FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • re toko 31 p. 215-220
  • Lehibe sy Mahagaga ny Asan’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lehibe sy Mahagaga ny Asan’i Jehovah
  • Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hiran’i Mosesy sy ny Zanak’ondry
  • Ireo anjely mitondra vilia
  • Ao amin’ny toerany masina i Jehovah
  • Ireo vilia sy ny fitsofana trompetra
  • Aoka isika hijery ny bokin’ny Apokalypsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Apokalypsy, Bokin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Apokalypsy—Fizarana II
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-66 — Apokalypsy
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
re toko 31 p. 215-220

Toko 31

Lehibe sy Mahagaga ny Asan’i Jehovah

Fahitana 10—Apokalypsy 15:1–16:21

Foto-kevitra: Ao amin’ny toerany masina i Jehovah. Araraka amin’ny tany ny ao anatin’ireo vilia fiton’ny fahatezerany

Fotoana fahatanterahany: 1919 ka hatramin’ny Hara-magedona

1, 2. a) Inona no famantarana fahatelo nolazain’i Jaona? b) Inona no andraikitry ny anjely efa fantatry ny mpanompon’i Jehovah hatry ny ela?

MISY vehivavy iray miteraka zazalahy, ary misy dragona lehibe mitady handrapaka an’ilay zaza! Ireo famantarana roa any an-danitra ireo, izay resahina tsara ao amin’ny Apokalypsy toko 12, dia manazava amintsika fa mahatratra ny fara tampony ny fifandrafiana nisy hatry ny ela teo amin’ny Taranak’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra sy Satana mbamin’ny demoniany. Nanasongadina an’ireo famantarana ireo i Jaona, ka nilaza hoe: “Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra. ... Ary nisy famantarana hafa koa hita.” (Apokalypsy 12:1, 3, 7-12) Izao no famantarana fahatelo nolazainy: “Ary hitako fa nisy famantarana hafa tany an-danitra, sady lehibe no mahagaga, dia anjely fito nanana ny loza fito. Ireo no loza farany, satria hotanterahina hatramin’ny farany amin’ny alalan’ireo ny fahatezeran’Andriamanitra.” (Apokalypsy 15:1) Misy heviny lehibe koa io famantarana fahatelo io ho an’ny mpanompon’i Jehovah.

2 Mariho fa manana andraikitra lehibe indray ny anjely eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Efa nahafantatra izany hatry ny ela ny mpanompon’i Jehovah. Efa nilaza tamin’ny anjely mantsy ny mpanao salamo, teo ambany herin’ny fanahy masina hoe: “Misaora an’i Jehovah, hianareo anjeliny, dia hianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny”! (Salamo 103:20) Tendrena handraraka ny loza fito farany ireo anjely, amin’ity fahitana vaovao ity.

3. Inona ireo loza fito, ary manondro inona ny fandrarahana azy ireo?

3 Inona ireo loza ireo? Mitovy ihany izy ireo sy ny fitsofana ny trompetra fito, ka samy manondro ny fanambarana didim-pitsarana mahery vaika momba ny fahitan’i Jehovah ny ampahany samihafa amin’ity tontolo ity, sy ny fampitandremana momba ny vokatr’ilay didim-pitsarana. (Apokalypsy 8:1–9:21) Ny fandrarahana ireo loza dia manondro ny fanatanterahana ireo didim-pitsarana, rehefa haringana ny olona mahatezitra an’i Jehovah, amin’ny andro firehetan’ny fahatezerany. (Isaia 13:9-13; Apokalypsy 6:16, 17) Amin’ny alalan’ireo àry no ‘hanatanterahana hatramin’ny farany’ ny fahatezeran’Andriamanitra. Alohan’ny hiresahana momba ireo loza ireo anefa, dia milaza i Jaona fa misy olona tsy mivadika izay tsy hiharan’ireo didim-pitsarana ireo. Nanda ny marik’ilay bibidia mantsy izy ireo, ka mihira fiderana ho an’i Jehovah, sady manambara ny andro famaliany.—Apokalypsy 13:15-17.

Ny hiran’i Mosesy sy ny Zanak’ondry

4. Inona izao no hitan’i Jaona?

4 Mahaliana ny zavatra hitan’i Jaona manaraka: “Ary hitako fa nisy toa ranomasina tahaka ny fitaratra, dia ranomasina niharo afo. Ary izay naharesy an’ilay bibidia sy ny sariny ary ny isa manondro ny anarany dia nijoro teo anilan’ilay ranomasina tahaka ny fitaratra. Ary nanana ny harpan’Andriamanitra izy ireo.”—Apokalypsy 15:2.

5. Inona no mifanitsy amin’ilay “ranomasina tahaka ny fitaratra, dia ranomasina niharo afo”?

5 Ilay “ranomasina tahaka ny fitaratra” voalaza eto ihany, ilay hitan’i Jaona teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. (Apokalypsy 4:6) Mitovy izy io sy ilay “ranomasina” (na fitoeran-drano) nakan’ny mpisorona rano hisasana, tao amin’ny tempolin’i Solomona. (1 Mpanjaka 7:23, fanamarihana ambany pejy) Mifanitsy amin’izy io tsara àry ny “rano fandroana”, dia ny Tenin’Andriamanitra, izay anadiovan’i Jesosy an’ilay fiangonana misy an’ireo mpisorona, izany hoe ireo Kristianina voahosotra. (Efesianina 5:25, 26; Hebreo 10:22) “Niharo afo” ilay ranomasina. Midika izany fa sedraina sy diovina ireo voahosotra, rehefa mankatò ny fitsipika ambony takina aminy. Mampahatsiahy antsika koa izany fa ny Tenin’Andriamanitra dia mirakitra didim-pitsarana mivaivay toy ny afo, ho an’ny fahavalony. (Deoteronomia 9:3; Zefania 3:8) Miharihary ao amin’ireo loza fito farany efa hararaka ny sasany amin’ireny didim-pitsarana ireny.

6. a) Iza ireo mpihira mijoro eo anoloan’ilay ranomasina tahaka ny fitaratra any an-danitra, ary ahoana no ahalalantsika izany? b) Nahoana no lazaina fa “naharesy” izy ireo?

6 Ny mpisorona no nampiasa ilay fitoeran-drano tao amin’ny tempolin’i Solomona. Mpisorona koa àry ireo mpihira nijoro teo anoloan’ilay ranomasina tahaka ny fitaratra tany an-danitra. Manana ny “harpan’Andriamanitra” izy ireo, ka azo antoka fa manondro an’ireo anti-panahy 24, na ny 144 000, izay mihira sady mitendry harpa. (Apokalypsy 5:8; 14:2) Ireo mpihira hitan’i Jaona dia “naharesy an’ilay bibidia sy ny sariny ary ny isa manondro ny anarany.” Anisan’ireo 144 000 eto an-tany mandritra ny andro farany àry izy ireo. Azo lazaina hoe mandresy tokoa izy ireo, satria efa ho 90 taona izao, taorian’ny 1919, no tsy naneken’izy ireo ny marik’ilay bibidia. Tsy mihevitra koa izy ireo fa ny sarin’izy io no antenaina hitondra fandriampahalemana ho an’ny olombelona. Maro amin’izy ireo no efa niaritra hatramin’ny fahafatesana. Any an-danitra izy ireny izao, ary tena finaritra manaraka ny hiran’ireo rahalahiny mbola eto an-tany.—Apokalypsy 14:11-13.

7. Ahoana no nampiasana ny harpa tany Israely fahiny, ary mahatonga antsika hanantena inona ny firesahana harpa ao amin’ny fahitan’i Jaona?

7 Manana ny harpan’Andriamanitra ireo mpandresy tsy mivadika, toa an’ireo Levita nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tempoly fahiny. Nihira ireo Levita, sady nitendry “lokanga” na harpa, araka ny dikan-teny tany am-boalohany. Naminany sady nitendry harpa koa ny sasany tamin’izy ireo. (1 Tantara 15:16; 25:1-3) Ny feo kanton’ny harpa no nandravaka ny hiram-pifaliana sy vavaka fiderana ary fisaorana an’i Jehovah nataon’ny Israely. (1 Tantara 13:8; Salamo 33:2; 43:4; 57:7, 8) Tsy re kosa ny feon’ny harpa, nandritra ny fahoriana na fahababoana. (Salamo 137:2) Tokony hahatonga antsika hanantena hiram-pandresena sy fiderana ary fisaorana an’Andriamanitsika àry ny firesahana harpa ao amin’ilay fahitana.a

8. Inona ilay hira ren’i Jaona, ary ahoana ny tonony?

8 Hoy àry i Jaona: “Ary nihira ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry izy ireo, nanao hoe: ‘Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay. Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao, satria ianao irery ihany no mahatoky? Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.’ ”—Apokalypsy 15:3, 4.

9. Nahoana no antsoina hoe “hiran’i Mosesy” ilay hira?

9 Ny “hiran’i Mosesy” no hirain’ireo mpandresy, izany hoe toy ilay hira nohirain’i Mosesy rehefa nahazo fandresena. Nitarika ny Israelita hanao hiram-pandresena ho fiderana an’i Jehovah i Mosesy, rehefa hitan’izy ireo ny loza folo tany Ejipta sy ny fandringanana ny tafika ejipsianina tao amin’ny Ranomasina Mena. Nihira izy ireo hoe: “Jehovah hanjaka mandrakizay doria.” (Eksodosy 15:1-19) Naharesy an’ilay bibidia koa ireo mpihira ao amin’ny fahitan’i Jaona, sady nanambara ny loza fito farany. Mety àry raha mihira ho “an’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay” izy ireo.—1 Timoty 1:17.

10. Inona no hira hafa noforonin’i Mosesy, ary inona no ifandraisan’ny andininy farany amin’izy io amin’ny vahoaka be?

10 Hoy i Mosesy tao amin’ny hira hafa, noforonina teo am-piomanan’ny Israely handresy an’i Kanana: “Ny anaran’i Jehovah no hotoriko; maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika.” Nampahery ny tsy Israelita koa ny andininy farany tamin’io hira nataon’i Mosesy teo ambany herin’ny fanahy masina io, sady mahakasika ny vahoaka be ankehitriny. Hoy mantsy izy: “Mihobia, ry jentilisa mbamin’ny olony.” Nahoana izy ireo no tokony hihoby? Satria “ny ran’ny mpanompony no [hovalian’i Jehovah]. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy.” Hahafaly an’ireo miandry an’i Jehovah rehetra ny fanatanterahany an’io didim-pitsarana ara-drariny io.—Deoteronomia 32:3, 43; Romanina 15:10-13; Apokalypsy 7:9.

11. Ahoana no mbola ahatanterahan’ny hira ren’i Jaona hatramin’izao?

11 Faly tokoa i Mosesy raha velona mandritra izao andron’ny Tompo izao, ka miara-mihira amin’ireo any an-danitra hoe: “Ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra”! Mbola tanteraka hatramin’izao izany hira manakoako izany. Tsy fahitana fotsiny ilay izy fa tena zava-misy, satria olona an-tapitrisany avy amin’ireo “firenena” no faly mirohotra ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany.

12. Nahoana no antsoina hoe “hiran’ny Zanak’ondry” koa ny hiran’ireo mpandresy?

12 “Hiran’ny Zanak’ondry” koa anefa izy io. Fa nahoana? Mpaminanin’i Jehovah teo amin’ny Israely i Mosesy, nefa na izy aza dia nilaza fa hanendry mpaminany toa azy i Jehovah. Ilay Zanak’ondry, dia i Jesosy Kristy, izany. “Mpanompon’Andriamanitra” i Mosesy, fa Zanak’Andriamanitra kosa i Jesosy, izany hoe Mosesy Lehibe. (Deoteronomia 18:15-19; Asan’ny Apostoly 3:22, 23; Hebreo 3:5, 6) Mihira ny “hiran’ny Zanak’ondry” koa àry ireo mpihira.

13. a) Nahoana no toa an’i Mosesy i Jesosy, na dia lehibe noho izy aza? b) Miaraka manao inona amin’ireo mpihira isika?

13 Nanao hira fiderana an’Andriamanitra ampahibemaso toa an’i Mosesy koa i Jesosy, ary naminany fa ho resiny ny fahavalony rehetra. (Matio 24:21, 22; 26:30; Lioka 19:41-44) Niandrandra ny fotoana hahatongavan’ny firenena hidera an’i Jehovah koa i Jesosy. Mba hahatanteraka izany, dia nanao sorona ny ainy ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra” feno fahafoizan-tena. (Jaona 1:29; Apokalypsy 7:9; ampitahao amin’ny Isaia 2:2-4; Zakaria 8:23.) Nanjary fantatr’i Mosesy tsara sy noderainy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Nampahafantarin’i Jesosy koa io anarana io. (Eksodosy 6:2, 3; Salamo 90:1, 17; Jaona 17:6) Tsy mivadika i Jehovah, ka azo antoka ny fampanantenany be voninahitra. Koa ekentsika sy ireo mpihira tsy mivadika ireo, sy ny Zanak’ondry, ary Mosesy, ilay tononkira hoe: “Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao”?

Ireo anjely mitondra vilia

14. Iza avy no hitan’i Jaona nivoaka avy tao amin’ny toerana masina, ary inona no nomena azy ireo?

14 Azo lazaina hoe rentsika ny hiran’ireo voahosotra mpandresy ireo, satria ambaran’izy ireo eto an-tany ny didim-pitsarana ao amin’ireo vilia feno ny fahatezeran’Andriamanitra. Tsy olombelona ihany anefa no mandraraka ny ao anatin’izy ireo. Hoy i Jaona: “Ary taorian’izany dia nahita aho, ary novohana tany an-danitra ny toerana masin’ny tranolain’ny vavolombelona. Ary nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina ireo anjely fito nanana ny loza fito. Ny akanjony dia lamba rongonimbazaha madio sy mamirapiratra, ary nanao fehikibo volamena teo amin’ny tratrany izy ireo. Ary ny iray tamin’ny zavamananaina efatra dia nanome vilia ho an’ireo anjely fito, dia vilia volamena fito izay feno ny fahatezeran’Andriamanitra, ilay velona mandrakizay mandrakizay.”—Apokalypsy 15:5-7.

15. Nahoana no tsy mahagaga raha nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina ireo anjely fito?

15 Tao amin’ny tempoly fahiny tany Israely, dia ny mpisoronabe ihany no afaka nankao amin’ny Masina Indrindra, izany hoe ny “toerana masina.” Nisy ny endriky ny zavatra any an-danitra tao amin’io tempoly io. (Hebreo 9:3, 7) Manondro ny toerana misy an’i Jehovah any an-danitra ilay toerana masina. Tsy i Jesosy Kristy Mpisoronabe irery anefa any an-danitra no afaka miditra eo anatrehan’i Jehovah, fa ny anjely koa. (Matio 18:10; Hebreo 9:24-26) Tsy mahagaga àry raha hita nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina any an-danitra ireo anjely fito. Nirahin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo handraraka ny ao anatin’ireo vilia feno ny fahatezerany.—Apokalypsy 16:1.

16. a) Inona no mampiseho fa mahafeno fepetra hanao ny asany ireo anjely fito? b) Inona no manaporofo fa tsy ireo anjely fito ihany no tafiditra amin’ilay asa?

16 Mahafeno fepetra hanao io asa io ireo anjely. Manao akanjo rongonimbazaha madio sy mamirapiratra izy ireo. Midika izany fa madio sy masina ary marina eo imason’i Jehovah izy ireo. Misy fehikibo volamena koa eo amin’ny tratrany. Matetika no misikina na manao fehikibo ny olona miomana hiasa. (Levitikosy 8:7, 13; Lioka 12:37; Jaona 13:4, 5) Miomana hiasa àry ireo anjely. Volamena anefa ny fehikibony. Nampiasaina tao amin’ny tranolay fahiny ny volamena mba hanondroana zavatra an’Andriamanitra any an-danitra. (Hebreo 9:4, 11, 12) Asa anirahan’Andriamanitra àry no ataon’ireo anjely fito. Tsy izy ireo ihany anefa no tafiditra amin’io asa lehibe io. Ny iray amin’ny zavamananaina efatra mantsy no manolotra an’ireo vilia. Azo inoana fa ilay zavamananaina voalohany mitovy amin’ny liona izy io. Manondro fahasahiana sy herim-po tsy hay tohaina hanambarana ny didim-pitsaran’i Jehovah ny liona.—Apokalypsy 4:7.

Ao amin’ny toerany masina i Jehovah

17. Inona no lazain’i Jaona momba ny toerana masina, ary mampahatsiahy antsika inona momba ny toerana masina teo amin’ny Israely izany?

17 Izao no faran’io fahitan’i Jaona io: “Ary nanjary feno setroka ilay toerana masina noho ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy afaka niditra tao amin’ilay toerana masina, mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ireo anjely fito.” (Apokalypsy 15:8) Tamin’ny andron’ny Israely, dia efa nisy fotoana nahafeno rahona ny toerana masina ka tsy afaka niditra tao ny mpisorona, noho io fisehoan’ny voninahitr’i Jehovah io. (1 Mpanjaka 8:10, 11; 2 Tantara 5:13, 14; ampitahao amin’ny Isaia 6:4, 5.) Nandray anjara mivantana tamin’izay nitranga tetỳ an-tany i Jehovah tamin’ireny fotoana ireny.

18. Rahoviana ireo anjely fito no hiverina hanao tatitra amin’i Jehovah?

18 Tena mahaliana an’i Jehovah koa ny zava-mitranga etỳ an-tany ankehitriny. Tiany hamita ny asa nanirahana azy ny anjely fito. Fotoam-pitsarana lehibe izao, araka ny lazain’ny Salamo 11:4-6, hoe: “Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan’i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’olombelona. Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny. Handatsaka fandrika amin’ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.” Tsy hiverina eo anatrehan’i Jehovah ireo anjely fito, raha tsy voararaka amin’ny ratsy fanahy ny loza fito.

19. a) Inona no baiko navoaka, ary iza no nanome izany? b) Oviana no nanomboka nararaka ny tao anatin’ireo vilia?

19 Nanakoako àry ilay baiko: “Ary nahare feo mafy avy tao amin’ilay toerana masina aho, nanao tamin’ireo anjely fito hoe: ‘Andeha araraho eny amin’ny tany ny ao anatin’ny vilia fiton’ny fahatezeran’Andriamanitra.’ ” (Apokalypsy 16:1) Iza no nanome ilay baiko? I Jehovah ihany, satria tsy nisy afaka niditra tao amin’ny toerana masina, vokatry ny famirapiratan’ny voninahiny sy ny heriny. Tonga hitsara tao amin’ny tempoliny ara-panahy i Jehovah, tamin’ny 1918. (Malakia 3:1-5) Taoriana kelin’io àry no namoahany ilay baiko handrarahana ny ao anatin’ny vilian’ny fahatezerany. Natao nanakoako tokoa ireo didim-pitsarana tao anatin’ireo vilia, nanomboka tamin’ny 1922, ary mihamafy hatrany ilay fanambarana ankehitriny.

Ireo vilia sy ny fitsofana trompetra

20. Mampiharihary inona ireo vilian’ny fahatezeran’i Jehovah, ary mampitandrina ny amin’ny inona? Ary ahoana no andrarahana ny ao anatin’izy ireo?

20 Ireo vilian’ny fahatezeran’i Jehovah dia mampiharihary ny fahitan’i Jehovah ny zava-mitranga eran-tany, sady mampitandrina momba ny didim-pitsarana hampihariny. Mandraraka ny ao anatin’ireo vilia ny anjely, amin’ny alalan’ny Kristianina voahosotra eto an-tany, dia ireo mihira ny hiran’i Mosesy sy ny hiran’ny Zanak’ondry. Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ireo voahosotra, sady mampiharihary amin-kerim-po ny ao anatin’ireo vilian’ny fahatezerana. (Matio 24:14; Apokalypsy 14:6, 7) Mizara roa àry ny hafatra entin’izy ireo: Fanafahana ny olombelona, sy fampitandremana momba ny “andro famalian’Andriamanitsika.”—Isaia 61:1, 2.

21. Iza no iantefan’ireo vilia efatra voalohany sy ireo trompetra efatra voalohany, nefa inona no tsy itovizan’izy ireo?

21 Mitovy ny iantefan’ireo vilia efatra voalohany sy ireo trompetra efatra voalohany, dia ny tany, ny ranomasina sy ny renirano ary ny loharano, mbamin’ny masoandro sy volana ary kintana. (Apokalypsy 8:1-12) ‘Ny ampahatelony’ no iharan’ireo loza avy amin’ireo trompetra, fa izy manontolo kosa no andrarahana ny ao anatin’ireo vilian’ny fahatezeran’Andriamanitra. Ny Kristianisma Anarana no ‘ampahatelony’ nifantohana tamin’ny andron’ny Tompo. Ny tontolon’i Satana manontolo kosa no hiharan’ny didim-pitsarana mampahory avy amin’i Jehovah sy ny alahelo aterak’izany.

22. Inona no maha hafa ny fitsofana an’ireo trompetra telo farany, ary inona no ifandraisany amin’ireo vilia telo farany misy ny fahatezeran’i Jehovah?

22 Tsy mitovy amin’izany kosa ny fitsofana ireo trompetra telo farany, satria antsoina hoe loza. (Apokalypsy 8:13; 9:12) Ireto avy izany: Ny valala, sy ny miaramila mitaingin-tsoavaly, ary ny fahaterahan’ny Fanjakan’i Jehovah. (Apokalypsy 9:1-21; 11:15-19) Ho hitantsika fa mahakasika ny lafiny sasany amin’izany koa ireo vilia telo farany misy ny fahatezerany, nefa misy tsy itovizany ihany. Andeha aloha izao hojerentsika akaiky ny zavatra hiharihary rehefa araraka ny ao anatin’ireo vilian’ny fahatezeran’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mahaliana fa namoaka an’ilay boky fianarana Baiboly hoe Ny Harpan’Andriamanitra ny voahosotra tamin’ny 1921. Dimy tapitrisa no navoaka, tamin’ny fiteny 20 mahery. Nanampy tamin’ny fanangonana mpihira voahosotra maro hafa izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara