Nahafoy Atody Ireo Tanteliko!
MIPETRAKA ao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana kely iray eto avaratr’i Soeda aho. Tsy ela izay, rehefa nanomboka nikotrika ny roa tamin’ireo akohovaviko, dia nandinika ny fihetsiny aho. Foy ireo akohokely voalohany, ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nivoaka mba handehandeha ny sasany tamin’izy ireo ary sendra nandalo teo amin’ilay reniakoho hafa. Noheverin’izy io fa zanany ireo akohokely, ka nitsangana avy hatrany izy, nandao ireo atodiny, ary nanomboka nanomba ireo akohokely. Toa tsy nampaninona an’ireo akohokely na reniakoho iza na reniakoho iza no nikarakara azy ireo.
Niezaka nanao izay hamerenan’ilay reniakoho ireo akohokely “nangalariny” sy hiverenany hikotrika ireo atodiny aho, nefa very maina foana ny ezaka nataoko. Efa saika hanary ireo atody nilaozan-dreniny aho no niato sy nieritreritra hoe: ‘Mety mbola ho velona izao ny ao anatin’ireto!’ Tamin’izay, dia nahita hevitra aho.
Mihazona maripana tsy miova — tokony ho 34 degre Celsius — ny andian-tantely lehibe, ao amin’ny tranony. Nalaiko àry ireo atody ka nolafihako vohavohan-dandihazo ary napetrako teo an-tampon’ny efitrefitra nisy zana-tantely, tao anatin’ny iray tamin’ireo tranon-tanteliko. Avy eo, dia nasiako kaopy roa nisy rano teo akaikin’izy ireo mba hanampy hamandoana tao amin’ilay “akany”. Navadibadiko isan’andro ireo atody, toy ny fanaon’ny reniakoho mikotrika.
Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nandre feo kely maranitra mazava tsara aho, avy tamin’ny maromaro tamin’ireo atody. Fotoana fohy taorian’izay, dia nisy akohokely mando iray nivoaka ny akorany! Nalaiko avy hatrany ilay izy ary nataoko tao ambanin’ilay reniakoho izay nandao ny atodiny. Soa ihany fa noraisiny ilay izy. Tsy ela dia nanana akohokely volomboloina 12 iray tarika hokarakaraina izy, noho ny fanampian’ireo tantely somebiseby. — Nisy nanome.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Sary rehetra: Foto, Roland Berggren, Västerbottens-Kuriren, Sverige