Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ahoana no Ataoko Amin’ny Olona Tezitra?
“Romotra izy. Hitany angamba hoe kely aho, dia notadiaviny hovonoina. Sady nandosidositra aho no nilaza hoe: ‘Aoka aloha! Aoka aloha! Iray minitra fotsiny! Nahoana aho no hovonoinao? Izaho ange tsy naninona anao e. Tsy fantatro akory izay mampahatezitra anao. Tsy aleo ve aloha miresaka e?’”—Davida, 16 taona.
EFA nisy mpampijaly kely tezitra taminao ve? Voalazan’ny Baiboly mialoha fa ho “lozabe, tsy tia ny tsara” ny olona amin’izao androntsika izao. (2 Timoty 3:3) Na dia efa niezaka ny tsy ‘hisakaiza amin’ny olona mora tezitra ... sy ny olona foizina’ aza ianao, dia mety ho sendra olona tezitra ihany indraindray. (Ohabolana 22:24) Inona no tokony hataonao rehefa mitranga izany?
Ny tokony hatao amin’ny olona tezitra
Mety ho tezitra avy hatrany koa ny tanora maro ankehitriny, rehefa misy tezitra aminy. Vao mainka hiteraka alahelo anefa izany. Ambonin’izany, dia hitovy amin’ilay olona tezitra ianao rehefa tsy mahafehy tena. Hoy ny Ohabolana 26:4: “Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa hianao.” Efa voa i Jeremia vao niaiky hoe marina ireo teny ireo. Tsaroany ilay izy nisakafo antoandro tany an-tsekoly iny: “Nisy tovolahy maromaro tia mifanadala sy manadala olon-kafa. Miresaka momba ahy izy ireo matetika. Odiako tsy re foana ny resany. Tsy aritro mihitsy anefa raha vao niresaka an’i Neny ny iray tamin’izy ireo, ka tonga dia nisafoaka aho namely azy.” Ny vokany? “Voany mafy mihitsy aho”, hoy i Jeremia.
Manome izao torohevitra feno fahendrena izao ny Baiboly: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Vao mainka manasaro-javatra fotsiny ny manao “teny maharary” amin’ny olona tezitra. Matetika kosa ny teny mora no mampitony sy mandamin-javatra.
Tsarovy i Davida, ilay voaresaka teo am-piandohana. Afaka niresaka tamin’ilay mpampijaly kely izy, ka nahafantatra ny antony nampahatezitra azy io. Hay nisy nangalatra ny sakafony, ka te hanampatra ny hatezerany tamin’izay olona tojo azy voalohany izy. “Angaha raha hovonoinao aho dia ho voasolo ny sakafonao?”, hoy i Davida. Nasain’i Davida niaraka taminy tany amin’ny toeram-pisakafoana izy. “Voasoloko ny sakafony”, hoy i Davida, “satria fantatro ilay mpiasa tao. Nifandray tanana izahay, ary lasa nisariaka tamiko foana izy.” Manan-kery tokoa ny teny malefaka, sa tsy izany? Manamafy izany ny ohabolana iray hoe “ny vava malefaka mahatapa-taolana.”—Ohabolana 25:15.
Tanjaka sa fahalemena ny fahalemem-panahy?
Marina fa mety tsy ho voasarika hanana “vava malefaka” loatra ny olona. Mety hihevitra ianao fa tena mafy rehefa mamaly ny hatezerana amin’ny hatezerana. Mety hatahotra mihitsy aza ianao sao hoheverin’ny olona fa malemy raha malemy fanahy. Inona anefa no dikan’ny hoe malemy fanahy? Araka ny boky iray, ny hoe malemy fanahy dia midika hoe tsara fanahy. Manampy toy izao anefa io boky io: “Misy tanjaka toy ny vy ao ambadik’io hatsaram-panahy io.” Araka izany, dia tsy mampiseho fahalemena velively akory ny fahalemem-panahy, fa mety hampiseho tanjaka. Nahoana?
Mahafehy tena ary tsy mora sendaotra mantsy ny olona malemy fanahy. Ny olona tsy malemy fanahy kosa anefa, dia toa tsy milamin-tsaina, diso fanantenana, na mamoy fo mihitsy aza. Tsy mahafehy tena koa izy. Mora miady amin’olona izy, satria saro-po. Eny, “tanàna rava tsy misy mànda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.” (Ohabolana 25:28) Ny olona malemy fanahy àry no matanjaka!
Olona malemy fanahy ao amin’ny Baiboly
Diniho ny ohatr’i Jesosy Kristy. Milaza ny tenany ho “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy. (Matio 11:29) Tsy mba nasiaka be, na nanao ny tsy rariny izany mihitsy izy, ary tsy namaly ratsy ny ratsy. Izao mihitsy no nolazain’ny apostoly Petera, anisan’ny namany akaiky: “Raha notevatevaina [i Jesosy], dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina.” (1 Petera 2:23) Tadidio anefa fa io Jesosy io ihany no ‘niditra teo an-kianjan’ny tempolin’Andriamanitra, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy.’ (Matio 21:12) Afaka nangataka “anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona” tamin-dRainy koa i Jesosy, raha sendra nila izany! (Matio 26:53) Tena tsy nalemy velively izy.
Diniho koa ny ohatra navelan’i Gideona Mpitsara, ao amin’ny Mpitsara 8:1-3. Nisy tezitra tamin’i Gideona ny lehilahy tamin’ny fokon’ny Efraima, taorian’ny fandresena niezinezina tamin’ny ady iray. Noheverin’izy ireo mantsy fa tsy navela ho any an’ady mba hiara-mahazo voninahitra amin’ny hafa izy. Hoy izy ireo: “Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory hianao raha handeha hiady amin’ny Madiana? Sady nilàny sotasota izaitsizy izy.” (Fandikan-teny Katolika) ‘Lehilahy nahery’ i Gideona tamin’izay. (Mpitsara 6:12) Ho mora tamin’i Gideona ny nampiseho herisetra tamin’izy ireo hamaliana ny fihantsiany. Nampitony tanteraka ny hatezeran’ireo olona romotra ireo anefa ny teny mora nomeny. Nanontany i Gideona hoe: “Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’izay nataonareo?” Ny vokatr’izany fanetren-tena izany? “Nitony ny fahatezeran’ireo taminy.”
Farany, diniho ny tantaran’ny vehivavy iray atao hoe Abigaila ao amin’ny Baiboly. Nandositra an’i Saoly, mpanjakan’i Isiraely sady fahavalony, i Davida. Matetika ireo zatovon’i Davida no niambina sy niaro ireo Isiraelita namany, na dia tany an-tsesitany aza. Nampian’izy ireo, ohatra, i Nabala, lehilahy mpanefohefo, vadin’i Abigaila. “Saro-po sy ratsy amin’izay ataony” anefa izy io. Nangataka sakafo taminy ny zatovon’i Davida, rehefa nila vatsy. Tsy naneho fankasitrahana ny fiarovana avy tamin’ny olon’i Davida akory anefa i Nabala. “Nisafoaka” tamin’ireo irak’i Davida kosa izy ary tsy nanome na inona na inona azy ireo.—1 Samoela 25:2-11, 14.
Tezitra i Davida nony nandre izany, ka nibaiko ny olony hoe: “Samia manao ny sabatrareo eo amin’ny fehin-tsabany avy hianareo.” Ndeha hamono an’i Nabala sy izay lehilahy tsy manan-tsiny rehetra tao an-tranony i Davida sy ny olony, no nisalovana i Abigaila. Nomeny sakafo sy zava-pisotro tondraka i Davida rehefa nifanena taminy. Niala tsiny noho ny haratsiam-panahin’ny vadiny izy, ary nangataka an’i Davida mba hitsimbina ny ain’ny tsy manan-tsiny.—1 Samoela 25:13, 18-31.
Nampitony ny fahatezeran’i Davida ny fitalahoan’i Abigaila tamim-panetren-tena. Tsapany fa saika nampidi-doza ny hatezerany, ka hoy izy: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko andro-any. Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie hianao, izay niaro ahy andro-any tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra ary tsy hamaly ho an’ny tenako.” (1 Samoela 25:32-35) Eny, matetika no mampianina ny fahatezeran’ny hafa ‘ny famaliana mora.’ Ahoana anefa raha tsy izany no vokany na dia mamaly mora aza ianao?
“Ilaozy ny fifandirana”
Azonao atao ny mandao an’ilay olona romotra, mba tsy hanaratsy kokoa ny tarehin-javatra. “Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo”, hoy ny Baiboly. Manoro hevitra toy izao koa izy io: “Ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” (Ohabolana 17:14; 26:20) “Nanatona ahy ny tovolahy be mpitia iray tany am-pianarana, satria te hiresaka tamiko”, hoy i Merissa, 17 taona. “Nolazainy fa manja kely, hono, aho. Vetivety teo dia nanatona ahy ilay ankizivavy miaraka aminy, sady romotra. Nolazainy fa nadalaiko, hono, ny sipany, ka nilany ady aho! Niezahako nohazavaina taminy izay nitranga, fa tsy noraharahainy. Tamy hamono ahy izy sy ny ankizivavy hafa rehefa nirava! Nantsoiko haingana ny mpiambina, ary nohazavaiko tamin’ilay ankizivavy romotra fa tsy miady aho, ary ilay tovolahy no nanatona ahy. Lasa nandeha aho avy eo.” Tsy nety ho resin’ny fihetseham-pony i Merissa. Tsy vitan’ny hoe niala ilay ady izy, fa nanao zavatra mba hiarovan-tena koa. Hoy ny Ohabolana 17:27: “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.”
Ahoana anefa, raha toa ka ianao mihitsy no nampahatezitra olona, angamba tsy nahy? Mialà tsiny haingana! Izay fotsiny angamba dia efa mety hampitony ny fahatezerany. Betsaka ny zava-manahirana ankehitriny, ka mora tezitra ny olona. Mety tsy hiharan’ny fahatezeran’ny olona romotra anefa ianao, raha mampihatra ny torohevitry ny Baiboly, rehefa mifandray amin’olona.
[Sary, pejy 14]
“Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”
[Sary, pejy 15]
Tsy maintsy miala fotsiny ianao indraindray