FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/1 p. 32
  • “Namonjy ny Aiko ny Mifohaza!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Namonjy ny Aiko ny Mifohaza!”
  • Mifohaza!—1998
Mifohaza!—1998
g98 8/1 p. 32

“Namonjy ny Aiko ny Mifohaza!”

“Tokony ho tamin’ny folo alina, tamin’ny 11 Novambra”, hoy ny notantarain’i Arthur, any Suva, Fidji, “dia nanomboka nahatsapa fanaintainana tao amin’ny tratrako aho, ary noheveriko fa famaivain’ny ambavafo fotsiny ilay izy. Niaiky anefa i Esther vadiko fa voan’ny fihetsehan’ny aretim-po aho, satria nilaza izy fa ireo famantarana aretina hita teo amiko dia nitovy tamin’ireo voalazalaza tao amin’ny Mifohaza! [frantsay] tamin’ny 8 Desambra 1996, manao hoe “Crise cardiaque — Que faire?”, izay vao avy novakiny.

“Niresaka an-telefaonina tamin’ny dokoterako aho, ary nanoro hevitra ahy izy mba hihinana fanafodin’ny famaivain’ny ambavafo sy handeha hatory ary ho any aminy ny ampitso maraina. Mbola nitohy ihany anefa ilay fanaintainana. Tamin’izay aho dia nangataka an’i Esther mba hitondra ilay Mifohaza! ka hamaky ilay fizarana hoe “Famantarana ny Fihetsehan’ny Aretim-po”. Taorian’ny namakiany ilay izy tamiko no nanekeko ny hitondrana ahy tany amin’ny hopitaly.

“Nasehon’ireo fitsirihana fa voan’ny fihetsehan’ny aretim-po aho, ary dia nampidirina tao amin’ilay hopitaly. Nandritra ny dimy andro nanaraka, dia nomena fanafody fampitonena be dia be sy fialan-tsasatra tanteraka aho. Nilaza ilay manam-pahaizana momba ny fo hoe soa ihany fa nahatsikaritra ilay fihetsehan’ny aretim-poko aho.

“Ny 9 Janoary 1997, dia nanaovana fandidiana fo nosokafana naharitra adiny efatra, tany Sydney, Aostralia, aho. ‘Sarotra inoana, kanefa dia voa mafy ny mpanelira mifanolotra amin’ny fo’, hoy ny tatitra nataon’ilay mpandidy. Nasehon’ny toetoetran’ireo mpanelirako fa nadiva ho azon’ny fihetsehan’ny aretim-po mafy aho ary ho nitranga tao anatin’ny volana vitsivitsy ilay izy, raha tsy tsikaritra ilay fihetsehana tamin’ny 11 Novambra.

“Afaka milaza tsy misy fisalasalana aho fa namonjy ny aiko ny Mifohaza!, satria azo antoka fa ho noheveriko hoe famaivain’ny ambavafo mafy fotsiny ilay fihetsehan’ny aretim-poko.”

Miezaka hampiseho fanazavana ara-potoana sy araka ny toetr’andro momba ny foto-kevitra maro samihafa ny Mifohaza! Raha tianao ny hahazo tsy tapaka itỳ gazety itỳ, dia ampahafantaro ny Vavolombelon’i Jehovah izany, amin’ny fotoana manaraka hitsidihany anao, na manorata amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara