Fantatrao ve Izany Hira Izany?
HIRA inona? Hira iray tranainy sy be mpitia ve izany? Eny, hira efa hatramin’ny fahagola, angamba ny hira tranainy indrindra re teto an-tany. Inona izany? Ny kalom-borona.
Olona maro no mamantatra vorona amin’ny lokony, ny bikany, ny fomba fanidiny, ary ny fomba fanaovany ny akaniny. Efa mba nihaino tsara ve anefa ianao, mba hamantarana vorona amin’ny hirany?
Tena mora atao izany amin’ny vorona sasany, satria tsy manana feo isan-karazany izy ireny. Raiso, ohatra, ilay goaika mpisangisangy. Na dia anisan’ny vorona faran’izay kinga saina aza izy io, dia fantatra avy hatrany noho izy gara feo manao hoe “goaika, goaika”. Malaza koa ilay goaika antsoina hoe freux noho izy mitabataba amin’izato feony farimparina. Ilay karazana matoriandro antsoina amin’ny teny anglisy hoe whippoorwill dia vorona iray hafa manana feo mitoreo izay manadala anao amin’ny alina. Mifanaraka amin’ny anarany ny antsoantsony, izay toa tsy misy farany, indrindra fa rehefa ta hatory ianao.
Mifanohitra amin’izany fa “matetika ny voron-kely antsoina hoe troglodytes an-keniheny no manana hira mihoatra ny 100; ary ny vorona antsoina hoe moqueurs polyglottes, 100 ka hatramin’ny 200. Ilay vorona volontsôkôlà antsoina hoe Toxostoma rufum dia mahay hira mihoatra ny 2 000”! — Audubon, Martsa-Aprily 1999.
Ny lahy mazàna no mihira mba hamaritana faritany sy hisarihana ny vavy. Mba miara-mihira amin’ilay amboarampeo koa anefa ny vavy sasany, indraindray. Izany no ataon’ny vorona orioles any Baltimore, na hoe any Avaratra, sy ny cardinals any Amerika Avaratra, ary ny gros-becs mavokely tratra.
Fantatrao ve ny vorona ao amin’ny taninao? Any amin’ny tany maro, dia misy kalom-borona noraisina feo izay mety hanampy anao hamantatra vorona amin’ny feony. Afaka mividy famantaranandro izay manamarika ny ora tsirairay amin’ny kalom-borona samy hafa mihitsy aza, ianao. Feom-borona 12, fara fahakeliny, no ho hainao vetivety!
[Sary, pejy 31]
“Troglodyte” an-keniheny
[Sary, pejy 31]
“Gros-bec” mavokely tratra
[Sary, pejy 31]
“Cardinal”