Ireo Henihenin’izao Tontolo Izao — Harena Ekolojika Tandindomin-doza
IREO Indianina dia niantso azy hoe ny Rain’ireo Rano. Miantso azy kosa hoe ny Mississippi ireo jeografy. Na ahoana na ahoana iantsoana azy io dia namaly faty tamin’ireo izay nangeja azy tao anatin’ny tohodrano sy fefiloha izy, ka nandroba taminy tamin’izany fomba izany ireo heniheniny. Nisondrotra noho ireo oram-be naharitra herinandro vitsy ilay onibe, ka nihoatra ireo lasakam-pasika notombanana ho 75 tapitrisa izay nampifanaingenina hahatohitra azy, ary namaky 800 tamin’ireo fefiloha 1 400 izay natao hihazona azy, nefa very maina foana. Ireo rano mahery nandriaka dia nifaoka ireo trano, lalana, tetezana sy ampahany tamin’ny lalamby ary nanafotra tanàna maro. “Angamba ny ratsy indrindra nianjady tamin’i Etazonia hatramin’izay”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times tamin’ny 10 Aogositra 1993.
Nilaza tamin’ny ambangovangony toy izao ny sasany tamin’ny fahasimbana ny gazety Times: “Ny tondra-drano nahery vaika naharitra roa volana nahazo ny Midwest tamin’ny 1993 dia nitondra fahasimbana nahatsiravina. Izy io dia naka ain’olona 50, namela tra-boina 70 000, nanafotra faritra avo roa heny noho i New Jersey, nitondra fahasimbam-pananana sy teo amin’ny voly mitentina ho 12 arivo tapitrisa dolara ary namelona indray ny ady hevitra momba ny rafitra fifehezana ny hetsiky ny rano sy ny tetika momba izany.”
Raha tsy navela ho simba ny rafitra voajanahary fifehezana ny hetsiky ny rano ataon’ireo heniheny manamorona ny sisin’i Mississippi dia ho ain’olona 50 no voavonjy ary vola 12 arivo tapitrisa dolara no ho voatahiry. Rahoviana ny olona no hianatra fa tsy ny fanandramana mampanaiky ny natiora no tsara indrindra fa ny fiaraha-miasa aminy? Ireo heniheny mifanolotra amin’ny renirano dia toy ny lemaka fivarinan-drano izay hisintonany sy hihandronan’ny rano mihoatra avy amin’ireo renirano misondrotra vokatry ny oram-be mitohitohy.
Nefa, ny fiasany amin’ny maha-rafitra voajanahary mifehy ny hetsiky ny rano dia iray monja amin’ireo asa maro mahatalanjona ataon’ireo heniheny eto an-tany, misy mihoatra ny 8 500 000 kilaometatra tora-droa — izay tandindomin’ny famelezana manimba amin’izao fotoana izao maneran-tany.
Ireo heniheny, akany fanolokoloana eo amin’izao tontolo izao
Manomboka amin’ireo riakasia (lagune) midadasika any amoron-tsiraka ka hatramin’ireo honahona sy horaka kely ampovoan-tany, sy ireo potholes (lempona boribory tsy ialan-drano)-n’ireo lemak’i Etazonia sy i Kanada, ny mpanao mari-trano voalohany amin’ny heniheny dia ny rano. Faritra tsy ialan-drano mandavantaona na amin’ny fotoam-pahavaratra, ireo heniheny. Karazany hafa koa ireo heniheny any amoron-tsiraka, na miankina amin’ny samonta. Koa satria ny ankamaroan’ireo heniheny miavaka noho ny firobon’ny zavamaniry ao aminy — ahitra, zozoro, harefo, hazo sy kirihitra — dia mamelona zavamaniry, trondro sy voron-dia fihaza ary biby isan-karazany izy ireo maneran-tany.
Manorina ny akaniny eny amin’ny heniheny ireo vorondriaka sy voronandrano dia maro. Amin’ny lohataona, dia karazany mihoatra ny zato no miantehitra amin’ireny fialofana marivo ireny mandritra ny fifindrany monina. Heniheny maro be no akany fanolokoloana ho an’ny mponina tsy toko tsy forohana misy gisa sy ganagana — arosy, tsiriry, angaka. Manome sakafo sy fialofana ho an’ny biby toy ny alligator (karazana mamba), ny castor, ny rat musqué sy ny vison (karazana voalavon-drano lehibe ireo) ary ny élan koa ireny faritra ireny. Mampiasa ireo heniheny koa ny biby hafa, ao anatin’izany ny bera sy ny cerf ary ny raton laveur. Izy ireny dia toeram-panatodizana sy akany fanolokoloana ho an’ny ankamaroan’ny trondro izay mamelona ny indostrian’ny jono atao varotra mahatratra telo arivo tapitrisa dolara, any Amerika. Tombanana ho karazana hazan-drano 200 sy biby iray karazana amin’ny trondro (toy ny orana) be dia be no miantehitra tanteraka na amin’ny ampahany amin’ireo heniheny amin’ny tsingerin’ny fiainany.
Ho fanampin’ny maha-toerana fanolokoloam-piainana miavaka an’ireo heniheny, dia manana toetra mahasoa maro ekolojika izy ireny. Sivana voajanahary manaisotra ireo fako sy loto tarihin’ireo renirano sy ony izy ireo sy manadio ireo rano milevina. Mandritra ny fotoam-pahavaratra dia tahiriziny ny rano ary atỳ aoriana izany dia avoakany tsikelikely ho ao anatin’ireo ony sy renirano ary rano milevina. Ireo heniheny miankina amin’ny samonta dia miaro ny moron-tsiraka amin’ny fikaohan’ny onja.
Noho ny toetrany mampandrobona ny fiainan’ny zavamaniry, dia manatontosa asa mahasoa tena lehibe ireo heniheny. Amin’ny fiasan’ny fotosentezy, ohatra, dia mifoka ny eton’arina avy amin’ny rivotra ireo zavamaniry rehetra misy famaitso ary mamoaka oksizenina. Ilaina izany mba hahavelomana. Tsy manam-paharoa anefa ireo zavamaniry eny amin’ny heniheny satria mandaitra indrindra izy ireny amin’io fomba fiasa io.
Nandritra ireo taonjato dia tany maro no niaiky ny maha-sarobidy ny fikarakarana ireo heniheny mba hamokarana sakafo. Ohatra, i Sina sy i India, dia loha laharana tamin’ny famokaram-bary maneran-tany, narahin’ireo tany hafa tany Azia tsy lavitra tao aoriany. Maniry eo amin’ny heniheny antsoina hoe tanimbary ny vary ary iray amin’ireo vokatra lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao. Foto-tsakafon’ny antsasaky ny mponina maneran-tany eo ho eo ny vary. Nanomboka nahatsapa ny maha-zava-dehibe ireo heniheny sy horaka tamin’ny farany i Etazonia sy i Kanada ho amin’ny famokarany vary sy canneberge (zavamaniry fihinam-boa).
Mahazo anjara amin’ny fanasana lehibe atolotr’ireo heniheny koa ny biby. Tsy vitan’ny hoe be voan-javatra sy bibikely ho an’ny vorona fotsiny ireo heniheny, fa manome hanina ho an’ny trondro sy biby iray karazana aminy, izay manatody sy mitombo ho lehibe ao anatiny koa. Ireo ganagana sy gisa ary voronandrano hafa kosa ho setrin’izany, dia mihinana ireny zavaboary any anaty rano ireny, izay maro be ao amin’ireo fialofam-piainana ireo. Zava-dehibe amin’ny fetra sasany ny fifandanjana ekolojika misy amin’izao fotoana izao, amin’ny fanolorana vorona dia isan-karazany ho an’ny biby manan-tongotra efatra, izay mety hirenireny any amin’ireo heniheny hitady sakafo. Misy hanina ho an’ny rehetra ao amin’ireo heniheny. Tena akany fanolokoloana ho an’izao tontolo izao tokoa izy ireny.
Ny fihazakazahana ho amin’ny fanimbana ireo heniheny
Ilay lehilahy izay tonga prezidà voalohany tany Etazonia dia nanokatra ny vavahadin-drano ho amin’ny fanimbana tanteraka ireo heniheny, rehefa namorona kompania iray, tamin’ny 1763, hanamaina ireo 16 000 hektaran’i Dismal Swamp — tany honahona tsy vaky lay, fialofan’ny biby — eo amin’ny sisin-tanin’i Virginie sy i Caroline Avaratra. Hatramin’io fotoana io, dia noheverina ho toy ny zava-dratsy ireo henihenin’i Amerika, toy ny sakana ho amin’ny fampandrosoana, fototra iavian’ny aretina sy ny rofy, toerana manodidina sompatra tsy maintsy resena sy simbana na ahoana na ahoana. Nampirisihina hanamaina ireo heniheny sy hampiasa azy ho amin’ny fambolena ireo mpamboly ary nomena onitra izy ireo tamin’ny fanaovana izany. Nanorenana autoroutes teo amin’izay nisy an’ireo heniheny feno fiainana niavaka taloha. Maro taminy no lasa faritra fampandrosoana tanàn-dehibe sy toeram-pivondronan’ireo magazay fivarotana na nampiasaina ho toy ny lempona marivo mety ho amin’ny fanariam-pako.
Tao anatin’ireo folo taona vitsivitsy farany tamin’itỳ taonjato itỳ, dia nosimban’i Etazonia tamin’ny hafainganana 200 000 hektara isan-taona ireo heniheniny. Amin’izao andro izao, dia tsy misy afa-tsy 40 000 000 hektara eo ho eo sisa tavela. Diniho, ohatra, ny faritra nisy potholes tany Amerika Avaratra. Tao anatin’ny andohalambon-tany nisy 800 000 kilaometatra tora-droa, niitatra nanomboka tany Alberta, Kanada ka hatrany Iowa, Etazonia, dia toerana itomboan’ny ganagana an-tapitrisany maro ireo henihenin-demaka an-jatony maro. Nolazaina fa rehefa manidina izy ireo dia nanamaizina ny lanitra tahaka ny rahona matevina. Amin’izao andro izao, dia mihena amin’ny fomba manaitra ny isany.
Ny zava-manahirana lavitra ezaka anefa dia izao: Rehefa simba ireo heniheny, dia rava ireo toerana itomboana. Vitsivitsy kokoa ny atodin’ireo ganagana rehefa tsy misy sakafo sahaza, ary misy vokany lehibe eo amin’ny habetsahan’ireo izay foy izany. Rehefa simba ny toeram-ponenany dia mirohotra any amin’ireo toeram-ponenana sisa tafajanona ireo ganagana be dia be, ka araka izany dia tonga remby mora azo ho an’ireo fosa, ireo amboahaolo, ireo karazana jaboady sy ireo ratons laveurs ary ireo biby hafa mpihaza azy.
Any Etazonia, dia 50 isan-jaton’ireo henihenin’ny faritra nisy potholes no nanjavona. Any Kanada, dia maherin’ny 40 isan-jaton’ireo heniheny any amin’ny faritra nisy potholes no tsy hita intsony, nefa mitombo ny fanimbana azy ireo. Araka ny tatitra nataon’ny gazetiboky Sports Illustrated, dia 90 isan-jaton’ny faritra any Dakota Avaratra, Etazonia, no maina. Maro ireo mpamboly no mihevitra fa ireo heniheny dia tsy mamokatra sady zava-dratsy izay manakantsakana ny fitaovam-pamboleny, tsy mahafantatra akory ny hasarobidiny ekolojika.
Mampanakoako mafy sy mazava ny antso ampahibemaso mba hiarovana ireo heniheny toeram-ponenan’ny biby anefa ny isam-batan’olona mpiahy sy ireo fikambanana mpiaro ny biby. Hoy ny tompon’andraikitra mpiahy iray: “Tena zava-dehibe tokoa ireo faritra misy potholes. Raha tiantsika ny hahaveloman’ireo ganagana ela, dia tsy maintsy harovantsika ny heniheny.” “Famantarana ny fahasalamana ekolojikan’ny kontinenta ireo voronandrano”, hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny fikambanana mpiaro Ducks Unlimited. Nitondra ny feony anampy izany koa ny gazety U.S.News & World Report: “Ny fihenan’ny isan’[ny ganagana], dia manome taratra ny famelezana amin’ny vava ady maro samy hafa atao eo amin’ny tontolo iainana: orana asidra, fanafody mpamono bibikely, nefa indrindra indrindra ny fanimbana heniheny sarobidy an-tapitrisany hektara maro.”
“Sivifolo isan-jaton’ny riakasian’i Kalifornia no nosimbana”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety California, “ary isan-taona dia maherin’ny 7 000 hektatra no nanjavona. Any amin’ny toerana miparitaka vitsivitsy monja no ahaveloman’ny cerf élaphe. Mihavitsy kokoa ny isan’ireo gisa sy ganagana miverina isan-taona any amin’ny toerana mihamifintina fandaniany ny ririnina. Karazam-biby maro monina any amin’ireo heniheny no efa ho lany tamingana.” Miantso vonjy mangina ireny zavamananaina ireny. Miankina amin’ireo henihenin’izao tontolo izao mantsy ny fahavelomany.
Ny zava-tsarotra momba ny rano
Nisy zava-nitranga nahatsiravina rehefa nanimba ny henihenin’ny tany ny olona. Nahakasika ny loharanon-kareny sarobidy sy iankinan’ny aina indrindra izy: ny rano. Tena zava-dehibe ho an’ny zava-miaina rehetra ny rano. Maro amin’ireo mpahay siansa maneran-tany no nanambara mialoha ny fotoana hahatonga ny rano madio ho ny loharanon-karen’ny tany hanify indrindra. “Na hahavita hametra ny fandanilanian-drano foana isika na ho fatin’ny hetaheta amin’ny taona 2 000”, hoy ny nambaran’ny Kaonferansa Maneran-tany Momba ny Rano notarihin’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1977.
Noho ireo fampitandremana manambara loza ireo, momba ny mety ho tsy fahampian’io loharanon-karena sarobidy io, ny fahendrena dia mandidy ny hitantanana amim-pitandremana fatratra ny tahirin-dranon’ny tany. Kanefa, nahatandindomin-doza tokoa io loharanon-karena ilaina indrindra io ny olona tamin’ny fihazakazahany nanimba ireo heniheny. Manampy amin’ny fanadiovana ny fanambonin’ny rano ireo heniheny — ny an’ireo renirano sy ony. Tsy havaozin’ny rano madio intsony ireo rano milevina sasany ankehitriny fa voaloton’ny fako sy ireo loto, ka izany rehetra izany dia fahavoazana ho an’ny olona. Nohamainina ny rano izay nisy tao amin’ireo heniheny maro be, ka nanampy tamin’ny tsy fahampian-drano izany.
Ho ren’ireo olona tompon’andraikitra ve ireo antso vonjy mampiseho famoizam-po ataon’ireo zavamiaina miankina amin’ny heniheny ny fiainany? Hisy zavatra hatao ve mba hiarovana izany fiainana izany, alohan’ny hahadiso aoriana loatra? Sa hanampin-tsofina amin’ireo antso ireo ny olona, fa tsy handre afa-tsy ny fitarainan’ireo olona manana faniriana mihoa-pampana kosa?
Maneran-tany ny famelezana
Tamin’ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra maneran-tany nataon’ny Firenena Mikambana ho fiarovana ireo heniheny, dia voaresaka ny amin’ny fandrahonana mahazo ny rafitry ny tontolo iainan’ny Pantanal any Brezila. Iray amin’ireo heniheny lehibe indrindra maneran-tany izy io. Nanambara toy izao ny gazetiboky BioScience: “Ny Pantanal, amin’ny hamaroan’ireo bibiny isan-karazany miavaka, dia faritra tandindomin-doza. Ny fanimbana ny ala; ny fitaran’ny fambolena; ny haza sy ny jono tsy ara-dalàna; ary ny fandotoana ny rano amin’ireo fanafody mamono ahitra sy bibikely sy ny vokatra manginy azo avy amin’ny alkaola atao lasantsy, dia nahatonga fahasimbana tsikelikely teo amin’ny tontolo iainana voajanahary, ka mahatandindomin-doza ny iray amin’ireo rafitry ny tontolo iainana lehibe indrindra any Brezila.”
Ny The New York Times dia nanintona ny saina ho amin’ny fandrahonana mahazo ireo heniheny mifanolotra amin’ny moron-tsirak’i Mediterane. “Nihafaingana ny famoizana ireo heniheny tao anatin’ireo telopolo taona farany satria nanjary notsiriritina tsy nisy toy izany ireo moron-tsirak’i Mediterane ary nampiroboroboana tamin’ny fanorenana hotely sy toeram-pakan-drivotra lafo vidy ny sisin-tany midadasika manamorona ny ranomasina. Ny fandinihana nataon’ny Firenena Mikambana dia miresaka famoizana heniheny lehibe maro any Italia, Egypta sy Torkia ary Gresy.”
Amin’ny lohataona dia tonga seranana ho an’ny vorona ireo heniheny kanto misy 50 000 hektaran’ny Parc National Doñana, any Espaina, satria vorona ana hetsiny maro avy atsy Afrika hankany Eoropa no miantsona ao amin’ireo honahonany sy taniny rakotr’ala mba hanorina akany ka hitombo sy hamelon-tena. Nefa, nisintona rano aoka izany ireo hotely sy toerana filalaovana golf ary tany fambolena misy be dia be manodidina ilay saha, ka tandindomin-doza ny fitohizan’ny fisiany. Tao anatin’ireo 15 taona farany, dia efa nitroka rano aoka izany ireny tetik’asa ireny, hany ka nidina ho 2 ka hatramin’ny 9 metatra ny rano milevina, ary nanjary maina ny riakasia maromaro. “Izay mety ho fitomboana fanampiny rehetra eto”, hoy ny talen’ny fikarohana ao amin’ilay saha dia “ho famelezana ho faty an’i Doñana.”
Manao izao tatitra izao ny Toe-drarahan’izao Tontolo Izao Tamin’ny 1992 (anglisy): “Ireo alan-konko, iray amin’ireo karazana heniheny sarobidy sy tandidomin-doza indrindra dia mihamanify aoka izany any Azia, Amerika Latina sy atsy Afrika andrefana. Any Ekoatera, ohatra, dia efa ho antsasak’ireny ala-honahona miaro ireny no nesorina, noho ny fanajariana azy ireny ho dobo fiompiana patsabe indrindra, ary misy tetika atao mitaky ny hanovana ny ampahan-tany sisa hitovy amin’izany. Fara fahakeliny, ny telo ampahefatr’ireo alan-konkon’i India sy i Pakistan ary i Thaïlande rehetra no tsy hita intsony. Toa tapa-kevitra hanao toy izany koa i Indonezia: any Kalimantan, ny provansa lehibe indrindra, dia 95 isan-jaton’ireo alan-konko rehetra no notapahina mba hambolena ireo hazo ahodina ho taratasy.”
Nasongadin’ny gazety Bangkok Post tamin’ny 25 Aogositra 1992 mivoaka any Thaïlande ny hasarobidin’ireo alan-konko: “Ireo alan-konko dia voaforon’ny karazana hazo telo samihafa izay miroborobo ao amin’ireo faritra ambony miankina amin’ny samonta mifanolotra amin’ireo moron-dranomasina mafana sy voaro sady lemaka. [Niroborobo] tao amin’ny tontolo manodidina henjana ahitana rano matsaboka sy fiovaovan’ny samonta, ireo hazo. Ireo fakany etỳ ivelany izay manana fahaizana manokana miaina amin’ny zava-misy sy ireo vaha-tsatoka manatantavana sira dia nanorina rafitry ny tontolo iainana be kojakojany sy sarobidy. Ankoatra ny fiarovany ireo faritra midadasiky ny moron-tsiraka amin’ny fikaohan’ny onja, dia tena zava-dehibe izy ireo ho an’ny jono amoron-tsiraka sy ny indostrian’ny vokatra azo amin’ny hazo ary ho an’ny biby.
“Maro be ny fiainana ao anatin’ny alan-konko. Hita ao ny voronandrano, rajako mpihinana drakaka, saka mpanjono, sy trondro mpitsambikina ao amin’ny fotaka izay mitsambikimbikina eo amin’ny fotaky ny honahona mba hanao ny lalany eo amin’ny lava-drano amin’ny fisintonan’ny samonta.”
Inona no ho fiafarany?
Maneran-tany ny zava-tsarotra. Nanambara toy izao ny gazetiboky International Wildlife: “Ireo horaka, bayous, honahonan-konko, riakasia sy ireo lemaka misy potholes izay nandrakotra maherin’ny 6 isan-jaton’ny tany maina dia mahita fahasahiranana mafy. Nohamainina mba ho azo volena ny maro taminy, nosimban’ny fandotoana na nototofan’ireo mpanorin-trano izy ireo, hany ka eo amin’ny antsasany eo ho eo amin’ny faritra misy heniheny eto amin’ny planety no tsy hita intsony.”
Hihavana amin’ny tany ve ny olona? Tsy mampahery ny toe-javatra hita hatramin’izao. Miady amin-kerim-po anefa ny sasany ary milaza fa hahomby. Milaza kosa i Jehovah, ilay Mpamorona ny tany, fa tsy hahomby izy ireo. Mampanantena ny handray an-tanana ny raharaha izy ary hampitsahatra ny famelezana atao amin’ny zavatra noforoniny mahatalanjona eto an-tany. “Hanimba izay manimba ny tany” izy, ary ho solon’ireo dia hamela eo amboniny ireo izay “hitandrina azy” izy. Hanolotra ny tany ho fanomezana ho an’ireny olona mahay mankasitraka ireny izy: “Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” — Apokalypsy 11:18; Genesisy 2:15; Salamo 115:15, 16.
[Sary, pejy 15]
Heniheny any Soisa
[Sary, pejy 16, 17]
Farany havia sy eo ambony: Heniheny any Etazonia
[Sary nahazoan-dalana]
H. Armstrong Roberts
Havia: Alan-konko any Thaïlande
[Sary nahazoan-dalana]
By courtesy of the National Research Council of Thailand
Ireo mponina ao amin’ny heniheny: voay, sahona be feo sy vatana, angidina, sokatra-boaty manao lavaka mba hanatodizana