Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Polisy?
METY ho baranahiny ny fiainantsika, raha tsy misy polisy. Milamina ve anefa ny tanintsika, na dia misy polisy aza? Mitebiteby ny olona ankehitriny, na any an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Azontsika ianteherana ve ny polisy mba hanavotra antsika amin’ny fikambanan-jiolahy sy ny mpanao heloka bevava? Hanantena ve isika hoe tsy hampahatahotra intsony ny handeha eny amin’ny arabe, satria misy polisy? Hahafoana ny asan-jiolahy ve izy ireo?
Milaza ny heviny i David Bayley ao amin’ilay bokiny hoe Ny Polisy Amin’ny Hoavy (anglisy): “Tsy afaka manafoana ny asan-jiolahy ny polisy”, hoy izy. “Toy ny hoe fitsaboana vonjimaika fotsiny atao amin’ny aretim-be ny polisy. . . . Tsy afaka miantehitra amin’izy ireo isika, na dia nanolo-tena hisoroka ny asan-jiolahy aza izy ireo mba hiarovana ny mpiara-monina.” Zavatra telo no tena asan’ny polisy: Manao fisafoana ny lalana sy mamaly ireo antso ilana vonjy aina ary manao famotorana momba ny asan-jiolahy. Tsy manafoana ny asan-jiolahy anefa ireo asany ireo. Fa nahoana?
Tsy ho takatry ny vola ny hampiasa polisy be dia be mba hampitahorana ny jiolahy. Ary na takatry ny vola aza, dia toa tsy raharahain’izy ireo akory ny polisy maro be mpanao fisafoana. Tsy mampihena ny asan-jiolahy koa ny fahakingan’ny polisy. Milaza izy ireo fa tsy ho tratrany mihitsy ny jiolahy, raha tsy tonga any an-toerana ao anatin’ny iray minitra izy ireo. Efa fantatr’ireo jiolahy angamba fa mahalana vao tonga haingana toy izany ny polisy. Tsy tena nanampy koa ny fanaovana famotorana. Betsaka ny jiolahy voaheloka sy nigadra, nefa toa tsy nisoroka ny asan-jiolahy izany. Any Etazonia no tena betsaka jiolahy migadra, nefa mbola be dia be foana ny asan-jiolahy any. Vitsy kosa ny olona migadra any Japon, kanefa any no vitsy indrindra ny asan-jiolahy. Na dia nisy aza fomba hafa toy ny andrimasom-pokonolona, dia vetivety fotsiny izany no mandaitra, indrindra fa any amin’ireo faritra be asan-jiolahy. Nandaitra be ny fepetra hentitra noraisina momba ny heloka sasany, toy ny fivarotana rongony na ny fandrobana, saingy tsy naharitra koa izany.
Hoy ilay boky hoe Ny Polisy Amin’ny Hoavy: “Tsy tokony ho gaga loatra ny olona misaina raha tsy afaka manafoana ny asan-jiolahy ny polisy. Fantatra fa tsy afaka manova ny toe-piainana izy ireo sy ny fitsarana, ka izany no mahabetsaka ny asan-jiolahy eo amin’ny fiaraha-monina.”
Inona no hitranga raha tsy misy polisy?
Ahoana no hataonao raha tsy misy polisy miambina? Hanararaotra handika lalàna ve ianao? Mahavariana fa betsaka ny sokajin’olona lazaina fa antonontonony sy ambony, no tsy matahotra ny ho ratsy laza na hanimba ny hoaviny, ka manao raharaha maizimaizina mba hahazoana tombony tsy marina. Vao tsy ela izay, dia nilaza Ny Gazetin’i New York, fa olona 112 no voampanga ho nanao hosoka. Voarohirohy tamin’ny fisolokiana kompaniam-piantohana fiara izy ireo. Nisy mpisolovava sy dokotera samihafa ary mpiasan’ny Minisiteran’ny Polisy, tamin’ireo voampanga ireo.
Nisy fisolokiana be koa nataon’ireo tompon’andraikitra taloha tao amin’ny tranombarotra lehibe mpanao lavanty, dia ny Sotheby any New York sy Christie any Londres. Tsy nampoizin’ireo mpanan-karena mpampiasa vola eo amin’ny sehatry ny zavakanto izany. Voaheloka ho nametra vidiny tsy ara-dalàna tamin’ny entana ireo tompon’andraikitra ireo. Tsy maintsy nandoa lamandy sy onitra an-jato tapitrisa dolara izy ireo sy ny tranombarotra niandraiketany! Tsy mety ho voky vola tokoa ny olona, na inona na inona sarangany.
Hita tamin’ny zava-nitranga tany Recife, Brezila, tamin’ny 1997, nandritra ny fitokonan’ny polisy, fa betsaka ny olona tsy manara-dalàna rehefa tsy misy manakana. Tsy misy vokany eo amin’ny fitondran-tenan’izy ireo ny fivavahany, na inona izany na inona. Tsy sarotra amin’izy ireo ny mampandefitra na tsy miraharaha mihitsy ny fitsipi-pitondran-tena sy toro lalana. Tsy mahagaga àry raha tsy hahomby mihitsy ny ezaka ataon’ny polisy any amin’ny ankamaroan’ny tany, satria mirona ho mpandika lalàna izao tontolo izao, na fandikan-dalàna kely izany na be.
Misy olona manara-dalàna kosa anefa, satria manaja ny fahefana izy ireo. Nilaza tamin’ny Kristianina tany Roma i Paoly apostoly, fa tokony hanaja ny manam-pahefana izy ireo. Mbola avelan’Andriamanitra ho eo izy ireny satria mandrindra ny fiaraha-monina ihany. Momba izany fahefana izany no nanoratan’i Paoly hoe: “Mpanompon’Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy. Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.”—Romana 13:4, 5.
Fanovana ny toe-piainana
Marina fa manatsara ny toe-piainana ihany ny asan’ny polisy. Hita fa tsy misy herisetra sy mpivarotra rongony eny amin’ny arabe, ary miezaka hiaina mifanaraka amin’ny fivoaran’ny fiaraha-monina ny olona. Tsy vitan’ny polisy anefa ny hanova tanteraka ny toe-piainana.
Eritrereto hoe manara-dalàna daholo ny olona ao amin’ny firenena iray, ka tsy mila polisy! Eritrereto koa hoe mifampiahy ny mpiray tanàna eran’izao tontolo izao, ary vonona hifanampy foana ka tsy mila miantso polisy. Tsy mampino angamba izany! Mihatra anefa ity tenin’i Jesosy ity, na dia tsy momba izany aza no antony nilazany azy: “Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”—Matio 19:26.
Miresaka ny Baiboly fa ho avy ny fotoana haneken’ny olombelona fanjakana iray haorin’i Jehovah Andriamanitra. “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana . . . Fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny.” (Daniela 2:44) Hampianatra ny olona ny fitiavan’Andriamanitra io fanjakana vaovao io, ka hanova ny toe-piainana izay mahatonga asan-jiolahy. “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9) Hahavita hanafoana ny asan-jiolahy i Jesosy, ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah. “Tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny; fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany.”—Isaia 11:3, 4.
Tsy hisy intsony ny jiolahy sy ny asa ratsiny. Tsy hilaina intsony ny polisy. “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny [ny olona], ary tsy hisy hanaitaitra azy.” (Mika 4:4) Fotoana tokony hamantaranao izay ampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny izao, raha tianao ny ho anisan’ilay “tany vaovao” resahin’ny Baiboly.—2 Petera 3:13.
[Teny notsongaina, pejy 12]
Eritrereto hoe manara-dalàna daholo ny olona ao amin’ny firenena iray, ka tsy mila polisy!
[Teny notsongaina, pejy 12]
Tsy hisy intsony ny jiolahy sy ny asa ratsiny
[Efajoro/Sary, pejy 11]
Polisy Miady Amin’ny Mpampihorohoro
Hita tamin’ny zava-niseho tany Etazonia, tamin’ny 11 Septambra 2001, fa tena sarotra amin’ny polisy ny miaro ny vahoaka amin’ny jiolahy ana habakabaka sy ny mpaka takalon’aina ary ny mpampihorohoro. Andia-miaramila manokana any amin’ny tany maro, no nampiofanina hiditra haingana ao anaty fiaramanidina mipetraka. Nianaran’izy ireo koa ny fomba fidirana tampoka ao amin’ny trano, toy ny fidinana amin’ny tady avy eny amin’ny tafo, fidirana avy eny am-baravarankely, fanipazana grenady mahatorana sy fandefasana etona mandatsa-dranomaso. Nahatratra sy nandresy mpampihorohoro ireny polisy voaofana ireny matetika, ary tsy niharan-doza firy ireo takalon’aina.
[Sary nahazoan-dalana]
James R. Tourtellotte/U.S. Customs Service
[Sary, pejy 12]
Zavatra tsy hilaina intsony ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra