Nampirisika Azy Hamerina Hamaky Baiboly Izy Io
Izany no nataon’ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra ho an’ny lehilahy iray avy any Meksika. Izao no nosoratany momba ilay bokikely:
“Mahatonga ny mpamaky [an’ilay bokikely] haniry hamaky ny Baiboly ny fomba vaovao sy azon’ny saina ekena, nentin’ilay bokikely nanokatra ireo loha hevitra nodinihiny. (...) Tiako manokana ilay teny fampidirana, ireo loharanon-kevitra ary ireo loha hevitra hoe ‘Boky Iray Izay “Miteny” Amin’ireo Fiteny Velona’, sy ‘Azo Itokiana ve Io Boky Io?’, ary ‘Mifanaraka Amin’ny Siansa ve Io Boky Io?’ Tsotra sy marim-pototra ary voaravaka sary ny loha hevitra tsirairay. (...)
“Raha ny amiko manokana, dia nampahery be ahy ny fahalalana azoko tao. Faly aho fa efa nahavaky ny Baiboly iray manontolo. Ny zavatra voalohany nataoko anefa taorian’ny namakiako io bokikely io dia ny nividy Baiboly misy soratra vaventy. Ankehitriny, herinandro tatỳ aoriana, dia eo am-pamakiana ny Baiboly amin-kafanam-po bebe kokoa, sy amin’ny faniriana hahafantatra misimisy kokoa aho.”
Matoky izahay fa handray soa betsaka avy amin’ny famakiana an’io bokikely tsara dia tsara io koa ianao, dia ilay bokikely 32 pejy hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra. Afaka mahazo bokikely iray ianao raha mameno ilay tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso iray amin’ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra aho.
□ Mba andefaso olona atỳ an-tokantranoko aho, hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin