FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g03 8/12 p. 24
  • Filazalazana Momba ny Fivavahana Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Filazalazana Momba ny Fivavahana Iray
  • Mifohaza!—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Filipo — Mpitory ny Filazantsara Be Zotom-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Filipo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Torio “ny Vaovao Tsara Momba An’i Jesosy”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Aoka Ianao Haneho ny Toe-tsain’ny Mpisava Lalana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Hijery Hafa
Mifohaza!—2003
g03 8/12 p. 24

Filazalazana Momba ny Fivavahana Iray

Mpianatra any amin’ny lise any Aostralia i Philip, izay 15 taona. Tamin’ny taranja jeografia izy dia nasaina hanadihady sy hanao tatitra momba ny fikambanana iray ara-panatanjahan-tena, na ara-politika, na ara-kolontsaina, na ara-pivavahana, any Sydney, tanàna niaviany. Nifidy ny hanao tatitra momba ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana i Philip. Anisan’izy io izy sy ny fianakaviany. Nasaina niresaka tamin’ny olona 20 tamin’ilay fikambanana nofidiny ny mpianatra, mba hahafantarana ny mombamomba azy sy izay “mampiavaka azy.”

Nanoratra toy izao i Philip, rehefa avy nanangona ny vokatry ny fanadihadiana nataony: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia fikambanana ara-pivavahana, izay miara-mivory mba hianatra Baiboly, voalohany indrindra. Misy andinin-teny ara-baiboly vakina sy hazavaina mandritra ireny fivoriana ireny. Anisan’ny zava-kendren’ny fivoriana koa ny hanoro anay ny fomba tsara indrindra hampianarana Baiboly. Amin’ny alalan’ny fitoriana isan-trano no hihaonana amin’ny olona sy hanaovana io fampianarana Baiboly io. Any an-tranony mantsy no tsy mahasadaikatra ny olona indrindra. Mandray anjara tsy tapaka amin’io asa io ny rehetra, araka izay vitany sy ny toe-javatra misy azy. Ankoatra ny fianarana sy fampianarana Baiboly, dia mizara ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! koa izahay. Ahazoana fanazavana ireo gazety ireo, sady araka ny toetr’andro. Mirakitra lahatsoratra maro mahaliana momba ny zavaboary, ny tantara, ary ny toe-draharaha eto an-toerana sy maneran-tany izy ireny. Miezaka mampahery ireo ketraka noho habibiana mahatsiravina mitranga eo amin’izao tontolo izao koa izahay, toy izay nitranga tamin’ny 11 Septambra 2001. Mamoaka boky izay manampy ny olona koa izahay, ka misy ny momba ny fanambadiana, ny fiainam-pianakaviana, ary ny tanora.”

Tena tsara ny fikarohana nataon’i Philip sy ny fomba nampisehoany izany, hany ka nahazo naoty ambony indrindra izy. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia miresaha aminy rehefa mitsidika anao izy ireo amin’ny manaraka. Azonao atao koa ny mifandray aminy amin’ny fampiasana ny adiresy akaiky anao indrindra, araka ilay lisitra ao amin’ny pejy faha-5.

[Sary, pejy 24]

Philip

[Sary, pejy 24]

Italia

[Sary, pejy 24]

Aostralia

[Sary, pejy 24]

Brezila

[Sary, pejy 24]

Holandy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara