Fijerena An’izao Tontolo Izao
Manohiza Mianatra Arakaraka ny Androsoanao ho Amin’ny Fahanterana
Miteraka fihenjanana ho an’ny mpiasa zokinjokiny sasany ny fianarana teknolojia vaovao, toy ny ordinatera sy ny fitaovam-pifandraisan-davitra, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Toronto Star. Nilaza i Ann Eby, mpandinika ny fivoaran’ny asa, fa matetika kokoa ny zava-manahirana dia tsy hoe inona no ianaran’izy ireo, fa hoe ahoana ny fomba fianarany. “Rehefa mandroso taona isika”, hoy ny fanazavan’i Julia Kennedy, prezidàn’ny fikambanana Axiom Fampiofanana sy Fampandrosoana, “dia mihamiadana ny fiasan’ny hozatatitra ao amin’ny saintsika, nefa mbola salama tsara ihany ny atidoha.” Manamarika i Kennedy fa ny “olon-dehibe dia mila mampifandray izay efa fantany (zavatra efa niainany) amin’izay vao nianarany”, fa tsy mitovy amin’ny ankizy izay mahay mianatra amin’ny alalan’ny famerimberenana tsy misy fandinihana ny dikany. Na dia mety ho ela kokoa aza no ianaran’ny mpiasa zokinjokiny asa sarotra, dia mbola manana fahaiza-mianatra ihany izy ireo. Izao no fanoloran-kevitr’i Kennedy ho an’ireo mpiasa zokinjokiny miezaka mianatra zava-baovao sy sarotra: Raha azo atao, dia ataovy amin’ny maraina ny fiofananareo, ary miezaha hahazo tsara ny votoatiny fa tsy ny tsipiriany rehetra, ary aza mampitaha tena amin’ny hafa.
Tahirin-tsolika Maneran-tany: Tarehimarika Azo Farany
“Rehefa avy nanao fandinihana nandritra ny dimy taona ry zareo ao amin’ny Fanadihadiana Amerikanina Momba ny Haibolantany [USGS], dia nampiakatra ho 20 isan-jato ny fanombanany ny tahirin-tsolika tsy voadio maneran-tany, ka tafakatra 649 000 tapitrisa barìka ny tontaliny”, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky Amerikanina Siantifika (anglisy). “Ny nataonay dia ny nandinika ny hoavy sy ny nilaza mialoha izay habetsahan[-tsolika] ho hita ato anatin’ny 30 taona”, hoy i Suzanne Weedman, mpandrindra ny tetik’asa iray nataon’ny USGS. Ankoatra ny tahirin-tsolika vao hita, dia eo koa ny solitany trandrahin’ny kompania. “Betsaka kokoa ny solika tovozin’[ny kompania] avy any ambanin’ny tany”, hoy ilay gazety, satria izy ireo mampiasa teknolojia maoderina momba ny fandavahan-tany.
Akanjo Fitena — Tsy Misy Fiantraikany Amin’ny Asa Ve?
Hita tamin’ny fanadihadiana natao nanerana an’i Aostralia fa misy mpiasa birao mihevitra fa ny fanaovana akanjo fitena dia mitarika ho amin’ny hakamoana, hoy Ny Telegrafy Alahady (anglisy). Efa ho ny 42 isan-jaton’ireo mpiasan’ny kompanian’ordinatera any Aostralia izao no manao akanjo fitena foana, ary ny 40 isan-jaton’ireo kompania aostralianina no mamela ny mpiasa hanao akanjo fitena rehefa zoma, raha iriny. Na dia mihabetsaka aza ny mpiasa manao akanjo fitena, dia 17 isan-jaton’ny mpampiasa nanaovana fanadihadiana kosa no nihevitra fa nisy fiantraikany teo amin’ny zava-bitan’ny mpiasa ny fanaovana akanjo fitena. Mifanahantsahana amin’ny isan’ny mpiasa mihevitra toy izany io tarehimarika io: 21 isan-jaton’ny vehivavy sy 18 isan-jaton’ny lehilahy mantsy no milaza fa ny fanaovana akanjo fitena dia mampihena ny vokatra azo.
Zavatra Simban’ny Tondra-drano Tatsy Mozambika
Tamin’ny herintaona toy izao indrindra, ny tondra-drano tatsy Mozambika dia nahatonga olona maherin’ny antsasa-tapitrisa tsy hanan-kialofana sy nanimba sahabo ho ny ampahatelon’ny voly katsaka tao amin’ilay tany, ary nahafaty an-drano omby maherin’ny 20 000. Raha mbola teo am-panarenana ny simba tamin’iny tondra-drano iny, izay ny ratsy indrindra hatrany alohan’ny 1948, ilay firenena, dia maro no nanontany ny fomba sy ny antony nitrangan’izy iny. Nilaza ilay gazety hoe Bibidia Afrikanina (anglisy) fa tsy afaka nifoka rano tondraka intsony ny tany lava volo sy ny heniheny atsy Mozambika, satria ireo firenena manodidina azy nahitana ny fandroson’ny tanàn-dehibe, sy ny fambolena ireo tany lava volo, ary ny famelana ny biby hiraoka ahitra be loatra. Ny ranonoram-be àry dia lasa riaka mahery amin’ny farany. Hoy i David Lindley, mpandrindra ny tetik’asa momba ny heniheny atsy Afrika Atsimo: “Tsy nanao afa-tsy nampikorontana ny fiasan’ny heniheny sy nampitombo ny renirano ny olombelona, natosiky ny avonavona tsy misy farany sy ny tsy fahaiza-mitsinjo lavitra.”
Ny Omby sy ny Gaza Mampiakatra ny Maripanan’ny Tany
Raha ny gaza mampiakatra ny hafanan’ny tany no resahina, dia voalaza fa avo 20 heny noho ny gaza karbônika ny herin’ny gaza metanina. Tombanana fa maneran-tany dia metanina 100 tapitrisa taonina no avoakan’ny omby aman’ondry ary ny osy roa arivo tapitrisa eo ho eo, isan-taona. Araka ny The Canberra Times, dia ny biby fiompy no mamoaka ny 13 isan-jaton’ny gaza mampiakatra maripana any Aostralia, raha 46 isan-jato eo ho eo kosa izany any Nouvelle-Zélande. Ny zavamiaina bitika dia bitika ao amin’ny vavonin’ny biby mandinika dia manapotika ny sakafo ao sy manome metanina, izay mivoaka amin’ny alalan’ny vavan’ilay biby. Mba hampihenana izany fampiakaran’ireo biby ireo ny maripanan’ny tany izany, dia misy mpahay siansa manandrana fomba hampitomboana ny famokarana ronono isaky ny biby sady mampihena ny metanina avoakan’ireo biby.
Nalana Sarona ny Hevi-diso Momba ny Fifohana Sigara
“Diso ilay hevitra miorina amin’ny toe-karena hoe ny olona mifoka sigara dia tsy enta-mavesatra firy eo amin’ny fikarakarana ara-pahasalamana raha oharina amin’ny hafa, satria maty aloha izy ireo”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Gilaoby sy Taratasy (anglisy) any Kanada. Ireo mpikaroka holandey izay nandinika ny fahasalaman’ny Holandey sy ny Amerikanina 13 000 teo ho eo dia nahita fa tsy marary firy ireo tsy mifoka sigara raha oharina amin’ireo mifoka. Nanoratra toy izao ny Dr. Wilma Nusselder, ao amin’ny sampan-draharahan’ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Oniversite Érasme, any Rotterdam: “Ny fampitsaharana ny fifohana sigara dia tsy hoe hahela velona sy hampitombo ny isan’ireo taona tsy harariana fotsiny, fa hampihena koa ny fotoana harariana.” Araka ny gazety Gilaoby, dia “misy 1 150 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny mpifoka sigara maneran-tany, ampahatelon’ny isan’ny olon-dehibe eran-tany. Sahabo ho 943 tapitrisa amin’ireo mpifoka sigara ireo no miaina any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana”.
Ny Ankizy sy ny Aretina Azo avy Amin’ny Firaisana
“Misy ankizy vao 11 taona monja tsaboina noho ny aretina azo avy amin’ny firaisana”, hoy ny tatitra nataon’ny The Times any Londres. Avo roa henin’ny antsalan’ny olona voan’ny angatra manerana an’i Angletera ny isan’ny olona voan’ny angatra ao amin’ny tanàna iray any, ary zatovovavy 1 ao anatin’ny 8 no voan’ny chlamydiae. Ny chlamydiae tany Angletera dia nitombo efa ho avo roa heny nanomboka tamin’ny 1995, ary nitombo ampahadiminy ireo zatovo voan’izy io tamin’ny taon-dasa fotsiny. Ireo zatovo indrindra indrindra no tratra tamin’ny fitomboana 56 isan-jaton’ny angatra teo amin’ilay firenena, tao anatin’ny dimy taona.
Mampiasa ny Lohany Izy
Ny andriam-bitsika Blepharidatta conops, ao amin’ny akata any Brezila, dia manana loha lehibe fisaka sy boribory. Araka ny fanontana brezilianina amin’ny gazetiboky Jeografia Nasionaly (anglisy), dia mampiasa azy io ny vitsika mba hanentsenana ny fidirana eo amin’ny efitra itahirizana ny atody sy ny olitra ary ny soherina, ka hiarovana azy ireo amin’izay mety ho mpiremby. Ny rindrin’ny tranon’ny andriam-bitsika dia voaforon’ny rantsambatana avy tamin’ny fatim-bibikely nangonin’ireo vitsika mpiasa. Rehefa avy nanala rano avy tamin’ireny faty ireny sy nanaisotra tsara ny hozatra taminy ny vitsika mpiasa, dia manorina fefy manodidina ilay andriam-bitsika, ka mamela banga iray mitovy tsara amin’ny haben’ny lohany. Ny vitsika mpiasa dia afaka miditra ao amin’io efitrano manokana io amin’ny fandondonana, karazana fihetsika famantarana, eo amin’ny lohan’ilay andriam-bitsika.
Mpangalatra Herinaratra
Ny kompania mikarakara ny herinaratra manerana an’i Etazonia dia manomboka mandray fepetra ny amin’ny zava-manahirana mihamitombo — ny fangalarana herinaratra. Taona maro lasa izay, dia toa mora loatra ny herinaratra ka tsy nangalarina, hoy ny fanamarihan’Ny Gazety Wall Street (anglisy), niakatra anefa ny vidin’ny herinaratra tao anatin’ireo taona faramparany, ka nahatonga ny fangalarana herinaratra ho fahita kokoa. Ny Kompania Edison any Detroit, ohatra, dia nanombantombana fa 40 tapitrisa dolara ny fatiantoka noho ny fangalarana herinaratra, tamin’ny 1999. Ireo mpangalatra, izay tsy nahafantatra ny loza matetika, dia fantatra fa nampiasa fitaovana faran’izay tsotra, toy ny taribin-kerinaratra ampandehanana baterian’ny fiara sy ny tariby elektrika, ary ny fantsona varahina. Ny hafa nandavaka mba hakana ny herinaratr’ilay kompania avy amin’ny loharano milevina any anaty tany.
Tsy mba Nisy Nalahelo Akory?
Vao haingana dia nisy sisam-patin-dehilahy maina hita tao amin’ny trano iray tany Helsinki, Failandy. Nahamarika antontan-taratasy nivangongo teo anoloan’ny varavarana sy fofona nahatsiravina ny lehilahy mpanao fikojakojana iray, izay niditra mba hametaka fitaovana fanairana ho amin’ny haintrano. Ny polisy izay namaly ny antso an-telefaonina nataony dia nahita fa hay maty efa hatramin’ny enin-taona mahery ilay lehilahy 55 taona, efa nisotro ronono, nipetraka irery tao. Araka ny tatitra tao amin’ny gazety Helsingin Sanomat, dia nandoa ny vola fisotroan-drononony ny Fiantohana Ara-tsosialy, ary nandoa ny hofan-tranony ny birao misahana ny fanampiana ara-tsosialy, tamin’izany fotoana rehetra izany, nefa tsy nisy nihaona taminy ireo. Na ny zanany efa lehibe izay mipetraka any an-drenivohitra aza dia tsy mba nisy nalahelo azy akory. “Nandritra ny enin-taona ilay lehilahy dia niaina teo anivon’ny fitambaran’olona — izany hoe, tsy tany amin’ny nosy foana fa tao amin’ny fitambaran’olona tao an-tanàn-dehibe — ary tsy nisy nalahelo azy ka hanontany izay nalehan’io olona io, na izay nahazo azy”, hoy ny fanamarihan-dRamatoa Aulikki Kananoja, mpitantana ny Sampan-draharahan’ny Asa Sosialy any Helsinki.