Inde sy Chine — Rahonan’ny Sigara
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY INDE
KOA satria mitombo ny famerana ny dokam-barotra momba ny sigara sady miely patrana ny fampianarana momba ny loza ara-pahasalamana entin’ny fifohana sigara, any amin’ny tontolo tandrefana, dia nitodika atỳ Atsinanana ireo kompania goavana mpanao sigara, mba hivarotana ny entany. Manambara mialoha ny fandinihana natao, izay novatsin’ny Banky Iraisam-pirenena vola, fa mety hahatratra iray tapitrisa isan-taona ny fahafatesana vokatry ny sigara any Chine, amin’ny taona 2010. Nilaza ny British Medical Journal fa Sinoa 100 tapitrisa, latsaka ny 29 taona, no ho faty vokatry ny fifohana sigara.
Araka ny vinavinan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, i Inde — sy ny mponina efa ho arivo tapitrisa ao aminy — miaraka amin’i Chine, dia mety hahitana “ny fitomboana be indrindra sy haingana indrindra amin’ny aretina mifandray amin’ny sigara”. Misy tatitra milaza fa ankizy 20 tapitrisa eo ho eo no manomboka mifoka sigara isan-taona, eto. Mpifoka tsy maty afo nandritra ny taona maro ny lehilahy karàna iray, avy any amin’ny faritra atsimon’i Inde. Nanoratra tany amin’ny mpampanonta ny Mifohaza! izy, ho fankasitrahana noho ny lahatsoratra iray tao amin’ilay gazety. Nanampy azy hitsahatra tsy hifoka intsony ilay lahatsoratra hoe “Afaka Miala Ianao! Izahay efa Niala!”, izay niseho tao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Desambra 1998.
Antony inona avy no azonao aroso mba hitsaharana tsy hifoka? Misy antony mampisaintsaina hita ao amin’ny pejy faha-25 amin’ilay bokikely 32 pejy hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Afaka mangataka ny hahazo azy io ianao raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.