Avy Amin’ny Mpamaky
Fanasan-tanana Iraika ambin’ny folo taona aho ary maniry hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Sasao sy Hamaino ny Tananao!” (8 Desambra 1998). Nampirisika ahy izy io mba hanasa ny tanako, alohan’ny hisakafoana sy rehefa avy any an-kabine. Fahita ao an-tanànanay ny areti-mifindra. Koa tena mahasoa àry ilay lahatsoratra.
M. F., Italia
Fahafinaretana Tsotra Misaotra noho ilay fehintsoratra hoe “Fahafinaretana Tsotra no Tian’ny Ankizy Kokoa”, tao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao”. (8 Desambra 1998). Tsy miara-mipetraka amin’ireo zanako aho, ary indray mandeha monja isaky ny telo volana vao mahazo mahita azy ireo. Tsy fantatro izay hatao rehefa miaraka izahay, koa nanao planina maro aho, noho ny tahotra sao ho sorena tsy hanan-katao izy ireo. Taloha kelin’ny nahatongavan’ny fotoana hiarahanay, dia namaky an’io fehintsoratra io aho. Tena tonga tamin’ny fotoana nety tokoa ilay izy!
M. Y., Japon