FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • re toko 44 p. 314-319
  • Ianao sy ny Apokalypsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ianao sy ny Apokalypsy
  • Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka ianao hilaza hoe: “Avia!”
  • Aoka Ianareo ho Mpamaky Sambatra ny Bokin’ny Apokalypsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Zavatra Tsy Maintsy Hitranga Tsy ho Ela
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Henoy izay lazain’ny fanahy amin’ireo kongregasiona!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
re toko 44 p. 314-319

Toko 44

Ianao sy ny Apokalypsy

1. a) Inona no fanomezan-toky nomen’ilay anjely an’i Jaona, momba ireo fampanantenana kanto ao amin’ny Apokalypsy? b) Iza ilay miteny hoe “ho avy haingana aho”, ary rahoviana izy no “ho avy”?

NAHAFINARITRA ny namaky momba an’i Jerosalema Vaovao, ka mety hanontany ianao hoe: ‘Tsara loatra ilay izy, ka ho tanteraka ve?’ Mamaly izany i Jaona ka milaza izao tenin’ilay anjely izao: “Ary hoy izy tamiko: ‘Azo antoka sady marina ireo teny ireo. Eny, i Jehovah, ilay Andriamanitra nanome fanambarana an’ireo mpaminaniny tamin’ny alalan’ny fanahiny, dia naniraka ny anjeliny hampiseho amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela. Ary indro, ho avy haingana aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity horonam-boky ity.’ ” (Apokalypsy 22:6, 7) Ho tanteraka daholo ireo fampanantenana kanto ao amin’ny Apokalypsy! Miteny amin’ny anaran’i Jesosy ilay anjely ka milaza fa “ho avy haingana” i Jesosy. Eny, ho avy “toy ny mpangalatra” izy mba handringana ny fahavalon’i Jehovah sy hahatonga ny Apokalypsy hanana fiafarana miavaka sy mahafaly. (Apokalypsy 16:15, 16) Tokony hampifanarahintsika amin’ny tenin’io ‘horonam-bokin’ny Apokalypsy’ io àry ny fiainantsika, mba ho sambatra isika amin’io fotoana io.

2. a) Mahatalanjona loatra ny Apokalypsy ka inona no nataon’i Jaona, nefa inona no nolazain’ilay anjely? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’ilay anjely hoe: “Tandremo” sy hoe “Andriamanitra no ivavaho”?

2 Mahatalanjona loatra ny Apokalypsy ka tsy mahagaga raha hoy i Jaona: “Izaho Jaona no nandre sy nahita izany. Ary rehefa nandre sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo an-tongotr’ilay anjely nampiseho izany tamiko. Fa hoy izy tamiko: ‘Tandremo! Aza manao izao! Fa mpanompo toa anao ihany aho, ary mpanompo toa an’ireo rahalahinao izay mpaminany sy toa an’ireo mitandrina ny teny amin’ity horonam-boky ity. Andriamanitra no ivavaho.’ ” (Apokalypsy 22:8, 9; ampitahao amin’ny Apokalypsy 19:10.) Tonga ara-potoana io fampitandremana naverina indroa io, tamin’ny andron’i Jaona, satria tena nisy tokoa ny nivavaka tamin’ny anjely, na nilaza ho naharay hafatra manokana avy tamin’ny anjely. (1 Korintianina 13:1; Galatianina 1:8; Kolosianina 2:18) Andriamanitra ihany, araka izany, no tokony hivavahantsika. (Matio 4:10) Tsy tokony holotointsika amin’ny fivavahana amin’olona na zavatra, ny fivavahantsika.—Isaia 42:5, 8.

3, 4. Inona koa no mbola nolazain’ilay anjely tamin’i Jaona, ary inona no mampiseho fa nankatò ny tenin’ilay anjely ny sisa voahosotra?

3 Hoy ihany i Jaona: “Ary hoy koa izy tamiko: ‘Aza asiana tombo-kase ny tenin’ny faminaniana amin’ity horonam-boky ity, fa antomotra ny fotoana voatondro. Izay manao ny tsy marina, aoka izy mbola hanao ny tsy marina ihany. Ary aoka izay maloto mbola hatao maloto kokoa. Fa aoka kosa izay olo-marina mbola hanao ny marina ihany, ary izay masina mbola hatao masina kokoa.’ ”—Apokalypsy 22:10, 11.

4 Nankatò ny tenin’ilay anjely ny sisa voahosotra, ka tsy nasiany tombo-kase ny tenin’ny faminaniana. Eritrereto ange e! Efa nanazava andininy maro tao amin’ny Apokalypsy ny laharana voalohany tamin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (Jolay 1879). Namoaka boky maro manazava ny Apokalypsy ny Vavolombelon’i Jehovah, tao anatin’ny taona maro, araka ny hitantsika tany amin’ny toko voalohany. Ilay faminaniana lehibe ao amin’ny Apokalypsy sy ny fahatanterahany indray izao no isarihantsika ny sain’ireo tia fahamarinana.

5. a) Ahoana raha misy olona tsy te hanaraka an’ireo fampitandremana sy torohevitra ao amin’ny Apokalypsy? b) Inona no tokony hataon’ny mpandefitra sy ny olo-marina?

5 Raha misy olona tsy te hanaraka an’ireo fampitandremana sy torohevitra ao amin’ny Apokalypsy, dia avelao izy hanao izany! “Izay manao ny tsy marina, aoka izy mbola hanao ny tsy marina ihany.” Ho faty ao amin’ny fahalotoany ireo miliba amin’ny fahalotoana, raha izany no safidiny. Hampiharina tsy ho ela ny didim-pitsaran’i Jehovah, ary hanomboka amin’ny fandravana an’i Babylona Lehibe izany. Aoka hazoto hanaraka an’izao tenin’ny mpaminany izao ny mpandefitra: “Mitadiava an’i Jehovah ... Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana. Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Zefania 2:3) Ahoana kosa ny amin’ireo efa nanolo-tena ho an’i Jehovah? ‘Aoka izay olo-marina mbola hanao ny marina ihany, ary izay masina mbola hatao masina kokoa.’ Fantatry ny hendry fa tsy azo ampitahaina amin’ireo fitahiana maharitra azon’ireo mikatsaka fahamarinana sy fahamasinana, ny fifaliana mihelina avy amin’ny fahotana. Hoy ny Baiboly: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.” (2 Korintianina 13:5) Miankina amin’ny lalana nofidinao no hahazoanao valisoa na tsia.—Salamo 19:9-11; 58:10, 11.

6. Inona no teny farany ataon’i Jehovah amin’ireo mpamaky ny Apokalypsy?

6 Izao no teny farany ataon’i Jehovah, Mpanjakan’ny mandrakizay, amin’ireo mpamaky ny Apokalypsy: “Indro, ho avy haingana aho, ary efa etỳ amiko izay tokony havaly ny tsirairay araka izay ataony. Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany zo hankeo amin’ny hazon’aina sy mba hahafahany hiditra amin’ny vavahady ho ao amin’ilay tanàna. Fa any ivelany ny alika sy izay mifandray amin’ny fanahy ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay tia lainga sy mpandainga.”—Apokalypsy 22:12-15.

7. a) “Ho avy haingana” hanao inona i Jehovah? b) Nahoana no tsy manana anjara amin’i Jerosalema Vaovao ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana?

7 Asongadin’i Jehovah Andriamanitra indray eto fa azy mandrakizay ny zo hitondra, ary ho tanteraka izay nokasainy. “Ho avy haingana” izy hampihatra didim-pitsarana sy hamaly soa an’ireo mitady azy fatratra. (Hebreo 11:6) Izy ihany no mamaritra hoe iza no homena valisoa ary iza no holavina. Toy ny “amboa moana” ny mpitondra fivavahana ka manakimpy ny masony amin’ireo zava-dratsy voatanisa eo. (Isaia 56:10-12; jereo koa ny Deoteronomia 23:19.) “Tia lainga sy mpandainga” izy ireo ka mampiely fampianaran-diso, ary tsy niraharaha mihitsy ny torohevitr’i Jesosy ho an’ireo fiangonana fito. Tsy manana anjara amin’i Jerosalema Vaovao àry izy ireo.

8. a) Iza ihany no afaka ‘mankeo amin’ny hazon’aina’, ary inona no dikan’izany? b) Ahoana no ‘anasan’ny vahoaka be ny akanjony’, ary ahoana no hahatonga azy ireo hadio foana?

8 Izay Kristianina voahosotra tena ‘nanasa ny akanjony’ mba hadio eo imason’i Jehovah ihany, no afaka ‘mankeo amin’ny hazon’aina’, izany hoe manan-jo tsy ho faty intsony any an-danitra. (Ampitahao amin’ny Genesisy 3:22-24; Apokalypsy 2:7; 3:4, 5.) Hiditra ao Jerosalema Vaovao izy ireo aorian’ny fitsanganany amin’ny maty. Avelan’ireo anjely 12 hiditra izy ireo, fa tsy avelany kosa ny mpandainga sy ny olona maloto na dia mihambo ny ho any an-danitra aza. ‘Nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ koa ny vahoaka be, ary mila mitandrina mba hadio foana. Vitan’izy ireo izany raha halaviriny ireo zava-dratsy nampitandreman’i Jehovah eto, ary raisiny am-po ny fananaran’i Jesosy an’ireo fiangonana fito.—Apokalypsy 7:14; toko 2 sy 3.

9. Inona no nolazain’i Jesosy, ary natao ho an’iza aloha ny hafatra manontolo ao amin’ny Apokalypsy?

9 I Jesosy indray no niteny, rehefa vita ny tenin’i Jehovah. Nampahery an’ireo mahitsy fo mamaky ny Apokalypsy izy, ka nilaza hoe: “Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hitory aminareo izany zavatra izany ho an’ny fiangonana. Izaho no faka sy taranak’i Davida, sy ilay kintan’ny maraina mamirapiratra.” (Apokalypsy 22:16) Natao “ho an’ny fiangonana” aloha ireo teny ireo, izany hoe, hafatra ho an’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra eto an-tany. Ny Kristianina voahosotra honina ao Jerosalema Vaovao no tena nandefasana ny Apokalypsy. Amin’ny alalan’io fiangonana io kosa no ahazoan’ny vahoaka be ny hevitr’ireo fahamarinana ara-paminaniana sarobidy ireo.—Jaona 17:18-21.

10. Nahoana i Jesosy no niantso ny tenany hoe a) “faka sy taranak’i Davida”? b) “ilay kintan’ny maraina mamirapiratra”?

10 I Jesosy Kristy no nanankinana ny fampitana ny Apokalypsy tamin’i Jaona, ary i Jaona indray no nampita azy tamin’ny fiangonana. “Faka sy taranak’i Davida” i Jesosy. Taranak’i Davida tokoa izy, ka mahafeno fepetra ho Mpanjakan’ny Fanjakan’i Jehovah. Ho ‘Ray Mandrakizay’ ho an’i Davida koa izy, ka lasa “faka” ipoiran’i Davida. (Isaia 9:5; 11:1, 10) Izy ilay Mpanjaka maharitra sy tsy mety maty anisan’ny taranak’i Davida, ka nanatanteraka an’ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida. Izy koa “ilay kintan’ny maraina mamirapiratra” efa nambara tamin’ny andron’i Mosesy. (Nomery 24:17; Salamo 89:34-37) Izy ilay “kintana fitarikandro” miposaka, ka mampahazava ny maraina. (2 Petera 1:19) Tsy afa-misakana an’izany fiposahany mamirapiratra izany ny tetika rehetra ataon’i Babylona Lehibe fahavalony.

Aoka ianao hilaza hoe: “Avia!”

11. Inona no fanasana atolotr’i Jaona, ary iza no manaiky izany fanasana izany?

11 I Jaona indray izao no miteny. Nankasitraka an’izay hitany sy reny izy, ka nilaza hoe: “Ary miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ Ary aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17) Tsy ho an’ny 144 000 ihany ny soa entin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, satria asaina koa ny olon-kafa. Atosiky ny fanahin’i Jehovah ny ampakarina ka vao mainka re manakoako ilay hafatra hoe: ‘Misotroa maimaim-poana amin’ny ranon’aina.’ (Jereo koa ny Isaia 55:1; 59:21.) Asaina “ho avy” izay mangetaheta ny fahamarinana, mba hanaram-po amin’ny fahalalahan-tanan’i Jehovah. (Matio 5:3, 6) Tombontsoa lehibe tokoa no azon’ny olona hiaina eto an-tany, izay manaiky ny fanasan’ny voahosotra!

12. Inona no ataon’ny vahoaka be, ho setrin’ilay fanasana ao amin’ny Apokalypsy 22:17?

12 Nanomboka tamin’ny 1930, dia ‘nandre’, na nanaiky an’ilay fanasana, ny vahoaka be tsy mitsaha-mitombo. Madio eo anatrehan’i Jehovah koa izy ireo, toy ny voahosotra ihany. Tsy andrin’izy ireo ny hidinan’i Jerosalema Vaovao avy any an-danitra mba hitondra fitahiana ho an’ny olombelona. Nandre an’ilay hafatra mampientanentana ao amin’ny Apokalypsy ny vahoaka be ka miteny hoe “Avia!” Tsy vitan’izany ihany fa miezaka hanangona olon-kafa ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah koa izy ireo, ka manofana an’ireny hilaza koa hoe: “Aoka ho avy izay mangetaheta.” Mitombo foana àry ny vahoaka be, ka olona 6 000 000 mahery, any amin’ny tany 235, no miara-miasa amin’ny voahosotra latsaka ny 9 000, mba hanasa olona maro kokoa “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”

13. Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy?

13 I Jesosy indray no miteny manaraka. Hoy izy: “Izao no ambarako amin’izay rehetra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ity horonam-boky ity: Raha misy manampy ireo zavatra ireo, dia hampian’Andriamanitra ny loza voasoratra ato amin’ity horonam-boky ity ho azy. Ary raha misy manaisotra teny ato amin’ny horonam-bokin’ity faminaniana ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy ny tanàna masina, dia izay voasoratra ato amin’ity horonam-boky ity.”—Apokalypsy 22:18, 19.

14. Ahoana no fiheveran’ny voahosotra ny “faminaniana” ao amin’ny Apokalypsy?

14 Tsy maintsy manintona ny sain’ny olona ho amin’ny “faminaniana” ao amin’ny Apokalypsy ny voahosotra. Tsy hanafina na hanampy azy io izy ireo. Tsy maintsy torina an-karihary “eny an-tampon-trano” ny hafatra raketin’izy io. (Matio 10:27) Avy amin’Andriamanitra ny Apokalypsy. Iza tokoa no ho sahy hanova ny teny nolazain’Andriamanitra sy nampitainy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpanjaka? Tsy mendrika hahazo ny fiainana ny olona toy izany. Hihatra aminy kosa ireo loza hanjo an’i Babylona Lehibe sy izao tontolo izao manontolo.

15. Inona no dikan’ny tenin’i Jesosy hoe “manambara izany zavatra izany” izy, sy hoe “ho avy haingana aho”?

15 Izao no teny fampaherezana farany nataon’i Jesosy: “Hoy ilay manambara izany zavatra izany: ‘Eny, ho avy haingana aho.’ ” (Apokalypsy 22:20a) I Jesosy no “ilay vavolombelona mahatoky sy marina.” (Apokalypsy 3:14) Marina ny fahitana ao amin’ny Apokalypsy, satria izy no manambara azy. Samy mamerimberina milaza hoe ho avy “haingana” i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra. Indimy izao i Jesosy no nilaza izany. (Apokalypsy 2:16; 3:11; 22:7, 12, 20) “Ho avy” izy hampihatra didim-pitsarana amin’ilay mpivaro-tena lehibe, sy amin’ny “mpanjaka” na mpitondra ara-politika, ary amin’izay rehetra manohitra ny ‘fanjakan’i Jehovah Tompontsika sy ny Kristiny.’—Apokalypsy 11:15; 16:14, 16; 17:1, 12-14.

16. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao noho ny fahalalanao fa ho avy haingana i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy?

16 Tokony handrisika anao ‘hanao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’ ny fahalalanao fa ho avy haingana i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy. (2 Petera 3:12) Sandoka ihany izay mety ho toa filaminana eo amin’ny tontolon’i Satana. Mihelina ihany izay toa fahombiazan’ny lanitra, na mpitondra eo amin’ity tontolo fehezin’i Satana ity. Mandalo izany rehetra izany. (Apokalypsy 21:1) Ny an’i Jehovah ihany no maharitra, dia ny Fanjakany tarihin’i Jesosy Kristy, sy ny tontolo vaovao nampanantenainy. Aza hadinoina mihitsy izany!—1 Jaona 2:15-17.

17. Inona no tokony ho vokatry ny fankasitrahanao ny fahamasinan’i Jehovah?

17 Enga anie àry ka havelanao hisy vokany lalina eo aminao izay nianaranao tao amin’ny Apokalypsy. Niaiky tokoa ianao fa be voninahitra sy fahamasinana ilay Mpamorona antsika, rehefa nanaovanao topy maso ny tany amin’izay misy an’i Jehovah any an-danitra. (Apokalypsy 4:1–5:14) Voninahitra tokoa ny manompo Andriamanitra toy izany! Enga anie ny fankasitrahanao ny fahamasinany ka hanosika hanao handray am-po ny torohevitr’i Jesosy ho an’ireo fiangonana fito, ka hahatonga anao tsy ho matimatin-karena, na hanompo sampy, na haloto fitondran-tena, na ho matimaty ara-panahy, na ho lasa mpivadi-pinoana, na hanao zavatra hafa mety handavan’i Jehovah ny fanompoanao. (Apokalypsy 2:1–3:22) Mihatra amin’ny vahoaka be koa ity tenin’ny apostoly Petera ho an’ny voahosotra ity: “Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra.”—1 Petera 1:15, 16.

18. Inona no asa tokony handraisanao anjara araka izay azonao atao, ary nahoana no maika izany ankehitriny?

18 Enga anie ka ho vao mainka hitombo koa ny zotom-ponao mitory ny “taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika.” (Isaia 35:4; 61:2) Na anisan’ny ondry vitsy ianao na vahoaka be, dia enga anie ianao ka hanao izay azonao atao mba hampahafantarana ny olona ny amin’ny fandrarahana ny ao anatin’ireo vilia fiton’ny fahatezeran’i Jehovah, ka hilaza ny didim-pitsarany amin’ny tontolon’i Satana. Aoka koa ianao hampiara-peo dieny izao amin’ireo mitory amim-pifaliana ny vaovao tsara mandrakizay momba ny Fanjakan’i Jehovah sy Kristy efa tafaorina. (Apokalypsy 11:15; 14:6, 7) Mifantoha amin’io asa maika io. Enga anie ka hisy olona maro mbola tsy manompo an’i Jehovah hiara-mifarimbona amintsika amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, noho ny fahalalana fa miaina amin’ny andron’ny Tompo isika. Enga anie izy ireny ka handroso ho amin’ny fanolorana ny tenany ho an’Andriamanitra ka hatao batisa. Tsarovy fa “antomotra ny fotoana voatondro.”—Apokalypsy 1:3.

19. Inona no teny famaranana nataon’ny apostoly Jaona? Inona no ataonao ho setrin’izany?

19 Miombom-peo amin’i Jaona àry isika ka mivavaka mafy hoe: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!” Hoy koa i Jaona: “Ho amin’ny olona masina anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’i Jesosy Kristy Tompo!” (Apokalypsy 22:20b, 21) Enga anie ka ho aminareo rehetra mamaky ity boky ity koa izany hatsaram-panahiny izany. Enga anie ka hinoanao fa akaiky ilay fiafarana miavaky ny Apokalypsy. Amin’izay ianao dia hiara-manandra-peo aminay hoe: “Amena!”

[Sary, pejy 314]

“Any ivelany ny alika...”

[Sary, pejy 315]

‘Sambatra izay afaka miditra amin’ny vavahady ho ao amin’ilay tanàna’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara