Fikororosiana Ara-pivavahana any Grande-Bretagne
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
NANAO tatitra ny The Sunday Times any Londres fa Britanika 1 500 isan-kerinandro no mandao ireo fiangonana lehibe. Namoy mpiangona 600 000 eo ho eo ny Eglizy Katolika Romanina, nanomboka tamin’ny 1980, ary mpiangona latsaka ny iray tapitrisa, izany hoe latsaka ny antsasaky ny mpiangona tamin’ny 50 taona lasa, no manatrika fotoam-pivavahana ao amin’ny Eglizin’ny Angletera, ary mbola misy 600 isan-kerinandro no “lasa”. Nisy lehilahy mpitondra fivavahana 500 eo ho eo nandao ny Eglizin’i Angletera, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny Synoda Lehibe tamin’ny 1992, ny amin’ny hanokanana vehivavy ho pretra.
Manao tatitra ny The Times fa matetika ny ankamaroan’ireo izay nandao ny fiangonana no sosotra sy diso fanantenana, satria tsy nisy nanandrana nisakana azy ireo tsy handeha, na nitsidika azy mba hahitana izay azo atao mba hanampiana azy ireo raha vao lasa izy ireo. Nisy “nilaza fa tsy nisy fifandraisana tamin’ny fiainan’izy ireo ny Eglizy”, hoy ny fanamarihan’ilay gazety.
“Tahiry ara-panahy sy ara-pitondran-tena tsy mitsaha-mihena” no manohana ny fiaraha-monina britanika, araka ny fanizingizinan’ny kardinaly Basil Hume, ilay arseveka katolika romanin’i Westminster. Inona no nahatonga io fihenana be io? “Mosarin’ny Tenin’Andriamanitra”, hoy ny matoan-dahatsoratry ny Catholic Herald. Hoy izy io: “Rehefa mamonjy Lamesa izahay dia amakiana tapany avy ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao, nefa mahalana, raha misy aza, no omena fanazavana andalan-teny manodidina azy ireny. (...) Tsara dia tsara ny tantaram-piainan’ireo olo-masina sy ireo boky misy hevitra ara-panahy, nefa tsy fanampiana ampy izy ireny mba hahatakarana ny hevitry ny Soratra Masina.” Nanatsoaka hevitra io lahatsoratra io fa tsy misy “fanazavana ara-baiboly maoderina natao hiahiana ny andian’ondry” ao amin’izy ireny.
Tao amin’ny taratasy iray ho an’ny Boston Target, any Angletera, dia nilaza toy izao ny mpamaky iray: “Tsy mino ny fivavahana intsony ny olona (...). Inona no ataon’ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny eglizy ireo tontolo andro? Azo antoka fa tsy mandeha mba hihaona amin’ny olona toy ny nataon’i Kristy, izy ireo (...). Ny hany fivavahana toa miahy ny amin’izany dia ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mandeha mihaona amin’ny olona ary tena mirotsaka amin’ny fitoriana ny fahamarinana — manasa anao ho tonga any amin’ny fotoam-pivavahany izy ireo, sy miresaka momba ny raharaha mahakasika ny tontolo iainana, ary manao zavatra momba izany. Tsy VJ aho, nefa tena manaja ireny olona ireny sy mihaino azy ireo.”
Efa mba nanatrika fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana ve ianao? Hahita fampianarana izay sady mandrisika no manampy anao ianao any. Tianao ve ny hahazo valin’ny fanontanianao momba ny Baiboly? Tamin’ny taon-dasa, tany amin’ny tany 233, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanokana maimaim-poana ora maherin’ny arivo tapitrisa mba hanampiana olona hahatakatra ny hevitry ny Baiboly, ka nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano maherin’ny efatra tapitrisa. Mihevitra an’io asa fampianarana Baiboly io ho ny asa lehibe indrindra atao amin’izao fotoana izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Manasa anao izahay hamantatra ny antony. — Matio 24:14; 28:19, 20.