Topy Maso Eran-tany
◼ Ao amin’ny www.watchtower.org ny fanazavana marina momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ao amin’ny Internet. Misy fanazavana amin’ny fiteny 314 izao ao. Maherin’ny 22 tapitrisa ny olona nikaroka fanazavana tao, tamin’ny herintaona, izany hoe maherin’ny 60 000 isan’andro.
◼ “Anisan’ny olana lehibe atrehintsika ankehitriny, ny tsy fisian’ny rano fisotro madio sy ampy ho an’ny rehetra. ... Basy matetika no hita any amin’ny toerana mila rano.”—BAN KI-MOON, SEKRETERA JENERALIN’NY ONU.
Fifaliana sy Fahasalamana
Efa ela no noheverina fa salama kokoa ny olona falifaly sy mijery lafy tsaran-javatra, noho ny olona be fanahiana, na sarotsarotiny, na mijery lafy ratsin-javatra. Vao haingana dia hitan’ny mpikaroka, fa kely kokoa ny fatran’ny hormonina mampikorontan-tsaina ao amin’ny olona “falifaly.” Mahatonga aretina maro io hormonina io, rehefa miakatra matetika ny fatrany. Hita koa fa ao amin’ny olona falifaly, dia kely ny fatran’ireo “proteinina roa ahafantarana hoe misy faritra maro mivonto ao amin’ny vatana.” Nilaza ny Profesora Andrew Steptoe ao amin’ny Oniversiten’i Londres, fa “tsy lovaina avy amin’ny ray aman-dreny fotsiny ny hoe falifaly na tsia ny olona iray. Miankina amin’ny fifandraisany amin’ny olona sy ny fahitany fahafaham-po eo amin’ny fiainana koa izany.”
Fijerena Volana Amin’ny Fitaovana Arifomba
Efa an-jatony taona ny Silamo no nandinika ny lanitra isaky ny hifarana ny volana Ramadany, mba hahitana ny tsinam-bolana voalohany. Amin’izay mantsy no tapitra ny fifadian-kanina ary manomboka ny fety. Ny maso fotsiny no ijerena volana any amin’ny toerana sasany. Milaza amin’ny mpino silamo rehetra ny lehiben’izy ireo, avy eo, hoe manomboka ny fety. Tato anatin’ny taona vitsivitsy anefa, dia nisy mpitondra fivavahana silamo nanaiky ny hampiasana fitaovana arifomba. Mampiasa teleskaopy avo lenta, sy fitaovana fijerena lanitra amin’ny alina, ary fiaramanidina feno fitaovana arifomba fijerena lanitra ireo astronoma any Iran, ary manamarina ny zavatra hitan’izy ireo ny mpitondra fivavahana silamo. Raha mahita volana aloha kokoa izy ireo, dia hanomboka aloha ilay fety.
Mahalala ny Tsara sy Ratsy ny Zaza
“Mahalala ny toetra tsara sy ratsy” ny zazakely enim-bolana, na dia “mbola tsy miteny aza”, hoy ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Yale, any Etazonia. Nisy zazakely, enina ka hatramin’ny folo volana, nasaina nijery kilalao be maso iray mananika havoana. Nisy kilalao hafa koa teo, ka ny sasany nanampy an’ilay kilalao be maso hiakatra, fa ny sasany kosa nanosika azy hidina. Hoy ny gazety Houston Chronicle: “Natao teo anoloan’ireo zazakely, ireo kilalao mba hahitana hoe iza no tiany holalaovina. Saika izy rehetra no nifidy an’ireo kilalao tia manampy.” Hita avy amin’izany, hoy ilay gazety, fa “na ny zaza aza dia mahalala ny tsy fitovian’ny mpiara-milalao tsara toetra sy ratsy toetra, ary mahafantatra izay hofidiny.”
“Rano Amin’ny Tavoahangy”
Hoy ny gazety U.S.News & World Report: “Tena tia rano amin’ny tavoahangy ny Amerikanina. Efa ho telo alina tapitrisa isan-taona ny tavoahangy avy nisotroan’izy ireo.” Tsy fantatry ny maro aminy anefa hoe rano tamin’ny paompy ihany ny ankamaroan’ireny. “Diso hevitra àry ireo misotro rano amin’ny tavoahangy noho ny antony ara-pahasalamana”, hoy ilay gazety. Mandalo fanaraha-maso ny rano amin’ny paompy any amin’ny tany maro, ary efa misy fepetra hentitra arahina. “Azo lazaina hoe maimaim-poana” izy ireny, raha ampitahaina amin’ny rano “lafo be” amin’ny tavoahangy.