Amin’ny Hatsembohan’ny Ankizy
“Entina toy ny entam-barotra ny ankizy, izay efa anisan’ny mpamokatra ankehitriny, fa tsy toy ny hoavin’ny fiaraha-monina kosa.” — Chira Hongladarom, talen’ny Ivon-toerana Mikarakara ny Mpiasa, any Tailandy.
AMIN’NY manaraka, rehefa mividy saribakoly ho an-janakao vavy ianao, dia tadidio fa mety ho ankizy madinika any Azia Atsimoatsinanana no nanao azy io. Amin’ny manaraka, rehefa mandaka baolina foty ny zanakao lahy, dia eritrereto ny hoe ankizivavy telo taona, niaraka tamin-dreniny sy ny rahavaviny efatra no mety ho nanjaitra azy io, ka nahazoan’izy ireo vola amerikanina 75 cents isan’andro izany. Amin’ny manaraka, rehefa mividy karipetra ianao, dia hevero fa mety ho ny rantsana kingan’ny ankizilahy enin-taona no nandrary azy io, rehefa niasa ora maro isan’andro isan’andro izy, tao anatin’ny toe-piainana feno fampijaliana.
Mahazo vahana ve ny fampiasana ankizy? Inona no vokany eo amin’izy ireny? Inona no azo atao mba hanarenana ny toe-javatra?
Ny halehiben’ilay olana
Araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa (OIT), dia tombanana ho 250 tapitrisa ny isan’ny ankizy miasa, eo anelanelan’ny 5 sy 14 taona, atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.a Inoana fa any Azia no misy ny 61 isan-jato aminy, atỳ Afrika ny 32 isan-jato, ary any Amerika Latina ny 7 isan-jato. Misy any amin’ny firenena mandroso koa ny fampiasana ankizy.
Any Eoropa atsimo, dia ankizy sesehena no hita eo amin’ny sehatry ny asa, indrindra fa ny asa fanao amin’ny vanin-taona iray, toy ny fambolena sy ny asa tanana madinika. Nitombo, vao haingana izay, ny fampiasana ankizy any Eoropa Afovoany sy Atsinanana, taorian’ilay tetezamita avy tamin’ny Kôminisma ho amin’ny kapitalisma. Any Etazonia, ny isa ofisialin’ny ankizy miasa dia 5,5 tapitrisa, nefa tsy tafiditra amin’izany ireo ankizy maro latsaka ny 12 taona izay ampiasaina tsy ara-dalàna any amin’ny orinasa andraisan-karama varimasaka na amin’ny maha mpiasa an-tselika sy mpifindrafindra monina any amin’ny toeram-pambolena lehibe. Ahoana no mahatonga ireny ankizy an-tapitrisany maro ireny ho anisan’ny mpiasa?
Antony mahatonga ny fampiasana ankizy
Fanararaotana ny fahantrana. “Ny fanararaotana ny fahantrana no hery lehibe indrindra manosika ankizy hiditra amin’ny asa mampidi-doza sy mahakely hery”, hoy ny The State of the World’s Children 1997. “Ho an’ny fianakaviana mahantra, ny fandraisana anjara kely entin’ny fidiram-bolan’ny zanaka iray na ny fanampiany ao an-tokantrano mba hamelana ny ray aman-dreniny hiasa, dia afaka manampy ilay fianakaviana mosarena hahita izay kely sahaza azy.” Matetika no tsy an’asa na manana asa tsy sahaza azy ny ray aman-drenin’ny ankizy miasa. Mila mafy ny hanana fidiram-bola azo antoka izy ireo. Koa nahoana àry no ireo zanany no omena ny asa, fa tsy ny tenan’izy ireo? Satria azo omena karama kely ny ankizy. Satria mora mankato sy mora milefitra koa ny ankizy: ny ankamaroany dia hanao izay rehetra ampanaovina azy, ka mahalana vao misalasala momba ny fahefana. Satria azo inoana kokoa fa tsy hanomana fanoherana ny famoretana ihany koa ny ankizy. Ary satria tsy mamaly ny famelezana ara-batana atao aminy izy ireo.
Tsy fahazoana fampianarana. Anisan’ireo ankizy an-tapitrisany maro izay niala tamin’ny fianarana ka nanomboka niasa i Sudhir, ankizilahy 11 taona, avy any Inde. Nahoana? “Tsy mampianatra tsara ny mpampianatra any an-tsekoly”, hoy ny navaliny. “Rehefa nasainay nampianatra abidy anay ry zareo, dia nokapohiny izahay. Natory izy ireo tao an-dakilasy. (...) Raha toa ka tsy azonay ny hevitr’izay nambara, dia tsy nampianatra anay akory izy ireo.” Mampalahelo fa marina izany fahitan’i Sudhir ny sekoly izany. Atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, dia namely mafy indrindra ny sehatry ny fampianarana ny fampihenana ny vola holanina amin’ny raharaha sosialy. Nampiharihary zava-misy mahaliana sasany ny fanadinadinana iray nataon’ny ONU tamin’ny 1994 tany amin’ny tany 14 tsy mandroso indrindra eto an-tany. Ohatra, ao amin’ny antsasak’ireo tany ireo, dia tsy misy afa-tsy toerana 4 isaky ny mpianatra 10 ao an-dakilasy ho an’ny taona voalohany. Ny antsasak’ireo mpianatra no tsy manana kahie, ary ny antsasak’ireo lakilasy no tsy misy solaitrabe. Tsy mahagaga raha toa ka mpianatra maro ao amin’ny sekoly toy izany no miafara any amin’ny asa.
Fanantenana araka ny efa mahazatra. Arakaraka ny maha mampidi-doza sy mafy ny asa no azo inoana kokoa fa hamelana azy ireny hataon’ny fokon’ny vitsy an’isa, ny saranga ambany kokoa, ny tsy nambinina ary ny mahantra. Manamarika ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, mahakasika ny tany aziatika iray, fa “ny zavatra hita dia toa misy olona nateraka hampihatra fahefana sy hanao asa ara-tsaina, nefa misy hafa, ny ankamaroany, nateraka hanao asa ara-batana”. Tsy tsara lavitra noho izany foana ny toe-tsain’ny olona, any amin’ireo tany tandrefana. Ny antokon’olona manapaka dia mety tsy haniry ny hanaovan-janany asa mety hampidi-doza, nefa tsy hampaninona azy mihitsy ny hanaovan’ny tanora avy amin’ireo vitsy an’isa ara-pirazanana, sy ara-poko ary ambany fivelomana, asa toy izany. Any Eoropa avaratra, ohatra, dia azo inoana ho Tiorka na Afrikanina ny ankizy miasa; any Etazonia, dia mety ho Aziatika na avy any Amerika Latina izy ireny. Manampy trotraka ny fampiasana ankizy ny fiaraha-monina maoderina izay liana fatratra amin’ny fividianan-javatra. Betsaka no mitady entam-barotra mora vidy. Vitsy no toa miahy ny amin’ny hoe mety ho ankizy an-tapitrisany maro tsy fantatra anarana sy nohararaotina no namokatra azy ireny.
Fampiasana ankizy amin’ny endriny maro
Amin’ny endriny inona avy no isehoan’ny fampiasana ankizy? Amin’ny ankapobeny, ny ankamaroan’ny ankizy miasa dia manao asa an-trano. Nopetahana anarana hoe “ireo ankizy hadino indrindra eto an-tany” ny ankizy manao asa toy izany. Tsy voatery hampidi-doza ny asa an-trano, nefa mampidi-doza izy io matetika. Mazàna ny ankizy manao asa an-trano no tena kely karama, na tsy mahazo karama mihitsy aza. Ny mpampiasa azy no manisy fepetra amin’ny asany, ary izany dia miankina tanteraka amin’ny sitrapony. Tsy anehoana firaiketam-po izy ireo, tsy afaka mianatra, milalao, ary manao raharaha sosialy. Mora iharan’ny fampijaliana sy ny fametavetana koa izy ireo.
Hitan’ny ankizy hafa fa voatery miasa izy ireo, sady voafehin’izany. Any Azia Atsimo, ary koa any amin’ny faritra hafa, dia mampanantena hanome ny zanany an’ireo tompon’orinasa na ny solontenany, ny ray aman-dreny, ho takalon’ny trosa keliny. Matetika no vao valo na folo taona monja ireny zanaka ireny. Tsy mahavita mampihena ilay trosa mihitsy ny fanompoana mandritra ny androm-piainana ataon’ireo ankizy.
Ahoana ny amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ankizy, ary manana endrika ara-barotra? Tombanana fa ankizivavy iray tapitrisa isan-taona, fara fahakeliny, no voafitaka ka latsaka ao amin’ny fivarotan-tena, maneran-tany. Matetika koa ny ankizilahy no nohararaotina tamin’ny fomba mamoafady. Noho ny fahavoazana ara-batana sy ara-pihetseham-po entin’io endri-pampijaliana io, tsy lazaina intsony ny fifindran’ny VIH, no mahatonga azy io ho ny endriny mampidi-doza indrindra amin’ny fampiasana ankizy. “Mitovy amin’ny olona mpirenireny no iheverana anay ao amin’ny fiaraha-monina”, hoy ny ankizivavy iray, 15 taona, mpivaro-tena, avy any Sénégal. “Tsy misy ta hahalala anay, na ho hita miaraka aminay.”b
Ambakaina ny ankamaroan’ireo ankizy miasa any amin’ny indostria sy toeram-pambolena lehibe. Miasa mafy amin’ny fitrandrahana ireny ankizy ireny, asa izay heverina ho mampidi-doza loatra ho an’ny olon-dehibe. Maro no voan’ny raboka, ny braonsita, ary ny sohika. Mifampikasoka amin’ny fanafody fiarovam-boly, mety ho voakaikitry ny bibilava sy ny bibikely, ireo ankizy miasa any amin’ny toeram-pambolena lehibe. Ny sasany tapaka rantsambatana teo am-pikapana fary tamin’ny antsibe. Ny arabe no nanjary toeram-piasan’ny ankizy hafa an-tapitrisany maro. Raiso, ohatra, i Shireen, ankizivavy folo taona, matihanina amin’ny fitsindrohana fako. Mbola tsy nianatra tany an-tsekoly mihitsy izy, nefa tena havanana eo amin’ny teknikan’ny ady amin’ny fiainana. Raha mahalafo taratasy tonta sy harona plastika eo amin’ny 30 ka hatramin’ny 50 cents eo ho eo izy, dia mihinan-kanina. Raha latsaka noho izany no azony, dia mandry fotsy izy. Matetika ireo ankizy mpirenireny, izay mandositra ny fampijaliana sy ny fanaovana tsirambina azy ao an-tokantranony, no tojo fampijaliana sy fanararaotana bebe kokoa eny amin’ny arabe. “Mivavaka aho isan’andro mba tsy hiafara eny am-pelatanan’olona ratsy fanahy”, hoy i Josie, ankizivavy folo taona, izay mivarotra vatomamy eny amin’ny lalam-ben’ny tanàna iray any Azia.
Potika ny fahazazana
Ho vokatry ny fampiasana ankizy amin’ireo endriny ireo, dia ankizy am-polony tapitrisa maro no iharan’ny loza lehibe. Mety ho avy amin’ny karazan’ilay asa atao izany, na avy amin’ny tarehin-javatra ratsy dia ratsy anaovana ilay asa. Mazàna no ankizy sy mpiasa tanora hafa no voan’ny loza lehibe kokoa any am-piasana, noho ny olon-dehibe. Izany no izy, satria tsy mitovy amin’ny rafi-batan’ny olon-dehibe ny an’ny ankizy. Mety hivilana mora foana noho ny asa mafy ny hazondamosiny na ny maojany. Afa-tsy izany koa, dia voa mafy kokoa ny ankizy noho ny olon-dehibe, rehefa mifampikasoka amin-javatra simika mampidi-doza na ny taratra. Fanampin’izany, dia tsy mifanentana amin’ny vatan’ny ankizy ny asa mafy sy dridralava, mandritra ny ora maro, nefa izany matetika no hitany eo amin’ny fiainana. Mazàna izy ireo no tsy mahafantatra ny loza mety hisy, na tsy mahalala firy ny fepetra fiarovana tokony horaisiny.
Ny fampiasana ankizy koa dia mitondra voka-dratsy lehibe eo amin’ny fivoaran’ny sainy, sy ny fihetseham-pony, ary ny fahiratan-tsainy. Tsy anehoana firaiketam-po ireny ankizy ireny. Tena fahita ny kapoka, ny ompa, ny tsy fanomezana sakafo ho fanasaziana, ary ny fametavetana. Araka ny fandinihana iray, dia efa ho ny antsasak’ireo ankizy miasa sahabo ho 250 tapitrisa no nitsahatra tsy nianatra. Fanampin’izany, dia voamarika fa mety ho simba ny fahaiza-mianatry ny ankizy izay miasa mandritra ny ora maro.
Inona no dikan’izany rehetra izany? Midika izany fa voaheloka ho amin’ny fahantrana, ny fahoriana, ny aretina, ny tsy fahaizan-taratasy sy ny tsy fahaiza-miara-miaina amin’ny hafa, mandritra ny androm-piainany, ny ankamaroan’ny ankizy miasa. Na, araka ny nilazan’i Robin Wright, mpanao gazety, azy dia “na eo aza ireo fandrosoana ara-tsiansa sy ara-teknika rehetra vitan’ity tontolon’ny faran’ny taonjato faha-20 ity, dia mamokatra ankizy an-tapitrisany maro izay tsy manana fanantenana firy hahita fiainana ara-dalàna izy, indrindra moa ka hoe fanantenana hitarika ity tontolo ity ho ao amin’ny taonjato faha-21”. Mampitranga ireto fanontaniana ireto ireo hevitra mampisaintsaina ireo: Ahoana no tokony hitondrana ny ankizy? Efa tsinjo ve ny vahaolana ho an’ny fampiasana ankizy sy ny fampijaliana azy?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny ankapobeny, dia feran’ny OIT ho 15 ny taona farany ambany amelana ny ankizy hiasa, raha toa ka latsaka ny 15 ny taona famitana ny fianarana tsy maintsy atao. Io no filamatra miely patrana indrindra nampiasaina, rehefa namantatra ny isan’ny ankizy miasa ankehitriny maneran-tany.
b Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fanararaotana mamoafady atao amin’ankizy, dia jereo ny pejy faha-11-15, amin’ny Mifohaza! 8 Aprily 1997.
[Efajoro, pejy 5]
Inona no Atao hoe Fampiasana Ankizy Tsy Ampy Taona?
MIASA ny ankamaroan’ny ankizy ao amin’ny fiaraha-monina rehetra, amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Miovaova ao anatin’ny fiaraha-monina sy arakaraka ny fotoana ny karazana asa ataony. Mety ho tapany lehibe amin’ny fanabeazana ny ankizy sy fomba fampitana fahaizana lehibe avy amin’ny ray na ny reny ho amin’ny taranany ny asa. Any amin’ny tany sasany, dia matetika ny ankizy no miasa any amin’ny ateliers, sy manao asa madinika, ka manjary mpiasa matihanina tsikelikely, atỳ aoriana eo amin’ny fiainany. Any amin’ny tany hafa, dia miasa mandritra ny ora vitsivitsy isan-kerinandro ny zatovo mba hahazoam-bola hampiasainy manokana. Manamafy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza fa ny asa toy izany dia “mahasoa, mampandroso na mampitombo ny ankizy iray eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pitondran-tena na sosialy, nefa tsy manakantsakana ny fianarana, ny fanarian-dia ary ny fialan-tsasatra”.
Ny fampiasana ankizy kosa dia mahakasika ankizy izay miasa mandritra ny ora maro mba hahazoana karama varimasaka, ary matetika no ao anatin’ny tarehin-javatra manimba ny fahasalamany. “Azo tsapain-tanana ny fanimbana sy ny fanararaotana” entin’io karazana asa io, hoy ny fanazavan’ny The State of the World’s Children 1997. “Tsy misy olona hilaza ampahibemaso hoe misy tarehin-javatra azo anekena ny fanararaotana ankizy amin’ny fanosehana azy hivaro-tena. Toy izany koa ny amin’ny ‘fampiasana ankizy an-tery’, izay fitenenana ampiasaina hatraiza hatraiza ilazana ny asa zary fanandevozana tanteraka ny ankizy, mba handoavana ny trosan’ny ray aman-dreniny na ny an’ny raibe aman-drenibeny. Ampiasaina koa izy io ilazana ireo indostria malaza ratsy noho ny fanimbana ny fahasalamana sy ny loza entiny (...). Tsy zakan’ny ankizy rehetra tsotra izao ny asa mety hampidi-doza.”
[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]
“Mbola Betsaka ny Tokony Hatao”
MITANA ny loha laharana ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa (OIT) eo amin’ny ezaka ho famongorana ny endriny ratsy indrindra amin’ny fampiasana ankizy. Nanentana ny fanjakana ny OIT mba handaniany lalàna mandrara ny fampiasana ankizy latsaka ny 15 taona. Nanampy tamin’ny fanaovana fifanekena vaovao koa ny OIT mba handrarana ny fiasan’ny ankizy latsaka ny 12 taona, sy handrarana ny endriny mampidi-doza indrindra amin’ny fanararaotana. Mba hahafantarana bebe kokoa momba ny fahombiazan’ny ezaka toy izany, dia niresaka tamin’i Sonia Rosen, talen’ny Fandaharan’asa Iraisam-pirenena Momba ny Ankizy Miasa, ao amin’ny Minisiteran’ny Asa any Etazonia, ny Mifohaza! Niara-niasa akaiky tamin’ny fandaharan’asa maro samihafan’ny OIT io tale io. Indro ny ampahany tamin’izany resaka izany.
F.: Inona no fomba mandaitra indrindra hiadiana amin’ny fampiasana ankizy?
V.: Tsy manana vahaolana iray mety ho an’ny rehetra izahay. Kanefa, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia raharaha lehibe ireo raharaha efa noresahinay, izany hoe fampiharana tsara ny lalàna, ampiarahina amin’ny fampianarana fototra hatraiza hatraiza, izay tsara kokoa raha sady an-tery no maimaim-poana. Azo antoka fa zava-dehibe koa ny hananan’ny ray aman-dreny asa sahaza.
F.: Mahafa-po anao ve ny fandrosoana efa vita eo amin’ny ady amin’ny fampiasana ankizy?
V.: Tsy mety ho afa-po mihitsy aho. Na dia ankizy iray monja aza no miasa ao anatin’ny tarehin-javatra mampijaly azy, dia efa azonay lazaina hoe betsaka izany. Nanao dingan-dava izahay tamin’ny alalan’ireo fandaharan’asan’ny OIT. Nefa mbola betsaka ny tokony hatao.
F.: Ahoana no fihetsiky ny fiaraha-monina maneran-tany ho setrin’ny ezaka hamongorana ny fampiasana ankizy?
V.: Tsy hitako intsony izay havaly izany fanontaniana izany. Maneran-tany, dia tsapanay ankehitriny fa ekena ihany ny hoe zavatra tsy maintsy karakaraina ny fampiasana ankizy. Heveriko eto fa ny fanontaniana tokony hapetraka dia hoe: Ahoana no tokony hikarakarana azy io, ary toy inona ny hafainganan’izany fikarakarana izany? Inona avy no fitaovana tsara indrindra azontsika ampiasaina mba hikarakarana karazany sasany amin’ny fampiasana ankizy? Heveriko fa izay no tena fanamby ho anay.
F.: Inona no azon’ireo ankizy miasa antenaina amin’ny hoavy?
V.: Kely sisa dia hiverina any Genève ny firenena rehetra eran-tany amin’ity taona ity mba hanapaka ny amin’ny fifanekena iray vaovao mahakasika ireo endriny ratsy indrindra amin’ny fampiasana ankizy. Tena mahabe fanantenana izy io: ny firenena rehetra, miampy ireo fikambanan’ny mpiasa ary ireo fikambanan’ny mpampiasa. Enga anie ka hanangana rafitra vaovao hatao hamongorana ireo endriny ratsy indrindra amin’ny fampiasana ankizy izy io!
Tsy ny rehetra no be fanantenana toa azy. Manana antony isalasalana i Charles MacCormack, talen’ilay fikambanana hoe Vonjeo ny Ankizy. “Tsy misy fahavononana ara-politika sy fahatakaran’ny daholobe, mba hahatanteraka izany”, hoy izy. Nahoana? Manazava toy izao ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza: “Matetika no raharaha sarotra ny raharaha momba ny fampiasana ankizy. Misy hery matanjaka manohana azy io, anisan’izany ireo mpampiasa maro, ireo antokon’olona mahazo tombony ary ireo mpahay toe-karena izay manolo-kevitra ny tsy maintsy hanalalahana ny varotra na ahoana na ahoana, ary ireo mpifikitra amin’ny efa mahazatra izay mihevitra fa ny sarangan’ny ankizy sasany dia manaisotra aminy ny zony.”
[Sary]
Sonia Rosen
[Sary, pejy 5]
Anisan’ny tantara mampalahelo momba ny fampiasana ankizy ny asa mafy any amin’ny toeram-pitrandrahana sy any amin’ny orinasa mpanodina landihazo
[Sary nahazoan-dalana]
U.S. National Archives photos
[Sary, pejy 7]
Mitsimpona fako
[Sary, pejy 7]
Miasa mafy mitsimpona kitay
[Sary nahazoan-dalana]
UN PHOTO 148046/J. P. Laffont - SYGMA
[Sary, pejy 7]
Miasa ao amin’ny orinasa mpanao kofehy
[Sary nahazoan-dalana]
CORBIS/Dean Conger
[Sary, pejy 8]
Ankizy mpirenireny mivarotra mba hahazoana vola enina cents monja isan’andro
[Sary nahazoan-dalana]
UN PHOTO 148027/Jean Pierre Laffont
[Sary, pejy 8]
Miasa ao amin’ny toeram-pandrafetana iray
[Sary nahazoan-dalana]
UN PHOTO 148079/ J. P. Laffont - SYGMA
[Sary, pejy 9]
Mitolona mba hahazoana fivelomana
[Sary nahazoan-dalana]
UN PHOTO 148048/J. P. Laffont - SYGMA