Tongava Hihaino Ilay Lahateny Ampahibemaso Maimaim-poana hoe “Ny Hany Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay”
Efa ho 20 taona lasa izay, ny Dr. Alvin Silverstein dia nanoratra toy izao tao amin’ilay bokiny hoe Conquest of Death (Fandresena ny Fahafatesana): “Ho fantatsika ny votoatin’ny fiainana. Ho takatsika (...) ny fomba fihanteran’ny olona.” Nanambara mialoha mihitsy aza izy hoe: “Tsy hisy olona ‘antitra’ intsony, satria ilay fahalalana izay hamela antsika handresy ny fahafatesana dia hitondra fahatanorana mandrakizay koa.”
Vao haingana kokoa izay, ny lahatsoratra iray tao amin’ny The New York Times Magazine tamin’ny 28 Septambra 1997, dia nanao tatitra momba ny fatokiana ny amin’ny “hanalavana ny androm-piainana”. Nolazain’izy io fa olona maromaro izay miahy be ny amin’ny fahasalamana sady feno hafanam-po momba izay mety ho vitan’ny teknôlôjia ankehitriny, no manana izany fatokiana izany. “Tena inoako fa mety ho ny taranaka voalohany izay hiaina mandrakizay isika”, hoy ny olona iray mpanohana mafana fo ilay hevitra. Nilaza ny iray hafa fa ny tenany dia “matoky fotsiny amin’izao (...) fa hanjary ho azo ampiasaina tsy ho ela ireo teknika fanatsarana ny fototarazo mba hamonjena [itỳ taranaka itỳ], amin’ny fampitsaharana ny fihanterana, angamba amin’ny fampitsimbadihana ny fiasan’izy io mihitsy aza”. Mahagaga anao ve ny fatokiana toy izany?
Inoanao ve fa haharesy ny fahafatesana ny olombelona amin’ny alalan’ny teknôlôjiany? Sa misy fomba hafa hahafahana hiaina mandrakizay? Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no miaiky fa tena azo tanterahina tokoa ny fiainana mandrakizay. Fantaro hoe amin’ny fomba ahoana, amin’ny fanekenao ilay fanasana hihaino ilay lahateny mampientana hoe “Ny Hany Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay”, izay hasongadina ao amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” halamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azonao atao ny mihaino azy io any amin’ny toerana akaikin’ny misy anao, satria manomboka amin’itỳ volana itỳ no hanaovana io lahateny io any amin’ireo fivoriambe an-jatony maro maneran-tany.
Mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, na manorata any amin’ny mpampanonta itỳ gazety itỳ, mba hahafantaranao ny toerana hanaovana ny fivoriambe akaiky anao indrindra.