FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/08 p. 29
  • Any Okinawa ve ny Fanafody Mahela Velona?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Any Okinawa ve ny Fanafody Mahela Velona?
  • Mifohaza!—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Maresaka Momba An’i Eoropa
    Mifohaza!—2015
  • Ny Fomba Iarovana ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—1999
  • Ahoana no Hahaizako Mandanjalanja Amin’ny Resaka Sakafo?
    Manontany ny Tanora
  • Inona no Azoko Atao fa Te Hihena Aho?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 11/08 p. 29

Any Okinawa ve ny Fanafody Mahela Velona?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY JAPON

◼ Nisy mponina 1 300 000 tany amin’ny nosy Okinawa any Japon, tamin’ny taona 2006. Araka ny fandinihana nataon’ny ekipan’ny Dr. Makoto Suzuki, dia efa ho ny 740 tamin’ireo no nahatratra 100 taona na mahery ka vehivavy ny 90 isan-jatony. Midika izany fa isaky ny olona 100 000, dia 50 eo ho eo ny olona be taona toy izany any Okinawa, nefa 10 ka hatramin’ny 20 monja ny any amin’ny ankamaroan’ny tany mandroso.

Mbola mitohy ilay fandinihana, ary misy milaza fa io no “fandinihana naharitra ela indrindra natao tamin’ny olona mahatratra 100 taona na mahery.” “Mahagaga fa maro amin’ireo be taona [any Okinawa] no salama tsara.” Te hahafantatra ny anton’izany i Suzuki sy ny ekipany, ka nodinihiny ny fototarazo sy ny fomba fiainan’ireo olona mihoatra ny 70 taona, sy ireo olona 100 taona na mahery miisa maherin’ny 900. Hitan’ireo mpikaroka fa kelikely manifinify sy tomady izy ireo, tsy tsentsina ny lalan-drany, ary tena vitsy no voan’ny kansera sy aretim-po. Tamin’ireo 100 taona latsaka kely kosa, dia tena vitsy no voan’ny aretin-tsaina, raha oharina amin’ireo mitovy taona aminy any amin’ny tany mandroso hafa. Inona no anton’izany?

Mety ho efa toy izany ny raibe sy renibeny na ny ray aman-dreniny. Tsy mifoka sigara na mihinam-paraky koa izy ireo, ary mahalala onony rehefa misotro toaka. Mihinana sakafo mahasalama izy ireo. Legioma sy voankazo betsaka no haniny, ary sakafo kely kalôria fa tsy sakafo matavy. Tsy miandry voky be koa izy ireo vao mijanona rehefa misakafo. Hoy ny Dr. Bradley Willcox, anisan’ireo mpikaroka: “Tokony hitsahatra tsy hihinana isika raha vao mahatsapa hoe voky. Afaka 20 minitra eo ho eo mantsy vao mampita hafatra amin’ny atidoha ny vavony hoe voky izy.”

Tia mampiasa vatana koa ny olona any Okinawa: mikarakara zaridaina, mandeha an-tongotra isan’andro, manao dihy nentim-paharazana na zavatra hafa. Rehefa nohadihadina izy ireo, dia hita fa be fanantenana, sy mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy. Tsy mora kivy izy ireo rehefa tratran’ny adin-tsaina, ary “mahay mifandray tsara amin’ny mpiara-monina” ny vehivavy.

Nilaza i Willcox fa “tsy misy ny fanafody mahagaga” mahela velona. Asehon’ilay fandinihana anefa fa mety hahela velona ny fototarazo, ny sakafo, ny fanatanjahan-tena, ny fahazarana tsara, “ary ny fahaizana miatrika ny adin-tsaina.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara