Avy Amin’ny Mpamaky
Avy amin’ny mpampanonta: Nahazoana taratasy be dia be avy tamin’ny mpamaky ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Mamy ny Miaina.” (8 Novambra 2001) Mahafaly izany satria miezaka manolotra fanazavana mahasoa sady ara-baiboly ny “Mifohaza!”, mba hanampiana ny olona avy amin’ny firenena sy fiaviana ary fivavahana rehetra hahay hiatrika ny olana ankehitriny.
Mpamaky Mifohaza! efa hatramin’ny ela aho, fa tsy nisy nampihetsi-po ahy toy ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Mamy ny Miaina.” Ketraka mafy aho, herintaona lasa izay, ary naniry ho faty. Nanome toky ahy indray ireo lahatsoratra ireo fa takatr’Andriamanitra ny fahalementsika.
S. H., Japon
Kivy aho noho ilay fanafihana ny Tranobe Kambana tany New York. Naniry hamono tena aho indraindray saingy tsy nety nanaiky mihitsy aho hoe nisy zavatra tsy nety tato amiko. Hahazo ny fanampiana ilaiko aho ary hanaraka ny soso-kevitra ao amin’ilay lahatsoratra.
M. M., Etazonia
Tsy salama aho ka nieritreritra ny hamono tena. Noresahiko tamin’ny olona izany faniriako izany, mody nataoko vazivazy indraindray, mba hahitako ny fihetsik’izy ireo. Latsa-dranomaso aho rehefa namaky fa mihaino sady miahy antsika foana Andriamanitra. Nanova tanteraka ny fahitako ny fiainana iny gazety iny.
T.E.J., Kanada
Efa an-taonany maro aho no ketraka, ary tena nieritreritra ny hamono tena mihitsy, vao haingana. Efa handeha hanao izany aho no nahatsiaro fa nilaza ny fizarana farany tamin’ilay fitohitohizan-dahatsoratra tao amin’ilay Mifohaza! hoe ilaina ny miresaka amin’ny olona iray. Noresahiko tamin’ny vadiko àry fa te hamono tena aho. Nisakana ahy tsy hanatanteraka ny faniriako izany. Namonjy ny aiko iny fitohitohizan-dahatsoratra iny!
M. B., Etazonia
Nisy pilina fampatoriana eran’ny kaopy teo anoloako, herinandro vitsivitsy talohan’ny nivoahan’iny gazety iny, ka nanontany tena toy ny tao amin’ilay lahatsoratra aho hoe: “Hohaniko ve ireto sa tsia?” Tapa-kevitra aho fa tsy hamono tena indray noho ny gazetinareo. Misy fiantraikany eo amin’ny saina ny aretina sasany ka mahatonga antsika te ho faty. Mampihetsi-po anefa ny mahita fa miahy ny olona Andriamanitra, na dia ireo toa tsy mankasitraka intsony ny fiainana nomena azy aza.
E. S., Italia
Noresahiko tamin’ny dokoterako ny fanazavana tao amin’ireo lahatsoratra ireo. Nolazaiko taminy fa tena nanampy ahy izy ireo. Ny fanomezan-toky fotsiny hoe sarobidy eo imason’Andriamanitra aho dia efa nahatonga ahy tsy te ho faty. Hivavaka foana aho mba hamoaka lahatsoratra toy ireny hatrany ianareo!
J. S., Etazonia
Nihevitra aho fa tsy nisy olona nahatakatra ny nanjo ahy, ka nanomboka nieritreritra aho hoe tsara raha maty. Nanampy ahy hahatsiaro ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana anefa ireo lahatsoratra ireo. Tsy te ho faty intsony aho!
M. M., Japon
Vehivavy Vonoin’ny Vadiny Misaotra noho ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ampio ny Vehivavy Vonoin’ny Vadiny.” (8 Desambra 2001) Mbola kely aho dia efa nahita ny reniko novonoin’ny raiko isan’andro. Novonoiny koa izaho sy ireo rahavaviko avy eo. Tena nankahala lehilahy aho rehefa nihalehibe. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izahay mianakavy tatỳ aoriana. Tsy mora tamin’i Dada ny nanova ny fihetsiny, nefa noho ny fanampian’i Jehovah dia nanomboka tsapany fa tsy afaka hampifaly an’Andriamanitra izy raha mampijaly ny zavaboariny mahafinaritra. Niova tsikelikely izy, ary malemy fanahy be izy izao. Lasa tia azy amin’ny foko manontolo aho.
G. B., Etazonia