Avy Amin’ny Mpamaky
Famakiana Baiboly Misaotra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Inona no Hataoko mba Hahafinaritra Kokoa ny Famakiako Baiboly?” (8 Septambra 2001) Nihevitra foana aho hoe tsy mahaliana ny mamaky Baiboly ary tsy ho vitako mihitsy ny hamita boky matevina toa azy io. Noho iny lahatsoratra iny anefa, dia nanandrana namaky Baiboly aho, ary hitako fa tena mahaliana izy io. Mamaky Baiboly tsy tapaka aho izao.
M. S., Alemaina