Nisy Namorona Ve?
“Tondroavaratry” ny Lolo
◼ Afaka mandeha amin’ny lalana 3 000 kilaometatra avy any Kanada mankany amin’ny ala kely iray any Meksika ny lolo mpanjaka. Kely toy ny lohana stylo anefa ny atidohany. Ahoana no ahitan’io bibikely io ny lalany?
Diniho izao: Ny toerana misy ny masoandro no amantaran’ny lolo mpanjaka ny lalan-kalehany, tsy misy hafa amin’ny fampiasan’ny olona tondroavaratra. Mahafantatra ny fotoana koa io lolo io, ka afaka manitsy ny diany arakaraka ny fihodinan’ny masoandro eny amin’ny habakabaka. Nilaza i Steven Reppert, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra, fa ‘tsy mitovy amin’ny an’ny bibikely sy ny an’ny biby hafa ny fomba amantaran’ny [lolo mpanjaka] ny fotoana.’
Misy zavatra mahazatra fanaon’ny vatan’ny olombelona sy ny an’ny biby, arakaraka ny fandehan’ny fotoana ao anatin’ny andro iray. Mety hahafantatra tsara kokoa momba izany ny mpahay siansa, raha mahalala bebe kokoa ny fomba amantaran’ny lolo mpanjaka ny fotoana. Mety hanampy azy ireo hahita fanafody vaovao amin’ireo aretin’ny rafi-pitatitra koa izany. Hoy i Reppert: “Tiako ho fantatra hoe ahoana no andraisan’ny atidoha an’ireo fanazavana mifandray amin’ny fotoana sy ny toerana [toy ny hoe avo na iva, sns.], ary ny fomba ampiasany izany. Tena miavaka ny atidohan’ny lolo mpanjaka amin’io lafiny io.”
Ahoana no hevitrao? Tongatonga ho azy ve ilay karazana tondroavaratry ny lolo mpanjaka, sa nisy Mpamorona mahay nanao izany?
[Kisary/Sarintany, pejy 10]
(Jereo ny gazety)
Mandeha amin’ny lalana 3 000 kilaometatra avy any Kanada mankany Meksika ny lolo mpanjaka
[Sarintany]
KANADA
ETAZONIA
MEKSIKA
MEXICO
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
Sary lehibe: © Fritz Poelking/age fotostock