FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/12 p. 3
  • Mbola Hisy ve ny Fiadanana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola Hisy ve ny Fiadanana?
  • Mifohaza!—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Mbola ho Foana ve ny Fampihorohoroana Indray Andro Any?
    Foto-kevitra Hafa
  • Nandriaka Foana ny Ra Teto An-tany
    Mifohaza!—2006
  • Ela ny Ela ka Hilamina Ihany ny Tany!
    Mifohaza!—2006
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/12 p. 3

Mbola Hisy ve ny Fiadanana?

“Toy ny hoe miaina . . . ao anatin’ny tafio-drivotra mandritra ny loza tsy roa aman-tany isika ankehitriny.”​—Gazety “La Repubblica”, Roma any Italia.

LASA manahy momba ny hoavy ny olona, taorian’ny fanafihan’ny mpampihorohoro tany Etazonia tamin’ny herintaona. Naverina tao amin’ny televiziona foana ny horonan-tsary mampiseho ny nianjeran’ireo Tranobe Kambana sy ny nirehetany ary ny fahakivian’ireo tafavoaka velona tamin’ilay loza. Tena nalahelo ny olona eran-tany rehefa nijery ireny horonan-tsary ireny. Tsapan’izy ireo koa fa toa niova tanteraka ny fiainana. Izany tokoa ve?

Raikitra ny ady taorian’ny 11 Septambra 2001. Lasa nifanaraka vetivety teo ireo firenena mpifahavalo mba hiara-miasa hanafoana ny fampihorohoroana. Rehefa dinihina, dia betsaka tokoa ny olona maty ary tena tafahoatra ilay fandravana. Ny tena fiovana goavana teo amin’ny fiainan’ny olona angamba anefa, dia ny hoe tsy milamin-tsaina intsony izy ireo ary tsy misy intsony olona tena voaro na aiza na aiza.

Miatrika olana goavana koa ny mpitondra maneran-tany. Mihevitra ny mpanao gazety sy ny mpilaza vaovao hoe tsy ho voasakana intsony ny firongatry ny asa fampihorohoroana. Toa vao mainka mantsy mirongatra izany, satria mahantra ny olona ary misy koa ireo mafana fo loatra amin’izay zavatra ataony. Ratsy izany, nefa toa tsy ahitan’iza na iza vahaolana. Efa be loatra koa ny tsy rariny eran-tany ka tsy ho tantin’ny olona intsony izany atsy ho atsy. Mieritreritra daholo ny olona hoe ‘Ho foana ihany ve ny zavatra mampahory antsika indray andro any? Hifarana ihany ve ny ady miaraka amin’ny fahoriana be sy fahafatesana ary fandravana aterany?’

Olona an-tapitrisa no mitady ny valin’izany any amin’ireo fivavahana lehibe. Tsy inoan’ny olona sasany anefa hoe hahavaly an’ireo fanontaniana ireo ny fivavahana. Ary ianao? Mino ve ianao fa ho voavalin’ny mpitondra fivavahana izany? Ary mety hanampy mba hampisy ny fiadanana eto an-tany ve ny vavak’izy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara