Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana Raha Tsy Miraika Amiko Izy?
“Manahy aho sady mikorontan-tsaina. Raiki-pitia aminy aho. Tsy fantatro anefa izay fihetseham-pony amiko. Inona no tokony hataoko? Hampahafantatra azy ny fihetseham-poko ve? An, an, an, tsy afaka ny hanao izany aho! Inona no holazain’ny hafa momba ahy?” — Huda.a
TIA olona iray izay tsy niraika taminy i Huda, vehivavy tanora libaney iray. Tsy hoe olana tsy fahita izany. Tao anatin’ny zavatra toy izany koa ny vehivavy tanora iray hafa, omena anarana hoe Zeina. Izao no tsaroany: “Nahita azy isan’andro aho satria mpifanila trano izahay. Tena nanintona sy tsara tarehy izy. Koa raiki-pitia taminy aho.”
Mazava ho azy fa tsy misy maha ratsy ny hahatsapana fihetseham-po mahery ho an’ny olona iray — raha toa ka azon’ny Kristianina iray vadina tsara ilay olona. (Ohabolana 5:15; 1 Korintiana 7:39). Tsy misy maha ratsy koa ny hanirian’ny vehivavy tanora iray hanambady sy hanan-tokantrano. Ahoana anefa raha raiki-pitia amin’ny olona iray azo vadina, nefa tsy mahafantatra ny fihetseham-ponao na tsy miraika aminao, ianao?
Ny fijaliana entin’ny aretim-pitia
Tahaka an’i Huda, dia mety hahatsapa ny tenanao ho ao anatin’ny fisafotofotoana ara-pihetseham-po mafy ianao. Mety hientanentana falifaly erỳ ianao ary vetivety eo dia mety hitanondrika noho ny fahakiviana. “Indraindray dia tsapako ho toy ny hoe izaho no sambatra indrindra amin’ny zazavavy rehetra eto amin’izao rehetra izao, ary indraindray indray, dia tsapako ho toy ny hoe izaho no zazavavy malahelo indrindra”, hoy i Zeina. Mety ho loharanom-panahiana sy tsy fahitan-tory ary fahaketrahana mihitsy aza, ny fitia tsy mifamaly.
Hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 13:12: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo”. Ary rehefa tsy tanteraka mihitsy ny fanantenana, dia mety hampahory tanteraka! Mety hahita ny tenanao hieritreritra foana an’iny olona iny ianao, sy ho dodona erỳ handre izay mety ho sombim-baovao momba azy. Mety hitady fomba hisarihana ny sainy, na antony tsy dia manao ahoana hiarahana aminy, ianao. Ary rehefa eo izy, dia mety ho sarotra aminao ny mitondra tena toy ny mahazatra.
Mety hanjary ho tena sarotra ny raharaha rehefa maneho fiheverana manokana anao ilay olona tianao, indraindray, ary avy eo, amin’ny fotoana hafa, dia manao zavatra toy ny hoe tsy liana aminao na dia kely aza. Ary raha voamarikao fa maneho fiheverana be olon-kafa iray izy, na maneho hatsaram-panahy sy fahalalam-pomba tsotra fotsiny amin’ny hafa, dia mety hanaitra fahasarotam-piaro ao aminao izany. Hoy ny Baiboly: “Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; fa iza no mahajanona eo anatrehan’ny fahasaro-piaro?” — Ohabolana 27:4.
Niaiky toy izao i Huda: “Nahatsapa fahasarotam-piaro mafy tsy hay lazaina aho, hany ka raha tsy nanitsy tena aho, dia nety ho lasa adala mihitsy.” Mety hisy fahatsapana rikoriko amin’ny tena koa, ho vokatr’izany. Hoy i Huda: “Nanome tsiny ny tenako aho noho izaho raiki-pitia tamin’olona tsy tia ahy akory, ka nampijaly tena fotsiny.”
Any amin’ireo tany tandrefana, dia mety hihevitra ny vehivavy tanora iray fa afaka manatona malalaka tsotra izao lehilahy tanora iray, ka maneho aminy ny fihetseham-pony. Na dia izany aza, dia tsy ny vehivavy tanora rehetra no hirona hanao izany. Ary ao amin’ny kolontsaina sasany, dia heverina ho tsy mety na manafintohina mihitsy aza, raha ny zazavavy no manombo-javatra toy izany. Inona àry no azonao atao raha raiki-pitia amin’olona iray izay tsy tia anao ianao?
Famakafakana ny fihetseham-ponao
Voalohany, dia miezaha mandinika ny fihetseham-ponao, amim-pahatoniana sy amin’ny saina tsy miangatra. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Izay matoky ny fony dia adala”. (Ohabolana 28:26). Fa nahoana? Satria matetika loatra no diso lalana ny fihevitry ny fontsika. (Jeremia 17:9). Ary ilay toa fitiavana dia matetika no hita fa, hay, zavatra hafa. “Nila fiheverana sy fitiavana aho”, hoy ny fieken’i Huda. “Nila olona ho tia sy hikarakara ahy, aho. Tsy mba nanehoana fitiavana mihitsy aho, hatramin’ny fahazazako. Nisy vokany lalina teo amiko izany.” Raha rivo-piainana tsy nisy fitiavana na rivo-piainana nanjakan’ny fitondrana henjana no niainanao tao amin’ny fianakavianao, dia mety hangetaheta fitiavana sy fanehoam-piheverana koa, ianao. Tsy maintsy ho ny fananana olon-tiana ve anefa no fanafodiny?
Mampalahelo fa matetika ny olona mahatsapa ho tsy sambatra sy ho manirery no tsy tonga vady tsara. Miditra ao amin’ny fanambadiana izy ireo amin’ny fanantenana hahazo izay heverina ho zavatra ilainy mafy dia mafy. Avy amin’ny fanomezana anefa ny fahasambarana marina, fa tsy avy amin’ny fandraisana. (Asan’ny Apostoly 20:35). Ary ho vonona lavitra ny hitondra tokantrano ny vehivavy iray, raha mahatsapa tena ho afa-po araka ny antonona amin’ny tenany, ka ‘maneho fiheverana, tsy ny raharahan’ny tenany manokana ihany, fa maneho fiheverana ny an’ny hafa koa’. — Filipiana 2:4, NW.
Rehefa mahatsapa ianao hoe misy fanerena anao hanambady, dia mety hanao fihetsika tafahoatra mora foana ianao, raha vao misy fanehoam-piheverana avy amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka anao. Indraindray, dia ny namana sy ny fianakaviana no mampitombo ny fanirian’ny vehivavy tanora iray hanana olon-tiana. Manasongadina loatra ny tokony hanambadian’ny zazavavy raha vao tonga taona, ny fiaraha-monina sasany. Hoy ilay boky hoe Women in the Middle East (Vehivavy any Moyen-Orient): “Raha efa mananika ny telopolo taona ny vehivavy iray, nefa mbola mpitovo, dia manjary loharanom-panahiana mafy ho an’ny fianakaviany izy.” Koa satria voakasika ny voninahitry ny fianakaviana, dia mety hanandrana ny hampanambady ny zanany vavy, aloha araka izay azony atao, ny raim-pianakaviana iray.
Na dia izany aza, dia mavesa-danja noho ny kolontsaina ny foto-pitsipika ara-baiboly. Ary ampirisihin’ny Soratra Masina ny tanora mba hiandry ho “efa dila ny fahatanorana vao mivelatra”, vao manambady. (1 Korintiana 7:36, NW ). Koa ahoana raha tsapanao fa misy fanerena tafahoatra avy amin’ireo namanao na ny ray aman-dreninao, mba hanambadianao? Milaza amintsika ny Baiboly fa tsy nivazivazy mihitsy ilay zazavavy solemita tia an’Andriamanitra, nandidy an’ireo sakaizany mba ‘tsy hanaitra na hamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony’. (Tonon-kiran’i Solomona 2:7). Angamba hisy vokany ny fanambaranao ny hevitrao amin’ny fomba hentitra toy izany, indrindra raha olona matahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreninao.
Fiatrehana ny zavatra tena izy
Na dia izany aza, dia tsy maintsy miatrika ny zavatra tena izy momba ilay olona heverinao fa tianao ianao, amin’ny farany. Mety tsy ho mora ny manao izany, ary mety hampijaly anao ara-pihetseham-po. Mananatra toy izao anefa ny Soratra Masina: “Vidio ny marina, ka aza amidy”. (Ohabolana 23:23). Manontania tena hoe: ‘Manana antony azon’ny saina ekena mba haharaiki-pitia ve aho? Hatraiza ny zavatra fantatro momba iny olona iny? Inona no fantatro momba ny eritreriny, ny fihetseham-pony, ny heviny, ny fahazarany, ny foto-pitsipika heveriny ho sarobidy, ny fahaizany, ny talentany, ary ny fomba fiainany?’
Zavatra hafa tokony hoheverina koa ny hoe efa mba naneho fahalianana marina taminao ve ilay olona sa tsia. Matetika no raisina amin’ny fomba diso ny hatsaram-panahy na fisehoana ho sariaka fotsiny. “Niezaka ny ho tsara fanahy izy”, hoy i Huda, “nefa noraisiko ho fahalianana manokana tamiko ny teniny sy ny fihetsiny, satria izany no niriko. Nahatsapa ho nietry aho rehefa takatro fa tsy liana tamiko izy. Nahatsapa aho hoe tsy mendrika ny hahazo ny fahalianany, sy hoe misy zavatra tsy metimety amiko.”
Angamba toy izany koa no tsapanao rehefa tao anatin’ny tarehin-javatra nitovy tamin’izany, ianao. Fantaro anefa fa tsy hoe satria tsy tian’iny olona iny ianao, dia tsy ho tian’ny hafa koa. Rehefa heverina tokoa, dia tsy iny irery anie no tovolahy eto an-tany e!
Fandresena ny ratram-po
Na dia izany aza, dia mety hitaky fotoana ny fandresena ny ratram-ponao. Inona no afaka manampy amin’izany? Fomba iray ny firesahana sy ny famborahana ny ao am-ponao amin’ny “tena sakaiza” — Kristianina matotra iray izay hihaino anao. (Ohabolana 17:17). Angamba misy vehivavy be taona azonao iresahana, ao amin’ny kongregasiona. Afaka mitondra fanampiana sy fanohanana lehibe koa ny ray aman-dreny kristianina. Hoy ny tsaroan’i Zeina: “Nahamarika ny fahoriako ny vehivavy kristianina iray ao amin’ny kongregasionanay ary matotra tsara izy ka afaka nanampy ahy. Tsy sadaikatra aho niaraka taminy ary nolazaiko taminy ny zava-drehetra. Nampirisika ahy hiresaka tamin’ny ray aman-dreniko izy. Koa niresaka tamin’izy ireo aho, ary takatr’izy ireo ny nanjo ahy ka nanampy ahy izy.”
Tadidio koa ny herin’ny vavaka. (Salamo 55:22). Hoy i Huda: “Nanampy ahy hanaisotra ny alaheloko ny vavaka nataoko tamin’i Jehovah. Namaky lahatsoratra mahasoa tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! koa aho.” Fanampin’izany, dia zava-dehibe koa ny tsy hitokantokanana. (Ohabolana 18:1). Mifandraisa amin’olon-kafa. “Zavatra hafa iray nanampy ahy koa”, hoy ny tsaroan’i Zeina, “ny nananako zavatra betsaka atao foana, ary tonga mpisava lalana [mpitory manontolo andro] aho. Nihanifanerasera bebe kokoa tamin’ny vehivavy hafa tao amin’ny kongregasiona koa aho. Nanampy ahy handroso teo amin’ny lafiny ara-panahy izany.”
Tena miresaka tokoa momba ny “andro itiavana” ny Baiboly, koa rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hihaona amin’olona iray ho tia anao koa ianao. (Mpitoriteny 3:8). Namorona ny olona miaraka amin’ny faniriana hankafy ny fahafinaretana entin’ny fitiavan’ny vady i Jehovah Andriamanitra, ary mety ho afaka hahazo io fanomezana tsara dia tsara avy amin’ilay Mpanao Lehibe antsika io koa ianao, amin’ny farany. Mandra-pahatongan’izany, nahoana raha manararaotra amin’ny fomba feno ireo taona itoeranao ho mpitovo, izay taona “afaka amin’ny fanahiana”, araka ny nilazan’ny apostoly Paoly azy? (1 Korintiana 7:32-34, NW ). Na ahoana na ahoana, dia afaka mahazo antoka ianao fa ho tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly manao hoe: “Manokatra ny tànanao Hianao [Jehovah] ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” — Salamo 145:16.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana mba tsy hahafantarana ny fiainana manokan’ireo izay voakasika.
[Sary, pejy 16]
Raisina amin’ny fomba diso ny hatsaram-panahy indraindray