Afatory ny Fehikibo Fiarovana mba Tsy Hahitan-doza
◼ Any Etazonia, ny fifandonam-piarakodia dia antony voalohany indrindra miteraka fahafatesana eo amin’ireo tanora 5 taona ka hatramin’ny 24 taona.
◼ Any Japon, ny lozam-pifamoivoizana dia miteraka fahafatesan’olona mihoatra ny avo roa heny noho ny matin’ny kanseran’ny nono, ary mamono olona avo efatra heny noho ny matin’ny kanseran’ny prostaty, izy io.
◼ Any Eoropa, ny lozam-piarakodia dia mahatonga fahafatesan’olona avo efatra heny noho ny famonoana olona.
IREO antontan’isa mampahatahotra ireo dia manasongadina ny iray amin’ireo loza raiki-tampisaka amin’ny fitaingenana fiarakodia — mety hahafaty ny fandehanana mafy loatra. Ary mamono olona ny fandehanana mafy loatra rehefa eo ambanin’ny herin’ny alkaola. Soa ihany fa azo ahena ny mety hisian’ny loza sy ny fahavoazana. Ahoana no azo anaovana izany?
Ny fambolena fahazarana izay tsy ahitan-doza mahakasika ny fitondrana fiarakodia, no zavatra voalohany tsara hatao. Misy manam-pahaizana sasany momba ny aro loza milaza fa loza 9 amin’ny 10 no ho azo nosorohina na nialana. Fihoarana ny hafainganam-pandeha voafetra voalazan’ny takela-by, fitsofotsofohana anelanelan’ny fiarakodia hafa, fanarahana akaiky loatra fiarakodia hafa, fitondrana fiarakodia raha eo ambanin’ny herin’ny fanafody na zava-mahadomelina na alkaola, ary fitondrana fiarakodia tsy voakojakoja tsara, ireo rehetra ireo dia ohatra vitsivitsy monja momba ireo fahazarana mety hahitan-doza mahakasika ny fitondrana fiarakodia. Tokony hanosika antsika hitandrina sy hahatsapa andraikitra eo anoloan’ny fampiasana fiarakodia, ny fanajana ny aina sy ny fitiavana ny mpiara-belona amintsika. — Matio 7:12.
Fepetra fiarovana tsotra iray hafa, nefa matetika no atao tsirambina, ny fehikibo fiarovana. Araka ny voalazan’i Tim Hurd, mpitondra tenin’ny Minisiteran’ny Fitaterana, any Etazonia, dia “ny fehikibo fiarovana no fomba mandaitra indrindra hitsimbinana ny ainao, raha misy fifandonana. Noho izy io, dia manan-tombo avo roa heny ny mety tsy hahafaty anao”. Manan-tombo efa ho avo telo heny ny mety tsy hahafaty ny zaza ao anaty fiarakodia, raha ampiasaina ny seza fiarovan-jaza.a
Na dia eo aza izany, ny fanadihadiana dia manondro fa efa ho ny ampahatelon’ny olona mitaingina fiarakodia no tsy mampiasa fehikibo fiarovana, any Etazonia. Ry ray na reny, ataonao azo antoka ve fa tena mifatotra tsara eo amin’ny sezany ireo zanakao, alohan’ny hitondranao ny fiarakodianao? Tsy very maina ny fotoana lany hamatorana ilay seza fiarovana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manoro hevitra toy izao ny Fiadidiana ny Aro Lozan’ny Fifamoivoizana, any Etazonia: “Tsy tokony hapetraka eo aloha amin’ny fiarakodia misy kitapon-drivotra ny zaza ao anaty seza fiarovana napetaka niamboho. Mety handratra an’ilay zaza ny fiantefan’ilay kitapon-drivotra rehefa mibontsina izy io ka mamely an’ilay seza fiarovana napetaka niamboho, izay misy an’ilay zaza.”