Fihaonana mba Hampanjakana ny Fiadanana
“Ho foana ny herisetra! Ho foana ny ady! Ho foana ny fampihorohoroana! Amin’ny anaran’Andriamanitra, enga anie ny fivavahana rehetra hampanjaka eto an-tany ny rariny, fiadanana, famelan-keloka, fiainana, ary ny fitiavana!”—Papa Jean-Paul II.
NIHAONA tany Assise, any Italia, ny solontenan’ny fivavahana rehetra, ny 24 Janoary 2002. Atahorana tsy hisy intsony ny fiadanana, satria be dia be ny fampihorohoroana sy ny tsy fifandeferana ary ny tsy rariny. Hivavaka ho an’ny fiadanana àry no nalehan’ireo mpitondra fivavahana tany Assise. Tokony ho roa volana taorian’ny nianjeran’ny Tranobe Kambana tany New York, no nampandre momba an’io fihaonana io ny papa. Maro ny mpitondra fivavahana dodona nanaiky ny fanasana avy any Vatikana.
Efa indroa ny papa no nanokana andro hivavahana tao amin’io tanàna any Italia io, tamin’ny 1986 sy 1993.a Efa 1 000 mahery ny mpanao gazety eran-tany tonga nijery izay nitranga nandritra ilay fihaonana tamin’ity taona ity. Maro ny fivavahana nandefa solontena, anisan’izany ireo fivavahana kristianina: Katolika, Loteranina, Anglikanina, Ortodoksa, Metodista, Batista, Pentekotista, sy ny sisa. Nandefa solontena koa ny Silamo, Hindoa, Konfiosianisma, Sikhisma, Jainisma, Tenrikyo, Bodisma, Jodaisma, ireo fivavahana nentim-paharazana afrikanina, Shinto, ary ny Zoroastrisma. Tonga tany koa ny solontenan’ny fivavahana hafa sy ny Filan-kevitry ny Fiangonana Maneran-tany.
Fanambarana momba ny fiadanana
Nanomboka tamin’ny 8.40 maraina ny fotoana. Niainga tao amin’ny gara kely tao Vatikana ilay nantsoina hoe “fiarandalambin’ny fiadanana.” Ary fomba ilay fiarandalamby nisy vagao fito, ary nisy helikoptera mpiambina roa nanaraka azy. Nandeha nandritra ny adiny roa ny papa sy ireo mpitondra fivavahana rehetra ary tonga tany Assise. Betsaka ny fepetra fiarovana napetraka, ka arivo teo ho eo ny polisy efa vonona ho amin’izay loza nety hitranga.
Nivory teo amin’ny tokotany norakofana labasy ngezabe izy ireo. Nipetraka teo amin’ny lampihazo mena lehibe ny solontena rehetra ary teo ampovoany ny toeran’ny papa. Nisy hazo oliva mariky ny fiadanana teo amin’ny sisin’ny lampihazo. Nipetraka nanatrika ny lampihazo ireo vahiny 2 000 mahery nasaina manokana, ary teo amin’ny laharana voalohany no nisy an’ireo manam-pahefana ambony ao Italia. Nanelanelana ny toriteny ny hira momba ny fiadanana nataon’ny antoko-mpihira mahay. Nandritra izany fotoana izany dia nisy olona an’arivo tany Assise, tanora ny ankamaroany, nitondra teny faneva tamin’ny fiteny maro ho fanoherana ny ady sady nanao hira momba ny fiadanana. Betsaka koa no nitondra sampan’oliva.
Nandray ny toerany ny papa ary niarahaba ireo solontenan’ny fivavahana. Natao tamin’ny fiteny latinina avy eo ny hira nifandray tamin’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 2:4 hoe: “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely.” Nanao fanambarana ofisialy momba ny fiadanana avy eo ny solontena 12, izay samy nanao ny fitafiana mampiavaka ny fivavahany. Toy izao ny santionany tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo:
“Te hahita dingana ho amin’ny fiadanana ny olona amin’ity andro manan-tantara ity, ary te handre teny mahavelom-panantenana.”—Kardinaly François Xavier Nguyên Van Thuân.
Andriamanitra dia “tsy Andriamanitry ny ady fa Andriamanitry ny fihavanana.”—Patriarika Bartholomaios I.
“Tsy tokony hahatonga ny [olona] tsy hifampiraharaha na hifankahala ny fahasamihafan’ny fivavahana.”—Teolojianina Setri Nyomi, solontenan’ny Fikambanan’ny Fiangonana Nohavaozina Eran-tany.
“Ny rariny sy ny fifankatiavana no andry roa lehibe iankinan’ny tena fihavanana.”—Tangalamena Amadou Gasseto, solontenan’ny fivavahana nentim-paharazana afrikanina.
“Ny fihavanana ihany no masina fa tsy ny ady!”—Andrea Riccardi, Eglizy Katolika.
Nisy solontena niaiky fa ny fivavahana no tena mampirisika ny olona tsy hifandefitra sy hiady. Nilaza, ohatra, ny solontenan’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Fivavahana Loteranina, fa “ny fifankahalana mahatsiravina noho ny fifikirana amin’ny fivavahan-drazana no nampikorontana” an’izao tontolo izao. Hoy koa ny solontenan’ny Jodaisma: “Ny fivavahana no ampiasaina hampirisihana hanao ady maro be mahatsiravina sy feno ra mandriaka.” Hoy koa ny solontenan’ny Hindoa: “Nasehon’ny tantara foana fa ireo nilaza ho mpiaro ny fivavahana ihany, no nampiasa azy io hanjakana sy hampisy fisaratsarahana.”
Nanameloka tanteraka ny fampihorohoroana sy ny ady ireo solontena. Samy namonjy ny toerana natokana ho azy izy ireo avy eo, ary nivavaka tamin’ny andriamaniny mba hampanjaka ny fiadanana.
Vavaka ho an’ny fiadanana
Niara-nivavaka tao amin’ilay nantsoina hoe Bazilikan’i Masindahy François ny solontenan’ny fivavahana kristianina. Teo akaikin’ny fasan’i Masindahy François mantsy izy io. Nanombohan’izy ireo ny fotoam-pivavahana ny “fiantsoana ny Andriamanitra tokana olona telo”, ka ny papa sy ny solontena telo no nanao izany. Nanelanelana ireo vavaka ny hira sy ny fitalahoana fiadanana, ary nisy andininy momba izany koa novakina tao amin’ny Baiboly. Nisy koa vavaka natao ho fangatahana ny hisian’ny “finoana iray tsy mivaky.” Nanao ny Rainay Izay any An-danitra tamin’ny teny latinina ny mpandray anjara rehetra, mifanaraka amin’ny Matio toko faha-6 andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-13. Izay no namaranan’izy ireo ny fotoam-pivavahany.
Nivavaka tany amin’ny efitra hafa kosa ny solontenan’ny fivavahana hafa tamin’izay. Ny Silamo nandohalika niantso an’i Allah, tao amin’ny efitra manatrika an’i Lameka. Ny Zoroastrianina indray nivavaka sady nandrehitra afo masina teo akaikin’ny Jainista sy ny Konfiosianista. Ny solontenan’ireo fivavahana nentim-paharazana afrikanina kosa nivavaka tamin’ny fanahin’ireo razany. Ary ny Hindoa nitalaho fiadanana tamin’ireo andriamaniny. Samy nivavaka tamin’ny andriamaniny araka ny fombany avy izy ireo.
Fanekena hampanjaka ny fiadanana
Niverina tao anatin’ilay labasy indray ireo solontena, mba hamarana ny lanonana. Notoloran’ny moanina jiro nirehitra izy ireo, ho mariky ny fanantenana fiadanana. Niravaka be ilay toerana! Namaky fanekena hampanjaka ny fiadanana ny solontena samihafa, ary samy nanana ny fomba nilazany azy.
“Ilaina ny fitiavana ny mpiara-belona mba hampanjakana ny fiadanana.”—Patriarika Bartholomaios I.
“Tsy miaraka amin’ny tena fivavahana ny herisetra sy ny fampihorohoroana.”—Konrad Raiser, teolojianina solontenan’ny Filan-kevitry ny Fiangonana Maneran-tany.
“Vonona izahay hampianatra ny olona hifanaja sy hifanome voninahitra.”—Mohinder Singh, solontenan’ny fivavahana Sikh.
“Tsy misy ny tena fiadanana raha tsy misy ny rariny.”—Vasilios, eveka ortodoksa.
Namaky an’ireo teny voalaza eo am-piandohan’ity lahatsoratra ity ny papa tamin’ny farany. Nifamihina ho mariky ny fihavanana ireo solontena tamin’ny faran’io fihaonana niraisam-pinoana io. Toriteny voaomana tsara no nandravaka ilay lanonana sy fombafomba nataon’ireo mpitondra fivavahana. Ahoana anefa no fahitan’ny olona an’iny fisehoan-javatra niavaka iny?
Tsara raha arahin’asa tokoa izay nolazaina!
Nidera ny dingana nataon’ny papa ny gazety sy ny televiziona. Nisy mihitsy aza niantso ny papa hoe “mpitondra tenin’ny fivavahana kristianina.” Nilaza ny gazetin’i Vatikana, L’Osservatore Romano, fa iny andro tany Assise iny no “vato fehizoro hanorenana sivilizasiona hanjakan’ny fiadanana.” Izao no lohatenin’ny gazety Corriere dell’Umbria: “Namelona ny Fanantenana Fiadanana ny Fihaonana Tany Assise.”
Tsy ny mpandinika rehetra anefa no nientam-po toy izany. Nisalasala ihany ny olona sasany, satria efa nisy andro natokana hivavahana koa tamin’ny 1986 sy 1993, nefa mbola mampahory ny olona foana hatramin’izao ny ady atao amin’ny anaran’ny fivavahana. Ny fifankahalan’ny fivavahana no nahatonga ny fifamonoana nisy ra nandriaka be tany Ouganda, Iogoslavia teo aloha, Indonezia, Pakistan, Moyen-Orient, ary Irlandy Avaratra.
Milaza kosa ny gazety italianina La Repubblica, fa nihevitra an’iny fihaonana iny ho “fisehosehoana be renty fotsiny” ny mpanao tsikera sasany. Nilaza, ohatra, ny lehilahy iray ao amin’ny Parlemanta Eoropeanina fa tokony “hampihatra ny Filazantsara” ny mpivavaka mba hampisy ny fiadanana. Tokony hankatoavin’izy ireo, hoy izy, ilay hoe “tiava ny fahavalonareo” sy ilay hoe “atolory azy koa ny takolaka anankiray.” Raha ny fahitany azy anefa dia “tsy misy manao toy izany mihitsy ny olona.”
Nilaza ny lehiben’ny Italianina mpanaraka ny fivavahana jiosy fa “tsara mihitsy ny nisian’ilay fihaonana, raha hisy asa mivaingana sy fanovana tokoa mifanaraka amin’izay nolazaina tao.” Nitovy hevitra tamin’izany koa ny solontenan’ny Italianina bodista, ka nilaza fa tokony “ho azo antoka hoe tsy hijanona ho fikasana tsara fotsiny ireny fitalahoana fiadanana ireny.” Nolazain’ny gazety italianina L’Espresso kosa, fa zavatra hafa mihitsy no nokendren’ireo fivavahana kristianina tonga tany Assise. “Fiaraha-mientana hisakanana ny olona tsy hankahala ny fivavahana sy tsy halemy finoana” izy iny, hoy izy, sady “hiarovana ny fivavahana tsy ho baranahiny.” “Tany kristianina” i Eoropa taloha, nefa “tsy miraharaha fivavahana intsony ny ankamaroan’ny olona” any, ka hiadiana amin’izany koa, hoy izy, no nanaovana ilay fihaonana.
Ireo Katolika mpandala ny nentin-drazana no tena nanakiana ilay fihaonana. Natahotra izy ireo sao hanamaivana ny foto-pinoan’ny fivavahany izy iny. Nanontaniana tao amin’ny televiziona Andriamatoa Vittorio Messori, mpanoratra katolika malaza, ka nilaza izy fa atahorana hampanjavozavo ny fahasamihafan’ny fivavahana iny fihaonana tany Assise iny. Marina fa efa nandray fepetra ny mpitondra fivavahana mba tsy hahatonga ny olona hihevitra azy iny ho fanakambanam-pinoana. Nanao fanambarana mihitsy koa aza ny papa mba hanaporofoana fa tsy fanakambanam-pinoana akory no anton’ilay fihaonana. Ho an’ny olona maro anefa, dia toa nampiseho izy iny fa samy manana ny fombany fotsiny ny fivavahana rehetra nefa andriamanitra iray ihany no tompoina.
Ny fivavahana sy ny fiadanana
Inona àry no azon’ny fivavahana atao mba hampanjakana ny fiadanana? ‘Izany ve tsy maneso?’, hoy angamba ny olona sasany. Toa mitarika ady mantsy no tena ataon’ny fivavahana fa tsy hoe misoroka azy io akory. Resahin’ny mpahay tantara fa ampiasain’ny fanjakana sy ny mpanao politika hitarihana ady ny fivavahana. Nahoana anefa ny fivavahana no manaiky ampiasain’izy ireo?
Manana ny lalàna masina, fara faharatsiny, ireo fivavahana kristianina, ka afaka manampy azy ireo izany mba tsy handray anjara amin’ny ady. Nilaza i Jesosy fa tsy ho “naman’izao tontolo izao” ny mpianany. (Jaona 15:19; 17:16) Raha nankatò izany teny izany ireo fivavahana kristianina, dia tsy ho nanohana ny fanjakana mihitsy izy ireo sady tsy ho nankasitraka sy nitso-drano ny miaramila sy ny ady.
Tsy tokony hiditra amin’ny raharaham-panjakana mihitsy ny mpitondra fivavahana, raha te hanaja ny fanekena natao tany Assise. Tsy maintsy ampianarin’izy ireo hitandro fihavanana koa ny mpiangona. Milaza anefa ny mpahay tantara fa ny ankamaroan’ireo mpanao herisetra eran-tany, dia olona mino an’Andriamanitra na milaza ho mino Azy. Nilaza ny gazety vaovao iray hoe: “Nisy nanoratsoratra an’ity teny tena mampieritreritra ity ny rindrin’i Washington, taoriana kelin’ny 11 Sept.: ‘Andriamanitra ô!, vonjeo izahay fa vonoin’ny olona mino anao.’”
Maro ny fanontaniana saro-baliana nipetraka taorian’ilay lanonana sy fombafomba tany Assise. Ity fanontaniana ity angamba anefa no lehibe indrindra sady manahiran-tsaina indrindra ho an’ireo mpivavaka: Nahoana Andriamanitra hatramin’izao no toa tsy mety mamaly ny vavaka ho an’ny fiadanana nataon’ny fivavahana eran-tany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manazava bebe kokoa momba ny andro nivavahana ho an’ny fiadanana tamin’ny 1986 Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! pejy 249, 250, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 7]
Mitazona jiro mirehitra ireo solontena, ho mariky ny fanantenana fiadanana
[Sary nahazoan-dalana]
AP Photo/Pier Paolo Cito
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
AP Photo/Pier Paolo Cito