FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/13 p. 6-9
  • Inona Marina ny Halloween?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona Marina ny Halloween?
  • Mifohaza!—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Niandohan’ny Halloween?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
  • Ny Antony Tsy Ankalazako ny Halloween
    Mifohaza!—2006
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 9/13 p. 6-9

MATOAN-DAHATSORATRA

Inona Marina ny Halloween?

Mahafantatra olona mankalaza Halloween ve ianao? Fety malaza be any Etazonia sy Kanada izy io, ary atao isaky ny 31 Oktobra. Misy fety sahala amin’izy io anefa ataon’ny olona eran-tany. Ny anarany fotsiny no samy hafa, fa izy rehetra samy misy resaka fanahin’ny maty, na matoatoa, na mpamosavy, na devoly sy anjely ratsy mihitsy.—Jereo ilay hoe “Fety Mitovy Amin’ny Halloween.”

BETSAKA amin’ireo mankalaza Halloween sy fety mitovitovy aminy no tsy tena mino ny matoatoa na angatra. Mba te hifety fotsiny izy ireo sady tiany koa ny zanany haka sary an-tsaina zavatra isan-karazany. Misy koa anefa no mino fa ratsy ireny fety ireny. Nahoana?

  1. Hoy ny rakipahalalana iray: “Ny tena tanjon’ny Halloween dia ny hifandraisana amin’ny fanahin’ny maty sy herin’ny maizina ary fanahy ratsy mampitahotra na mety hanisy ratsy.” (Jereo ilay hoe “Ny Tantaran’ny Halloween.”) Ireo fety mitovitovy amin’ny Halloween koa samy avy amin’ny fanompoan-tsampy sy fivavahana amin’ny razana. Olona maro eran-tany no mbola miezaka mifandray amin’ny maty, rehefa amin’ireny fotoana ireny.

  2. Fety amerikanina no tena ahafantarana ny Halloween, nefa mihamaro foana isan-taona no lasa mankalaza azy io. Tsy fantatr’izy ireny anefa fa avy amin’ny fanompoan-tsampy ny fombafomba sy zavatra ampiasaina amin’ny Halloween. Tsy azony an-tsaina koa fa misy resaka herin’ny maizina sy matoatoa na fanahy ratsy ilay izy.—Jereo ilay hoe “Ahoana no Niandohany?”

  3. Nankalaza ny fetin’ny maty ny Selta fahiny (mponina tany Irlandy sy ny manodidina). Antsoina hoe Samain ilay izy, ary io no niavian’ny Halloween. Mbola manao azy io ny Wicca, fivavahana mpanompo sampy. Alina masina indrindra io amin-dry zareo ary mbola antsoiny hoe Samain. Hoy ny mpisikidy iray ao amin’ny Wicca, tao amin’ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy): ‘Mankalaza ny fetinay ny Kristianina, fa ry zareo fotsiny no tsy tonga saina. Vao mainka tianay koa izany.’

  4. Mifanohitra amin’ny Baiboly ny fety toy ny Halloween. Izao mantsy no voalaza ao: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mpilalao ody, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra, na olona manontany amin’ny maty.’—Deoteronomia 18:10, 11; jereo koa ny Levitikosy 19:31; Galatianina 5:19-21.

Afaka mifaly ny fianakaviana, na dia tsy mankalaza Halloween sy fety mitovy aminy aza

Araka izany àry, dia avy amin’ny fanompoan-tsampy ny Halloween sy ny fety mitovitovy aminy. Tsy ilaina fantarina ve izany, hoy ianao? Raha azonao tsara mantsy ilay izy, dia na ianao aza mety hiombon-kevitra amin’ireo tsy mankalaza azy io.

‘Mankalaza ny fetinay ny Kristianina, fa ry zareo fotsiny no tsy tonga saina. Vao mainka tianay koa izany.’—Tenin’ny mpisikidy iray, tao amin’ny gazety Etazonia Ankehitriny

FETY MITOVY AMIN’NY HALLOWEEN

Any Amerika no tena malaza ny Halloween. Efa mihamaro anefa izao no manao azy io eran-tany. Fety maro koa no mitovitovy amin’izy io satria misy resaka fanahy sy herin’ny maizina. Anisan’izany ireto:

  • Amerika Avaratra - Fetin’ny Maty

  • Amerika Atsimo - Kawsasqanchis (mampisakafo an’ireo maty)

  • Eoropa - Fetin’ny Maty sy fety mitovy amin’ny Halloween

  • Afrika - Dihin’ny Egungun Misaron-doha (dihy iantsoana fanahy)

  • Azia - Fety O-bon (misy dihy ho an’ny maty)

AHOANA NO NIANDOHANY?

Ny Nahatonga ny Fanao sy Zavatra Sasany Amin’ny Halloween

VATOMAMY: Nomen’ny Selta zava-mamy ireo fanahy ratsy mba tsy ho tezitra. Tatỳ aoriana koa, dia nampirisika ny mpiangona ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina mba hitety trano ny alina alohan’ny Fetin’ny Maty, ka hivavaka ho an’ny maty ary hangataka vatomamy na zavatra hafa avy eo. Lasa fanao amin’ny Halloween ilay mangataka vatomamy.

AKANJO SY SARON-TAVA: Nanao saron-tava mampahatahotra ny Selta fahiny. Amin’izay, hono, ny matoatoa tsy mampijaly azy ireo satria mihevitra hoe fanahy koa ry zareo. Nanao akanjona olo-masina na anjely na devoly koa ny Kristianina sasany tatỳ aoriana sady nitety trano. Naka tahaka ny fanaon’ny mpanompo sampy mantsy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina rehefa nankalaza Fetin’ny Maty sy Fetin’ny Olo-masina.

VOATAVO: Tsy voatavo fa nave no nampiasaina taloha. Noloahana ilay izy, dia nasiana labozia nirehitra mba handroahana ny fanahy ratsy. Nisy koa nihevitra fa toy ny fanahy ao amin’ny afofandiovana ilay labozia ao anaty nave. Voatavo indray no be mpampiasa tatỳ aoriana.

VAMPIRA, MPAMOSAVY, LOLOVOKATRA: Efa hatramin’izay mihitsy ny olona no mieritreritra fanahy ratsy sy herin’ny maizina, raha vao ireo no resahina.

NY TANTARAN’NY HALLOWEEN

TAONJATO FAHADIMY TALOHAN’I KRISTY

Nankalaza ny Samain ny Selta fahiny rehefa faran’ny volana Oktobra, satria noheverin’izy ireo fa amin’io no tena mihelohelo etỳ an-tany ny angatra sy ny demony.

TAONJATO VOALOHANY AORIAN’I KRISTY

Nanjanaka ny Selta ny Romanina ka lasa nankalaza ny Samain koa.

TAONJATO FAHAFITO

Voalaza fa namorona ny Fetin’ny Olo-masina Rehetra ny Papa Boniface IV, mba hanomezam-boninahitra an’ireo maritiora. Lasa nankalazaina isan-taona izy io.a

TAONJATO FAHA-11

Natokana hahatsiarovana ny maty ny 2 Novambra, ary nantsoina hoe Fetin’ny Maty.

TAONJATO FAHA-18

Nivoaka tamin’ny boky sy gazety amin’izay ilay anarana hoe Halloween fa tsy natao intsony hoe Hallowe’en na Hallow Evening, midika hoe “Alin’ny Olo-masina.”

TAONJATO FAHA-19

Olona an’arivony avy any Irlandy no nifindra tany Etazonia, ka nitondra an’ireo fanao amin’ny Halloween. Nifangaro tamin’ny fanaon’ny mpifindra monina avy tany an-tany hafa koa anefa ilay izy, anisan’izany ny avy tany Grande-Bretagne sy Alemaina ary Afrika.

TAONJATO FAHA-20

Lasa fety nalaza eran’i Etazonia ny Halloween.

TAONJATO FAHA-21

Tafakatra ho an’arivony tapitrisa dolara ny tombony azon’ny mpivarotra eran-tany, noho ny Halloween.

a Midika hoe “olo-masina” ny hoe hallow, ka nantsoina hoe All Hallow’s Day ny Fetin’ny Olo-masina Rehetra. Ny alina talohan’io fety io no natao hoe All Hallow Even, ka lasa hoe Halloween rehefa nohafohezina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara