FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 6/14 p. 10-11
  • Joseph Priestley

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Joseph Priestley
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NITADY NY MARINA TEO AMIN’NY SIANSA
  • NITADY NY MARINA TEO AMIN’NY FIVAVAHANA
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2014
  • Nikarakara ny Fianakaviany Foana Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Gazy Atao Solika: Angovo Fampiasa ao An-trano
    Mifohaza!—2010
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 6/14 p. 10-11

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Joseph Priestley

“Hainy daholo izao rehetra izao. Mafana fo sady mavitrika izy, ary tia karokaroka be, na resaka tontolo manodidina izany, na fitondran-tena, na fiaraha-monina. Izy rahateo moa mpandalina siansa, teolojia, filozofia, ary politika. Olon’ny fo koa anefa izy. Nanohana ny Revolisiona Frantsay izy, ary niharan’ny tsy rariny teo amin’ny fiainany. Raha jerena izany rehetra izany dia izy no mahery fon’ny taonjato faha-18.”—Frederic Harrison, filozofa.

NAHOANA no tena niavaka ny zavatra vitan’i Joseph Priestley? Nisy vokany be ny fikarohana nataony sy ny boky nosoratany, satria nanova ny fiheveran’ny olona momba an’Andriamanitra, sy ny fitondrana. Mbola izy koa aza no nahafantarana tsara ny momba ny rivotra fohintsika!

Nanoratra boky momba ny siansa sy ny fivavahana koa izy. Nolaviny foana anefa izay hevitra nifanohitra tamin’ny zava-nisy na ny tena marina. Andeha hojerentsika izany.

NITADY NY MARINA TEO AMIN’NY SIANSA

Nataon’i Joseph Priestley fialam-boly fotsiny ny siansa taloha. Tamin’ny 1765 anefa, dia nihaona tamin’ilay mpahay siansa amerikanina atao hoe Benjamin Franklin izy, ka nanomboka nanao fanandramana tamin’ny resaka herinaratra. Talanjona tamin’ny vokatry ny fikarohana nataony ny mpahay siansa namany, ka nifidy azy ho anisan’ny mpikambana tao amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Fikarohana Ara-tsiansa tany Londres.

Nikaroka momba ny simia indray izy taorian’izay, ka tsy ela dia nahita gazy maromaro. Anisan’izany ny amoniaka sy ny oksidana azota (na gazy mahatoran’ny hehy). Izy mihitsy aza no namorona ireny rano misy gazy ireny, izay anamboarana zava-pisotro toy ny sodà. Nafangarony tamin’ny rano mantsy ny dioksidana karbonina, ka nanome azy io.

Nanao fanandramana indray i Priestley tamin’ny 1774, ka nahita gazy iray mahatonga ny labozia hirehitra be. Nataony tao anaty tavoahangy nasiana an’io gazy io ny totozy iray, ka hitany fa ela velona kokoa noho ny totozy nifoka rivotra tsotra! Nandramany nofohina mihitsy aza ilay gazy, ka “nahatsiaro ho maivamaivana sy nahazo aina erỳ izy.”

Oksizenina io gazy hitany io.a Hafa anefa ny anarana niantsoany azy tamin’izany. Noheveriny mantsy fa misy taharo simika misakana ny zavatra tsy hirehitra ny rivotra tsotra. Nino àry izy fa tsy misy an’io taharo io ilay rivotra vao hitany. Diso aloha izany, kanefa maro no miaiky fa io fikarohana nataony io no “niavaka indrindra tamin’ny asany.”

NITADY NY MARINA TEO AMIN’NY FIVAVAHANA

Nino i Joseph Priestley fa tsy hahita ny marina amin’ny siansa ny olona, raha tonga dia manaraka am-bokony ny teoria lazain’ny olon-kafa. Toy izany koa ny heviny amin’ny resaka fivavahana. Mila miala amin’ny lovantsofina hoy izy, raha mitady ny marina. Marihina aloha fa mifanohitra amin’izay ampianarin’ny Baiboly ny hevitra sasany ninoan’i Priestley. Tsy nekeny, ohatra, hoe nampitain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga ny hevitra ao amin’ny Baiboly. Tsy nino koa izy fa efa nisy tany an-danitra i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy.

“Raha fitadiavana ny marina ny siansa, dia tena mpahay siansa marina tokoa i Priestley.”—Katherine Cullen, mpikaroka

Na izany aza anefa, dia notoherin’i Priestley ireo fampianaran-diso, izay arahin’ny fivavahana maro hatramin’izao. Nanoratra izy fa nosoloan’ny olona lainga ny fampianaran’i Jesosy sy ny mpianany. Anisan’ny nolaviny, ohatra, ny Andriamanitra telo izay iray, ny fanahy tsy mety maty, ary ny fampiasana sary masina izay raran’ny Baiboly.

Tezitra tamin’i Priestley anefa ny iray firenena taminy, noho izy nanohana ny tolom-bahoaka frantsay sy amerikanina, sady nanohitra ny fivavahana lehibe. Nodoran’ny olona àry ny tranony sy ny toerana fanaovany fikarohana, tamin’ny 1791, ka nandositra nankany Etazonia izy. Marina aloha fa ny siansa no tena nahafantarana azy, kanefa nilaza izy fa ny mianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany no “tena zava-dehibe sy mendrika hokarohina indrindra.”

a Efa nahita ny oksizenina ihany i Carl Scheele, mpahay simia soedoà, talohan’izay, fa tsy navoakany ny zavatra hitany. I Antoine-Laurent Lavoisier, mpahay simia frantsay, kosa no nanome anarana an’ilay gazy hoe oksizenina, tatỳ aoriana.

MOMBAMOMBA AZY

  • Teraka tamin’ny 1733 i Joseph Priestley, tany akaikin’i Leeds, Angletera.

  • Mpahay siansa izy, ary ny fikarohana nataony no voalaza fa nahitana gazy maromaro.

  • Mpandalina politika izy, ka nanazava fa tokony havela malalaka haneho ny heviny ny olona, ary hifidy ny fivavahany sy ny fianarana ataony.

  • Mpitondra fivavahana koa izy nefa nanda an’ireo fampianarana nentin-drazana toy ny Andriamanitra telo izay iray sy ny fanahy tsy mety maty.

  • Nandositra nankany Etazonia izy tamin’ny 1794, ary tsy ampy folo taona taorian’izay dia maty.

NY MARINA SA NY LOVANTSOFINA?

[Sary, pejy 11]

Nodoran’ny vahoaka ny tranony sy ny toerana fanaovany fikarohana, 1791

Hitan’i Priestley fa tsy ao amin’ny Baiboly ny lovantsofina nampianarin’ny fivavahana maro. Diniho ireto:

  • Ny Lovantsofina: Mitovy ihany i Jesosy sy Andriamanitra.

    Ny Marina: Hoy i Jesosy: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jaona 14:28.

  • Ny Lovantsofina: Manana fanahy tsy mety maty ny olona.

    Ny Marina: ‘Fantatry ny velona fa ho faty izy. Tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana.’—Mpitoriteny 9:5, 10.

  • Ny Lovantsofina: Azo atao ny mampiasa sary masina rehefa mivavaka.

    Ny Marina: ‘Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Ny voninahitro tsy homeko ny hafa, ary ny fiderana ahy tsy homeko ho an’ny sary sokitra.’—Isaia 42:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara