FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • gl p. 20-21
  • Jerosalema sy ny Tempolin’i Solomona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jerosalema sy ny Tempolin’i Solomona
  • ‘Jereo Ilay Tany Soa’
  • Mitovitovy Aminy
  • Tanànan’i Jerosalema (Davida/Solomona)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Vavahady
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jerosalema
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hinoma, Lohasahan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
‘Jereo Ilay Tany Soa’
gl p. 20-21

Jerosalema sy ny Tempolin’i Solomona

City of David

NANTSOINA hoe “tena fahatsaran-tarehy” sy “tanànan’ny Mpanjaka lehibe” izy io. (Sl 48:2; 50:2; Ft 2:15) I Jerosalema no renivohitry ny firenen’Andriamanitra. (Sl 76:2) Rehefa azon’i Davida tamin’ny Jebosita ilay tanàna, dia nataony renivohiny ary nantsoina hoe “Tanànan’i Davida”, na “Ziona.”​—2Sa 5:7.

Tsy dia tsara toerana loatra i Jerosalema, nefa nalaza izy satria tanàna nampitoeran’Andriamanitra ny anarany. (De 26:2) Tao no foiben’ny fivavahana sy ny fitantanana an’ilay firenena.

Eo ambonin’ny tendrombohitra afovoany any Jodia, any amin’ny 750 metatra ambonin’ny ranomasina, no misy an’i Jerosalema. Resahin’ny Baiboly fa “avo” izy io ary ‘miakatra’ ny mpivavaka vao tonga any. (Sl 48:2; 122:3, 4) Voahodidina lohasaha ilay tanàna fahiny: ny Lohasahan’i Hinoma, no eo amin’ny ilany andrefana sy atsimo, ary ny lohasaha falehan’ny riaka any Kidrona, no eo amin’ny ilany atsinanana. (2Mp 23:10; Je 31:40) Namatsy rano mamy an’ilay tanàna ny loharanon’i Gihona,a any amin’ny Lohasahan’i Kidrona, sy En-rogela any atsimo. Tena ilaina izy ireo, amin’ny fotoana fanafihan’ny fahavalo.​—2Sa 17:17.

Jerusalem/Solomon’s Temple

Mena ny lokon’ny Tanànan’i Davida eo amin’ny kisary, pejy 21. Nitatra nianavaratra, nahafaoka an’i Ofela (maitso) sy ny Tendrombohitra Moria (manga) ilay tanàna, nandritra ny fanjakan’i Davida sy Solomona. (2Sa 5:7-9; 24:16-25) Nanorina tempoly tsara tarehy teo amin’io tendrombohitra io i Solomona. Alao sary an-tsaina ireo mpivavaka maro be miakatra ny “tendrombohitr’i Jehovah”, mba hamonjy ny andro firavoravoana fanao isan-taona! (Za 8:3) Manamora an’ilay dia ireo lalana hita ao amin’ny pejy 17.

Anisan’ireo trano lafo vidy indrindra naorina hatramin’izay ny tempolin’i Solomona, satria volamena sy vatosoa sarobidy no nandravahana azy. Tena zava-dehibe koa ny hoe i Jehovah no nanome ny planin’ilay trano. Hitanao eo amin’ilay sary hoso-doko koa fa misy kianja sy trano fitantanan-draharaha eo akaikin’ilay tempoly. Tsara raha manokana fotoana hianarana ny tsipiriany momba azy ireny ianao.​—1Mp 6:1–7:51; 1Ta 28:11-19; He 9:23, 24.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Notampenan’i Hezekia Mpanjaka io loharano io, ary nanamboatra lakan-drano nankao amin’ny dobo iray teo amin’ny ilany andrefana izy.​—2Ta 32:4,30.

Nitatra niankandrefana sy nianavaratra i Jerosalema, rehefa nandeha ny fotoana. Nanampy manda sy vavahady ireo mpanjaka jodianina nandimby an’i Solomona. Mety hahafahana hamantatra kokoa izay toerana nisy ny manda sasany sy ny fetrany, ny fandrosoan’ny fikarohana ambanin’ny tany. Rava ilay tanàna tamin’ny 607 T.K., ary lao nandritra ny 70 taona. Nanomboka nanorina indray ny mandan’i Jerosalema i Nehemia, 80 taona taorian’ny niverenan’ny Jiosy an-tanindrazana.

[Kisary/Sary, pejy 21]

(Jereo ny bokikely)

Jerosalema/Tempolin’i Solomona

FARITRY NY TEMPOLY TAMIN’NY ANDRON’I SOLOMONA

Firafitry ny Tempoly

1. Masina Indrindra

2. Masina

3. Varavarana Mitafo

4. Boaza

5. Jakina

6. Alitara Varahina

7. Tavin-drano

8. Fitoeran-tavin-drano

9. Efitrano

10. Efitrano Fisakafoana

11. Kianja Anatiny

FARITRY NY TEMPOLY

T. Moria

Efitrano Fisakafoana

Fitoeran-tavin-drano

Efitrano

Masina Indrindra

Boaza

Masina

Varavarana Mitafo

Alitara Varahina

Jakina

Kianja Anatiny

Fitoeran-tavin-drano

Tavin-drano

Ofela

Kianja?

Vavahadin-drano?

TANÀNAN’I DAVIDA

T. Ziona

Lapan’i Davida

Vavahadin-doharano

Mandan’i Manase?

Tilikambo Hananela

Tilikambo Mea

Vavahadin’ondry

Vavahadin-tranomaizina

Vavahady Mifikada

Vavahadin-tsoavaly

LOHASAHAN’I KIDRONA

Manda Ivaiva?

Gihona

Lakan-drano tatỳ aoriana

LOHASAHAN’I TYROPOEONA

Vavahadin-jezika (Mpanefy Tanimanga) (Tain-droroha)

En-rogela

Vavahady Mankany An-dohasaha

LOHASAHAN’I HINOMA

Vavahady An-jorony

Tilikambon’ny Fatana Fandoroana

Manda Lehibe

Vavahadin’i Efraima

Kianja

Vavahady Taloha

Manda Avaratra Tany Am-boalohany

TANÀNA AMBANY

Vavahadin-kazandrano

[Sary]

Ofela

Tranon’ny Zanakavavin’i Farao

Lapan’i Solomona

Trano Alan’i Libanona

Lavarangana Maro Andry

Lavarangan’ny Seza Fiandrianana

T. Moria

Kianja Lehibe

Tempoly

[Sary, pejy 20]

Eo anoloana ny toerana nisy ny “Tanànan’i Davida.” Teo amin’ny faritra marin-tampona ny tempoly (eo aoriana)

[Sary, pejy 20]

Sarin’ny “Tanànan’i Davida” fahiny sy ny tempolin’i Solomona, natao tamin’ny ordinatera

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara