FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/6 p. 28-29
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Voka-dratsin’ny Setro-tsigara
  • Bokin-tsarintany Vaovao Momba ny Fandotoana ny Hazavana
  • Sarintanin’ny Fanambanin’ny Ranomasina
  • Fanesorana Hevi-diso Momba ny Aretin-tsaina
  • ‘Mety Hanimba ny Fahasalamanao ny Emboka Manitra’
  • Fomba Maoderina Fanamboarana Marbra Simba
  • Fangalarana Amin’ny Anaran’Andriamanitra
  • Mampitombo Haingana ny Loza ny Tanintsika Mihamafana
  • Ireo Loza Araka ny Natiora — Famantarana ny Fotoana Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nahoana no Be dia Be ny Loza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Loza Araka ny Natiora?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/6 p. 28-29

Topy Maso Eran-tany

Voka-dratsin’ny Setro-tsigara

“Hahazo aretim-po ny olona salama tsy mifoka sigara, raha miaritra setro-tsigara mandritra ny 30 minitra monja”, hoy ny gazety kanadianina Globe and Mail, momba ny fanadihadiana natao vao haingana tany Japon. Nampiasa teknika vaovao ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Osaka, ka afaka namaritra tsara ny voka-dratsin’ny setro-tsigara eo amin’ny selan’ny fo sy lalan-dra. Raha salama ireo sela ireo, dia afaka misakana ny loto tsy hiangona ao anaty lalan-dra sy misakana ny ra tsy hivaingana. Mikoriana tsara ny ra amin’izay. Hitan’ireo mpikaroka fa ny fikorianan’ny ra ao amin’ny fon’ny olona tsy mifoka sigara dia “tsara kokoa noho ny an’ny mpifoka. Raha miaina ao anaty setro-tsigara mandritra ny 30 minitra monja anefa izy”, dia lasa ratsy toy ny an’ny mpifoka indray ny fikorianan’ny rany. “Izany dia mampiseho tsara ny voka-dratsin’ny setro-tsigaran’ny mpifoka eo amin’ny fon’ireo tsy mpifoka”, hoy ny Dr. Ryo Otsuka.

Bokin-tsarintany Vaovao Momba ny Fandotoana ny Hazavana

“Nanjavona ny Voie Lactée”, hoy ny gazety Science. “Tsy kintana nifandona anefa no nahatonga izany, fa ireo jiro mazava ben’ny tanàn-dehibe, izay manakona ny kintana ao amin’ny vahindanitra misy antsika tsy ho hitan’ny ankamaroan’ny Eoropeanina sy Amerikanina. Sosotra ireo astronoma, satria voahelingelin’io hazavana tsy voajanahary be loatra io ny fandinihana ataon’izy ireo.” Nanao bokin-tsarintany vaovao, azo jerena amin’ny Internet, ny mpahay siansa any Italia sy Etazonia, mba hanampiana ireo astronoma kivy ireo. Milaza ny Science fa tsy sahala amin’ireo sarintany taloha izy io, satria tsy ny toerana misy “jiro manjelanjelatra amin’ny alina any amin’ireo kontinanta” ihany no asehony. “Asehony ao koa ny sarin’ny kontinanta sy ny sarintany hafa feno tsipiriany, toy ireo toerana any Eoropa izay ahitana tsara kokoa ny kintana.”

Sarintanin’ny Fanambanin’ny Ranomasina

Nampiasa ny fahaizana teknika efa misy ny mpahay siansa ao amin’ny Fikambanan’i Bedford Mpandinika ny Ranomasina any Nouvelle-Écosse, ka nanao sarintanin’ny fanambanin’ny ranomasina, hoy ny gazety kanadianina Financial Post. Onjam-peo madinika maro be no ampiasaina amin’izany, ka mahavoaka sary mitovitovy amin’ny tena izy ny mpahay siansa. Amin’ny farany, dia “andefasana fakan-tsary vidéo ny any ambany ranomasina, ary akana santionan-javatra.” Lazain’ilay tatitra fa “misy tombony be dia be ny fanaovana sarintanin’ny fanambanin’ny ranomasina.” Trondro maro isan-karazany miaina any ambany any no “azo jonoina soa aman-tsara, nefa tsy manelingelina ny faritra hafa. Afaka mamantatra ny fomba azo antoka sy tsara indrindra hametrahana kabla any ambanin’ny rano koa ireo kompanian’ny fifandraisan-davitra. Afaka mahita ny toerana mety sy mamokatra tsara hanaovana fitrandrahana ireo kompanian-tsolitany.” Mety hanampy koa ilay sarintany, mba hanangonana fasika sy vatokely, izay be dia be any ambany any. “Mety ho mora kokoa sy tsy hampidi-doza kokoa” izany, raha oharina amin’ny famakiana vato eny an-tendrombohitra, hoy ny Post.

Fanesorana Hevi-diso Momba ny Aretin-tsaina

“Olona iray ao anatin’ny efatra no ho voan’ny fikorontanan’ny saina na ny atidoha, indray mandeha eo amin’ny fiainany”, hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Tsy manatona mpitsabo mihitsy ny androatokon’ireo marary, na dia azo tsaboina aza ny aretin-tsaina maro. “Tsy fahadisoana ny hoe voan’ny aretin-tsaina”, hoy ny Dr. Gro Brundtland, tale jeneralin’ny OMS. “Raha ny marina, dia ny fomba fiheverantsika an’ireo voan’ny aretin-tsaina no misy fahadisoana.” Hoy koa izy: “Manantena aho fa hampisava ireo fisalasalana sy hevi-diso nisy hatramin’ny ela ity tatitra ity, ka hitondra fomba fijery vaovao momba ny aretin-tsaina.” Raha ny toe-pahasalamana ankehitriny no jerena, hoy ny OMS, dia “ny fikorontanan-tsaina vokatry ny fahaketrahana ... no hitana ny toerana voalohany, alohan’ny aretina hafa rehetra, afa-tsy ny aretim-po, amin’ny taona 2020.” Raha tsaboina tsara anefa ireo marary, dia “afaka hanana fiainana misy vokany tsara ary ho mpikambana tena ilain’ny fiaraha-monina.”

‘Mety Hanimba ny Fahasalamanao ny Emboka Manitra’

“Mety hanimba ny fahasalamanao ny fameroveron’ny emboka manitra”, hoy ny gazety New Scientist. “Mampidi-doza ny setroka feno zavatra simika miteraka kansera avy amin’ny emboka manitra. Matetika anefa ny Bodista sy Hindoa ary Kristianina no mandoro azy io ao an-tranony na any amin’ny toerana ivavahany, ho fampisaintsainana na fanafody.” Nanao fanandramana ny ekipa notarihin’i Ta Chang Lin, ao amin’ny Oniversite Cheng Kung any Tainan, any Taïwan. “Naka santionana rivotra tao anatiny sy ivelan’ny tempoly iray tao Tainan izy ireo, ary nampitaha izany tamin’ny rivotra teny amin’ny fihaonan-dalana”, hoy ilay tatitra. “Ny habetsahan’ny gaza maloto tao anaty tempoly dia avo 19 heny noho ny habetsahan’ny gaza teny ivelany, ary mahery kely noho ny teny amin’ilay fihaonan-dalana.” Nilaza ny New Scientist fa hita tao amin’io santionana rivotra io ny gaza iray “heverina ho mahatonga ny kanseran’ny havokavoka ao amin’ny mpifoka sigara, ary avo 45 heny noho ny tao amin’ny trano misy mpifoka sigara ny habetsahany.”

Fomba Maoderina Fanamboarana Marbra Simba

Milaza ny gazety The Times any Londres fa “nahita teknika vaovao tanteraka ny mpahay siansa, satria afaka namokatra marbra avy tamin’ny bakteria, tao anatin’ny andro vitsivitsy.” Ampitomboina ao anaty fitoerana misy ranoka manokana, any amin’ny laboratoara, ny bakteria bitika kely fahita ao anaty tany. Rehefa lany ny mineraly ivelomany, dia maty ireo bakteria, ka mamoaka karibonetra misy kalsioma, na marbra, ao anatin’ilay ranoka. Rehefa itifirana ny sary sokitra na faritra marbra hafa, izay efa tonta na simban’ny masoandro sy ny orana, io ranoka io, dia manarona ilay faritra toy ny loko manify, ka mitsofoka any anatiny ary mampiraikitra ilay vato. Misy tombony ilay teknika vaovao, hoy i John Larson, talen’ny fikajiana ny sary sokitra ao amin’ireo Tranombakoka sy Trano Fampisehoana any Merseyside, any Angletera. Efa tsy misy firy intsony tokoa ny marbra tena tsara, nefa haingana sy mora vidy ny famokarana ranoka marbra be dia be, ary tsy misy vokany ratsy.

Fangalarana Amin’ny Anaran’Andriamanitra

Hoy i Deborah Bortner, prezidàn’ny Fikambanan’ny Mpitantan-draharaha Momba ny Fampiasam-bolan’ny Faritra Avaratr’i Amerika: “Mpanara-maso ny fampiasam-bola efa hatramin’ny 20 taona aho. Hitako fa betsaka kokoa ny vola nangalarina tamin’ny anaran’Andriamanitra, noho ny nangalarina tamin’ny fomba hafa. Rehefa mampiasa vola ianao, dia tsy tokony hampihena ny fitandremanao, satria fotsiny hoe midera ny fivavahanao na ny finoanao ilay mila ny volanao.” Hoy ny gazety Christian Century: “Tao anatin’ireo telo taona lasa, dia nisy mpanara-maso ny fampiasam-bola tany amin’ny fanjakana 27, nitory olona sy kompania an-jato, izay nampiasa ny fivavahana mba hahazoana ny fitokisan’ireo mpampiasa vola. . . . Nisy raharaha iray fanta-bahoaka, naharitra [dimy taona mahery]”, nahakasika fikambanana protestanta iray, izay “nahazo vola maherin’ny 590 tapitrisa dolara avy tamin’ny mpampiasa vola 13 000 mahery nanerana ny firenena. Nakaton’ny mpanara-masom-panjakana ilay fikambanana tamin’ny 1999, ary tompon’andraikitra telo tao aminy no niaiky fa nanao hosoka.” Lazain’ny Christian Century fa nisy raharaha telo hafa “namoizana vola nitentina 1 500 tapitrisa dolara.”

Mampitombo Haingana ny Loza ny Tanintsika Mihamafana

Nilaza ny Vokovoko Mena fa “nitombo tampoka ny loza vokatry ny toetrandro tamin’ny faran’ireo taona 1990.” Heveriny fa “tsy haharaka ny vokatry ny tanintsika mihamafana ny fanomezana fanampiana eran-tany”, hoy ny gazety Guardian Weekly, any Grande-Bretagne. “Araka ny Tatitra Momba ny Loza Eran-tany navoakan’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Fikambanana Vokovoko Mena sy Tsinam-bolana Mena, dia tafakatra ho 392 tamin’ny 2000 ny tondra-drano, rivo-doza, tany mihotsaka sy hain-tany, nefa 200 teo ho eo izany talohan’ny 1996.” Matahotra i Roger Bracker, filohan’ny federasiona mpanome fanampiana, sao vao mainka hitombo be ny loza ateraky ny natiora. Hoy izy: “Misy fetrany ihany ny azon’ny mpanao asa soa atao, ary matahotra izahay sao ho avy ny fotoana tsy hahafahanay hanampy intsony.” Araka ny Guardian, dia “ny tondra-drano no tompon’andraikitra tamin’ny fahavoazan’ny androatokon’ireo olona [211 tapitrisa] tratran’ny loza isan-taona, tao anatin’ireo folo taona lasa. Mosary kosa no tompon’andraikitra tamin’ny fahavoazan’ny 20% amin’ireo olona ireo sy tamin’ny ankamaroan’ny fahafatesana, izany hoe ny 42%.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara