“Mahareta Amin’ny Zavatra Nianaranao”
Izany no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty tanora. (2 Timoty 3:14) Fantatrao izao ny zavatra tsara maro tahirizin’Andriamanitra ho an’ireo tia azy, rehefa avy namaky an’ity boky ity ianao. Mila mandroso foana eo amin’ny lafiny ara-panahy anefa ianao. Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah, raha mbola tsy nahazo izany fanampiana izany ianao. Manorata fotsiny any amin’ny iray amin’ireo adiresy etsy ambany, ary mangataha fanazavana fanampiny, na mangataha Vavolombelon’i Jehovah hitsidika anao any an-tranonao sy hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana ho anao.