Elifaza tamin’ny fanantitranterana fa tsy matoky mihitsy ireo mpanompony Andriamanitra: “Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra, koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany.” — Joba 4:18, 19.
16. Ahoana no nanohizan’i Bildada ny famelezan’i Elifaza, ary fanoharana inona no nampihariny taminy tsy ara-drariny?
16 Nanohy izany famelezana am-bava izany i Bildada. “Raha madio sy mahitsy hianao, hoy izy, dia hifoha hamonjy anao tokoa [Andriamanitra] ary hampiadana indray ny fonenan’ny fahamarinanao.” Nampahatsiarovin’i Bildada fa ho maina sy ho faty ny zozoro sy ny harefo raha tsy misy rano, ka nanatsoaka hevitra araka ny marina izy fa ho ringana koa “izay rehetra manadino an’Andriamanitra”. Fahadisoan-kevitra toy inona anefa ny fampiharana io fanoharana io tamin’i Joba sy ny fanampiana teny hoe: “Ho very ny fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy [mpivadi-pinoana, MN].” — Joba 8:6, 11-13.
17. Inona no teny mafy nataon’i Zofara?
17 Mbola mafy kokoa ihany ny fisalovanan’i Zofara. Toy ny nilaza izy hoe: ‘Raha mba tian’Andriamanitra mantsy ny hiteny ka hilaza aminao izay heveriny ny aminao. Fantany izay nataonao. Latsaka lavitra noho ny mendrika anao ny fanasaziany anao. Ialao ny fahotanao ary manalavira ny fironana hanao ratsy, dia tsy hanana ahiahy ianao ary hanana sakaiza maro.’ — Joba 11:4-6, 14-20.
18. Tao amin’ny tapany faharoa amin’ny fiadian-kevitra, ahoana no nanohizan’ireo “mpampionona” an’i Joba telo namely azy?
18 Ao amin’ny tapany faharoa amin’ny fiadian-kevitra, dia mamely indray ny tsy fivadihan’i Joba i Elifaza ka milaza hoe: ‘Ireo anjeliny aza tsy itokisan’Andriamanitra, mainka fa olona tahaka anao! Ampijalina foana ny ratsy fanahy.’ (Joba 15:14-16, 20). Sosotra noho ny fanoheran’i Joba mafy ny fanaporofoan-keviny i Bildada ka toy ny nilaza taminy hoe: ‘Ho faty ny fahazavanao. Ho levona izay rehetra mety ho fahatsiarovana ny fahavelomanao. Izany no mitranga amin’ireo izay manadino an’Andriamanitra.’ (Joba 18:5, 12, 13, 17-21). Nanisy fitenenana ny amin’ny fanambinana an’i Joba taloha i Zofara ka nanontany azy hoe: ‘Tsy fantatrao va fa fohy ny firavoravoan’ny ratsy fanahy, ary toy ny indray mipi-maso monja ny fifalian’ny mpivadi-pinoana? Ahariharin’ny lanitra ny fahadisoan’ny ratsy fanahy.’ — Joba 20:4, 5, 26-29.
19. a) Araka ny filazan’i Elifaza, manao ahoana ny fiheveran’Andriamanitra ny vidin’ny tsy fivadihan’ny olona? b) Ahoana no namaranan’i Bildada ny famelezana am-bava an’i Joba?
19 Nanokatra ny fizarana fahatelo tamin’ny fiadian-kevitra i Elifaza tamin’ny fametrahana izao fanontaniana izao: ‘Mety hahasoa an’Andriamanitra ve ny olona iray? Na dia tsy nanan-tsiny aza ianao, inona no soa horaisin’Andriamanitra avy amin’izany? Miverena amin’Andriamanitra ka alamino indray ny zavatra ao an-tranonao. Dia ho tafarina ianao.’ (Joba 22:2, 3, 21-23). Farany dia namarana an’izany famelezana am-bava izany i Bildada. ‘Iza eto an-tany no afaka mirehareha ho madio? hoy ny fanontaniany. Mahery aoka izany Andriamanitra ka na dia ny volana sy ny kintana aza dia tsinontsinona eo anilany. Mainka fa ny olombelona kankana mahantra!’ — Joba 25:2-6.
Niaro tena i Joba, avy eo dia nofehezina
20. a) Ahoana no namalian’i Joba ny fanaporofoan-kevitra nilazana fa fanasazian’Andriamanitra noho ny fahotana ny fahoriana? b) Inona no fahavononan’i Joba, ary ahoana no ahafantarantsika fa sarobidy tokoa teo imason’Andriamanitra ny tsy fivadihany?
20 Na dia tao aza ny fijaliany mafy, dia tsy nanaraka mihitsy ny fanaporofoan-kevitra mamitak’ireo mpanenjika azy izy. Raha ny fijaliana tokoa no anasazian’Andriamanitra ny ota, hoy ny fanontanian’i Joba, “nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery”? (Joba 21:7-13.) Ambonin’izany, mifanohitra amin’ny lazain’ireo mpiampanga an’i Joba, dia heverin’i Jehovah ho sarobidy tokoa ny tsy fivadihan’ireo mpanompony, satria izany mahatonga azy ho afaka hamaly ny faniratsiran’i Satana izay matoky fa afaka mampiala amin’Andriamanitra izay rehetra manompo azy (Ohabolana 27:11; Salamo 41:12). Nino mafy i Joba fa tsy nivadika; koa izao no nambarany: “Mandra-pialan’ny aiko, dia tsy hiala amin’ny tsy fivadihako aho!” (Joba 27:5, MN). Tsia, tsy nanao na inona na inona nahatonga azy ho mendrika izay nitranga taminy izy.
21. Inona no nolazain’i Eliho tamin’ireo nihambo ho mpampionona an’i Joba, ary inona no fitenenana mendrika an’i Joba nataony taminy?
21 Eliho, izay lehilahy tanora, dia nihaino tsara ny fanambarana tsirairay avy tao anatin’izany fiadian-kevitra naharitra izany. Nandray ny fitenenana izy izao ka nilaza tamin’ireo lazaina fa mpampionona fa tsy hain’izy ireo mihitsy ny nampiseho fa nanota i Joba (Joba 32:11, 12). Avy eo, dia nitodika tany amin’i Joba i Eliho ka nanambara hoe: “Efa reko ihany ny feon’ny teninao hoe: Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka; he! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho. (...) Izany no tsy mahamarina anao.” (Joba 33:8-13; 6:29; 13:24, 27; 19:6-8). Eny, niahy loatra ny hanamarin-tena i Joba. Kanefa, tamin’izany koa izy dia tsy nanameloka mihitsy an’Andriamanitra na nitsahatra ny nino fa hanao izay marina izy.
22. a) Rehefa avy nihaino an’i Jehovah i Joba, inona no navaliny? b) Inona no notakin’Andriamanitra tamin’ireo nihambo ho mpampionona an’i Joba, ary nanao ahoana ny fiafaran’i Joba?
22 Nadiva ho avy ny ranonoram-baratra raha namita ny fandraisany anjara i Eliho, ary re avy tao anatin’ny tafiodrivotra ny feon’ny tenan’i Jehovah mihitsy nanao hoe: “Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana? (...) Misikina (...) fa hanadina anao Aho, ka valio.” Rehefa avy nihaino an’i Jehovah i Joba dia niaiky fa niteny tsy tamim-pieritreretana izy, tsy ampy fahalalana ka nibebaka ‘teo amin’ny vovoka sy ny lavenona’. Avy eo, dia nampiseho ny fahadisoan’i Elifaza sy ireo namany roa Jehovah, ary nangataka an’i Joba izy mba hifona ho azy ireo. Taty aoriana, dia sitrana i Joba, ary nahita fahasambarana izy nanana zanakalahy fito, zanakavavy tsara tarehy telo ary biby fiompy avo roa heny noho ny nananany teo aloha. Mbola ho velona 140 taona ihany izy ary ho faty “rehefa tratrantitra ka ela niainana”. — Joba 38:1-4; 42:1-17.
23. Tokony hanosika antsika hanao inona ny tsy fivadihan’i Joba?
23 Lehilahy tena nanana tsy fivadihana niavaka i Joba. Tsy nisy na inona na inona nahatonga azy hahafantatra fa nianjadian’ny fihaikana feno fankahalan’ny Devoly izy. Vao mainka miavaka kokoa ny tsy fivadihany satria na dia nihevitra an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra tamin’ny fahoriany aza i Joba, dia tsy nanda azy na niteny ratsy azy mihitsy izy. Izany dia ohatra tsara tokoa ho antsika izay mahafantatra hoe iza no misedra ny tsy fivadihantsika! Azo antoka fa voatosika isika hanaraka ny ohatra nomen’i Joba sy haharitra amin’ny asan’i Jehovah na inona na inona mety hataon’ilay Fahavalony amintsika.
Ho hainao ve ny hamaly?
◻ Inona avy no anton-javatra mahatonga ny tsy fivadihan’i Joba hiavaka aoka izany?
◻ Iza avy ireo lehilahy namangy an’i Joba, ary inona no nantenain’i Satana tamin’izy ireo?
◻ Inona avy no fanaporofoan-kevitra nampiasain’ireo “mpampionona” telo ireo ho fanoherana an’i Joba?
◻ Inona no nolazain’i Joba mba hiarovan-tena, ary ahoana no nitenenana azy?
◻ Ahoana no niafaran’ny zavatra, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?
[Sary, pejy 13]
Naniraka “mpampionona” telo ho any amin’i Joba Satana mba hamporisihana azy hanohitra an’Andriamanitra.