FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/12 p. 10-11
  • “Toa Manonofy Aho Indraindray!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Toa Manonofy Aho Indraindray!”
  • Mifohaza!—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny ho “Be Herim-po” Ianao
    Manehoa Herim-po ho An’Andriamanitra
  • Inona no Hanampy Antsika Hanao ny Marina Foana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Nanampy sy Nankahery Anay Andriamanitra
    Mifohaza!—2005
  • Tanora Tia ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/12 p. 10-11

“Toa Manonofy Aho Indraindray!”

Mitazana ny tanàna avy eo am-baravarankeliny i Lourdes. Manakona ny molony mangovitra ny tanany. Vehivavy any Amerika Latinina izy, ary nampijalin’i Alfredo vadiny nandritra ny 20 taona mahery. Nisy zavatra nampiova an’i Alfredo anefa. Mbola sarotra tamin’i Lourdes ihany ny niresaka momba ny fanaintainana ara-batana sy ara-pihetseham-po nahazo azy.

“Tapa-bolana monja taorian’ny raharahanay no nanomboka ilay izy”, hoy i Lourdes niteny moramora. “Nasiany totohondry aho indray andro izay, ka niala ny nifiko roa. Nialako koa ny totohondriny, indray mandeha, ka ny fitoeran’akanjo no voany. Vao mainka ratsy kokoa anefa ny fanambaniany ahy. Nantsoiny hoe ‘fakofakon’olona tsy misy dikany’ aho, ary nentiny toy ny olona tsy misy saina. Te handositra aho tamin’izany, kanefa ataoko ahoana ireto zanako telo?”

Nikasika moramora ny sorok’i Lourdes i Alfredo. “Mpiasa matihanina ambony aho”, hoy izy. “Nahatsiaro ho afa-baraka aho rehefa nampanantsoina ka nomena ilay taratasy mandidy ny fiarovana ny vady. Niezaka niova aho, kanefa vetivety dia niverina indray ny toetrako.”

Ahoana no nampiova izany? “Vavolombelon’i Jehovah ilay vehivavy mpivarotra etsy an-joron-dalana etsy”, hoy i Lourdes, somary nahazo aina kokoa. “Nilaza izy fa hanampy ahy hahazo izay lazain’ny Baiboly. Nianarako fa sarobidy eo imason’i Jehovah Andriamanitra ny vehivavy. Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, na dia nahatezitra an’i Alfredo aza izany tamin’ny voalohany. Zava-baovao tamiko ny nandany fotoana niaraka tamin’ny namana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Gaga aho nahita fa afaka mino izay tiako inoana sy manambara izany tsy amin-tahotra ary mampianatra izany amin’ny hafa mihitsy aza. Takatro fa sarobidy eo imason’Andriamanitra aho. Nampahery ahy izany.

Nisy zava-nitranga tsy hohadinoiko mihitsy nanova ny zava-drehetra. Mbola namonjy Lamesa isan’alahady i Alfredo, ary tsy tiany ny niarahako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nobanjiniko tsara izy, sady novaliako mora sy tamin-toky hoe: ‘Alfredo! Tsy mitovy ny hevitrao sy ny hevitro.’ Ary tsy namono ahy izy! Natao batisa aho, tsy ela taorian’izay, ary tsy namono ahy intsony izy nandritra ireo dimy taona nanaraka izay.”

Mbola nisy fiovana lehibe kokoa anefa. Hoy i Alfredo: “Telo taona teo ho eo taorian’ny nanaovana batisa an’i Lourdes, dia nanasa ahy ho any an-tranony ny mpiara-miasa iray, izay Vavolombelon’i Jehovah, ary nanazava tamiko zava-mahaliana momba ny Baiboly. Tsy nilaza tamin’ny vadiko aho, fa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy. Tsy ela dia niara-nandeha nivory tamin’i Lourdes aho. Maro tamin’ireo lahateny no nahakasika ny fiainam-pianakaviana, ary matetika no nahatonga ahy ho sadaikatra izany.”

Gaga i Alfredo nahita ireo mpivory, anisan’izany ny lehilahy, mamafa trano rehefa vita ny fivoriana. Hitany fa manampy ny vadiny hanasa vilia ny lehilahy, rehefa tany an-tranon’izy ireo izy. Hitan’i Alfredo tamin’ireny zava-mitranga madinika ireny ny fomba fiasan’ny tena fitiavana.

Natao batisa i Alfredo tsy ela taorian’izay, ary mpitory manontolo andro izao izy mivady. “Manampy ahy hanadio latabatra izy matetika rehefa avy misakafo izahay, ary manamboatra ny fandriana”, hoy i Lourdes. “Midera ahy izy noho ny sakafo nandrahoiko, ary avelany hisafidy aho, na ny mozika tiako izany, na ny zavatra hovidina ato an-trano. Tsy nanao izany mihitsy i Alfredo taloha! Vao haingana izy no sambany nividy fehezam-boninkazo ho ahy. Toa manonofy aho indraindray!”

[Sary, pejy 10]

“Takatro fa sarobidy eo imason’Andriamanitra aho. Nampahery ahy izany”

[Sary, pejy 10]

Gaga i Alfredo nahita ny mpivory, anisan’izany ny lehilahy, mamafa trano rehefa vita ny fivoriana

[Sary, pejy 10]

Hitany fa manampy ny vadiny hanasa vilia ny lehilahy

[Sary, pejy 10]

“Vao haingana izy no sambany nividy fehezam-boninkazo ho ahy”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara