FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/9 p. 3
  • Fahafatesan’ny Tanora: Loza Mahatsiravina!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahafatesan’ny Tanora: Loza Mahatsiravina!
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tantara lava be momba ny fahafatesan’ny tanora
  • Inona avy Ireo Olana?
    Mifohaza!—2009
  • Ny Baiboly sy ny fitondrantenan’ny zatovo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mahaliana ny Tanora ve ny Fivavahana?
    Mifohaza!—1998
  • Rehefa Miseho Indray ny Fanantenana sy ny Fitiavana
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/9 p. 3

Fahafatesan’ny Tanora: Loza Mahatsiravina!

“Tsapako tsotra izao ho miala aina tsikelikely ny taranaka misy antsika.” — Johanna, P., 18 taona, mpianatra ao amin’ny taona voalohany ao amin’ny oniversite, any Connecticut, Etazonia.

ZAVATRA nahatsiravina no hitan’ireo polisy tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray. Teo ivelan’ny tanànan’i Hobart indrindra no nisy azy io, dia i Hobart renivohitr’i Tasmanie, nosy fanjakana anisan’i Aostralia. Ankizivavy efatra, 10 ka hatramin’ny 18 taona, no hitan’izy ireo tao anatin’ilay trano. Maty avokoa izy rehetra, novonoin’ny rainy, izay nitsitra teo akaiky teo, maty voatifitry ny basy lava teo amin’ny lohany. Nokapainy tamin’ny famaky ny tanany ankavanana. Nanafintohina ny mponina manontolon’i Tasmanie io vonoana olona narahina famonoan-tena io, sady namela izao fanontaniana mahavery hevitra izao tao an-tsain’ny olona: Fa dia nahoana loatra? Nahoana no ireo ankizivavy efatra tsy nanan-tsiny ireo no niharan’izany?

Mbola tafintohina mafy i Belzika hatramin’izao taorian’ny nametavetan’ny olona iray ankizivavy enina sy ny namonoany ny efatra taminy. Efa tany am-ponja io mpametaveta io, ary nahazo fahafahana nisy fepetra. Koa mipetraka ihany ilay fanontaniana teo hoe: Fa dia nahoana loatra? Mihevitra ny renim-pianakaviana sasany any Arzantina fa nisy 30 000 no maty tamin’ilay fantatra ankehitriny hoe ady maloto,a ka zanak’izy ireo, lahy sy vavy, ny ankamaroan’izy ireny. Ny sasany tamin’ireny olona ireny dia nampijalijalina, nodorohana zava-mahadomelina, ary natsipy tany an-dranomasina avy eo, sy nalatsaka tany amin’ny ranomasimbe avy teny ambony fiaramanidina. Mbola velona ny ankamaroan’izy ireny rehefa natsipy. Nahoana izy ireo no voatery ho faty? Mbola miandry ny valin’izany fanontaniana izany ny renin’izy ireo hatramin’izao.

Tamin’ny 1955, ny Kongresy Iraisam-pirenen’ny Renim-pianakaviana dia namaky bantsilana ny mahatsinontsinona ny ady, ary nanambara fa natao hanaovana “antsoantso mafy indrindra indrindra [ilay kongresy], antsoantso fampitandremana avy amin’ny vehivavy rehetra izay mitolona mba hiarovana ny zanany, na kely na lehibe, amin’ireo zava-dratsy ateraky ny ady sy ny fiomanana ho amin’ny ady”. Mifanohitra amin’ny nanampoizana azy fa, maneran-tany, dia mitombo hatrany ny isan’ny tanora maty noho ny ady feno fandatsahan-dra, taorian’io kongresy io. Namoy taranaka izay ho afaka niteraka zanaka manan-talenta sy fahaizana samihafa, araka izany, ny taranak’olombelona.

Tantara lava be momba ny fahafatesan’ny tanora

Vonton’ny ran’ny tanora ireo pejin’ny tantara. Na dia amin’izao taonjato faha-20 lazaina fa taonjaton’ny fahazavan-tsaina izao aza, ny adim-poko dia nikendry voalohany indrindra ny handripaka ny tanora. Toa ny tanora no voatery hamoy ny ainy noho ny fahadisoana sy ny fanirian-dazan’ireo zokiny.

Tao amin’ny tany afrikanina iray, dia nisy andia-miaramila izay sady zatovo no mpivavaka, nitonona hoe Tafika Mpanohitra An’ny Tompo. Nosasana atidoha izy ireo mba hino fa tsy laitran’ny bala ny tenany, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety hoe The New Republic. Tsy mahagaga raha nomena ny lohateny hoe “Tanora Mafy Fo” ilay lahatsoratra! Rariny àry raha manontany toy izao ireo fianakaviana namoy zanakalahy sy zanakavavy, izay hay laitran’ny bala ihany: Nahoana ny zanakay tanora no voatery ho faty? Inona no zava-kendren’izany rehetra izany?

Manampy trotraka ireo fahoriana sy fijaliana rehetra ireo ny fisian’ny tanora maro dia maro mamono tena.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nandritra ny fitondra-miaramila (1976-1983) no nitranga ilay antsoina hoe ady maloto, izay namonoana olona an’arivony maro nahiahina ho mpanongam-panjakana. Eo anelanelan’ny 10 000 sy 15 000 ny isan’ireo maty, araka ny tombana hafa natao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara