Nanaiky ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ra Aho
Mitantara ny Fiainany ny Dokotera Iray
VAO avy nandinika ny antony nahafaty ny marary iray aho, ary namintina ny zavatra hitako tamin’ny dokotera maromaro, tao amin’ny efitrano malalaky ny hopitaly. Voan’ny kansera ilay olona maty. Hoy aho: ‘Azo inoana fa ny tena antony nahafaty ilay marary, dia ny liomenany potika sy ny voany tsy niasa tsara intsony, noho ny ra be dia be nampidirina tao aminy.’
Tezitra ny profesora iray, ka nitsangana ary nikiakiaka hoe: “Te hilaza ve ianao hoe ra tsy nety taminy no nampiasainay?” Namaly aho hoe: “Tsy izany no tiako holazaina.” Nampiseho sarin’ny ampahany kely tamin’ny voan’ilay marary aho, ary niteny hoe: “Hitantsika eto fa be dia be ny liomena potika tao amin’ilay voa, ka tsy maintsy ho izany no nahatonga ilay izy tsy hiasa tsara intsony.”a Tsapako fa sorena ny mpanatrika sasany. Natahotra aho, ka maina ny tendako. Marina fa dokotera tanora aho, ary profesora ilay nanohitra ahy, nefa fantatro fa tsy afaka hiala amin’ny hevitro aho.
Mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah aho, rehefa nitranga izany. Teraka tamin’ny 1943 tany Sendai, tanàna any amin’ny faritra avaratr’i Japon aho. Nanapa-kevitra ny hianatra ho dokotera aho, satria mpanao fikarohana momba ny aretina ny raiko sady mpitsabo aretin-tsaina. Nanambady tovovavy iray atao hoe Masuko aho, tamin’ny 1970, tamin’ny taona faharoa nianarako ho dokotera.
Nanomboka nanao fikarohana momba ny aretina aho
Niasa i Masuko, mandra-pahavitan’ny fianarako, mba hanampiana ny fidiram-bolanay. Tena nahaliana ahy ny fianarana momba ny fitsaboana. Talanjona aho rehefa nahita fa tena tsara ny nanaovana ny vatan’olombelona! Tsy nieritreritra mihitsy anefa aho hoe misy ny Mpamorona. Nihevitra aho fa afaka mampisy heviny ny fiainako ny fikarohana ara-pitsaboana. Nifidy ny hanohy ny fianarako momba ny fitsaboana àry aho rehefa lasa dokotera. Nanomboka nanao fikarohana momba ny aretina aho, ka tafiditra amin’izany ny fisehony sy ny antony mahatonga azy ary ny vokany.
Nanomboka nanontany tena aho raha mandaitra tokoa ny fampidiran-dra, rehefa nandinika ny fatin’ireo olona nararin’ny kansera. Rehefa mihombo ilay kansera, dia mandeha ra ny marary, ka mety tsy ho ampy ny rany. Vao mainka tsy ampy ra izy, raha anaovana fitsaboana simika, ka matetika ny dokotera no mitady hampiditra ra ao aminy. Nanahy anefa aho sao vao mainka hahatonga ilay kansera hiparitaka eran’ny vatana ny fampidiran-dra. Na izany na tsy izany, dia fantatra ankehitriny fa mampihena ny hery fanefitra ny fampidiran-dra. Ary izany no mety hahatonga ilay kansera hiverina, sy hahatonga ilay marary hahina kokoa ho faty.b
Tamin’ny 1975 no nitranga ilay toe-javatra notantaraiko terỳ am-piandohana. Manam-pahaizana momba ny ra ilay profesora niandraikitra ilay izy. Tsy mahagaga àry raha tezitra be izy rehefa nandre ahy nilaza fa ny ra nampidirina tamin’ilay marary no nahafaty azy! Notohiziko ihany anefa ny famelabelarako, ary nihatony tsikelikely izy.
Tsy hisy aretina sy fahafatesana
Tokony ho tamin’izay no nitsidika ny vadiko ny vehivavy be taona iray Vavolombelon’i Jehovah. Nampiasa ny teny hoe “Jehovah” izy rehefa niresaka, ka nanontany azy ny vadiko hoe inona no dikan’izany. Namaly izy hoe: “Jehovah no anaran’ilay Andriamanitra marina.” Efa hatramin’ny mbola kely i Masuko no namaky Baiboly. Nosoloana hoe “TOMPO” anefa ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly novakiny. Fantany izao fa tena misy Andriamanitra, ary manana anarana!
Nianatra Baiboly avy hatrany niaraka tamin’ilay Vavolombelona be taona i Masuko. Rehefa tonga avy tany amin’ny hopitaly aho tamin’ny iray ora maraina teo ho eo, dia faly erỳ izy nilaza tamiko hoe: “Voalaza ao amin’ny Baiboly hoe tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana!” Namaly aho hoe: “Tsara kosa raha tena hisy izany!” Nanohy ny teniny izy hoe: “Tsy tokony handanilany ny fotoananao intsony ianao, satria efa ho avy ny tontolo vaovao.” Noheveriko fa te hiteny izy hoe tokony hiala tsy ho dokotera intsony aho. Tezitra àry aho, ka lasa tsy nifankahazo firy izahay.
Nataon’ny vadiko foana anefa izay hahaliana ahy tamin’ny fahamarinana. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy hahita andinin-teny azo anampiana ahy. Nasehony ahy ireny andinin-teny ireny. Ny Mpitoriteny 2:22, 23, no tena nanohina ny foko. Izao no voalaza ao: “Inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny fikatsahan’ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ny masoandro? . . . Na dia amin’ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.” Nihatra tamiko izany, satria nanokan-tena andro aman’alina ho amin’ny fitsaboana aho, nefa tsy tena afa-po.
Nanapa-kevitra tampoka ny hanaraka ny vadiko aho, rehefa nankany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, indray alahady maraina, tamin’ny Jolay 1975. Taitra be izy nahita ahy tany. Nandray tsara ahy ny Vavolombelona. Nanomboka tamin’izay, dia nanatrika ny fivoriana isaky ny alahady aho. Nisy Vavolombelona nanomboka nampianatra Baiboly ahy, iray volana teo ho eo tatỳ aoriana. Natao batisa ny vadiko, telo volana taorian’ny nitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy voalohany.
Nanaiky ny fiheveran’Andriamanitra ny ra aho
Nianarako tsy ela taorian’izay fa mandidy ny Kristianina ‘hifady ny ra’ ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; Genesisy 9:4) Tsy sarotra tamiko ny nanaiky ny fiheveran’Andriamanitra ny ra, satria efa nanontany tena aho raha mandaitra tokoa ny fampidiran-dra.c Izao no tao an-tsaiko: ‘Raha tena misy ny Mpamorona, ary milaza izy hoe tokony hifady ra isika, dia tsy maintsy hoe mitombina ny teniny.’
Nianarako koa fa ny fahotana nolovantsika avy tamin’i Adama no nahatonga ny aretina sy ny fahafatesana. (Romanina 5:12) Nanao fikarohana momba ny fikainkon’ny mpanelira aho tamin’izany. Mihamafy sy mihatery ny mpanelira ao amintsika, rehefa mihantitra isika. Mahatonga aretim-po sy aretin’ny lalan-dra ao amin’ny atidoha ary aretin’ny voa izany. Hitako fa ny tsy fahalavorariana nolovantsika tokoa no mahatonga izany. Nanomboka tsy dia nazoto nianatra momba ny fitsaboana intsony àry aho taorian’izay. I Jehovah Andriamanitra ihany mantsy no afaka manafoana ny aretina sy ny fahafatesana!
Niala tamin’ny fianarako tany amin’ny hopitaly fiofanana ho mpitsabo aho tamin’ny Martsa 1976, fito volana taorian’ny nanombohako nianatra Baiboly. Natahotra aho sao tsy afaka ny ho dokotera intsony, nefa nahita asa tany amin’ny hopitaly hafa aho. Natao batisa aho tamin’ny Mey 1976. Tsapako fa ny fitoriana ny vaovao tsara manontolo andro, na ny asan’ny mpisava lalana, no fomba tsara indrindra azoko ampiasana ny fiainako. Nanomboka an’io asa io aho tamin’ny Jolay 1977.
Niaro ny fiheveran’Andriamanitra ny ra aho
Nifindra tany amin’ny fiangonana iray any amin’ny Faritanin’i Chiba izahay sy Masuko tamin’ny Novambra 1979, satria tena nila mpitory ny tany. Nahita hopitaly nahafahako niasa tapa-potoana aho. Nitangorona nanodidina ahy ny dokotera maromaro tamin’ny andro voalohany niasako. Namerimberina nanontany ry zareo hoe: “Ahoana no hataonao raha misy marary mila fampidiran-dra tonga eto amin’ny hopitaly, nefa ianao Vavolombelon’i Jehovah?”
Nanazava tamim-panajana aho fa hanaraka izay lazain’Andriamanitra momba ny ra. Nilaza aho fa misy zavatra hafa azo asolo ny ra, ary hanao izay vitako aho mba hanampiana ny marary tonga eto amiko. Naharitra adiny iray teo ho eo ilay adihevitra. Niteny ilay lehiben’ny mpandidy avy eo hoe: “Mazava amiko ny teninao. Aleo àry hokarakarainay izay marary very ra be tonga eto.” Malaza ho sarotra ifampiraharahana io lehiben’ny mpandidy io, nefa lasa nifandray tsara izahay taorian’iny adihevitra iny, ary nanaja ny zavatra inoako foana izy.
Fisedrana noho ny tsy fanekena fampidiran-dra
Nisy biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, antsoina hoe Betela, naorina teto Ebina, tamin’izahay nanompo tany Chiba. Nanketo indray mandeha isan-kerinandro izahay mivady, mba hijery ny fahasalaman’ireo Vavolombelona niasa an-tsitrapo, nanorina azy io. Nasaina hiasa manontolo andro eto amin’ny Betelan’i Ebina izahay, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanomboka nipetraka tao amin’ny trano naorina vonjimaika, mba hipetrahan’ireo mpiasa an-tsitrapo 500 àry izahay, tamin’ny Martsa 1981. Nanampy tamin’ny fanadiovana ny efitrano fandroana sy ny kabine aho ny maraina, ary nanao fizaham-pahasalamana ny tolakandro.
Anisan’ny marary notsaboiko i Ilma Iszlaub, misionera avy any Aostralia, tonga teto Japon tamin’ny 1949. Voan’ny kanseran’ny ra izy, ary nilaza taminy ny dokoterany fa ho faty izy afaka volana vitsivitsy. Tsy nanaiky hampidiran-dra mba ho ela velona kokoa, i Ilma. Nanapa-kevitra ny hipetraka teto amin’ny Betela izy mandra-pahafatiny. Mbola tsy nisy tamin’izany ny fanafody toy ny érythropoïétine, na ny fanafody hafa mahatonga ny vatana hamokatra liomena. Nidina ambany be hatramin’ny 3 na 4 grama àry indraindray ny fatrana hemôglôbinina tao amin’i Ilma! (12 hatramin’ny 15 no ara-dalàna.) Nanao izay vitako anefa aho hitsaboana azy. Nino ny Tenin’Andriamanitra hatrany i Ilma mandra-pahafatiny tamin’ny Janoary 1988, fito taona teo ho eo tatỳ aoriana!
Nisy mpiasa an-tsitrapo vitsivitsy nila fandidiana teto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Japon, tao anatin’ireo taona maro lasa. Mendri-piderana ny dokoteran’ny hopitaly manodidina, satria nanaiky handidy azy ireo, nefa tsy nampiasa ra. Matetika aho no nasaina nankao amin’ny efitra fandidiana mba hijery ny fandehan’ilay fandidiana. Nanampy tamin’ny fandidiana mihitsy aza aho indraindray. Velom-pisaorana an’ireo dokotera ireo aho, satria manaja ny fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ra izy ireo. Matetika aho no afaka niresaka ny zavatra inoako tamin’izy ireo, rehefa niara-niasa taminy. Natao batisa vao haingana ny iray tamin’ireo dokotera ireo.
Tsara homarihina fa nisy vokany lehibe teo amin’ny fitsaboana ny fiezahan’ny dokotera tsy hampiasa ra, rehefa mitsabo ny Vavolombelon’i Jehovah. Porofoin’ny fandidiana tsy ampiasana ra, fa mitondra soa maro ny tsy fampidiran-dra. Hita tamin’ny fandinihana natao fa sitrana haingana kokoa sady tsy manana olana firy ny olona nodidiana, nefa tsy nampidirana ra.
Mbola mianatra amin’ilay Dokotera lehibe indrindra
Miezaka ny haharaka ny fandrosoana farany eo amin’ny fitsaboana aho. Mbola mianatra amin’i Jehovah, ilay Dokotera lehibe indrindra koa anefa aho. Tsy mijery ny miseho ivelany fotsiny izy, fa mijery izay ao am-po sy ao an-tsaintsika koa. (1 Samoela 16:7) Amin’ny maha dokotera ahy, dia miezaka mamantatra izay ao am-po sy ao an-tsain’ny marary aho, fa tsy mifantoka amin’ny aretiny fotsiny. Manampy ahy hitsabo azy tsara kokoa izany.
Mbola miasa eto amin’ny Betela aho. Mbola anisan’ny zavatra tena mahafaly ahy ny manampy ny olona hianatra momba an’i Jehovah, ary tafiditra amin’izany ny fiheverany ny ra. Antenaiko fa hanafoana haingana ny aretina rehetra sy ny fahafatesana ilay Dokotera Lehibe, dia i Jehovah Andriamanitra.—Notantarain’i Yasushi Aizawa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hoy ny boky Fomba Maoderina Hitehirizana sy Hampidirana Ra (anglisy), nosoratan’ny Pr. Denise Harmening: ‘Raha efa nampidiran-dra ny olona iray, na bevohoka, na efa nisy taova nosoloana tao aminy, dia mety tsy hahazaka fampidiran-dra izy, ka mety ho potika ny liomenany.’ ‘Tsy hita mandritra ny fitsirihana ny ra alohan’ny fampidiran-dra’ mantsy hoe tsy mahazaka an’ilay ra hampidirina ao aminy ilay marary. Milaza ilay boky Fanazavan’i Dailey Momba ny Ra (anglisy), fa ‘mety ho potika ny liomena, rehefa tsy mety amin’ilay marary ny ra ampidirina ao aminy, na dia kely fotsiny aza izany. Tsy afaka manala ny loto ao amin’ny ra intsony ny voa, rehefa tsy miasa tsara intsony, ka voapoizina tsikelikely ilay marary.’
b Hoy ny Gazety Momba ny Fitsaboana Kansera (anglisy), tamin’ny Aogositra 1988: “Tena tsy antenaina firy ho sitrana ireo olona mararin’ny kansera nampidiran-dra nandritra ny fandidiana, raha oharina amin’ireo tsy nampidiran-dra.”
c Raha mila fanazavana fanampiny mahakasika izay lazain’ny Baiboly momba ny ra ianao, dia jereo ny bokikely Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro, pejy 22]
“Nilaza aho fa misy zavatra hafa azo asolo ny ra, ary hanao izay vitako aho mba hanampiana ny marary tonga eto amiko”
[Teny notsongaina, pejy 23]
“Porofoin’ny fandidiana tsy ampiasana ra, fa mitondra soa maro ny tsy fampidiran-dra”
[Sary, pejy 23]
Ambony: Manao lahateny ara-baiboly
Ankavanana: Izahay sy Masuko, ankehitriny