FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/08 p. 11-14
  • Tsy Voatery Hodidiana Ianao vao ho Hita ny ao Anatinao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Voatery Hodidiana Ianao vao ho Hita ny ao Anatinao
  • Mifohaza!—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Radio
  • Skanera CT
  • Skanera TEP
  • Skanera IRM
  • Ekôgrafia
  • Mbola hisy fitaovana arifomba kokoa ve?
  • Hahavita Hanafoana ny Aretina ve ny Mpahay Siansa?
    Mifohaza!—2007
  • Miresaka ny Finoany Ilay Mpahay Fizika
    Mifohaza!—2014
  • Manana Zo Hisafidy Ianao
    Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?
  • Ny Tsara ho Fantatra Momba ny Kanseran’ny Nono
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 11/08 p. 11-14

Tsy Voatery Hodidiana Ianao vao ho Hita ny ao Anatinao

MANDROSO be izao ny ordinatera sy ny matematika ary ny siansa, ka tsy voatery hodidiana ianao vao ho hita ny aretinao. Efa maro mantsy ny fitaovana ampiasain’ny dokotera. Eo ny radio, izay ampiasana taratra X. Efa 100 taona mahery izao no nisian’izy io. Efa misy koa ny skanera isan-karazany, toy ny skanera CT sy TEP ary IRM.a Mbola eo koa ny ekôgrafia. Ahoana no fampiasa azy ireo? Inona no voka-dratsiny? Inona no maha tsara azy?

Radio

Ahoana no fampiasa azy? Taratra X no ampiasaina. Afaka miditra ao anaty vatana io taratra io, ka tonga hatrany anaty sela. Mivoaka amin’ny sary avy eo izay zavatra tarafina aminy, ka miloko fotsy ny zavatra mafy, toy ny taolana, fa volondavenona na mainty kosa ny zavatra malemy. Ampiasaina hahitana aretina na fahavoazana ao amin’ny nify, taolana, nono, na havokavoka ny taratra X. Ary ahoana raha mifanakaiky ny taova roa, nefa ny iray ihany no tiana hojerena? Misy tsindrona atao amin’ilay marary, mba ho hita kokoa ilay taova. Efa ordinatera izao no ampiasain’ny dokotera maro, mba hijerena ny sary avoakan’ny radio.

Inona no voka-dratsiny? Tsy dia misy, raha oharina amin’ny soa azo avy aminy. Mety hisy sela ho simba, nefa vitsy ihany.b Raha bevohoka àry ianao, dia ilazao mialoha ny dokotera. Tokony hiteny aminy koa ianao raha mila tsindronina, nefa tsy mahazaka iôda na hazan-dranomasina. Matetika mantsy no misy iôda ilay tsindrona ilaina. Misy iôda rahateo ny hazan-dranomasina.

Inona no maha tsara azy? Vita vetivety ilay izy, nefa tsy lafo be, ary mora atao. Tsy manaintaina koa ianao. Tena tsara àry ny manao azy io, rehefa hijery ny ao anaty nono, na rehefa misy zavatra mila fantarina haingana. Tsy misy taratra tavela ao anatinao aorian’ilay fitarafana, ka tsy dia mampaninona ilay izy.c

Skanera CT

Ahoana no fampiasa azy? Ampiasana taratra X betsaka kokoa izy io, ary misy fitaovana manokana hamantarana izay tsy metimety ao anatinao. Asaina mitsilany eo ambony latabatra ianao, ary atsofoka ao anaty tionelina ao amin’ilay skanera. Mihodina tsikelikely manodidina ny vatanao manontolo ilay taratra sy ilay fitaovana, mba ho azo sary ny ao anatinao. Betsaka ilay taratra, saingy manify. Toy ny hoe mofo didiana manify kely ny vatanao. Alaina sary tsirairay izay voadidy, mba hahitana ny ao anatiny. Alahatry ny ordinatera avy eo ireo sary, ary asehony tsirairay, ka hitan’ny dokotera amin’ny an-tsipiriany ny ao anatinao. Efa arifomba kokoa ny skanera nivoaka farany, satria tsy alainy sary tsirairay ny faritra rehetra amin’ny vatana, fa indray miaraka. Tena amin’ny an-tsipiriany ny sary avoakan’ny skanera CT, ka matetika izy io no ampiasaina hijerena ny havokavoka sy kibo ary taolana, na hamantarana kansera sy aretina hafa.

Inona no voka-dratsiny? Betsaka kokoa ny taratra X miditra ao aminao, ka mety ho voan’ny kansera ianao. Tokony hieritreritra tsara àry ianao, vao manaiky hotarafina amin’ny skanera CT. Ilana an’ilay tsindrona misy iôda koa ilay izy indraindray, nefa misy tsy mahazaka azy io. Mety hanimba ny voa koa ny iôda. Raha mampinono ianao, nefa natao an’ilay tsindrona, dia tsara raha miandry 24 ora na mihoatra vao mampinono indray.

Inona no maha tsara azy? Tsy manaintaina ianao, ary tsy mila ampidirana fitaovana manokana. Azon’ny ordinatera atao toy ny tena izy ny sary avoakan’ilay skanera. Vita vetivety ilay fitarafana, sady mora atao. Mamonjy aina koa ilay izy, satria ahafahana mahita ny ratra tsy tazana etỳ ivelany. Tsy manimba ny fitaovana napetraka ao anatinao koa ny skanera CT.

Skanera TEP

Ahoana no fampiasa azy? Kansera no tena jerena aminy. Tsindronina gliokaozy (karazana siramamy) ampiarahina amin’ny ranon-javatra mamoaka taratra aloha ilay marary. Io no ahitana an’ilay kansera. Mitroka gliokaozy kokoa noho ny sela salama ny sela voan’ny kansera. Mankany daholo àry ny ankamaroan’ilay tsindrona. Mamoaka zavatra simika atao hoe positron ireo sela ireo avy eo, ka lasa hafa loko na mazava kokoa noho ny sela manodidina azy. Miavaka tsara àry izy ireo, rehefa miseho eo amin’ny ordinatera.

Ahafahana mahita ny habe na ny bikabikan’ny taova sy ny sela ny skanera CT sy IRM. Ny TEP kosa mampiseho ny fomba fiasan’izy ireo. Hita aloha kokoa àry izay tsy metimety ao anatin’ny marary, amin’io karazana skanera io. Azo ampiasaina miaraka koa ny skanera TEP sy CT, raha tiana ho hita kokoa ny manjo an’ilay olona. Mety ho diso anefa ny sary avoakan’ny skanera TEP, raha misakafo ilay olona alohan’ny idirany ao, na raha be siramamy loatra ny rany, ohatra hoe noho ny diabeta. Tsy maintsy atao haingana koa ilay fitarafana, satria vetivety dia lany ny herin’ilay tsindrona.

Inona no voka-dratsiny? Tsy dia betsaka ny taratra miditra ao amin’ilay marary, satria tena kely ilay tsindrona, ary vetivety dia lany ny heriny. Mety hanimba ny zaza ao am-bohoka anefa ilay taratra. Raha bevohoka àry ianao, dia ilazao mialoha ny dokotera. Mety hampanaovina fitiliana koa ny vehivavy efa afaka miteraka, mba hahitana raha bevohoka izy na tsia. Raha asaina tarafina amin’ny skanera TEP miaraka amin’ny skanera CT ianao, dia eritrereto koa aloha ny voka-dratsin’ny skanera CT.

Inona no maha tsara azy? Tsy ny bikabikan’ny taova na ny sela fotsiny no asehon’ny skanera TEP, fa ny fomba fiasany koa. Mbola tsy miova akory àry ny bikan’izy ireo, dia efa hita raha misy tsy metimety ao aminy.

Skanera IRM

Ahoana no fampiasa azy? Herin’andriamby sy taratra (tsy taratra X) no ampiasaina. Mivoaka amin’ny ordinatera ny sary azo, ary hita amin’ny an-tsipiriany daholo ny ao anatinao. Afaka mandinika tsara azy ireny ny dokotera, ka mahita aretina tsy hita amin’ny skanera hafa. Afaka mahita ny ao anatin’ny taolana, ohatra, ny skanera IRM, ka tena mety tsara mba hijerena ny atidoha. Vitsy ny skanera mahavita an’izany.

Tsy mahazo mihetsiketsika anefa ilay marary mandritra an’ilay fitarafana. Somary tery koa ilay tionelina itsofohana, ka matahotra be ny olona sasany rehefa ao anatiny. Soa ihany fa efa nahavita skanera IRM tsy misy tionelina ny manam-pahaizana. Natao ho an’ny olona saro-tahotra sy matavy be izy io. Tsy azo atao ny mitondra zavatra misy vy rehefa miditra ao amin’ny efitra misy an’ilay skanera. Anisan’izany ny stylo, famantaranandro, firavaka, na hidin’akanjo. Mety hosintonin’ilay andriamby mantsy ireo, ka ho simba na handratra.

Inona no voka-dratsiny? Misy vokany ratsy ny skanera IRM, saingy kely dia kely. Mety hila tsindrona, ohatra, ny marary alohan’ny hidirana ao amin’izy io, nefa tsy mahazaka izany ny sasany. Na izany aza, dia tsy mampaninona loatra ilay tsindrona, satria tsy misy iôda. Tsy azo ampidirina ao amin’ilay skanera anefa ny marary, raha misy fitaovana vy napetraka ao amin’ny vatany, na misy poti-by tavela noho ny loza nanjo azy. Mahery be mantsy ny andriamby ao amin’ilay skanera. Aza hadinoina àry ny miteny amin’ny dokotera, raha misy zavatra vy ao anatinao, nefa asainy tarafina amin’ny skanera IRM ianao.

Inona no maha tsara azy? Tsy taratra manimba ilay ampiasaina aminy. Tena mety hijerena an’izay tsy metimety ao amin’ny sela ny skanera IRM, indrindra ny sela ao anatin’ny taolana na takon’ny taolana.

Ekôgrafia

Ahoana no fampiasa azy? Onjam-peo tsy ren’ny sofina no ampiasaina. Manako ilay izy, rehefa midona eo amin’izay taova misy tsy metimety. Fantarin’ny ordinatera izay taova niavian’ilay ako, ary asehony avy eo ny mombamomba azy io, toy ny habeny sy ny bikany ary ny hateviny. Onjam-peo mandeha miadana no ampiasaina raha tiana ho voajery tsara ny faritra sarotra hita. Onjam-peo mandeha haingana kosa no ampiasaina amin’ny faritra mora hita toy ny maso na ny hoditra. Azo ampiasaina hamantarana ny kanseran’ny hoditra àry ny ekôgrafia.

Hosorana zavatra maditidity aloha ny hoditra eo ivelan’ilay taova tiana hojerena. Kosehina moramora amin’ny fitaovana manokana avy eo ilay hoditra, ary tonga dia miseho eo amin’ny ordinatera ny sarin’ilay taova ao ambaniny. Fitaovana kely kokoa no ampiasaina, raha tiana ho hita kokoa ny ao anaty. Apetaka amin-javatra lavalava ilay izy, ary atsofoka ao amin’ny vatana.

Efa misy koa ilay atao hoe ekôgrafia Doppler. Natao handinihana ny fikorianan’ny ra manerana ny vatana izy io. Hita avy eo izay tsy metimety ao amin’ny taova. Hita koa izay zavatra maniry ao anatiny. Matetika mantsy no misy lalan-dra be dia be eo amin’izy ireny.

Manampy ny dokotera hahita aretina maro be ny ekôgrafia. Fantatra na dia ny zavatra tsy mora hita aza, toy ny fahavoazana ao amin’ny fo, na ny zavatra maniry any anaty nono, na koa ny fahasalaman’ny zaza ao am-bohoka. Tsy mazava tsara anefa indraindray ny sary avoakan’ny ekôgrafia, rehefa ampiasaina hijerena ny ao anaty kibo izy io. Voasakana mantsy ilay onjam-peo alefany, rehefa midona amin’ny faritra misy rivotra ao anaty kibo. Tsy dia mazava rahateo ny sary azo avy amin’ny ekôgrafia, raha oharina amin’ny an’ny fitaovana fitarafana hafa, toy ny radio.

Inona no voka-dratsiny? Tsy dia mampaninona ny ekôgrafia, raha hain’ny dokotera ny mampiasa azy. Mety hanimba sela ihany anefa izy io, satria mamoaka onjam-peo. Tsy dia tsara àry ny mampiasa azy io amin’ny zaza ao an-kibo.

Inona no maha tsara azy? Saika ahitana azy maneran-tany, ary tsy dia lafo ny vola aloa, rehefa hanao azy. Hita eo no ho eo koa ny sarin’izay faritra jerena.

Mbola hisy fitaovana arifomba kokoa ve?

Izay hanatsarana ny fitaovana efa misy aloha izao no tena iezahan’ny manam-pahaizana. Efa manamboatra skanera IRM tena mora vidy, ohatra, ry zareo. Tena kely ny herin’andriamby ampiasaina aminy. Efa manamboatra skanera natao hijerena ny molekiola koa izy ireo. Ny molekiola dia ilay zavatra bitika indrindra ao anatin’ny sela. Tena mety hahasoa io fitaovana io, satria hanampy ny dokotera hahita ny aretina, dieny mbola tsy mihombo ilay izy, ka ho azo tsaboina avy hatrany.

Tsy maintsy nodidiana ny olona fahiny, mba hijerena izay aretiny. Nampanaintaina sady nampidi-doza ilay fandidiana, nefa tsy nahitana na inona na inona akory matetika. Tsy dia ilaina intsony anefa izany izao, satria efa misy ny fitaovana ahafahana mahita ny ao anaty. Matetika no tsara lavitra ny vokatra azo, rehefa hita aloha be ny aretina, ary voatsabo avy hatrany. Lafo be anefa ireo fitaovana noresahintsika teo ireo. Iray tapitrisa dolara mahery, ohatra, ny vidin’ny sasany.

Aleo àry misoroka toy izay mitsabo. Ataovy izay hahasalama anao. Mihinàna sakafo mahasalama, manaova fanatanjahan-tena, ataovy ampy tsara ny torimaso, ary miezaha ho falifaly. Hoy mantsy ny Ohabolana 17:22: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny skanera dia fitaovana ahafahana maka sary ny ao anatin’ny vatan’olombelona. Toy ny tena izy mihitsy ilay sary.

b Mba hahitana ny habetsahan’ny taratra miditra ao amin’ny vatanao, dia jereo ilay efajoro hoe “Ny Habetsahan’ny Taratra Miditra ao Anatinao.”

c Fanazavana tsotsotra fotsiny no ato amin’ity lahatsoratra ity. Raha mbola tsy afa-po ianao, dia manaova fikarohana na manontania manam-pahaizana.

[Efajoro, pejy 13]

NY HABETSAHAN’NY TARATRA MIDITRA AO ANATINAO

Misy taratra miditra foana ao anatinao isan’andro. Avy any ambony tsy taka-maso any ilay izy, na avy amin’ny zavatra manodidina antsika. Hita eto ambany ny habetsahan’ny taratra miditra ao anatintsika isan’andro sy ny habetsahan’ny taratra ampiasaina amin’ny fitsaboana sasany. Ho hainao amin’izay ny mety ho voka-dratsin’ilay fitsaboana. Mari-drefy atao hoe millisievert (mSv) no ampiasaina, rehefa hamantatra ny habetsahan’ny taratra miditra ao anatintsika.

Mandeha fiaramanidina mandritra ny adiny dimy ianao: 0,03 mSv

Taratra miditra ao anatinao mandritra ny folo andro: 0,1 mSv

Atao radio indray mandeha ny nifinao: 0,04-0,15 mSv

Atao radio indray mandeha ny havokavokao: 0,1 mSv

Atao radio indray mandeha ny nononao: 0,7 mSv

Tarafina amin’ny skanera CT ny havokavokao: 8,0 mSv

Raha asain’ny dokotera manao fitarafana ianao, dia anontanio azy ny habetsahan’ny taratra hiditra ao anatinao. Anontanio koa izay zavatra hafa mampanahy anao.

[Sary, pejy 11]

Sary avoakan’ny radio

[Sary, pejy 12]

Sary avoakan’ny CT

[Sary nahazoan-dalana]

© Philips

[Sary, pejy 12]

Sary avoakan’ny TEP

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Alzheimer’s Disease Education and Referral Center, a service of the National Institute on Aging

[Sary, pejy 13]

Sary avoakan’ny IRM

[Sary, pejy 14]

Sary avoakan’ny ekôgrafia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara