FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Ranomasin-tsira”
  • Ranomasin-tsira

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ranomasin-tsira
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ranomasina Maty
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ranomasina Atsinanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ranomasina Tsy Manan-tsahala
    Mifohaza!—2008
  • Ranomasina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Ranomasin-tsira”

RANOMASIN-TSIRA

Anisan’ny anarana iantsoan’ny Baiboly an’ilay farihy lehibe, na ranomasina antsoina koa hoe Ranomasina Maty. Ao amin’ny Ranomasin-tsira (Yam ha-Melah) no mivarina ny Reniranon’i Jordana.

[Sary, pejy 728]

Tehezan-kavoana vatosokay manamorona ny Ranomasin-tsira

Anarana. Io no anarana voalohany niantsoan’ny Baiboly an’io ranomasina io, sady io no tena fampiasany. Mifanentana tsara ilay anarana satria anisan’ny rano masira indrindra eran-tany izy io. (Ge 14:3; No 34:3, 12; Js 15:2, 5) Antsoina koa hoe Ranomasin’i Araba izy io (De 4:49; 2Mp 14:25), satria eo amin’ilay lohasaha mitsefaka lehibe misy an’i Araba. Ampiana hoe “Ranomasin-tsira” anefa indraindray ilay hoe “ranomasin’i Araba” mba hanazavana hoe iza marina ilay ranomasina tiana holazaina. (De 3:17; Js 3:16; 12:3) Eo amin’ny lafiny atsinanana amin’ny sisin-tanin’ny Tany Nampanantenaina ny Ranomasin-tsira ka nanjary nantsoina hoe “ranomasina atsinanana.” Mampiavaka azy amin’ny “ranomasina andrefana” (Mediterane) io anarana io. (Ezk 47:18; Jl 2:20; Za 14:8) Niantso azy io hoe Farihin-godorao i Josèphe, satria fantany fa nisy godorao nitsinkafona indraindray teo ambonin’io ranomasina io. (Ny Adin’ny Jiosy, I, 657 [xxxiii, 5]; IV, 479 [viii, 4]) Toa tamin’ny taonjato faharoa izy io vao nantsoina hoe Ranomasina Maty. Bahr Lot, izany hoe “Ranomasin’i Lota”, no iantsoan’ny Arabo azy io.

Ny mombamomba azy. Toy ny baolina lavalava ny bikan’ny Ranomasin-tsira ka 15 km ny sakany ary tokotokony ho 75 km ny halavany. Somary manova ny bikany ilay saikinosy lehibe avy eo amin’ny morony atsimoatsinanana. Antsoina hoe Lisana (lela) io saikinosy io ary zarainy ho roa ilay ranomasina ankehitriny. Nasiana lakandrano foana anefa mampifandray an’ireo tapany roa ireo. Lasa toy ny helodranomasina ilay tapany eo atsimon’i Lisana, ary somary marivo izy io. Ilay tapany avaratra kosa lehibe kokoa sady mahatratra 400 m ny halaliny. Iva kokoa noho ny Ranomasina Mediterane ny Ranomasin-tsira, ka 400 m eo ho eo ny elanelany. Io àry no faritra iva indrindra eto an-tany.

Izao no eo amin’ny morony atsinanana: Hantsana vatovary mitsatoka be ny ankamaroany (eo avaratr’i Lisana), ary ny lembalemban’i Moaba no eo an-tampon’izany hantsana izany. Misy lohasaha falehan-driaka maromaro (i Arnona no lehibe indrindra) mamakivaky an’ireo havoana ngazana any, ary mivarina ao amin’ny Ranomasin-tsira ny rano avy amin’izy ireny. Misy lemaka be sakelidrano sy azon-drano tsara eo atsinanana sy atsimon’ilay saikinosy. Ny eo atsimon’ilay ranomasina dia heniheny feno sira. Izao no eo amin’ny ilany andrefana: Ireo havoanan’i Jodia izay ngazana sy tsy misy mponina satria tsy misy sakelidrano mivarina ao an-dranomasina. Tsy mitsatoka be toy ny eo atsinanana ireo tehezan-kavoana vatosokay ireo, fa somary manao an-tanantohatra, ka azo ivezivezena eny sy eny amin’ireo torapasika. Misy tendrombohitra marin-tampona avo iray erỳ ampitan’i Lisana. Io no Masada, tanàna nisy manda izay nohamafisin’i Heroda. Tao no resin’ny Romanina ny Jiosy farany izay nanohitra ny tafika romanina tamin’ny taona 73. Eny avaratra kokoa no misy an’i En-jedy, izay faritra lonaka any an-tany efitra. Eo amin’ny tendrony avaratra kosa no ivarinan’ny ranon’i Jordana ao amin’ny Ranomasin-tsira, ka eo no mifangaro ny ranomamy sy ny ranomasina faran’izay masira.

Ny ranony. Miavaka ilay rano satria avo sivy heny eo ho eo ny fatran-tsira ao aminy raha oharina amin’ny ranomasina hafa. Tsy misy lalan-kivoahany io ranomasina io fa lasa etona ny ankamaroany noho ny hafanam-be, ka vao maika be sira mineraly ny rano tavela. Be sira loatra ilay ranomasina ka tsy misy trondro afaka miaina ao, na dia ny trondro-dranomasina aza. Misy trondro vitsivitsy ihany eo amin’ilay vinany ihaonan’ny ranomamy sy ny ranomasina, saingy maty izy ireny raha vao lasa ao amin’ny tena ranomasina. Manjary mazava kokoa àry ny tenin’i Ezekiela momba ilay rano mikoriana avy ao amin’ny tempolin’i Jehovah. Nankao amin’ny “ranomasina atsinanana” ilay rano ka sitrana ny tapany avaratra amin’izy io, sady lasa be trondro toy ny Ranomasina Mediterane ary lasa be mpanarato. (Ezk 47:8-10, 18) Be sira loatra ilay ranomasina ka mora mampitsingevana sady tsy manonja satria tsy mora atopatopan’ny tsio-drivotra.

Sodoma sy Gomora. Maro no milaza fa teo akaikin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasin-tsira no nisy an’i Sodoma sy Gomora. Anisan’ireo niady teo amin’ny “Lemaka Ivan’i Sidima, izany hoe ny Ranomasin-tsira” ny mpanjakan’ireo tanàna ireo. (Ge 14:3) Toa lasa difotry ny Ranomasin-tsira àry ny Lemaka Ivan’i Sidima. Voalaza fa ‘azon-drano tsara tahaka ny zaridainan’i Jehovah’ ny faritra nisy an’i Sodoma sy Gomora izay nisy an’i Lota. (Ge 13:10-12) Mbola be zavamaniry hatramin’izao ny lemaka eo amin’ny morony atsimoatsinanana. Mbola maniry any ny varimbazaha, ny vary orza, ny antrendry, voaloboka. Be godorao sy sira any amin’iny faritra iny, ka mifanaraka tsara amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Sodoma sy Gomora izany.​—Ge 14:10; 19:24-26.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara