Aoka isika hijery ny bokin’ny Apokalypsy
Raha nangatahina hanao lisitry ny zavatra izay mety hahatonga anao ho sambatra ianao, moa ve hieritreritra ny hanonona ao ny bokin’ny Apokalypsy?
Tsy isalasalana fa tsy hanao izany ny ankamaroan’ny olona. Kanefa, na iza na iza manana fahatakarana tsar any Apokalypsy dia hanaiky an-tsitrapo ity fanamarihana ity izay noraketin’ny apostoly Jaona eo am-piandohan’io boky io manao hoe: “Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny.”—Apokalypsy 1:3.
‘Nefa, hilaza angamba ianao hoe sarotra be amiko ny mahatakatra ny Apokalypsy.’ Raha izany no izy, dia satria io boky io amin’ny ampahany lehibe, nosoratana tamin’ny fiteny ara-panoharana. Araka izany, mba hahatakarana ny hevitra, dia tsy maintsy fantatra ny Baiboly amin’ny fitambarany ary ireo fifandraisana notanan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany.
Kanefa misy vato misakana hafa izay manakana anao tsy hahatakatra ny Apokalypsy angamba. Marina tokoa fa noho io boky io mirakitra fahitana maro na sary ara-panoharana isan-karazany, dia maro amin’ny mpamaky no tsy mahatakatra ny planina ankapobeny. Toy ny hoe manakona ny ala ho azy ireo ny hazo; mifikitra loatra amin’ny antsipiriany izy ireo ka tsy mahita ny ankapobeny. Rehefa voapetraka izany, dia aoka handramantsika jerena ny Apokalypsy mba hahazoana mamaritra ny fifandraisana misy amin’ireo fahitana isan-karazany mahaforona azy. Ho fitarihan-dalana anao, dia aoka holazaintsika avy hatrany fa ny fitohitohizan-tsary tsirairay avy dia mampiditra anankiray hafa. Araka izany, ny tombo-kase fito dia mitondra antsika ho amin’ny trompetra fito. Ankoatr’izany, ny sary eo amin’ny pejy faha-30 dia tokony hanampy anao hahatakatra tsara io fitohitohizana io. Raha fintinina ny Apokalypsy, dia tsy hijanona loatra amin’ny fandraisana ny heviny isika. Kanefa hahita fanazavana fanampiny momba io foto-kevitra io ianao ao amin’ireo boky omena hozahana eto ambany.a
Miala ny sarona
Ny bokin’ny Apokalypsy dia miseho ho toy ny taratasy. Marina tokoa fa episitily nosoratan’ny apostoly Jaona tany amin’ny taona 96 ho an’ireo “kongregasiona fito” any Azia Minora izy io, izay mampiseho ny kongregasiona manontolo voaforon’ny kristiana voahosotry ny fanahy (1:4). Ao amin’ny sasin-teniny (1:1-3), Jaona dia mitsaoka an’Andriamanitra ho Mpanoratra ny Apokalypsy ary Jesosy ho ny lalana fampitohizana nampitana izany. Ambonin’izany dia mampanantena fahasambarana ho an’izay rehetra mandre sy mitandrina izany teny izany izy.
Rehefa avy niresaka an’i Jehovah sy Jesosy ilay apostoly dia mitonona ary manambara fa izay hanaraka dia mahakasika indrindra ny “andron’ny Tompo” (“andro” izay nanomboka tmain’ny 1914). Tao amin’ny fahitana be voninahitra, Jaona dia mahita an’i Jesosy tafatsangana, izay tamin’ny alalany no nahazoany ny Apokalypsy. Avy eo dia misy firesahana ny taratasy izay tsy maintsy hosoratana ho an’ny kongregasiona fito (1:4 ka hatramin’ny 3:22). Noho ny fahalalana tsara ny toe-piainan’izy ireo ara-panahy, Jesosy dia nanoratra amin’ireo kristiana mahaforona azy ireo, fiarahabana, torohevitra ary fampitandremana. Izany dia mampiseho fa Andriamanitra dia miantoka fampiofanana ho an’ireo izay antsoina hanjaka amin’ny tany avy any amin’ny seza fiandrianan’izy ireo any an-danitra.
Rehefa avy nibanjina ilay nampita taminy ny Apokalypsy Jaona dia nahazo fahitana ny amin’ny Mpanoratra azy (4:1-11). Be voninahitra sy mahatahotra Andriamanitra; mendrika ny fiderantsika sy ny fanompoam-pivavahantsika izy. Manodidina ny seza fiandrianany dia misy zavaboary velona izay mampisongadina ny toetrany. Loholona efatra amby roapolo (kristiana izay manjaka any an-danitra) no mivavaka amin’ny Mpamorona ary manambara fa ny zavaboariny rehetra dia tokony hanao toy izany koa. Mitana horonana misy tombo-kase Jehovah, nefa iza ho hanokatra azy?—5:1-4.
Mahita ny Zanak’ondry, dia Jesosy, mandray ilay horonana i Jaona. Ny toko faha-5 dia manazava fa Kristy dia mendrika io voninahitra io. Noho izany dia tokony hanome voninahitra azy isika ary ho liana amin’ny hafatra raketin’io horonana io. Io hafatra io tokoa dia mifandraika amin’ny fikasan’Andriamanitra mahakasika ny lanitra sy ny tany amin’izao androntsika izao. Nefa tsy namaky ilay horonana i Jaona fa hahita fahatanterahany teo ambany masony. Manomboka manokatra ireo tombo-kase fito àry Kristy.
Ilay voalohany dia mampiseho an’i Jesosy ho toy ny mpanjaka izay mizotra ho amin’ny fandresena farany. Ireo faharoa, fahatelo sy fahefatra dia mampiseho an-tsehatra mpitaingin-tsoavaly hafa izay sarin’ny ady maningana, mosary ary fahafatesana (zavatra izay hitantsika tanteraka hatramin’ny Ady Lehibe Voalohany), ary mandefa iharam-pahavoazana tsy hita isa any amin’ny Hadesy sy fasana. Rehefa tapaka ilay tombo-kase fahadimy, Andriamanitra dia mampanantena fa hamaly faty ireo kristiana nenjehina sy natao maritiora. Avy eo, rehefa manokatra ny tombo-kase fahenina i Jesosy, i Jaona dia mahatsipalotra fikorontanana lehibe ety an-tany sy any an-danitra. Mandinika ireo olona izay mitady hiafina noho ny fahatezeran’Andriamanitra izay hamely azy ireo izy.—6:1-17.
Tao amin’ny fotoam-pitsaharana kely alohan’ny fanokafana ny tombo-kase fahafito, Jaona dia mahita ny fandehan’ny asa izay tsy maintsy ho tanteraka alohan’ny hanapoahan’Andriamanitra ny tafiotra maherin’ny fahoriana lehibe (7:117). Tsy maintsy ho voamariky ny tombo-kase daholo tokoa mantsy ireo 144 000 (ery lavidavitra kokoa [14:1-3], ary toa efa vita io asa io). Ireo anjely izay mitana ny fahoriana fandravana dia mamela ihany koa an’ireo “olona betsaka” hanam-potoana hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Teo dia novohana ny tombo-kase farany; tamin’izay dia nisy fotoana fohy natokana ho an’ny fivavahana sy ny fiomanana ho amin’izay hanaraka.—8:1-6.
Ireo trompetra fito
Anjely fito no miandraikitra ny fampanakoakoana ireo trompetra fito (ireo mpanompon’Andriamanitra dia nanomboka nanambara ireo hafatra fitsarana tamin’ny fivoriambe izay nataon’izy ireo tamin’ny 1922 ka hatramin’ny 1928). Araka izany, ny farany tamin’ireo tombo-kase fito dia nisokatra tamin’ny fitohitohizana zavatra fito hafa, dia trompetra tamin’izay fotoana izay. Ireo trompetra dimy voalohany dia mampiseho ihany koa hafatra manakoako izay mikendry tapany isan-karazany amin’ny fandaminan’i Satana. Ny fahadimy etsy andaniny, dia mampahatsiahy loza avy amin’ny mpitory mitovy amin’ny valala. Aseho ho toy ny voalohany amin’ireo loza telo koa izy io. Rehefa maneno ilay trompetra fahenina, dia didiana ny fanafahana an’ireo izay mifatotra eo akaikin’i Eofrata, eo amin’izay nitsanganan’i Babylona fahiny (amin’izao androntsika izao, ny kristiana sasany dia nafahana tamin’ny fanandevozan’i Babylona Lehibe azy ireo taorian’ny Ady Lehibe Voalohany). Ilay fahitana dia maneho an-tsehatra ihany koa tafika voaforon’ny soavaly sy mpitaingin-tsoavaly 200 000 000.—8:7 ka hatramin’ny 9:21.
Avy eo ny trompetra fahenina dia miato. Mahita anjely mitondra horonana kely azo hanina i Jaona (10:1-11). Fantatr’ilay apostoly fa rehefa haneno ny trompetra fahafito dia ho tanteraka ny zava-miafin’Andriamanitra. Teo dia nomena azy ny horonana hohanina ary nolazaina taminy ireo andraikitra tsy maintsy mbola hiantsorohany amin’ny maha-mpaminany. Angatahina koa izy handrefy ny tempoly (ara-panahy). Ankoatr’izany dia resahina aminy ny amin’ny vavolombelona sasany izay tsy maintsy haminany mandritra ny fotoana kelikely (teo amin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918), izay hovonoin’ilay bibidia, ary avy eo dia hovelomina indray. Aoka homarihintsika anelanelan’izany fa io bibidia io dia niditra an-tsehatra nefa tsy nambara ny maha-izy azy. Ny famelomana indray ireo vavolombelona dia narahin’ny horohorontany izay nampihovitrovitra ilay Jerosalema nivadika. Araka izany, dia nifarana ny fitsofana ny trompetra fahenina sy ny loza faharoa.—11:1-14.
Rehefa nanakoako ny trompetra fahafito, dia nisy fanambara natao momba ny fiorenan’ilay Fanjakana (izany no “loza fahatelo”, araka ny fijerin’ireo fahavalon’Andriamanitra). Izany dia miteraka fiparitahan’ny fanenjehana mahery vaika tarihin’ireo firenena tezitra (11:15-19). Ny toko manaraka dia manazava amin’ny antsipiriany bebe kokoa izay niseho. Mahita vehivavy be voninahitra i Jaona (ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra) izay miteraka soa aman-tsara zazalahy iray (ilay Fanjakana), na dia teo aza ny fanoheran’ny Devoly. Taorian’ny ady iray tany an-danitra dia nazera tamin’ny tany Satana, ka eo no anenjehany ny sisa amin’ireo kristiana noho ny tsy fivadihan’izy ireo (12:1-17). Izany dia mampitandrina antsika amin’i Satana, ilay fahavalontsika lehibe indrindra. Nefa misy fahavalo hafa mipoitra ihany koa. Ny anankiray amin’izy ireo dia biby (ny fandaminana ara-politika sy feno habibian’ny Devoly) izay mivoaka avy ao an-dranomasina. Izy io dia miady amin’ny kristiana izay, mba hanoherana azy, dia tsy maintsy maneho ny fiaretany sy ny finoany (13:1-10). Ny biby iray hafa, izay manan-tandroka roa, dia mandoka ny fanompoam-pivavahana amin’ny sarin’ilay biby avy ao an-dranomasina; mampiseho tsara ny fanekem-pihavanana ara-politika anglisy amerikana izay nanapaka ny tantara amin’ny andro ankehitriny izy io.—13:11-18.
Moa ve ireo fahavalo ireo hanakana ny hanamarihana amin’ny tombo-kase ireo 1 44 000? Tsy izany velively. Marina tokoa fa avy eo Jaona dia mahita ireo 1 44 000 mihira amim-pifaliana eo amin’ny tendrombohitr’i Ziona (io tapany rehetra amin’ny fahitana io dia avy amin’ny fitsofana ny trompetra fahafito). Taorian’izay dia anjely telo no nanambara ny anjara ratsy miandry ireo fahavalon’Andriamanitra. Ilay voalohany dia manambara fa hampihatra ny fitsarany Andriamanitra ary milaza araka izany ity didy manaraka ity: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy.” Ny faharoa dia manambara fa nianjera Babylona Lehibe. Fa raha ny fahatelo, dia milazalaza ireo fijaliana atokana ho an’ireo izay mivavaka amin’ilay bibidia na ny sariny. Misy anjely manambara ny fijinjana sy ny ‘famiazana’ hisy ao Haramagedona.—14:1-20.
Ny lovia fito sy Babylona Lehibe
Taorian’ireo fitsarana sy fanambarana mialoha ireo Jaona dia mahita anjely fito mitondra loza fito (izany dia mitranga foana ihany ao amin’ny fototry ny fitsofana ny trompetra fahafito; eto indray koa dia misy fitohitohizan-tsary vaovao tonga mirafitra eo amin’ilay teo aloha). Na dia teo aza ny fanenjehana, dia maro no mahazo fandresena sy mihira fiderana. Handeha handraraka ireo lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra ireo anjely fito; ireo loza ireo dia nampiharihary ny fomba fijerin’Andriamanitra ny tarehin-javatra manjaka eo amin’izao tontolo izao sy ny vokatry ny fitsarany azy ireo. Toy ilay fitsofana ny trompetra fahenina, ny lovia fahenina dia mahakasika an’i Eofrata (Babylona). Voalaza koa ny amin’ny fiangonana ho amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” (Hara-magedona), nefa tsy mbola omena akory ny filazalazana antsipiriany an’izany. Rehefa voararaka ilay lovia fahafito dia nisy feo nanambara hoe: “Vita.” Nianjera Babylona Lehibe.—15:1 ka hatramin’ny 16:21.
Ny Apokalypsy dia milazalaza avy eo ny fandravana an’ilay mitovy ankehitriny amin’i Babylona fahiny izay niandohan’ireo fivavahan-diso. Ilay Babylona mahaliana antsika dia lazalazaina ao amin’ny Apokalypsy ho toy ny vehivavy janga mitaingina bibidia mivolon-jaky izay ny lohany fito dia mampiseho mpanjaka. Ny tenan’io biby io dia mampiseho ankoatr’izany, mpanjaka fahavalo, ka io mpanjaka io dia avy amin’ireo fito nialoha azy. (Io filazalazana io dia mifanaraka tanteraka amin’ny Firenena Mikambana, izay nosoloana ny O.N.U. taty aoriana. Marina tokoa fa ireo fandaminana roa ireo dia voaforon’ny firenena maro.) Misy anjely anankiray manambara fa amin’ny fotoana ilàna azy, ireo tandroka vonona hanafika an’ilay biby dia hiady amin’ilay Zanak’ondry. Nefa alohan’izany, ireo tandroka folo dia hiodina hamely an’ilay vehivavy janga sy handringana azy (17:1-18). Izany no antony andodonan’ny antso iray ny olona hivoaka avy ao amin’io empira ara-pivavahana io, dia Babylona Lehibe, raha tsy mbola tonga izany. Aorian’ny fandravana azy, ireo mpanjaka sy mpandranto dia halahelo azy, nefa ny lanitra kosa dia hifaly amin’ny fanafoanana azy tanteraka (18:1-24) Eny, Andriamanitra dia mendrika ny hoderaina, satria manatanteraka ny didim-pitsarany. Antony hifaliana izany ho an’ireo “olona masina” izay mahaforona ny vadin’ny Zanak’ondry, satria io “vehivavy” ara-panoharana io dia nandresy ilay vehivavy janga.—19:1-10.
Rehefa tonga hatreo ny Apokalypsy dia miverina ho amin’ny adin’Andriamanitra sy ireo izay miady amin’ilay Zanak’ondry, mba hamelabelarana io foto-kevitra io. Ireo fandaminana sy ireo olona manohitra an’Andriamanitra dia aringana (19:11-21). Nefa inona no tsy maintsy hitranga amin’ireo fanahy ratsy? Satana dia natsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona. Mandritra io fotoana io, Kristy sy ireo 144 000 dia mpanjaka sy mpisoron’Andriamanitra amin’ny heviny manokana. Avy eo, mitsambikina any amin’ny faran’ny arivo taona mba hilazalazana ny fanafoanana an’i Satana, ilay fahitana dia manambara ny fanafahana azy sy ny fikomian’ny olombelona sasantsasany. Atsipy ao amin’ny farihy afo ny Devoly sy ireo mpikomy hafa rehetra (20:1-10). Amin’ny fanaovana dia miverina, ilay fahitana dia mampisehoa antsika ireo maty natsangana ary avy eo dia voatsara ho mendrika ny fiainana mandrakizay na tokony haringana.—20:11-15.
Rehefa manjavona ny lanitra tranainy sy ny tany tranainy, dia mahita lanitra vaovao sy tany vaovao i Jaona ary mibanjina ireo soa hoentin’izy ireo ho an’ny taranak’olombelona. Mahita tanàna koa izy. Tsy Babylona intsony tamin’ity, fa ny vadin’ny Zanak’ondry. Masina sy lavorary io tanàna io; avy eo afovoany dia mikoriana ny onin’ny ranon’aina. Fepetra maro no noraisina mba hampitana amin’ny olona fiainana finaritra. Ny tohin’ny fahitana izay mahaforona ny Apokalypsy dia mahatratra ny fara tampony ary mifarana amin’io sary be voninahitry ny fandaminana foibe izay manapaka ny fandaharan-javatra vaovao io.—21:1 ka hatramin’ny 22:7.
Noho ny haravoana mitafotafo dia naniry hivavaka amin’ilay mpanelanelana izay nampita io fahitana io Jaona, nefa dia nahitsy. Tsy tokony hasiana tombo-kase ilay faminaniana. Ireo izay mandre azy, mifanohitra amin’izany, dia tokony hanasa ireo namany handray “maimaimpoana amin’ny ranon’aina”. Tsy misy na iza na iza mahazo lalana hanampy zavatra amin’ilay horonana, na hanala na inona na inona. Mampahatsiahy Jesosy fa avy faingana izy. Mamaly azy Jaona ary mamarana izany amin’ny fitsofan-drano ireo olo-masina.—22:8-21.
Raha miverina amin’ilay sarintsika ianao izao, dia azonao atao ve ny milaza fa mahafantatra tsara tokoa ny ao anatin’ny Apokalypsy sy ny fatorana mampiray ireo fizarany isan-karazany ianao? Na ho inona na ho inona, dia tsy maintsy mbola manao zavatra bebe kokoa ihany. Marina tokoa fa tokony hianatra ny hahatakatra tsara ny hevitr’ireo fahitana izay mahaforona io boky ara-tsindrimandry io isika mba hampiharana ny hafatra raketiny. Raha manao toy izany isika, dia afaka manantena hahita soa maro, anisan’izany ny fahasambarana resahin’i Jaona ao amin’ny fanombohan-teniny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Babylone la Grande est tombée!” Le Royaume de Dieu a commence son règne! sy “Alors sera consommé le mystére de Dieu”. Azonao atao ny mahazo ireo boky fianarana Baiboly na ireo izay mamelabelatra ny Apokalypsy isan’andininy, any amin’ireo mpampanonta ity gazety ity.
[Sary, pejy 30]
Ny fanokafana ny tombo-kase fito dia mampiditra ireo fitsofana trompetra fito
Rehefa manakoako ireo trompetra telo farany dia misy loza ambara. Ny fahatelo amin’ireo ozona ireo dia misokatra ho amin’ny fitohitohizana lovia fito.
Anjely fito no mandraraka ireo lovian’ny fahatezeran’Andriamanitra ka mandraraka amin’izany loza fito amin’ny tany.