FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/6 p. 3
  • “Fito Taona Aho”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Fito Taona Aho”
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Moa ve ny mahantra afaka ny ho marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Amin’ny Hatsembohan’ny Ankizy
    Mifohaza!—1999
  • Nahafoy Tena Izy Ireo: Meksika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Nandady Tamin’ny Tany Taloha Nefa Nakarin’i Jehovah ho Lasa Ambony Be
    Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/6 p. 3

“Fito Taona Aho”

Manahoana! I Amelia no anarako, ary atỳ amin’ny nosy iray atỳ Caraïbes aho no mipetraka. Fito taona aho. Efa elaela ihany izay no nanoloran’ny ray aman-dreniko mahantra ahy ho an’ny fianakaviana iray manankarena, mipetraka atỳ an-tanàn-dehibe.

Nifoha tamin’ny dimy maraina aho anikeheo, toy ny isan’andro ihany. Nantsaka teo amin’ny lava-drano iray teo akaiky aho. Sarotra be ny niloloha ilay siny mavesatra, nefa vitako ihany. Raha tsy izany mantsy, dia ho voakapoka mafy aho. Nikarakara ny sakafo maraina aho avy eo, ary nandroso izany ho azy mianakavy. Tara kely aho vao nandroso ny sakafo maraina, ka nikapoka ahy tamin’ny anja-koditra ilay mpampiasa ahy.

Taorian’izay, dia nandeha nanatitra ilay zanakalahin-dry zareo, dimy taona, tany an-tsekoly aho, ary nanampy teo amin’ny fikarakarana sy ny fandrosoana ny sakafo antoandron’izy mianakavy, avy eo. Teo anelanelan’ny fotoana fisakafoana, dia tsy maintsy nividy sakafo tany an-tsena, sy nanao irakiraka aho, nijerijery ny afon-tsaribao, namafa ny tokotany, nanasa lamba sy lovia, ary nanadio ny lakozia. Nanasa ny tongotr’ilay madama mpampiasa ahy koa aho. Nisy zavatra nahasosotra azy mafy androany, ka nomeny tehamaina tamin-katezerana aho. Manantena aho fa hihatsara izy rahampitso.

Sisan-tsakafo no nomena ahy. Mba tsara kokoa noho ny vovo-katsaka nohaniko omaly aloha ilay izy e! Efa rovitra be ny akanjoko, ary tsy mba manan-kiraro aho. Mbola tsy namela ahy handro tamin’ny rano nalaiko ho azy mianakavy mihitsy ireo mpampiasa ahy. Natory tany ivelany aho halina; avelan’izy ireo hatory ao an-trano, eo amin’ny gorodona, aho indraindray. Ny tena mampalahelo dia izaho tsy mba afaka nanoratra ity taratasy ity akory. Tsy mahazo mankany an-tsekoly aho.

Mirary soa ho anareo aho. Amelia.

NA DIA tsy i Amelia aza no tena anarany, dia tena misy kosa ny toe-javatra mahonena iainany.a I Amelia dia iray monja amin’ireo ankizy an-tapitrisany maro tsy maintsy miasa — ao anatin’ny toe-piainana faran’izay ratsy matetika. Olana lehibe amin’izao fotoana iainantsika izao ny fampiasana ankizy. Raharaha sarotra izay tsy misy vahaolana tsotra izy io. Olana miitatra be izy io, sy mikiky tsikelikely ny fiaraha-monina, ary mety hahafaty ny vokany. Halozana amin’ankizy izy io ary fanaovana tsinontsinona ny hasin’ny maha olombelona.

Betsaka ve ny ankizy miasa? Inona avy ireo antony fototra mahatonga io olana io, ary amin’ny endriny inona avy no isehoany? Hisy fotoana tsy hampiharana intsony fampahoriana sy fanararaotana amin’ankizy, dia ny ampahany marefo sy mora tafihina indrindra amin’ny fianakavian’olombelona ve?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nanaovana tatitra tao amin’ny The State of the World’s Children 1997 izany toe-javatra iainany izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara